Ny Fiheveran’ny Baiboly
Zava-dehibe Amin’Andriamanitra ve ny Fitafianao sy ny Fisehoanao Ankapobe?
“Toy ny ampisehoan’ny indeksa izay zavatra raketin’ny boky, (...) dia toy izany koa fa manambara amintsika izay toe-tsain’ny lehilahy na ny vehivavy iray ny fisehoany ivelany na ny fitafiany.” — Philip Massinger, anglisy iray mpanoratra tantara an-tsehatra.
TAMIN’NY taonjato fahatelo am.f.i., dia nanao lisitra lava be nisy fitsipika nifehy ny fitafiana sy ny fisehoana ankapobe i Titus Clemens, mpanoratra ho an’ny eglizy. Voarara ny fanaovana ravaka sy lamba be renty na marevaka. Tsy tokony handoko volo ny vehivavy, na “handoto ny tarehiny amin-javatra mamandrika natao hamitahana amin-kafetsen-dratsy”, dia “ny fanisiana loko eo amin’ny tarehy”. Nomena toromarika mba hanaratra ny lohany ny lehilahy, satria “ny volo tena fohy eo amin’ny lohan’ny lehilahy iray dia (...) mampiseho fa maotina be izy”. Tsy tokony hokitikitihina anefa ny volombava eo amin’ny saoka, satria “mahatonga ny tarehiny hanome taratry ny fahamendrehana sy ny fahefan’ny raim-pianakaviana”.a
Namoaka lalàna namaritra ny loko sy ny karazan’ny fitafiana azon’ny mpanara-dia azy nanaovana ilay mpitarika protestanta atao hoe Jean Calvin, taonjato maro tatỳ aoriana. Tsy dia nankasitrahana loatra ny firavaka sy ny dantelina, ary azo natao am-ponja ny vehivavy iray raha nanao ny volony ho “avo be toy ny an’ny olona ratsy fitondran-tena”.
Ireny fiheverana tafahoatra ireny, izay noraisin’ny mpitarika ara-pivavahana nandritra ny taona maro, dia nahatonga olona tso-po maro hanontany tena hoe: Tena zava-dehibe amin’Andriamanitra tokoa ve izay zavatra anaovako? Tsy mankasitraka lamaody sasany ve izy, na ny fampiasana zavatra fanosotra amin’ny tarehy? Inona no ampianarin’ny Baiboly?
Raharahan’ny tena manokana
Mahaliana ny mahafantatra fa nilaza toy izao tamin’ny mpianany i Jesosy, araka ny voarakitra ao amin’ny Jaona 8:31, 32: “Raha maharitra amin’ny teniko hianareo, dia (...) ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo.” Eny, natao hanafahana ny olona amin’ny enta-mavesatry ny famoretana avy amin’ny lovantsofina sy ny fampianaran-diso ireo fahamarinana nampianarin’i Jesosy. Novolavolaina izy ireo mba hamelombelomana ireo izay “miasa fatratra sy mavesatra entana”. (Matio 11:28). Na i Jesosy, na i Jehovah Andriamanitra, Rainy, dia samy tsy maniry hifehy ny fiainan’ny olona, ka hahatonga azy tsy ho afaka hanao zavatra samirery, na tsy ho afaka hampiasa ny fahaizany misaina intsony, eo amin’ny raharahan’ny tenany manokana. Irin’i Jehovah ny hahatongavan’izy ireny ho olona matotra, izay “manana ny saina efa zatra nampiasaina tsara ka mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy”. — Hebreo 5:14.
Noho izany, ny Baiboly dia tsy manome tsipirian-dalàna mifehy ny fitafiana sy ny fisehoana ankapobe na ny fampiasana zavatra mampahatsara tarehy, afa-tsy ireo zavatra fototra sasany voafaritra tsara, momba ny fitafiana, notakin’ny Lalàn’i Mosesy tamin’ireo Jiosy. Natao hanampiana azy ireo hitoetra ho tafasaraka hatrany tamin’ireo firenena nanodidina, sy ny fitaoman-dratsiny ara-pitondran-tena ireny zavatra notakina ireny. (Nomery 15:38-41; Deoteronomia 22:5). Ao amin’ny fandaharana kristianina, dia raharaha mahakasika ny fitiavan’ny tena manokana ny fitafiana sy ny fisehoana ankapobe.
Tsy te hilaza anefa akory izany hoe tsy miraika amin’izay zavatra anaovantsika Andriamanitra, na hoe ‘mety daholo na inona na inona anaovana’. Mifanohitra amin’izany fa mirakitra toro lalana araka ny antonona, izay manome taratry ny fomba fihevitr’Andriamanitra momba ny fitafiana sy ny fisehoana ankapobe, ny Baiboly.
