“Sambatra izay efa niaritra”
1. Nanomboka tamin’ny 1914, toe-javatra inona mitranga eto an-tany moa no fahatanterahan’ny Matio 24:3-8, ary ny fihamboana hanao inona nataon’ny Fikambanam-pirenena sy ny Firenena mikambana no tsy nahomby?
AO AMIN’NY bokiny hoe Ny andro ankehitriny (anglisy), i Robert Nisbet dia miresaka ny amin’“ny ady naharitra dimy ambin’ny fitopolo taona saika tsy an-kijanona hatramin’ny 1914”. Eny tokoa, “ady sy filazana ady”, anisan’izany ny ady maneran-tany — izany no nolazain’i Jesosy Kristy mialoha fa hisy amin’izao fotoan’ny farany izao (Matio 24:3-8). Naorina tamin’ny 1920 ny Fikambanam-pirenena mba “hanakanana ny ady tsy hisy mandrakizay”. Endrey ny tsy fahombiazany mampahonena! Natsangana tamin’ny 1945 ny Firenena mikambana “mba hamonjena ireo taranaka ho avy amin’ny lozan’ny ady”. Mitantara toy izao anefa ny bokin’i Max Harrelson hoe Afo hatraiza hatraiza (anglisy): “Zara raha nisy andro iray tsy nisian’ny ady nifanaovana teto amin’ny tany hatramin’ny faran’ny Ady Lehibe faharoa.”
2. Inona no anontanian’ny olona sasany mikasika ny toe-javatra maneran-tany, kanefa fanontaniana lehibe kokoa inona avy no tokony hataontsika?
2 Ny fampihorohoroana sy ny herisetra, ny fandraisana kolikoly sy ny fahantrana, ny zavatra mahadomelina sy ny areti-mandringana — izany rehetra izany koa dia mbola mampitombo ny haratsian’ilay sary efa mampahonena. Mety hanontany angamba ny olona sasany hoe: ‘Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny taranak’olombelona mbola hiaritra izao tarehin-javatra mampanahy izao?’ Izao anefa no fanontaniana lehibe kokoa tokony hataontsika: ‘Ahoana no ahafahan’Andriamanitra mizaka ny fandrobana ny tany noforoniny? Hafiriana no mbola hamelany ireo olona ratsy fanahy hanimba ny tany sy hanototra fanalam-baraka ny anarany sarobidy?’
3. a) Fanontaniana inona no nataon’i Isaia mpaminany, ary nahoana? b) Inona no valin-teny nomen’i Jehovah azy, ary mampiseho inona izany raha ny amin’izao androntsika izao?
3 Nanontany toy izany i Isaia mpaminany. Notendrena hanambara hafatra avy amin’i Jehovah ho an’ireo Jiosy mpiray firenena taminy izy. Kanefa efa nampiomanina izy fa tsy hihaino azy na ilay Andriamanitra naniraka azy izy ireo. Koa nanontany àry izy hoe: “Tompo [Jehovah, MN ] ô, mandra-pahoviana anefa?” Eny, mandra-pahoviana no tsy maintsy hitorian’i Isaia tamin’io vahoaka mafy hatoka io, ary mandra-pahoviana no hiaretan’i Jehovah ny fandavana naniratsiran’izy ireo tsy hihaino ny hafany? Namaly toy izao i Jehovah: “Mandra-pahafoanan’ny tanàna, ka tsy hisy mponina, ary ny trano tsy hisy olona, ary ny tany ho lao tokoa.” (Isaia 6:8-11). Toy izany koa amin’izao andro izao, Andriamanitra dia miaritra ny fanakianana toy izany mandra-pahatongan’ny fotoana voatendriny hampiharana ny fitsarany amin’ity izao tontolo izao ity izay ny fivavahana lazaina fa kristiana nivadika eo aminy no meloka voalohany indrindra.
