Manontany ny Tanora Hoe...
Ahoana no Azoko Isetrana ny Fihantsiana Ahy?
METY hiharan’ny fihantsiana feno halozana ny tanora tsy mitovy fanao sy fitafy amin’ny tanora hafa. Izany no manjo ireo tanora kristianina, izay matetika no manana fitondran-tena hafa tanteraka noho ny an’ny hafa. Moa tokoa ve i Kristy tsy efa nilaza tamin’ireo tena mpanara-dia azy hoe: “Raha nanenjika Ahy izy, dia hanenjika anareo koa”? — Jaona 15:20.
Inona no vokatr’izany eo amin’ireo tanora Vavolombelon’i Jehovah? Esoina ny sasany amin’izy ireny noho izy tsy mankalaza fety sasany; ny hafa kianina noho izy tsy miarahaba saina. Misy maromaro amin’izy ireny aza ampiharana fanorisorena tsy an-kijanona, noho izy tsy mampiasa zava-mahadomelina sy manao ny marina ary manaraka ny fari-pitsipika ara-pitondran-tena ao amin’ny Baiboly.
Tsy zava-baovao akory izany. Raha ny marina, dia nilaza tamin’ireo Kristianina niaina tamin’ny taonjato voalohany ny apostoly Petera hoe: “Ary amin’izany dia gaga [ireo olona eo amin’ireo firenena], satria tsy miara-mihazakazaka aminy hianareo (...), ka dia teneniny ratsy”. (1 Petera 4:4). Misy fandikan-teny hafa milaza hoe: ‘Tevatevainy ianareo’ (Knox), na hoe: “Ompany ianareo.” — Today’s English Version.
Efa nisy naneso anao noho ny hevitra ara-pivavahana itompoanao ve? Raha izany no izy, dia mahereza. Maro no efa voan’izany! Ary ho faly ianao hahalala fa afaka mianatra misetra ny fahasorisorena entin’ny fihantsiana anao noho ny finoanao, ianao.
Ny antony anesoan’izy ireo
Fa nahoana ny olona sasany no maneso ireo izay tsy mitovy zavatra inoana sy fitondran-tena aminy? Indraindray ny mpaneso dia olona tsy matokitoky tena, tsy misy hafa amin’ireo mpampijaly kely. Mety hanaraby anao àry izy ireo mba hampisondrotra azy eo anoloan’ireo namany. Azo inoana fa rehefa irery ireny mpila kisa ireny, dia vitsy aminy no hahita tombony amin’ny fanakianana anao ampahibemaso, na hanana herim-po hanaovana izany.
Etsy an-danin’izany, ny mpaneso sasany dia “gaga”, araka ny nosoratan’i Petera. Eny, mety ho tena vaka ny sain’izy ireo noho ny lalam-pitondran-tenanao. Ohatra, raha Vavolombelon’i Jehovah ianao, dia mety hihevitra tokoa izy ireo fa hafahafa ny tsy handraisanao anjara amin’ireo zavatra atao mifandray amin’ny fety sasany. Mety ho nahazo fanazavana vilana momba ny Vavolombelona mihitsy aza izy ireo, avy tamin’olona efa vonon-kanohitra.
Na inona na inona antony, rehefa asiana mafy amin’ny teny fanarabiana ianao dia mety hiombon-kevitra amin’ilay ohabolana ao amin’ny Baiboly hoe: “Misy mandefalefa teny tsy tsaroana ka tonga toy ny fanindron’ny sabatra”. (Ohabolana 12:18). Tadidio anefa fa ireo izay manao resadresaka toy izany dia mety ho nanao izany, tsy noho ny tsy fitiavana anao akory. Azo inoana kokoa fa ilay lazain’ilay ohabolana ao amin’ny Baiboly indrindra no ataon’izy ireo, ilay hoe “mandefalefa teny tsy tsaroana”.
Na izany aza, ny fanesoana dia mety haharary, tsy misy hafa amin’ny fery vokatry ny zava-maranitra. Mety halaim-panahy hampandefitra ny finoanao mihitsy aza ianao, mba hampitsaharana ilay ompa vary raraka. Ahoana àry no azonao isetrana ny fihantsiana atao aminao noho ny zavatra inoanao?
Fiarovan-tena
Nananatra ny Kristianina toy izao ny apostoly Petera: “Aoka ho vonona mandrakariva hianareo hamaly izay manontany anareo ny amin’ny anton’ny fanantenana ao anatinareo, nefa amin’ny fahalemem-panahy sy ny fanajana”. (1 Petera 3:15). Mba hiarovana toy izany ny finoanao, dia tena mila mandray fahalalana araka ny marina ianao ary manao izay hahatakarana ny antony inoanao izany fampianarana izany.