‘Amin’ny fahamaotinana sy ny fahononan-tena’
Nanoratra ny apostoly Paoly fa tokony “hiravaka amin’ny fitafiana mahamendrika mbamin’ny fahamaotinana sy ny fahononan-tena [ny vehivavy kristianina], fa tsy amin’ny volo mirandrana sy ny volamena, na vato soa, na fitafiana saro-bidy”. Mitovy amin’izany koa, fa nanoro hevitra i Petera mba hanalavirana ny “zavatra eny ivelany, toy ny firandranam-bolo sy ny firava-bolamena”. — 1 Timoty 2:9; 1 Petera 3:3.
Milaza ve ireo tenin’i Petera sy i Paoly ireo fa tsy tokony hanatsara kokoa ny fisehoany ivelany ny vehivavy sy ny lehilahy kristianina? Tsy izany velively! Raha ny marina, dia manisy firesahana momba ny lehilahy sy ny vehivavy nahatoky izay nampiasa firavaka na menaka sy zava-manitra mampahatsara tarehy, ny Baiboly. Talohan’ny nisehoany teo anatrehan’i Ahasoerosy Mpanjaka, dia nanaraka fomba fanatsaran-tarehy maromaro, izay nampiasana menaka manitra sy otra, i Estera. Nampanaovina fitafiana rongony fotsy madinika sy rojo volamena i Josefa. — Genesisy 41:42; Eksodosy 32:2, 3; Estera 2:7, 12, 15.
Manampy antsika hahatakatra ilay fananarana ilay fitenenana hoe “fahononan-tena”, araka ny nampiasan’i Paoly azy. Manana heviny hoe mahalala ny antonona sy manana fifehezan-tena ilay teny grika tany am-boalohany. Tafiditra amin’izany ny hoe mihevi-tena araka ny antonona, fa tsy misarika ny sain’ny olona amin’ny fomba tafahoatra. Misy fandikan-tenin’ny Baiboly hafa mandika io teny io hoe “amin’ny fomba tsy tia sehoseho”, “amim-pisainana”, “amim-pahaiza-miaina”, na “amim-pahamaotinana”. Zavatra takina lehibe amin’ny loholona kristianina io toetra io, dia ny fahononan-tena. — 1 Timoty 3:2.
Koa rehefa milaza amintsika ny Soratra Masina fa tokony ho maotina sy mahamendrika ny fitafiantsika sy ny fisehoantsika ankapobe, dia mampirisika antsika hanalavitra izay mety ho fomba fitafy mihoa-pampana izay hanafintohina ny hafa, sy hitondra fahafaham-baraka ho antsika sy ho an’ny kôngregasiôna kristianina. Tsy hisarika ny saina ho amin’ny fisehoany ivelany amin’ny alalan’ny ravaka etỳ ivelany ireo izay milaza fa manaja an’Andriamanitra, fa tokony haneho fahononan-tena kosa, ka hihevitra ho zava-dehibe kokoa ny “toetra miafina ao am-po, izay tsy mety ho lo, dia ny fanahy malemy sady miadana”. “Soa indrindra eo imason’Andriamanitra” izany, araka ny fanatsoahan-kevitr’i Petera. — 1 Petera 3:4, izahay no manao sora-mandry.
“Fizàhan’izao rehetra izao” ny Kristianina. Ilain’izy ireo àry ny mitandrina ny amin’izay mety hoeritreretin’ny hafa, indrindra rehefa heverina ny baiko azon’izy ireo, dia ny hitory ny vaovao tsara. (1 Korintiana 4:9; Matio 24:14). Tsy iriny, araka izany, ny hamela zavatra na inona na inona, anisan’izany ny fisehoany ivelany, hanelingelina ny hafa ka tsy hihainoany io hafatra iankinan’ny aina io. — 2 Korintiana 4:2.
Na dia miovaova be arakaraka ny toerana aza ny fomba fiakanjo sy fihaingo, dia manolotra toro lalana mazava sy araka ny antonona ny Baiboly, mba hahafahan’ny olona tsirairay hanao safidy amim-pahendrena. Raha mbola manaja ireo foto-pitsipika ireo koa ny olona, dia mamela malalaka sy amim-pitiavana azy rehetra haneho izay tian’ny tenany manokana Andriamanitra, raha ny amin’ny fitafiana sy ny fisehoana ankapobe.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Nisy ezaka natao mba hanamafisana ireo fandrarana ireo, tamin’ny fanolanana ny Soratra Masina. Ilay teôlôjianina atao hoe Tertullien izay nanan-kery nitaona lehibe dia nampianatra fa tokony handeha ‘toa an’i Eva, hisaona sy hanenina’, ny vehivavy, satria vehivavy no fototry “ny fahotana voalohany sy ny fahafaham-baraka (...) noho ny fanamelohana ny olombelona”. Tsy miteny zavatra toy izany mihitsy anefa ny Baiboly. Raha ny marina, dia nanizingizina i Tertullien fa tokony hanao izay hanafenana ny hatsaran-tarehiny voajanahary mihitsy aza ny vehivavy tsara tarehy. — Ampitahao amin’ny Romana 5:12-14; 1 Timoty 2:13, 14.