4. Nanao ahoana ny niafaran’ny fiaretan’i Joba, ary manome toky antsika ny amin’inona izany ankehitriny?
4 Efa ela be izao no niaretan’i Jehovah ny fihantsian’i Satana. Teo amin’ny 3600 taona lasa teo ho eo, dia niaritra koa i Joba nahatoky, ka tamin’izany dia nandresy ny fihaikan’i Satana izay nilaza fa tsy hahay hihazona ny tsy fivadihany i Joba ao anatin’ny fitsapana. Fifaliana toy inona moa no nentin’izany ho an’ny fon’i Jehovah! (Joba 2:6-10; 27:5; Ohabolana 27:11) Nilaza toy izao i Jakoba, rahalahin’i Jesosy iray reny taminy: “Indro, ataontsika fa sambatra izay efa naharitra [niaritra, MN ]. Efa renareo ny faharetan’i [fiaretan’i, MN ] Joba, ary efa hitanareo ny faran’ny nataon’ny Tompo [Jehovah, MN ] taminy, fa miantra indrindra ny Tompo [Jehovah, MN ] sady be famindrampo.” Toy izany koa, ireo izay miaritra amin’ny fanompoana an’i Jehovah ankehitriny dia mahazo toky fa hovalian-tsoa. — Jakoba 5:11.
5. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa hotakina amin’ny vahoakan’Andriamanitra amin’izao andro izao ny fiaretana, ary eo am-panaovana asa inona no hilan’izy ireo fiaretana?
5 Nampiseho mazava tsara i Jesosy fa takina amin’ny vahoakan’Andriamanitra amin’izao androntsika izao ny fiaretana. Rehefa naminany ny amin’ny famantarana ny “fifaranan’ny fandehan-javatra” izy, dia nilaza hoe: “Izay maharitra [miaritra, MN ] hatramin’ny farany no hovonjena.” Miaritra amin’ny fanaovana inona anefa? Ny tenin’i Jesosy nanaraka izany avy hatrany dia mamaly hoe: “Ary hotorina amin’ny tany onenana manontolo ity vaovao tsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra.” (Matio 24:3, 13, 14, MN ). Amin’izay “vao ho tonga ny farany”. — Jereo koa Marka 13:10, 13; Lioka 21:17-19.
Nahoana i Jehovah no miaritra
6. Nahoana moa i Jehovah no ohatra miavaka dia miavaka ny amin’ny fampisehoana fiaretana, ary inona no antony iray nahatonga azy hiaritra ela be toy izany?
6 Nanazava ny apostoly Paoly fa “Andriamanitra, na dia ta-haneho ny fahatezerany sy hampahafantatra ny heriny aza, dia be fahari-po ka nandefitra tamin’izay fanaky ny fahatezerana voavoatra hosimbana”. (Romana 9:22.) Nahoana i Jehovah no niaritra ela be toy izany ny fisian’ny ratsy fanahy, dia ireo fanaky ny fahatezerana ireo? Ny antony iray ny amin’izany dia izao: mba hanaporofoana fa ny fanapahan’olombelona, tsy miankina amin’ny Mpamorona azy, dia tsy maintsy mitarika ho amin’ny tsy fahombiazana (Jeremia 10:23). Tsy ho ela izao dia hohamarinina ny fiandrianan’Andriamanitra rehefa hoporofoiny fa izy irery ihany no afaka hitondra fiadanana sy fifanarahana ary fahasambarana ho an’ny taranak’olombelona, amin’ny alalan’ny fanapahan’ny Fanjakan’i Jesosy. — Salamo 37:9-11; 45:1, 6, 7.
7. Noho ny antony hafa inona no nahatonga an’i Jehovah hiaritra, ary nitondra soa inona ho an’ireo olona an-tapitrisany maro hatramin’ireo taona 1930 izany?
