Toko Fahenina Amby Roapolo
“Miravoravoa Mandrakizay, Satria Mahary Izany Aho”
1. Inona no fanomezan-toky nosoratan’ny apostoly Petera, ary inona no fanontaniana mipetraka?
HAHITA ny faran’ny tsy rariny sy ny fijaliana ihany ve isika indray andro any? Nanoratra izao fanomezan-toky izao ny apostoly Petera, 1 900 taona lasa izay: “Isika, araka ny teny [fikasan’Andriamanitra], dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran’ny fahamarinana.” (2 Petera 3:13) Niandry mafy ny hahatanterahan’izany i Petera sy ny mpanompon’Andriamanitra maro hafa. Hitsahatra mantsy ny tsy fankatoavan-dalàna sy fampahoriana ary herisetra amin’izay, ary hanjaka ny fahamarinana. Afaka matoky an’io teny io ve isika?
2. Iza no mpaminany efa niresaka momba ny “lanitra vaovao sy tany vaovao”, ary oviana avy io faminaniana fahiny io no tanteraka?
2 Tena afaka matoky an’io teny io isika! Tsy hevi-baovao akory ilay hoe “lanitra vaovao sy tany vaovao” noresahin’i Petera. Tokony ho 800 taona talohan’io, dia efa nasain’i Jehovah nanonona ireo teny ireo i Isaia mpaminany. Tanteraka tamin’ny ambaratonga kely iny faminaniana voalohany iny tamin’ny 537 T.K., fony nafahana avy tany Babylona ny Jiosy, ary afaka niverina tany amin’ny taniny. Tanteraka amin’izao androntsika izao koa anefa ny faminanian’i Isaia, ary mbola hisy fahatanterahany hampientam-po kokoa ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra ho avy. Fahatsinjovana kely an’ireo fitahiana homen’Andriamanitra ny olona tia azy ilay faminaniana mahafinaritra nolazain’i Isaia.
Miangavy ilay “firenena miodina” i Jehovah
3. Inona no fanontaniana valiana ao amin’ny Isaia toko faha-65?
3 Tadidio fa ny Isaia 63:15–64:11 dia vavaka faminaniana nataon’i Isaia, izay hisolo tena ny Jiosy babo any Babylona. Mazava tsara, araka ny tenin’i Isaia, fa Jiosy maro no tsy nanompo an’i Jehovah tamin’ny fony manontolo. Nisy anefa nibebaka sy niverina taminy. Hanarina an’ilay firenena ve i Jehovah, mba hamonjena ireo sisa feno fanenenana ireo? Mamaly izany ny Isaia toko faha-65. Kanefa nilaza an’ilay fanamelohana niandry an’ireo maro tsy nanam-pinoana aloha i Jehovah, vao nampanantena fanafahana an’ireo olom-bitsy nahatoky.
4. a) Iza no nitady an’i Jehovah, tsy toy ilay vahoakany nikomy? b) Nahoana ny apostoly Paoly no nanonona ny Isaia 65:1, 2?
4 Tsy nitsahatra nikomy ny vahoakany, ary niaritra izany i Jehovah. Ho avy anefa ny fotoana hamoizany azy ireo ho eo an-tanan’ny fahavalony sy hankasitrahany olon-kafa. Hoy i Jehovah tamin’ny alalan’i Isaia: “Notadiavin’izay tsy naniry Aho sy hitan’izay tsy nitady; hoy Izaho tamin’ny firenena izay tsy nantsoina tamin’ny anarako: Inty Aho! Inty Aho!” (Isaia 65:1) Mampalahelo ny hoe olona avy amin’ny firenen-kafa no hanatona an’i Jehovah, fa ilay vahoaka nanaovany fanekena kosa hikomy ka tsy hety hanao izany. Tsy i Isaia irery no naminany hoe hifidy vahoaka tsy nekeny taloha Andriamanitra izao. (Hosea 2:1, 25) Nanonona ny Isaia 65:1, 2 ny apostoly Paoly, mba hanaporofoana fa hisy olona avy amin’ny firenen-kafa hahazo ny “fahamarinana izay avy amin’ny finoana”, nefa ny Jiosy tsy nety nandray azy io.—Romana 9:30; 10:20, 21.
5, 6. a) Inona no nirin’i Jehovah mafy, nefa nanao ahoana ny fihetsiky ny vahoakany? b) Inona no ianarantsika avy amin’ny nifampiraharahan’i Jehovah tamin’ny Joda?
5 Hazavain’i Jehovah toy izao ny antony hamelany ny vahoakany hiharan’ny loza: “Namelatra ny tànako mandritra ny andro Aho tamin’ny firenena miodina, izay mandeha amin’ny làlana tsy tsara araka ny fisainany ihany.” (Isaia 65:2) Ny olona mamelatra ny tanany dia manasa na miangavy. Mamelatra ny tanany toy izany mandritra ny andro manontolo i Jehovah, fa tsy vetivety monja. Niriny mafy ny hiverenan’ny Joda aminy. Tsy nanoina ilay antso anefa io vahoaka niodina io.