Tsy maintsy ianaranao koa anefa ny fomba hilazanao amin’ny hafa ny hevitrao, ka hanaovanao izany ‘amim-panajana’, na “tsy an’avona”, araka ny andikan’ny The Bible in Basic English azy. Tsy tokony hahatonga anao hihevi-tena ho ambony noho ny hafa ny fahalalanao ny Baiboly sy ny fampianarana ao aminy. Mifanohitra amin’izany fa tokony hiezaka mafy ianao hamboly fihetsika toy ilay nananan’ny apostoly Paoly izay nanoratra toy izao momba ny fanompoany: “Nataoko ho mpanompon’ny olona rehetra (...) ny tenako mba hahazoako maromaro kokoa.” — 1 Korintiana 9:19.
Raha hitanao fa tsy manana herim-po hiarovana ny finoanao ianao, dia aza mamoy fo. Misy Vavolombelona tanora maro nahatsapa toy izany koa. “Fony aho tany amin’ny sekoly fanabeazana fototra”, hoy i Jamal, “dia tsy haiko ny nanazava tamin’ny hafa ny antony tsy nankalazako fety na tsy niarahabako saina, na andehanako manao fanompoana isan-trano mihitsy aza.” Inona no nanampy azy? “Nanohy nanampy ahy ny raiko mandra-pahaiko nanazava ireo zavatra ireo tamin’ny farany, ary izany no nampiova be ny fihetsiko.” Raha sahirana ianao manazava ny zavatra inoanao amin’ny hafa, dia angamba afaka mangataka ny fanampian’ny ray na ny reninao na ny mpikambana matotra hafa ao amin’ny kôngregasiôna kristianina, mba hanampy anao hahatakatra tsara ny fahalalana an’Andriamanitra. — Efesiana 3:17-19.
Nilaza ny Vavolombelona tanora iray, izay 16 taona, fa nanampy azy hanangona herim-po haneho malalaka ny heviny any an-tsekoly ny fandaharam-pianarana manokana ny Baiboly. “Taloha, rehefa nananihany ahy ireo iray kilasy tamiko noho izaho Vavolombelona, dia tsy hitako izay holazaina”, hoy izy niaiky. “Mpitory manontolo andro anefa aho ankehitriny, ary mianatra bebe kokoa ny Baiboly, ka afaka mamaly tsara. Mahazo fanampiana hiresaka amin’ireo mpiara-mianatra amiko momba ny zavatra inoako aho rehefa maharaka ireo fanazavana farany ao amin’ireo lahatsoratry ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza!
Mazava ho azy fa tsy misy toe-javatra roa mitovy tanteraka. Rehefa hafa àry ny tarehin-javatra, dia hafa koa no tokony ho fihetsika hasetry izany. Kanefa, rehefa nahatezitra anao ny teny feno haratsiam-panahy, dia tsy hety na oviana na oviana ny ‘hamaliana ratsy’. (Romana 12:17-21). Tsy hanao afa-tsy ny hanampy trotraka ilay zava-manahirana, ary mety hampirisika hihantsy bebe kokoa mihitsy aza ny famaliana fanevatevana ny fanevatevana, na dia toa hainao tsara erỳ aza ny namaly azy. Hitan’ny sasany àry fa tsara kokoa raha tsy raharahaina ilay fanevatevana.
Amin’ny toe-javatra sasany, toy ny rehefa misy fitenenana natao hampihomehy fotsiny, dia mety ho fahendrena mihitsy aza ny hihomehezana koa noho ilay fanamarihana, fa tsy ho sosotra. (Mpitoriteny 7:9). Tena mety tsy hanao izay hahasorena anao intsony ilay mpihantsy raha hitany fa tsy nisy vokany firy, na tsy nisy vokany mihitsy, ny teny nataony. — Ampitahao amin’ny Ohabolana 24:29; 1 Petera 2:23.