7 Ambonin’izany, raha niaritra i Jehovah dia “mba hampahafantarina koa ny haren’ny voninahiny amin’izay fanaky ny famindrampo”. (Romana 9:23.) Ireo fanaky ny famindrampo ireo dia ireo voahosotra mitana ny tsy fivadihany izay “navotana avy tamin’ny olona” mba hiara-hanjaka amin’i Kristy Jesosy ao amin’ny Fanjakany any an-danitra. Ny fanasiana tombo-kase ireo 144 000 ireo dia nanomboka tamin’ny andron’ireo apostoly ary efa hifarana izy izao (Apokalypsy 7:3; 14:1, 4). Ary jereo koa ange! Hatramin’ireo taona 1930, noho ny fiaretan’i Jehovah, dia azo natao ny nanangona olona an-tapitrisany maro hafa, dia “olona betsaka (...) avy tamin’ny firenena rehetra”, izay mifaly noho ny fahatsinjovana ny ho tafita velona amin’ny fahoriana farany mba handova ny fiainana mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany (Apokalypsy 7:4, 9, 10, 13-17). Iray amin’ireo olona betsaka ireo ve ianao? Raha izany no izy, moa ve ianao tsy faly satria niaritra ny fisian’ny fanaky ny fahatezerana hatramin’izao i Jehovah? Na dia izany aza anefa, dia tsy maintsy manohy miaritra ihany ianao, toy ny niaretan’i Jehovah.
Valian-tsoa ny fiaretana
8. Nahoana moa isika rehetra no mila fiaretana, ary ny ohatra nampiseho fiaretana inona no tokony hodinihintsika amim-pitandremana?
8 Mila fiaretana avokoa isika rehetra raha tiantsika ny hahazo ireo fampanantenana ireo. Rehefa avy nanonona izany fahamarinana fototra izany ny apostoly Paoly ao amin’ny Hebreo 10:36, dia manazava amin’ny an-tsipiriany ny amin’ny finoana sy fiaretana marina nasehon’ny “vavolombelona maro be” tamin’ny andro fahiny. Avy eo izy dia mananatra antsika mba “hihazakazaka amin’ny faharetana [fiaretana, MN ] amin’izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao, mijery an’i Jesosy, Tompon’ny finoantsika sy Mpanefa azy”. “Mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany”, i Jesosy dia niaritra tamin’ny fanompoany tamin’ny fo manontolo, ary tsy nitsahatra nibanjina ilay loka hatrany izy. Fampaherezana toy inona moa no omen’ny ohatr’i Jesosy antsika mba hiaretantsika koa! — Hebreo 12:1, 2.
9. Nitondra vokatra inona ireo ohatra nampiseho fiaretana amin’izao androntsika izao?
9 Maro be toy izany koa ny ohatra mampiseho fiaretana amin’izao androntsika izao. Mety ho mahafantatra na nahafantatra rahalahy sy anabavy izay niavaka tokoa noho ny fiaretana ianao. Famporisihana nanao ahoana moa no azonao avy amin’ny tsy fivadihana nasehony. Ary isan-taona, rehefa mandefa ny filazana asany maneran-tany any amin’ny Fikambanana Watch Tower ny Vavolombelon’i Jehovah, dia manome miaraka amin’izany fitantarana mahavariana maro ny amin’ny ohatra mampiseho fiaretana sy tsy fivadihana. Ilay tabilao hita ao amin’ireo pejy efatra manaraka dia mahatonga hahazo an-tsaina kely ny amin’ny asa goavana notanterahin’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1989, raha ‘nanampy fiaretana ny finoany’ izy ireo. — 2 Petera 1:5, 6, MN.
Ny taona nahitantsika vokatra be indrindra
10. a) Tany sy fitambara-nosy firy no nitoriana ny Vaovao tsaran’ilay Fanjakana tamin’ny 1989, ary firy no nandray anjara tamin’io asa io? b) Nisy mpitory maharitra firy moa tamin’ny volana nisian’ny tampon’isan’izy ireo, ary tontalin’ora firy no lany teny am-pitoriana?