6 Fianarana tena mampahery no azontsika avy amin’ireo tenin’i Jehovah ireo! Tiany hanatona azy isika, satria Andriamanitra mora hatonina izy. (Jakoba 4:8) Asehon’ireo teny ireo koa fa manetry tena i Jehovah. (Salamo 113:5, 6) Tadidio fa mamelatra ny tanany foana izy, izany hoe mitalaho amin’ny olony mba hiverenany aminy, na dia “nampalahelo Azy” aza ny fikomian’izy ireo. (Salamo 78:40, 41) Rehefa avy niangavy azy ireo nandritra ny an-jato taona izy, vao nahafoy azy ireo ho eo an-tanan’ny fahavalony. Tsy nanda an’ireo nanetry tena teo anivon’izy ireo anefa izy, na dia tamin’izay aza.
7, 8. Inona avy no nataon’ilay vahoakan’i Jehovah mpikomy, ka nampahatezitra azy?
7 Tsy nitsahatra nampahatezitra an’i Jehovah ireo Jiosy nikomy, noho ny fitondran-tenany nahamenatra. Toy izao no nilazan’i Jehovah ny zavatra nataon’izy ireo: “Dia firenena izay nahatezitra Ahy mandrakariva na dia eo imasoko aza, izay mamono zavatra hatao fanatitra eo amin’ny tanimboly ary mandoro ditin-kazo manitra eny ambonin’ny tanimanga,—dia izay mipetraka any amin’ny fasana ary mitoetra mandritra ny alina ao am-pierena, sady mihinana henan-kisoa, ary ny ron’ny hena fahavetavetana no ao amin’ny loviany,—izay manao hoe: Mihataha, fa aza manakaiky ahy, fa izaho no masina, fa tsy hianao,—ireny dia setroka ao am-bavoroko, eny, afo mirehitra mandritra ny andro.” (Isaia 65:3-5) Nampahatezitra an’i Jehovah ‘teo imasony’ ireo olona niseho ho mpivavaka be ireo. Ny teny hoe “eo imasoko” dia toa milaza fahasahisahian-dratsy sy tsy fanajana. Tsy nitady hanafina ireo zava-dratsy nataony akory izy ireo. Tsy tena manafintohina ve ny fahotana atao eo imason’Ilay tokony homem-boninahitra sy hankatoavina?
8 Toy ny nilaza tamin’ny Jiosy hafa ireo mpanota nihevi-tena ho marina ireo hoe: ‘Mihataha amiko, fa masina noho ianao aho.’ Fihatsarambelatsihy re izany! Nanao fanatitra sy nandoro ditin-kazo manitra ho an’andriamani-diso ireo “mpivavaka be” ireo, nefa nomelohin’ny Lalàn’Andriamanitra izany. (Eksodosy 20:2-6) Nipetraka teny amin’ny fasana izy ireo, nefa nahatonga azy ireo haloto izany, araka ny Lalàna. (Nomery 19:14-16) Nihinana kisoa izy ireo, nefa hanina maloto izany.a (Levitikosy 11:7) Noho ny fanaovany ireo zavatra ireo, dia nanjary nihevi-tena ho masina noho ny Jiosy hafa izy ireo. Tiany raha nihataka taminy ny hafa, sao hanjary masina, na madio, raha nifanerasera taminy. Tsy izany velively anefa no fomba fihevitr’ilay Andriamanitra “saro-piaro”!—Deoteronomia 4:24.
9. Ahoana no fiheveran’i Jehovah ny mpanota nihevi-tena ho marina?
9 Tsy nihevitra an’ireny Jiosy nihevi-tena ho marina ireny ho masina i Jehovah, fa nilaza kosa hoe: “Ireny dia setroka ao am-bavoroko.” Matetika no milaza hatezerana ny hoe “orona” na “vavorona” amin’ny teny hebreo. Ny setroka koa dia mifandray amin’ny firehetan’ny fahatezeran’i Jehovah. (Deoteronomia 29:19) Nampirehitra ny fahatezeran’i Jehovah àry ny fanompoan-tsampy naharikoriko nataon’ny vahoakany.