Fanehoana ny hevitrao
Mety ho azo atao anefa indraindray ny manazava fohy sy amim-pahaiza-mandanjalanja ny zavatra inoanao. Nanandrana nanao izany ny ankizivavy iray 13 taona, ary mahatalanjona ny vokany. “Teny an-dalana hamonjy fianarana aho”, hoy izy, “rehefa nisy mpianatra maromaro nanomboka naneso ny Vavolombelon’i Jehovah. Voatosika haneho ny hevitro aho, nefa tamin’izay indrindra dia lasa izy ireo sady nanohy nihomehy ahy. Nisy mpianatra iray anefa tsy nanao toy izany.” Nanazava toy izao ilay Vavolombelona: “Nitodika tany amiko ny ankizivavy iray antsoina hoe Jaimee ka nilaza tamiko fa nanana ilay boky hoe Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany izy.a Nilaza izy fa efa nahavaky ny androatokon’izy io, ary naniry hahazo fanazavana misimisy kokoa momba ny zavatra inoantsika. Nanomboka niara-nianatra ny Baiboly tamin’i Jaimee aho.” Nampahery an’ilay Vavolombelona tanora iny zavatra niainany iny, hany ka nanomboka niresaka tamin’ny tanora hafa izy. “Nitsidika tsy tapaka mpiara-mianatra efatra izay nampiseho fahalianana, sady azoko antoka fa hianatra tsy ho ela aho”, hoy izy.
Taona maro lasa izay, dia sendra zavatra toy izany koa ny mpianatra iray tany Liberia, firenena afrikanina iray. Nandritra ny fianarana momba ny sôsiôlôjia, dia nanazava tamim-panajana izy fa Vavolombelon’i Jehovah ny tenany, ary nino ny famoronana izy, fa tsy ny evôlisiôna. Nanakiana azy mafy ny maro tamin’ireo iray kilasy taminy, tamin’ny voalohany. Navelan’ilay mpampianatra hanazava ny zavatra inoany tamin’ny iray kilasy taminy anefa izy, ary taorian’izany dia nanaiky handray ilay boky hoe La vie: comment est-elle apparue? Évolution ou création?b ilay mpampianatra.
Rehefa avy namaky ilay boky ilay mpampianatra, dia nilaza tamin’ny iray kilasy hoe: “Boky tsy manam-paharoa ity boky ity. Ity no bokin-tsiansa tsara indrindra momba ny famoronana novakiko hatramin’izay.” Avy eo dia nanazava ilay mpampianatra fa nikasa ny hampiasa ilay boky Création miaraka amin’ny boky fampiasa ao an-dakilasy izy nandritra ireo enim-bolana roa nanaraka, ary nanome toromarika ny iray kilasy izy mba hanao izay hahazoana ilay boky tamin’ilay mpianatra Vavolombelona. Boky maro be no voapetraka, ary mpianatra maro no nanova ny fomba fiheviny ny Vavolombelon’i Jehovah!
Finoana matanjaka ny finoana voazaha toetra
Ekena aloha fa indraindray dia mety hahatsapa ianao fa be no ho vitsy, raha oharina amin’ireo izay tsy mitovy hevitra aminao, na tsy mankasitraka ny toerana tananao miorina amin’ny Baiboly. (Ampitahao amin’ny Salamo 3:1, 2.) Noho izany, dia fahendrena ny hitadiavana hiaraka amin’ireo izay mitovy hevitra sy zavatra inoana aminao. (Ohabolana 27:17). Ahoana anefa raha tsy misy tanora mitovy finoana aminao any am-pianaranao, na eny amin’ny manodidina anao?
Raha izany no izy, dia tadidio fa i Jehovah Andriamanitra no Sakaizanao lehibe indrindra, ary afaka manohana anao izy. Efa hatramin’ny an’arivony taona maro izy no lasibatry ny fihantsian’i Satana Devoly. Araka izany, dia afaka mahazo antoka isika fa mampifaly ny fon’i Jehovah ianao, rehefa miorina mafy amin’ny finoanao. Manome fahafahana azy, ‘mba hamaliany izay miteny ratsy azy’, ny lalam-pitondran-tena toy izany. — Ohabolana 27:11.
Ampoizina tsotra izao ny hoe hisy fitsapana ny finoanao indraindray. (2 Timoty 3:12). Manome toky antsika anefa ny apostoly Petera fa ny finoantsika voazaha toetra dia “tsara lavitra noho ny volamena mety ho simba, na dia voazaha toetra tamin’ny afo aza”. (1 Petera 1:7). Noho izany, rehefa homen-tsiny ianao noho ny finoanao, dia hevero ho fahafahana hanatanjahana ny finoanao izany, ka asehoy fa maneho fiaretana ianao. Nanoratra ny apostoly Paoly fa mitarika ho amin’ny “fahazoana fankasitrahana” ny fiaretana. (Romana 5:3-5, NW ). Eny, manome antony mahery manosika anao hisetra ny fihantsiana ny finoanao, ny faniriana hahazo sitraka amin’i Jehovah!
[Fanamarihana ambany pejy]
a Navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.
b Navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.
[Sary, pejy 13]
Afaka miaro ny finoanao ve ianao?