10 Araka ny asehon’ny tabilao ao amin’ireo pejy eo aloha, dia tany sy fitambara-nosy 212 no nitoriana ny Fanjakan’i Jehovah efa antomotra izao. Ry mpamaky ny Ny Tilikambo Fiambenana malala, nanana tombontsoa ny ho anisan’ireo 3 787 188 nandray anjara tamin’io asa lehibe io ve ianao? Moa ve ianao iray tamin’ireo 808 184 nanao asan’ny mpitory maharitra tamin’ny volana nisian’ny tampon’isa ambony indrindra tamin’io asa io? Na nanao ahoana na nanao ahoana ny anjara noraisinao tamin’ireo tontalin’ora 835 426 538 lany teny amin’ny saha fitoriana tamin’ny 1989, dia manana antony tokony hifaliana ianao. — Salamo 104:33, 34; Filipiana 4:4.
11. a) Firy moa no nanatrika ny Fahatsiarovana tamin’ny 22 martsa 1989, ary nahoana izany no mahafaly? b) Firy no natao batisa, ary tany iza avy hita eo amin’ny tabilao no niavaka indrindra tamin’io lafiny io?
11 Mifalia koa noho ny isa 9 479 064 mahatalanjon’ireo nanatrika ny fankalazana ny nahafatesan’i Jesosy naneran-tany tamin’ny 22 martsa tamin’ny herintaona! Izany dia mampiseho fa misy olona 5 691 876 fanampiny afaka ny ho mpitory ilay Fanjakana raha toa ireo olona liana ny fahamarinana oharina amin’ny ondry ireo ka ampidirina amim-pitiavana ao amin’ny valan’ondry, mba handray anjara amin’ny fomba feno amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Afaka ny hanampy azy ireo amin’izany ve isika (Jaona 10:16; Apokalypsy 7:9, 15)? Maro be tamin’izy ireo no efa namaly izany fanasana izany, araka ny asehon’ny isan’ireo Vavolombelona vaovao 263 855 natao batisa naneran-tany nandritra ny taom-piasana 1989.
12. Fanazavana sasantsasany inona no tsy asehon’ny tabilao raha ny amin’ a) ireo fanontam-pirintin’ny Fikambanana Watch Tower? b) ireo gazety sy famandrihana voapetraka?
12 Misy zavatra miavaka sasany tsy asehon’io tabilao io anefa. Tsy nety afaka ny hetahetan’ny olona ho amin’ny zavatra vita an-tsoratra, dia ny Baiboly, boky, bokikely ary gazety izany. Ho vokatr’izany ireo toerana fanontam-pirintin’ny Watchtower any New York dia nampiasa taratasy nilanja 25 999 taonina mba hamoahana Baiboly sy boky ary bokikely 35 811 000, izay mampiseho fitomboana 101 % raha oharina amin’ny tamin’ny 1988. Tany amin’ireo toerana fanontam-pirinty lehiben’ny Fikambanana Watch Tower hafa, toy ny any Alemanina, Italia ary Japon, dia niasa mihoatra noho ny tokony hiasany ireo rahalahy mba hanohanana “ny mpanompo mahatoky sy malina” amin’ny ‘fanomezana hanina ara-panahy amin’ny fotoana’. (Matio 24:45, MN.) Tamin’ny volana aprily sy may, dia niavaka aoka izany ny isan’ireo gazety sy famandrihana voapetraka tany amin’ny tany maro be, ary nohantitranterina indrindra ny fizarana ireo gazety Ny Tilikambo Fiambenana momba an’i “Babylona Lehibe”. (Apokalypsy 17:5.) Tsy isalasalana fa amin’ity volana aprily ity koa, ireo mpitory maharitra mpanampy sy ireo Vavolombelona hafa maro dia hirotsaka ao amin’ny saha fitoriana maneran-tany mba handraisana anjara amin’izay hiseho indray ho ny asa fanaovana fanambarana lehibe indrindra hataontsika amin’ny taom-piasana 1990. — Ampitahao amin’ny Isaia 40:31; Romana 12:11, 12.