10. Ahoana no hamalian’i Jehovah ny fahotan’ny mponin’i Joda?
10 Tia ny rariny i Jehovah, ka tsy hamela an’ireny mpanota an-tsitrapo ireny ho afa-maina. Hoy i Isaia: “Indro, izao no voasoratra eo anatrehako: Tsy hangina Aho mandra-pamaliko anareo, eny, mandra-pamaliko ho ao an-tratranareo ny helokareo sy ny heloky ny razanareo koa, hoy Jehovah,—dia izay olona nandoro ditin-kazo manitra teny an-tendrombohitra ary nihaika Ahy teny amin’ny havoana; eny, hamatra ny valin’ny asany ho ao an-tratrany Aho aloha.” (Isaia 65:6, 7) Nanala baraka an’i Jehovah ireo Jiosy nanaraka fivavahan-diso ireo. Noho ny nataon’izy ireo, dia toa tsy nisy naha hafa ny fivavahana marina tamin’ny fivavahan’ireo firenena nanodidina. Hovalian’i Jehovah ‘ho ao an-tratran’izy ireo’ ihany ny ‘helony’, anisan’izany ny nanompoany sampy sy nifandraisany tamin’ny fanahy ratsy. Ny hoe ‘tratra’ dia toa manondro ny akanjo ambony nisy tapany nivalombalona ka toy ny kitapo, izay namaran’ny mpivarotra ny zavatra namidiny. (Lioka 6:38) Nazava tamin’ireo Jiosy nivadi-pinoana ny hevitr’izany: ‘hamatra ny valiny’, na ny sazy noho ny nataon’izy ireo i Jehovah. Hitaky valiny ilay Andriamanitra tia ny rariny. (Salamo 79:12; Jeremia 32:18) Tsy miova i Jehovah, koa afaka matoky isika fa ‘hamatra’ ny sazy ho an’ity tontolo ratsy ity toy izany koa izy, amin’ny fotoana voatondrony.—Malakia 3:6.
“Noho ny amin’ny mpanompoko”
11. Inona no nolazain’i Jehovah mba hampisehoana fa hamonjy ny sisa nahatoky izy?
11 Hamindra fo amin’ireo olona nahatoky teo amin’ny vahoakany ve i Jehovah? Mamaly izany i Isaia hoe: “Izao no lazain’i Jehovah: Tahaka ny ranom-boaloboka hita ao an-tsampahony ka ataon’ny olona hoe: Aza simbana, fa misy fitahiana ao anatiny, dia toy izany no hataoko noho ny amin’ny mpanompoko, ka tsy hanimba azy rehetra Aho. Hahatonga taranaka avy amin’i Jakoba Aho sy mpandova ny tendrombohitro avy amin’i Joda; ary ireo voafidiko no handova azy, eny, ny mpanompoko no honina ao.” (Isaia 65:8, 9) Mora azon’ny olony ny nampitahan’i Jehovah azy ireo tamin’ny sampahom-boaloboka. Feno voaloboka ilay tany, ary ny divay vita amin’ny voaloboka dia fitahiana omen’i Jehovah ho an’ny olombelona. (Salamo 104:15) Sampaho iray nisy voaloboka tsara sy voaloboka ratsy angamba no hevitra tiany hampitaina, na sampaho iray tsara sy sampaho maro hafa tsy masaka na lo. Na amin’irỳ voalohany na amin’ity faharoa anefa, dia tsy hanapotika ireo voaloboka tsara ilay mpamboly voaloboka. Toy izany no nanomezan’i Jehovah toky ny vahoakany fa tsy handringana ilay firenena manontolo izy, fa hitsimbina an’ireo sisa nahatoky kosa. Nambarany fa ireo sisa nankasitrahany dia handova ny ‘tendrombohiny’, izany hoe i Jerosalema sy Joda, izay tany be havoana nolazain’i Jehovah hoe azy.
12. Fitahiana inona avy no niandry ny sisa nahatoky?
12 Fitahiana inona avy no niandry an’ireo sisa nahatoky ireo? Hoy i Jehovah: “Sarôna ho tonga fiandrasana ondry, ary ny lohasaha Akora ho fandrian’omby, ho an’ny oloko izay nitady Ahy.” (Isaia 65:10) Tena zava-dehibe ho an’ny Jiosy maro ny andiam-biby, izay nihamaro noho ireo kijana maitso be dia be tao amin’ilay tany, ka nitondra fanambinana ho azy ireo, rehefa tsy nisy ny ady. Faritra nifanalavitra be teo amin’ilay tany no nampiasain’i Jehovah mba hilazana ny fiadanana sy fanambinana hisy ao. Tany andrefana ny Lohasahan’i Sarôna, izay nanaraka ny morontsirak’i Mediterane ary nalaza noho ny taniny kanto sy lonaka. Ny Lohasahan’i Akora kosa teo amin’ny sisiny avaratratsinanan’ilay tany. (Josoa 15:7) Mandritra ilay sesitany, dia ho lao toy ilay tany manontolo ireo faritra ireo. Nampanantena anefa i Jehovah fa ho tonga kijana tsara tarehy indray izy ireo, rehefa hiverina avy any an-tsesitany ny sisa amin’ny Jiosy.—Isaia 35:2; Hosea 2:17.
Natoky ny andriamanitry ny Vintana Tsara izy ireo
13, 14. Inona avy no nataon’ny vahoakan’Andriamanitra, ka mampiseho fa nandao azy izy ireo, ary inona no hanjo azy ireo?
13 Mitodika any amin’ireo nandao an’i Jehovah sy nikiry hanompo sampy indray izao i Isaia. Hoy izy: “Ny aminareo izay mahafoy an’i Jehovah sy manadino ny tendrombohitro masina, sady mamelatra latabatra ho an’i Gada sy mampidina divay noharoharoan-javatra ho an’i Menỳ.” (Isaia 65:11) Namelatra latabatra nisy zava-pihinana sy fisotro ho an’i “Gada” (andriamanitry ny Vintana Tsara) sy “Menỳ” (andriamanitry ny Lahatra) ireny Jiosy nania ireny, ho fanarahana ny fanaon’ny mpanompo sampy nanodidina.b Inona no hanjo an’ireo ninonino foana ny andriamanitra toy ireny?
