Takatrao foana ve ny hevitry ny anatra?
NISAFOAKA mafy tamin’ity zandrilahiny ny zokiny. Inona no antony? Satria nomena fiheverana mihoatra noho ny tenany ny zandriny. Raha mbola niakatra ny hatezerany, dia notoroan’ny olom-pantany, izay nanam-pahendrena lehibe, hevitra izy mba hifehy ny fankahalany raha tsy izany dia hiafara amin’ny fomba ratsy izany. Tsy nihevitra an’io torohevitra tsara io anefa ilay tovolahy; nivadika ho loza ny raharaha satria novonoiny ny rahalahiny.
Kaina io tovolahy io, lahimatoan’ny ray aman-drenintsika voalohany, Adama sy Eva. Kaina dia namono an’i Abela zandriny lahy taorian’ny naneken’i Jehovah ny sorona nataon’i Abela sy nandavany ny azy kosa. Ilay persona be fahendrena fantatr’i Kaina sy nanome torohevitra feno fitiavana izay nohamavoiny dia tsy iza fa Jehovah Andriamanitra. Noho izany dia tafiditra tao amin’ny fianakavian’olombelona teo am-piforonana ny famonoana olona ary voaheloka hirenireny mandritra ny fotoana ela hiainany Kaina. Moa ve tsy mampalahelo ny hahatongavana amin’izany fiafaran-javatra izany noho ny tsy nahatakarana ny hevitry ny anatra iray? — Genesisy 4:3-16.
Taonjato maro taorian’i Kaina, Davida, mpanjakan’ny Isiraely dia nijangajanga tamin’i Batseba, vadin’i Oria Hetita, ka nanana anaka taminy. Nanandrana nandamina ilay zava-manahirana Davida tamin’ny famoronana tetika mba hananan’i Oria firaisana amin’ny vadiny. Koa satria nanda i Oria, dia nataon’i Davida izay hahafaty azy tany an’ady, ary avy eo dia nanambady an’i Batseba izy mba tsy hahavoaheloka azy ho faty noho ny fanitsakitsaham-bady. Tamin’izay dia nisy mpaminany iray tonga teo amin’i Davida ary nanao izay hahatsapany ny naha-ratsy indrindra ny nataony. Nahatakatra haingana ny hevitry ny anatra nomeny Davida. Noho izany, na dia voatery nizaka nandritra ny fiainany manontolo ny vokatry ny helony aza io mpanjaka io, Jehovah dia nanaiky ny fibebahany tamim-pahatsorana. — II Samoela 11:1 ka hatramin’ny 12:14.
Ireo ohatra roa nindramina avy amin’ny Tantara ireo dia manazava ny maha-zava-dehibe ny hihainoana ny torohevitra. Amin’ny fihetsika asehontsika eo anoloan’ireo torohevitra no iankinan’ny fahombiazana na ny alahelo, ary na dia ny fiainana na ny fahafatesana aza. Tsy mahagaga raha manambara ny Baiboly hoe: “Ny làlan’ny adala dia mahitsy eo imasony; fa izay mino anatra no hendry.” (Ohabolana 12:15). Kanefa dia tsy mora ny mandray torohevitra. Nahoana no toy izany no miseho? Ahoana no hahazoantsika toe-tsaina tsara toy ny nasehon’i Davida mpanjaka amin’io lafiny io ka hanalavirana ny ohatra ratsin’i Kaina?
Ny fanampian’ny fanetren-tena
Matetika dia sarotra ny manaiky ny torohevitra satria tsy mahatsapa ny ilàna fanampiana ny tena. Na raha ekena aza izany, dia tsy mahita ny antony tokony hanekena torohevitra iray avy amin’ny olona toy izao na itsy ny tena. Raha ny marina, dia ny avonavona no manetsika antsika; azo atao ny mandresy an’izany fahadisoana izany amin’ny fakana fotoana hisaintsainana kely. Ohatra, ny apostoly Paoly dia nilaza izao: “Fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra.” (Romana 3:23). Ireo teny ireo dia mampianatra antsika fa ny olona rehetra dia mila mandray torohevitra indraindray. Izy ireo dia mampianatra antsika ankoatr’izany fa na dia ireo mpanome torohevitra koa aza dia manana fahalemena. Tsy misy olona afaka amin’izany. Aza avela hanakana anao tsy handray soa avy amin’ny fanampiana omeny àry ny fahadisoana voamarikao ao amin’ny olona iray.