13. Tany iza avy hita ao amin’ny tabilao no tsy tafiditra tao amin’ny tabilao tamin’ny herintaona? Hazavao.
13 Diniho indray ilay tabilao. Voamarikao ve fa misy tany izay tsy tafiditra tao amin’ny tabilao tamin’ny herintaona? Eny tokoa! Tany toa an’i Hongria sy i Polonina. Ny sasany amin’ireny tany ireny dia toerana mitokantokana izay vao anombohan’ny voan’ny fahamarinana momba ilay Fanjakana mamaka. Fa any Hongria sy Polonina kosa dia vao nekena ho ara-dalàna ny asantsika. Velom-pankasitrahana ireo manam-pahefana any amin’ireo tany ireo isika noho izy ireo mampiseho fiheverana ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny. Amin’io lafiny io, ny vavaka maro nataon’ny fianakaviamben’ireo rahalahy maneran-tany dia nahazo valiny, “mba hiainantsika miadana sy mandry fahizay amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra [“fitiavam-pivavahana”, MN ] sy ny fahamaotinana”. — 1 Timoty 2:1, 2.
14. Manomeza fanazavana sasany mahaliana indrindra momba ireo fivoriamben’ny distrika “Ny fitiavam-pivavahana” tany Polonina?
14 “Fitiavam-pivavahana” hoe? Eny, na dia tany Polonina aza dia azo natao, tany amin’ny tanàna telo tao amin’io tany io, tamin’ny volana aogositra, ny fivoriamben’ny distrika hoe “Fitiavam-pivavahana”! Fahaiza-mampiantrano vahiny toy inona moa no nasehon’ireo rahalahintsika polone 91 024! (Hebreo 13:1, 2, 16). Toy ny nisy fahagagana fa rahalahy an’aliny maro, avy tany Tsekoslovakia, avy tany Alemaina, avy tany Rosia, ary avy tany amin’ny tany hafa koa, no nahazo lalana hankany Polonina ka tonga tamin’ny fiarambahoaka sy tamin’ny fiarandalamby ary na dia an-tongotra mihitsy aza. An’arivony maro hafa no tonga tamin’ny fiaramanidina avy tany Amerika Avaratra sy Atsimo, avy tany Eoropa Andrefana, ary na dia avy tany amin’ireo nosy lavitra any Pasifika sy avy tany Japon aza. Zara raha ampy toerana handraisana ireo 65 710 tany Chorzów, sy ireo 40 442 tany Poznán ary ireo 60 366 tany Varsovie, izany hoe mpanatrika 166 518 tamin’ny fitambarany, ireo kianja lehibe dia lehibe izay nodiovin’ireo rahalahintsika tsy hisy pentina tany amin’ireo tanàna ireo. Isaky ny toerana nanaovana ny fivoriambe dia niteraka ranomasom-pifaliana ny fanaovana batisa. Tany Poznań dia nisy olona 9 taona sy 90 taona natao batisa, ary anisan’ireo olona rehetra natao batisa niisa 6 093 tany amin’ireo toerana telo nanaovana ny fivoriambe ny zatovo maro be, izay ny maro taminy dia avy tany amin’ny tany nilazana fa ho faty miaraka amin’ireo olona antitra ny fivavahana. Kanefa hita fa tsy izany no izy raha ny amin’ny fivavahana marina mifototra amin’ny Tenin’Andriamanitra! (Ampitahao amin’ny Salamo 148:12, 13; Asan’ny apostoly 2:41; 4:4.) Tamin’ny fomba mahatalanjona nanao ahoana moa no namalian-tsoa ny fiaretan’ireo rahalahintsika any Eoropa Atsinanana!
Tsy mivadika hatrany na dia ao anatin’ny fitsapana aza
15. Ahoana no nampisehoan’ireo Vavolombelona tany Liban fiaretana sy fifaharana tsara, ary vokatra tsara inona avy no azo avy amin’izany?