14 Nampitandrina azy ireo tsy nisy olakolaka i Jehovah hoe: “Hotendreko ho voan’ny sabatra hianareo ka hankohofina hovonoina avokoa, satria niantso Aho, fa tsy namaly hianareo, niteny Aho, fa tsy nihaino hianareo, fa nanao izay ratsy eo imasoko, ary izay tsy sitrako no nofidinareo.” (Isaia 65:12) Nampiasa tamim-panesoana ny anaran’ny andriamanitry ny Lahatra amin’ny teny hebreo i Jehovah, ka nilaza fa ‘hotendrena ho voan’ny sabatra’, na horinganina, ireo nivavaka tamin’io andriamani-diso io. Tsy nitsahatra nanasa azy ireo hibebaka i Jehovah, tamin’ny alalan’ny mpaminaniny, nefa tsy noraharahain’izy ireo. Vao mainka aza izy ireo nikiry nanao izay fantany fa ratsy eo imason’i Jehovah. Tena faniratsirana an’Andriamanitra izany! Araka ny fampitandreman’Andriamanitra, dia hiharan’ny loza mahatsiravina ilay firenena amin’ny 607 T.K., rehefa havelan’i Jehovah handrava an’i Jerosalema sy ny tempoliny ny Babylonianina. Tsy hiaro an’ireo mpivavaka aminy ao Joda sy Jerosalema ny andriamanitry ny Vintana Tsara amin’izay.—2 Tantara 36:17.
15. Inona no ataon’ny Kristianina marina ankehitriny, ho fankatoavana ny fampitandreman’ny Isaia 65:11, 12?
15 Mankatò ilay fampitandremana ao amin’ny Isaia 65:11, 12 ny Kristianina marina ankehitriny. Tsy mino ny “Vintana Tsara” izy ireo, toy ny hoe afaka manao soa ny hery ivelan’ny tontolon’ny olombelona toy izany. Tsy mandanilany foana ny fananany izy ireo, mba hampiononana ny andriamanitry ny Vintana Tsara, ary manalavitra ny filokana amin’ny endriny rehetra. Mino izy ireo fa hamoy ny fananany rehetra ireo mitoky amin’io andriamanitra io, satria hoy i Jehovah amin’ny olona toy izany: “Hotendreko ho voan’ny sabatra hianareo.”
“Indro, ny mpanompoko hifaly”
16. Fitahiana inona avy no homen’i Jehovah ny mpanompony nahatoky, fa inona kosa no hanjo an’ireo nandao azy?
16 Nandevilevy an’ireo nandao an’i Jehovah ilay mpaminany izao, ka nampifanohitra ny fitahiana ho azon’ireo nivavaka tamin’Andriamanitra tamim-pahatsorana sy izay hanjo an’ireo nihatsaravelatsihy. Hoy izy: “Izao no lazain’i Jehovah Tompo: Indro, ny mpanompoko hihinana, fa hianareo kosa ho mosarena; indro, ny mpanompoko hisotro, fa hianareo kosa ho main-tenda; indro, ny mpanompoko hifaly, fa hianareo kosa ho menatra; indro, ny mpanompoko hihoby noho ny faharavoam-po, fa hianareo kosa hitoloko noho ny alahelom-po sy hidradradradra noho ny fahoriam-panahy.” (Isaia 65:13, 14) Hitahy ny mpanompony nahatoky i Jehovah. Ho dibo-kafaliana ny fon’izy ireo, ka hihoby. Ny hoe mihinana sy misotro ary mifaly dia milaza fa hanome izay rehetra hilain’ny mpivavaka aminy i Jehovah. Ireo nifidy ny handao an’i Jehovah kosa ho mosarena sy hangetaheta ara-panahy. Tsy hahazo izay hilainy izy ireo. Hitoloko sy hidradradradra izy ireo, noho ny fahoriana sy fijaliana hahazo azy.
17. Nahoana ny vahoakan’Andriamanitra ankehitriny no manana antony hihobiana?
17 Milaza tsara ny toe-pahasalamana ara-panahin’ireo mihambo ho manompo azy ankehitriny ireo tenin’i Jehovah ireo. Malahelo sy ory ny olona an-tapitrisa ao amin’ny Kristianisma Anarana, fa ny mpivavaka amin’i Jehovah kosa mihoby. Tena manana antony hihobiana izy ireo, satria voafahana tsara ara-panahy. Manome azy ireo hanina ara-panahy tondraka i Jehovah, amin’ny alalan’ny boky sy gazety ara-baiboly sy ny fivoriana kristianina. Tena ‘ravoravo fo’ tokoa isika, noho ireo fahamarinana mampahery sy ireo fampanantenana mahafaly omen’ny Tenin’Andriamanitra!
18. Inona sisa no hotsaroana amin’ireo nandao an’i Jehovah, ary inona no mety ho hevitry ny fampiasana ny anaran’izy ireo ho fiozonana?