Jesosy dia nanipika ny ilàna hiadiana amin’ny fiavonavonana raha nilaza tamin’ny mpianany hoe: “Raha tsy miova hianareo ka ho tonga tahaka ny zazakely dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy hianareo.” (Matio 18:3). Ny zaza madinika dia mahatsapa tsy fananana ahiahy rehefa mananatra sy mitarika azy ireo ny ray aman-dreniny. Mahatsapa izany koa ve ianao rehefa misy olona manome torohevitra anao? Tsapanao ve fa porofon’ny fitiavany sy ny fiheverany anao izany (Hebreo 12:6)? Davida mpanjaka, izay neken’i Jehovah ny fibebahany satria nanetry tena sy nanaiky anatra izy, dia nahatsiaro ho voatosika hanoratra hoe: “Aoka ny marina hamely ahy amin’ny fahalemem-panahy ka hananatra ahy, fa diloilo ahosotra ny lohako izany.” — Salamo 141:5.
Ny fanetren-tena toy izany dia mety hilaintsika rehefa toroana hevitra amin’ny lafiny iray tsy voafaritry ny fitsipika isika. Ohatra, raha ampahafantarina antsika fa ny taovolo sy ny fiakanjontsika dia manafintohina mpikambana sasany ao amin’ny kongregasiona dia angamba hila fanetren-tena lehibe isika mba hahatakarana ny hevitr’ilay anatra. Amin’ny fanaovana toy izany anefa, dia hanaraka izao famporisihana nataon’ny apostoly Paoly izao isika: “Aoka tsy hisy olona hitady ny hahasoa ny tenany, fa ny hahasoa ny namany.” — I Korintiana 10:24.
Azontsika atao ny mifaly noho ny nanomezan’i Jehovah ny Baiboly: feno mitafotafo ireo torohevitra tsara indrindra izy. Raha ny marina, ny teny hoe “torohevitra”, amin’ny endriny isan-karazany, dia hita ao in-170 mahery. Ankoatr’izany Jehovah dia manome mpiandry feno fitiavana izay manampy antsika hampihatra ireny torohevitra ireny. Ny fianakaviana dia anisan’ny fandaharana noraisin’Andriamanitra koa mba hitondrana fanampiana feno fitiavana ho an’ny olombelona, amin’ny alalan’ireo anatra omen’ny ray aman-dreny mandray am-po ny andraikiny. Enga anie isika hihaino amim-panetren-tena foana ireny anatra ireny!
Aoka ianao “halady hihaino”
Ahitana izao fananarana izao ao amin’ny Jakoba 1:19: “Aoka ny olona rehetra halady hihaino, ho malai-miteny, ho malain-ko-tezitra.” Tokony hanaraka indrindra izany isika rehefa mandray torohevitra. Nahoana? Voalohany, moa ve tsy marina fa fantatsika matetika ny fahadisoantsika manokana, ka tsy dia gaga loatra isika rehefa misy sakaiza iray miahy antsika manintona ny saintsika amin’izany ary manome torohevitra antsika? Hanamora zavatra tokoa isika raha mahay manavaka hainga izay tiany holazaina amintsika ka manaiky amim-panetren-tena ny fanampiany feno hatsaram-po.