15 Toy ny apostoly Paoly, ny Vavolombelon’i Jehovah dia tsy maintsy mampiseho fiaretana ao anatin’ny tarehin-javatra maro samihafa (2 Korintiana 11:24-27). Any Liban dia mamely mafy ny ady an-trano. Manao ahoana ny fihetsik’ireo rahalahintsika? Mampiseho fahavononana sy mifahatra tsara izy ireo. Maro be ny baomba sy ny tafondro nipoaka tamin’ny taona 1989, kanefa na dia tamin’ny toerana tena nisian’izany be indrindra aza, dia vonona ny tsy hampiadana ny asany ireo rahalahy. Nanao tatitra toy izao ny kongregasiona iray any Beyrouth: “Nalamina tsy tapaka isan-kariva tao anatin’ny herinandro ny fihaonana ho amin’ny asa fitoriana. Na dia sarotra be aza ny toe-piainana noho ny tsy fisian’ny filaminana, dia tsy kivy ireo rahalahy. Nahavita niasa faritany betsaka kokoa noho ny taloha izahay. Tamin’ny aprily dia nahatratra tampon’isan’ny mpitory maharitra izahay. Fampianarana ny Baiboly maro no natomboka, ary nametraka gazety sy boky betsaka kokoa izahay.”
16. Ahoana no nampisehoan’ireo rahalahintsika any Kolombia fiaretana tamin’ny fitoriana ny vaovao tsara tany amin’ny tanàna tsy nisy Vavolombelona?
16 Noresahina imbetsaka tao amin’ny vaovao i Kolombia noho ny raharaha momba ny zava-mahadomelina sy ny herisetra. Ny fiaretana asehon’ireo kristiana mahatoky koa anefa dia mendrika ny horesahina. Tsy ela izay, dia nirahina ho any amin’ny tanàna 31 nisy mponina iray alina fara fahakeliny ary tsy nisy Vavolombelona mihitsy, ny mpitory maharitra manokana vonjy maika. Tao amin’ny iray tamin’ireny tanàna ireny dia niangavy ireo mpitory maharitra mba hijanona tao ireo olona vao liana ny fahamarinana, raha vantany vao fantany fa tsy hijanona afa-tsy volana vitsivitsy monja izy ireo. Tao amin’ny tanàna iray hafa, dia nanoratra taratasim-pankasitrahana ny olona liana ny fahamarinana 18 noho ny fanampiana ara-panahy nomena azy nandritra ireo telo volana nijanonan’ireo mpitory maharitra tao, ary nangataka fanampiana fanampiny. “Raharaha lehibe ity”, hoy izy ireo. Tsy ilaina akory ny manantitrantitra fa, tamin’ireo tanàna roa ireo dia samy natao ny fandaharana mba hikolokoloana ny fahalianan’izy ireo. Mitaky fiaretana ny fikarakarana faritany lavitra be toy izany, kanefa mahazo fitahiana be dia be ireo mpitory maharitra miasa mafy.
17, 18. a) Tarehin-javatra nanao ahoana no tsy maintsy nanehoan’ireo Vavolombelon’i Jehovah fiaretana tany Italia? b) Nanao ahoana moa ny fandrosoan’ireo Vavolombelona na dia teo aza ireo lainga naparitaka momba azy ireo?
17 Any Italia, ny Vavolombelon’i Jehovah dia miatrika fanoherana mafy avy amin’ny klerjy, kanefa niaritra izy ireo noho ny hery avy amin’i Jehovah. Any amin’ny fiangonana samy hafa, ny klerjy dia nizara taratasy fametaka amin’ny varavaran’ny tranon’ireo mpiangona ao aminy, mba hilazana amin’ireo Vavolombelon’i Jehovah tsy hampaneno ny “sonnerie”-ny. Tany amin’ny toerana iray, dia nampiasa ankizilahy maromaro ireo pretra mba hametaka ireny taratasy ireny amin’ny varavarana rehetra, eny, na dia amin’ny varavaran’ireo Vavolombelona aza! Tsy nanaiky ho azon’ny tahotra mora foana anefa ireo Vavolombelona, ary mazàna izy ireo no mampiasa ireny taratasy ireny ho fampidiran-dresaka. Ambonin’izany, ny gazety sy ny televiziona eo an-toerana dia niresaka be dia be momba io raharaha io, ka nanameloka io tsy fahaiza-milefitra ara-pivavahana io, ary nanantitrantitra fa, raha ny tena izy, izany fomba fiasa izany dia mampiharihary ny fahalemen’ny eglizy. Nisy mpampianatra any amin’ny oniversite iray tafintohina noho ireo taratasy natao hanoherana ny Vavolombelona ireo, hany ka nanao famandrihana tamin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy Réveillez-vous! izy.