18 Hoy ny tohin’ny tenin’i Jehovah tamin’ireo nandao azy: “Hamela ny anaranareo ho fiozonana amin’ireo voafidiko hianareo, ary hahafaty anao Jehovah Tompo; fa ny mpanompony kosa dia homeny anaram-baovao; ka izay miarahaba tena etỳ ambonin’ny tany dia hanao izany amin’ny anaran’Andriamanitry ny Amena; ary izay mianiana etỳ ambonin’ny tany dia hianiana amin’Andriamanitry ny Amena, satria efa hadino ny fahoriana taloha, sady voàfina izany ka tsy hitan’ny masoko.” (Isaia 65:15, 16) Rehefa ho ringana ireo nandao an’i Jehovah, dia ny anaran’izy ireo sisa no hotsaroana. Mba hiozonana na hanaovana fianianana sisa no hampiasana azy ireny. Mety hidika izany hoe ny olona mianiana na mivoady amin’ny fampiasana izany anarana izany dia toy ny milaza hoe: ‘Raha mivadika amin’ny fianianako aho, dia aoka hahavoa ahy ny sazy nanjo an’ireny mpivadi-pinoana ireny.’ Mety hampiasaina an’ohatra koa angamba izany anarana izany, toy ny hoe Sodoma sy Gomora, izay nanjary nanondro ny famaizan’Andriamanitra ny ratsy fanahy.
19. Inona no hevitr’ilay anaram-baovao hiantsoana ny mpanompon’Andriamanitra, ary nahoana izy ireo no hatoky tanteraka ny fahamarinan’Andriamanitra? (Jereo koa ny fanamarihana ambany pejy.)
19 Ho hafa tanteraka noho izany ny ho hitan’ny mpanompon’Andriamanitra! Hantsoina amin’ny anaram-baovao izy ireo, izany hoe hahazo fitahiana sy voninahitra indray, rehefa tafody any an-tanindrazany. Tsy hangata-pitahiana amin’andriamani-diso izy ireo, na hianiana amin’ny sampy tsy manana aina. Amin’ny anaran’ilay Andriamanitry ny Amena, na ‘Andriamanitry ny fahamarinana’, kosa izy ireo no ‘hiarahaba tena’, na hianiana. (Isaia 65:16, fanamarihana ambany pejy) Hanana antony hatokisana tanteraka an’Andriamanitra ny mponin’ilay tany, satria ho efa hitan’izy ireo fa nitana ny teny nataony Izy.c Tsy ho ela dia ho hadinon’ny Jiosy ireo fahoriany taloha, rehefa tsy hanana ahiahy ao amin’ny taniny indray izy ireo.
“Izaho mahary lanitra vaovao sy tany vaovao”
20. Ahoana no nahatanterahan’ny fampanantenan’i Jehovah “lanitra vaovao sy tany vaovao” tamin’ny 537 T.K.?
20 Manome tsipiriany fanampiny momba ny fampanantenany hanarina an’ireo sisa nibebaka ka tafody avy any Babylona, izao i Jehovah. Hoy izy: “Indro, Izaho mahary lanitra vaovao sy tany vaovao, ka dia tsy hotsarovana intsony ny taloha, na ho mby ao an-tsaina akory aza.” (Isaia 65:17) Azony antoka fa ho tanteraka io fampanantenan’i Jehovah io, ka resahiny ho toy ny hoe efa nitranga. Tanteraka voalohany tamin’ny 537 T.K. izy io, fony tafody tany Jerosalema ny Jiosy sisa tavela. Inona ilay “lanitra vaovao” tamin’izany fotoana izany? Ny fitondran’i Zerobabela governora sy Josoa Mpisoronabe tao Jerosalema. Ny Jiosy nampodina no ilay “tany vaovao”, na fitambaran’olona voadio izay nanaiky hofehezin’ilay fitondrana ary namerina indray ny fivavahana madio tao amin’ilay tany. (Ezra 5:1, 2) Ny fifaliana tsapa tamin’izay dia hampanadino ny fijaliana rehetra taloha; tsy hotsarovana intsony ireny fahoriana ireny.—Salamo 126:1, 2.
21. Inona ilay lanitra vaovao niforona tamin’ny 1914?
21 Tadidio anefa fa namerina ny faminanian’i Isaia i Petera ary nampiseho fa ho tanteraka amin’ny hoavy izy io. Hoy izy: “Isika, araka ny teny fikasany, dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran’ny fahamarinana.” (2 Petera 3:13) Niforona tamin’ny 1914 ilay lanitra vaovao nandrasana hatramin’ny ela. Manapaka avy any an-danitra mihitsy ilay Fanjakan’ny Mesia teraka tamin’io taona io, ary nomen’i Jehovah fahefana hanapaka ny tany manontolo. (Salamo 2:6-8) Io Fanjakana tarihin’i Kristy sy ireo 144 000 mpiara-manjaka aminy io no ilay lanitra vaovao.—Apokalypsy 14:1.