Rehefa mitady hanome torohevitra iray ho antsika ny sakaiza iray, aoka hotadidiantsika fa mba vahotra koa izy. Tsy mora mantsy ny mananatra. Angamba efa nieritreritra ela izay teny hampiasainy na ny fomba hanombohany resaka amintsika ilay olona maniry hanampy antsika. Ny loholona iray angamba hanombo-dresaka amin’ny fiderana antsika noho izay notanterahintsika tamin’ny lafiny sasany amin’ny fanompoana kristiana. Nefa raha manome torohevitra antsika izy avy eo, dia tsy tokony hahatonga antsika hiahiahy ny amin’ny antony manosika azy izany. Mety tsy niresaka mivantana tamintsika ilay mpanoro hevitra tamin’ny voalohany noho ny fahaiza-mandanjalanja, sy mba tsy ho henjana loatra. Raha ampy fahaiza-manavaka isika mba hahatakarana haingana ny hevitry ny anatra, dia hanamora ny asan’ilay mpanome torohevitra ka hanalavitra ny fahatafintohinana amin’izany angamba.
Indraindray ny mpanome torohevitra dia hanampy antsika hahatakatra ny hevitry ny anatra iray amin’ny fampiasana ohatra na sary iray. Ny tovolahy iray dia tsy mbola nanao fahotana lehibe, nefa nandeha tamin’ny lalan-dratsy iray izy. Sady nampisaintsaina azy ny kristiana matotra iray no naka fanipihana iray teo ambonin’ny birao ka nanontany azy, tamin’ny famolahana izany tamin’ny tanany: “Raha folahako tahaka izao ity fanipihana ity, moa ve ho azoko ampiasaina izany mba handrefesana tsipika mahitsy iray?” Takatr’ilay tovolahy ny dikan’ny torohevitra. Nanandrana nanolana ireo fitsipika izy mba hampifanaraka izany amin’ny faniriany. Io fanoharana io dia nanampy azy hanaraka ny fanasana mampiseho fahendrena voarakitra ao amin’ny Ohabolana 19:20 manao hoe: “Henoy ny saina atolotra, ary raiso ny fananarana.”
Aoka ianao ho mora mandray ireo torohevitra tsy mivantana
Ny fahaiza-manavaka toy izany dia tsy isalasalana fa hahafahantsika handray soa avy amin’ireo torohevitra tsy mivantana na dia tsy raisintsika avy amin’ny olona iray aza izany. Izany no nitranga tamin’ny zatovo Portioge iray. Nianatra Baiboly izy ary nahazo ilay boky hoe Votre jeunesse — Comment en tirer le meilleur parti. Andro vitsivitsy tatỳ aoriana, dia nilaza izy fa efa nahavaky ilay boky intelo ary efa nahasoa azy tokoa izy io. Tamin’ny lafiny inona? Izao no tenin’io tovolahy io:
“Tsy nanana fanantenana marina aho raha ny amin’ny ho avy, kanefa ny toko faha-2 [“Azonao atao ny mihevitra ny ho avy amim-pitokisana”] dia nanome heviny ny fiainako. Ambonin’izany, efa an-taonany maromaro aho no nanao “masturbation” (fikasihana ny faritra maha-lahin’ny tena mba hahazoana fahafinaretana); tsy mbola nisy olona nilaza tamiko fa tsy ankasitrahan’Andriamanitra izany ary nitondra fahavoazana ho an’ny tenako. Taorian’ny famakiana ny toko faha-5 [“Ny fikasikasihana ny faritra maha-lahy na maha-vavy mba hahatsapana fahafinaretana sy ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy”], dia nanapa-kevitra hiala tamin’io fanao io aho. Noho ny toko faha-7 [“Milaza betsaka ny amin’ny maha-ianao anao ny fisehoanao ivelany”], dia mitandrina bebe kokoa ny fisehoako ivelany aho; araka ny hitanareo, dia nanomboka tamin’ny fanapahana ny voloko aho.”