18 Mampiasa ireo mpivadi-pinoana mihitsy aza ny eglizy katolika any Italia mba hanaparitahana lainga momba ny Vavolombelona, kanefa tsy mahomby ihany koa izany satria ireo mpitory 172 382 dia fantatra tsara ary hajain’ny olona. Nilaza tamin’ireo Vavolombelona tonga nitsidika azy ny lehilahy iray fa namaky zavatra ratsy momba antsika tao amin’ny zavatra vita an-tsoratra nosoratan’ny olona tsy Vavolombelona intsony izy, hany ka nanohitra mafy rehefa tonga Vavolombelon’i Jehovah ny rahalahiny. Rehefa afaka fotoana kelikely anefa, dia nahamarika izy fa nitondra vokatra tsara teo amin’ny rahalahiny ny niovany fivavahana. Nanontany tena izy hoe: ‘Ahoana àry no ahafahan’ny zavatra ratsy be toy izany hitondra vokatra tsara toy izao?’ Nangataka fampianarana ny Baiboly tamin’ireo Vavolombelona tonga nitsidika azy àry izy. — Ampitahao amin’ny Kolosiana 3:8-10.
Aoka isika handresy ny tsy firaikana
19, 20. a) Tarehin-javatra nanao ahoana moa no nitaky ny fiaretan’ireo Vavolombelona tany Finlanda, ary inona no tena zava-dehibe tamin’ny fitsapana ny hevitry ny be sy ny maro nataon’ny fiangonana? b) Zavatra niseho teny am-pitoriana inona no mampiseho fa ilaina ny fiaretana rehefa mitory ny vaovao tsara?
19 Any amin’ireo tany itsidihan’ny Vavolombelona ny faritaniny matetika, dia ahitana tsy firaikana amin’ny vaovao tsara be dia be. Izany tokoa no hita any Finlanda. Nanao fitsapana ny hevitry ny be sy ny maro ny fiangonana ao amin’io tany io ary nahita fa ny 70 isan-jaton’ny mponina any dia tsy tia ny hitsidihan’ny Vavolombelona azy ireo any an-tranony. Ny 30 isan-jato anefa dia tsy manohitra mafy, ary ny 4 isan-jato amin’ireo dia milaza fa, raha ny tena izy, dia tiany ireo Vavolombelon’i Jehovah. Zava-dehibe io tarehimarika io. Ny 4 isan-jaton’ny mponina any Finlanda dia miisa 200 000. Ohary amin’ny isan’ny mpitory izay misy 17 303 ankehitriny ange izany e!
20 Indray andro dia nampahatsiahy ny mpitory iray teny am-pitoriana ny amin’io fitsapana hevitra io ny olona iray ary nanontany azy hoe: “Tsy fantatrao angaha fa ny 70 isan-jato aminay dia tsy mankasitraka anareo, koa nahoana ianareo no mbola manohy tonga atỳ am-baravaranay ihany?” Namaly toy izao ilay mpitory: “Eny, fantatro izany, kanefa io fitsapana hevitra io koa no nampiseho fa ny 4 isan-jato aminareo dia tia anay. Koa miezaka ny hitady ireny olona ireny izahay. Ary na dia tsy nisy afa-tsy iray isan-jato monja aza izy ireny, dia mbola handeha isan-trano ihany izahay mba hitady azy.” Nieritreritra kely ilay olona dia nilaza hoe: “Zava-dehibe aoka izany aminy angaha ny hafatra entinareo?” Namaly ilay mpitory tamin’ny fanontaniana azy hoe: “Ho tianao ve ny hahare izany?” Tsy ela io tompon-trano io dia nampiseho fahalianana ny vaovao tsara.