22. Iza no ilay tany vaovao, ary ahoana no anomanana ny olona dieny izao mba ho fototr’izy io?
22 Inona kosa ilay tany vaovao? Toy ilay fahatanterahany fahiny, izy io dia fitambaran’olona manaiky hofehezin’ilay lanitra vaovao. Dieny izao dia efa misy olona an-tapitrisa tia ny fahamarinana, mankatò an’io fitondrana io ary miezaka hanaraka ny lalàny ao amin’ny Baiboly. Avy amin’ny firenena sy fiteny ary firazanana rehetra izy ireo, nefa miara-manompo an’i Jesosy Kristy efa manjaka. (Mika 4:1-4) Rehefa ho rava ity tontolo ratsy ankehitriny ity, dia io antokon’olona io no ho fototry ny tany vaovao. Amin’ny farany, dia hameno ny tany ireo olona matahotra an’Andriamanitra sy hotarihin’ny Fanjakany ireo.—Matio 25:34.
23. Inona no lazain’ny bokin’ny Apokalypsy momba ny “lanitra vaovao sy tany vaovao”, ary ahoana no hahatanterahan’io faminaniana io?
23 Milaza momba ny fahitan’ny apostoly Jaona ny andron’i Jehovah ho avy, izay hanaisotra ity tontolo ity, ny bokin’ny Apokalypsy. Halefa any amin’ny lavaka tsy hita noanoa i Satana, aorian’izay. (Apokalypsy 19:11–20:3) Avy eo i Jaona dia namerina nilaza ilay faminanian’i Isaia toy izao: “Nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho.” Milaza momba ny fotoana hanatsaran’i Jehovah Andriamanitra tanteraka ny toe-piainana eto an-tany ireo andininy manaraka. (Apokalypsy 21:1, 3-5) Tena hahatalanjona ny fahatanterahan’ny faminanian’i Isaia momba ny “lanitra vaovao sy tany vaovao”, ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra! Eo ambany fitondran’ny lanitra vaovao, dia hiaina ao amin’ny paradisa ara-bakiteny sy ara-panahy ny tany vaovao. Tena mampahery ilay fampanantenana hoe “tsy hotsarovana intsony ny taloha [ny aretina sy fijaliana ary loza maro hafa hitan’ny olombelona], na ho mby ao an-tsaina akory aza.” Tsy hampalahelo antsika intsony ny fahatsiarovana ireo zavatra rehetra mampahory ny fontsika ankehitriny.
24. Nahoana i Jehovah no hifaly noho i Jerosalema tafarina indray, ary inona no tsy ho re ao intsony?
24 Hoy ny tohin’ny faminanian’i Isaia: “Mifalia kosa sy miravoravoa mandrakizay, satria mahary izany Aho; fa, indro, mahary an’i Jerosalema ho fifaliana Aho ary ny olony ho firavoravoana. Dia ho faly amin’i Jerosalema Aho sy ho ravoravo amin’ny oloko; ary ny feo mitomany tsy ho re any intsony, na ny feo mitaraina.” (Isaia 65:18, 19) Tsy ny Jiosy ihany no hifaly, noho izy ireo nampodina tany amin’ny taniny, fa Andriamanitra koa. Hataony tsara tarehy mantsy i Jerosalema, izay ho tonga foiben’ny fivavahana marina eto an-tany indray. Tsy ho re ao, toy ny taloha, intsony ny feo mitomany noho ny loza.
25, 26. a) Amin’ny heviny ahoana i Jehovah no manao an’i Jerosalema “ho fifaliana”? b) Ahoana no hampiasan’i Jehovah an’i Jerosalema Vaovao, ary nahoana isika no afaka miravoravo ankehitriny?
25 “Mahary an’i Jerosalema ho fifaliana” koa i Jehovah ankehitriny. Amin’ny heviny ahoana? Araka ny efa hitantsika, dia niforona tamin’ny 1914 ny lanitra vaovao, dia ilay fitondrana any an-danitra izay hisy mpiara-manjaka 144 000. Antsoin’ny faminaniana hoe “Jerosalema vaovao” izy io. (Apokalypsy 21:2) Io Jerosalema Vaovao io no nilazan’Andriamanitra hoe: “Mahary an’i Jerosalema ho fifaliana Aho ary ny olony ho firavoravoana.” Hampiasa azy io Andriamanitra mba handrotsahana fitahiana tsy hay lazaina amin’ny olombelona mankatò. Tsy ho re intsony ny feo mitomany na mitaraina, satria homen’i Jehovah “izay irin’ny [fontsika].”—Salamo 37:3, 4.
26 Tena manana antony hiravoravoana tokoa isika ankehitriny! Tsy ho ela dia hanamasina ny anarany be voninahitra i Jehovah, amin’ny fandringanana ny mpanohitra rehetra. (Salamo 83:17, 18) Hifehy ny zavatra rehetra amin’izay ny lanitra vaovao. Izany ka antony hiravoravoana sy hifaliana mandrakizay noho izay ataon’Andriamanitra!