Nanampy izao izy: “Nifoka sigara efa aman-taonany maro aho. Ny toko faha-15 [“Mitondra anao ho amin’ny tena fiainana ve ny zavatra mahadomelina?”] dia nanitsy ahy tamin’io lafiny io. Nivavaka tamin’i Jehovah aho, ary hatramin’ny alahady dia tsy nanendry sigara ny tenako. Efa nandritra ny fotoana sasany aho no nanana firaisana tamin’ny sakaizako, nefa ny toko faha-18 [“Lany andro ve ny fitondrantena madio eo amin’ny lahy sy ny vavy?”] dia nanintona ny saiko tamin’izay heverin’Andriamanitra ny amin’io raharaha io. Efa niresaka ny amin’izany tamin’ilay sakaizako aho ka nanapa-kevitra izy hanapaka ny fifandraisanay.”
Endrey izany fifaliana mahita tanora iray mitondra fiovana toy izany eo amin’ny fiainany ao anatin’ny fe-potoana fohy tahaka izany! Tanteraka izany satria izy nahay nanavaka ireo torohevitra izay nihatra manokana tamin’ny tenany tao amin’izay novakiny.
Izay manaiky ireo torohevitra dia mandray soa avy amin’izany
Na raisintsika tsy mivantana izany, amin’ny alalan’ny Baiboly, na mivantana, amin’ny alalan’ny sakaiza iray, ny anatra dia mety hahasoa. Izany dia miharihary amin’izay niseho tamin’ny raim-pianakaviana iray: nangataka ny fanampian’ireo loholona, lehilahy matotra ara-panahy tao amin’ny kongregasionany izy, satria tsy nisy vokany tamin’ny zanany lahy 18 taona ny fiezahana nataony mba hanitsiana azy. Tamim-pitiavana, ireo loholona dia nampisaintsaina io ray io, izay nanompo an’Andriamanitra tamin-jotom-po, nefa toa tsy ampy fandanjalanjana teo amin’ny fifandraisany tamin’ny fianakaviany.
Novakiny taminy ireto tenin’i Paoly ireto: “Ary hianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao amin’ny famaizana [lalàm-pifehezana, MN ] sy ny fananaran’ny Tompo [fanabeazan-tsaina avy amin’i Jehovah, MN ] izy.” (Efesiana 6:4). Avy eo dia nanasa ilay ray mba hieritreritra izy ireo: Moa ve tsy nampahasosotra ny zanany izy tamin’ny fomba nanandramany namporisika azy, na dia tsara aza ny fikasany? Moa ve tsy nanantena ny hanahafan’ny zanany lahy ny zotom-pony ho amin’ny fivoriana sy ny fanompoana kristiana izy, nefa tsy niezaka nampitsiry tao am-pony ny fitiavana an’ireo asa ireo? Moa ve izy nanampy ny zanany lahy mba ‘hianatra ka hatahotra an’i Jehovah Andriamaniny’? — Deoteronomia 31:12, 13.
Nihaino torohevitra ilay ray ary nampihatra izany. Fotoana fohy tatỳ aoriana dia nanatrika ireo fivoriana sy nianatra Baiboly isan-kerinandro niaraka taminy ny zanany lahy ary, araka ny tenin-drainy mihitsy, dia ‘tsara kokoa ny fifandraisan’izy mianaka izao’. Eny, samy nahatakatra ny hevitry ny anatra ilay ray sy ny zanany.
Tsy azo lavina fa nanao fahadisoana avokoa isika rehetra ka noho izany dia mila torohevitra daholo indraindray (Ohabolana 24:6). Raha mahatakatra ny hevitr’ireo anatra feno fahendrena isika ka mihevitra izany dia hijinja soa maro avy amin’izany, ka ny sarobidy indrindra dia ny fifandraisana manokana sy lalina amin’ilay Raintsika tia any an-danitra, Jehovah. Noho izany dia hilaza toa an’i Davida mpanjaka koa isika hoe: “Hisaotra an’i Jehovah izay manome saina [nanoro hevitra, MN ] ahy aho.” — Salamo 16:7.