Izay miandry antsika amin’ny hoavy
21. a) Ady manao ahoana moa no tsy maintsy iezahantsika atao ao amin’izao fandehan-javatra izao, ary nahoana? b) Inona no mety ho tsy maintsy hiaretantsika, ary manome toky antsika ny amin’inona ny faminanian’i Habakoka?
21 Ahoana ny amintsika rehetra ankehitriny? Vonona ny hiaritra hatramin’ny farany miaraka amin’i Jehovah sy Jesosy Kristy ve isika? Mety tsy ho ela intsony ny fahatongavany, kanefa tsy maintsy miaritra ihany isika! Raha mbola ao amin’ny fandehan-javatr’i Satana isika dia tsy maintsy miady mafy hiaro ny finoana, satria manodidina antsika avy amin’ny lafiny rehetra ny faharatsiam-pitondrantena, ny fandraisana kolikoly, ary ny fankahalana rehetra (Joda 3, 20, 21). Mety tsy maintsy hiaritra karazam-panenjehana iray na hafa koa isika. Na dia amin’izao androntsika aza, dia rahalahy an’arivony maro no mijaly any an-tranomaizina, ary ny sasany dia iharan’ny fikapohana amin-kalozana. Velom-pankasitrahana noho ireo vavaka ataontsika ho azy ireo rahalahy ireo (2 Tesaloniana 3:1, 2). Tsy ho ela intsony izao dia hanjavona ity fandehan-javatra ankehitriny ity! Izao no nosoratan’i Habakoka: “Ny fahitana dia mbola ho amin’ny fotoan’andro, ary mikendry ny farany izy ka tsy ho diso; eny, na dia mitaredretra aza izy, andraso ihany, fa ho avy tokoa izy ka tsy hijanona.” — Habakoka 2:3.
22. Vokatra inona moa no azontsika andrasana amim-pahatokiana raha maneho ny faharetan’ireo mpaminany sy ny fiaretan’i Joba isika?
22 Milaza amintsika amim-pitiavana toy izao i Jakoba mpianatra: “Ry rahalahiko, aoka ny mpaminany izay niteny tamin’ny anaran’ny Tompo [Jehovah, MN ] no halainareo ho fianarana ny fandeferam-pahoriana [fiaretam-pahoriana, MN ] sy ny faharetana.” Isika ankehitriny izay miteny amin’ny anaran’i Jehovah dia afaka ny hitana ny tsy fivadihantsika ao anatin’ny fitsapana mafy indrindra, toa an-dry Isaia, Jeremia, Daniela ary ny hafa koa. Toa an’i Joba, dia afaka ny hiaritra isika. Valisoa mahatalanjona toy inona moa no azony noho ny fiaretany! Ny famindrampon’i Jehovah sy ny hatsaram-pony dia hitondra valisoa sahala amin’izany ho antsika, raha miaritra hatramin’ny farany isika. Ary enga anie ireto tenin’i Jakoba ireto ka ho tanteraka amin’ny tsirairay avy amintsika: “Indro, ataontsika fa sambatra izay efa naharitra [niaritra, MN ].” — Jakoba 5:10, 11; Joba 42:10-13.
Ahoana no havalinao?
◻ Nahoana moa i Jesosy no nanantitrantitra fa tsy maintsy maneho fiaretana isika?
◻ Noho ny antony inona avy moa no niaretan’i Jehovah?
◻ Inona avy ireo zavatra mahaliana indrindra mikasika ny asa goavana notanterahintsika tamin’ny 1989?
◻ Ahoana moa no namalian-tsoa ny fiaretan’ireo rahalahintsika any Polonina?
◻ Ahoana moa no nisehoan’ireo Vavolombelona tany Liban, sy Kolombia ary Italia ho tsy nivadika tao anatin’ny fitsapana?
[Tabilao, pejy 20-23]
RAPAORO MANERAN-TANIN’NY VAVOLOMBELON’I JEHOVAH, TAOM-PIASANA 1989
(Jereo ny gazety)