Fampanantenana fiainana tsy hisy ahiahy
27. Inona no nolazain’i Isaia momba ny fiainana tsy hisy ahiahy ho hitan’ny Jiosy nampodina?
27 Nanao ahoana ny fiainan’ny Jiosy tafody ka notarihin’ilay lanitra vaovao, rehefa tanteraka voalohany ilay faminaniana? Hoy i Jehovah: “Ary na dia ny zaza minono any aza dia tsy ho fohy andro, ary tsy hisy anti-panahy izay tsy nahatapitra ny androny; fa mbola zatovo ihany izay maty na dia efa zato taona aza, ary ny mpanota aza, dia hahatratra zato taona vao hozonina.” (Isaia 65:20) Endrey ny hakanton’ireo teny ilazana ny fiainana tsy hisy ahiahy ho hitan’ireo babo nampodina! Tsy ho faty ny zaza vao teraka sy vao minono. Tsy ho faty toy izany koa ny ‘anti-panahy’, izay mbola tsy nahafeno ny androm-piainany rehetra.d Tena nanome toky ny Jiosy hody any Joda ireo tenin’i Isaia ireo! Tsy hanana ahiahy izy ireo, ary tsy hatahotra ny hamonoan’ny fahavalo ny zanany kely na ny lehilahy teo aminy.
28. Inona no ianarantsika avy amin’ny tenin’i Jehovah momba ny fiainana ao amin’ny tontolo vaovao hotarihin’ny Fanjakany?
28 Inona no lazain’i Jehovah amintsika momba ny fiainana ao amin’ny tontolo vaovao ho avy? Tsy hanana ahiahy ny ankizy tsirairay eo ambany Fanjakan’Andriamanitra. Tsy hopaohin’ny fahafatesana koa ny ain’ny lehilahy tanora matahotra an’Andriamanitra. Hahazo fiarovana sy filaminana ary ho afaka hankafy ny fiainana ny olombelona mankatò. Ary raha misy mifidy ny hikomy amin’Andriamanitra? Tsy havela hiaina intsony ny olona toy izany. Na dia efa “zato taona” aza ny mpanota, dia ho faty. Mbola toy ny “zatovo ihany” ny mpikomy toy izany, raha oharina amin’ny fiainana mandrakizay mety ho azony.
29. a) Inona avy no hankafizin’ny vahoakan’Andriamanitra mankatò ao Joda tafaverina amin’ny laoniny? b) Nahoana ny hazo no mety tsara hilazana fahelavelona? (Jereo ny fanamarihana ambany pejy.)
29 Mbola mitohy ihany ny filazan’i Jehovah ny toe-piainana ao amin’ny tanin’i Joda ho tafaverina amin’ny laoniny. “Hanao trano ny olona ka hitoetra ao; ary hanao tanimboaloboka ny olona ka hihinana ny vokatra aminy. Tsy hanao trano hitoeran’olon-kafa izy, na hamboly zavatra hohanin’olon-kafa; fa ho tahaka ny andron’ny hazo ny andron’ny oloko, ary ireo voafidiko dia hanaram-po amin’ny asan’ny tànany.” (Isaia 65:21, 22) Tany lao sy tsy misy trano na tanim-boaloboka no ho hitan’ny vahoakan’Andriamanitra mankatò rehefa tafody any Joda izy ireo. Ho faly àry izy ireo, rehefa hipetraka ao amin’ny tranony sy hihinana ny vokatry ny tanim-boalobony. Hitahy ny asan’izy ireo Andriamanitra, ary ho lava toy ny andron’ny hazo, ny androm-piainany, ka hahafahany hankafy ny vokatry ny fisasarany.e
30. Inona no efa ankafizin’ny mpanompon’i Jehovah dieny izao, ary inona no hankafiziny ao amin’ny tontolo vaovao?
30 Tanteraka tamin’ny androntsika koa io faminaniana io. Nafahana avy tamin’ny fahababoana ara-panahy ny vahoakan’i Jehovah tamin’ny 1919. Tsy namerina “tany” ara-bakiteny tamin’ny laoniny anefa izy ireo tamin’izay, fa nomena fahefana indray hanao ny asan’Andriamanitra sy ny fanompoana azy teto an-tany. Nanorina fiangonana izy ireo ary namokatra ara-panahy, ka na izao aza dia efa mankafy paradisa ara-panahy sy ny fiadanan’Andriamanitra ny vahoakan’i Jehovah. Afaka matoky isika fa hitohy ao amin’ilay Paradisa ara-bakiteny izany fiadanana izany. Tsy azontsika an-tsaina mihitsy izay hotanterahin’i Jehovah, rehefa hampiasa ny mpanompony vonona ny hiasa izy ao amin’ny tontolo vaovao. Endrey ny fifaliana hanorina ny tranon’ny tena sy hipetraka ao! Hisy asa mahaliana foana eo ambany fitarihan’ilay Fanjakana. Tena hahafa-po izany hoe “finaritra” foana amin’ny vokatry ny fisasaran’ny tena izany! (Mpitoriteny 3:13) Hanana fotoana hankafizana tsara ny asan’ny tanantsika ve isika? Eny tokoa! Ho “tahaka ny andron’ny hazo” ny androm-piainan’ny olombelona mahatoky: an’arivo taona, ary mihoatra aza!
31, 32. a) Fitahiana inona avy no ho azon’ireo babo tafody? b) Inona no ho azon’ny olombelona mahatoky antenaina ao amin’ny tontolo vaovao?
31 Milaza fitahiana hafa indray izao i Jehovah: “Tsy hisasatra foana izy, na hitera-jaza ho tratry ny loza tampoka; fa taranak’izay notahin’i Jehovah ireo, ary ny terany ho ao aminy.” (Isaia 65:23) Hotahin’i Jehovah ireo babo tafody ireo, ka tsy ho very maina ny fisasaran’izy ireo. Tsy ho faty ireo zaza vao teraka. Ho afaka hankafy ny vokatry ny famerenana amin’ny laoniny, miaraka amin’ny zanany, ireo babo taloha ireo. Dodona hanome izay hilain’ny vahoakany Andriamanitra, ka nampanantena hoe: “Raha tsy mbola miantso aza izy dia hamaly Aho; ary raha mbola miteny izy, dia hihaino Aho.”—Isaia 65:24.
32 Ahoana no hanatanterahan’i Jehovah ireo fampanantenana ireo ao amin’ny tontolo vaovao ho avy? Mila miandry isika vao hahita izany. Tsy nanome ny tsipiriany rehetra i Jehovah, nefa afaka matoky isika fa “tsy hisasatra foana” toy ny taloha ny olombelona mahatoky. Ny olona betsaka ho tafita velona amin’ny Hara-magedona sy ny zanany haterany aorian’izay dia ho afaka hanantena fiainana lava be sady mahafa-po, eny, fiainana mandrakizay! Ireo hatsangana amin’ny maty ka hifidy ny hanaraka ny fitsipik’Andriamanitra koa dia hifaly ao amin’ny tontolo vaovao. Hanome izay hangatahin’izy ireo i Jehovah; tsy hiandry azy ireo hangataka akory aza izy. Eny tokoa, hanokatra ny tanany i Jehovah, ka hahafa-po ny “zava-miaina rehetra.”—Salamo 145:16.
33. Rehefa tafody any an-tanindrazany ny Jiosy, amin’ny heviny ahoana ny biby no hihavana?
33 Iza avy no hahazo ilay fiadanana sy filaminana nampanantenaina? Namarana io faminaniana io toy izao i Jehovah: “Ny amboadia sy ny zanak’ondry hiara-komana, ary ny liona hihina-mololo tahaka ny omby, ary ny menarana, dia vovoka no ho fihinany; ary tsy handratra na hanimba eran’ny tendrombohitro masina izy, hoy Jehovah.” (Isaia 65:25) Rehefa tafody any an-tanindrazany ny Jiosy nahatoky, dia harovan’i Jehovah. Tsy handratra azy ireo na ny bibiny ny liona, izay aseho ho toy ny hoe hihinana mololo tahaka ny omby. Azo antoka io teny io, satria mifarana amin’ny hoe: “Hoy Jehovah”, ary tanteraka foana izay lazainy!—Isaia 55:10, 11.
34. Ahoana no ahatanterahan’ny tenin’i Jehovah, ankehitriny sy ao amin’ny tontolo vaovao?
34 Tena mampientam-po ny fahatanterahan’ireo tenin’i Jehovah ireo eo amin’ny mpivavaka marina ankehitriny. Nanomboka tamin’ny 1919, dia nitahy ny asa nataon’ny vahoakany teto an-tany Andriamanitra, ka nanome azy ireo paradisa ara-panahy. Manao fiovana lehibe eo amin’ny fiainany izy ireo. (Efesiana 4:22-24) Noho ny fanampian’ny fanahin’Andriamanitra, dia nahavita nandresy ny toetra ratsiny ireo olona toy ny biby taloha, izay nanararaotra ny mpiara-belona taminy na nanisy ratsy azy. Manjary mihavana sy miray saina amin’ny mpiray finoana aminy izy, noho izany. Ireo fitahiana efa azon’ny vahoakan’i Jehovah ankehitriny dia ho hitany koa ao amin’ilay Paradisa ara-bakiteny. Tsy hihavana amin’izy samy izy fotsiny ny olombelona, fa amin’ny biby koa. Afaka matoky isika fa ho tanteraka tsara ilay nasain’Andriamanitra nataon’ny olombelona tany am-boalohany, hoe: “Mampanompoa [ny tany]; ary manjakà amin’ny hazandrano ao amin’ny ranomasina sy ny voro-manidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin’ny tany.”—Genesisy 1:28.
35. Nahoana isika no manana antony ‘hiravoravoana mandrakizay’?
35 Tena velom-pankasitrahana isika noho ny fampanantenan’i Jehovah hanao “lanitra vaovao sy tany vaovao”! Efa tanteraka izy io tamin’ny 537 T.K., ary mbola tanteraka koa ankehitriny. Mahazo antoka àry isika fa hisy hoavy be voninahitra miandry ny olombelona mankatò. Noho ny hatsaram-pony, i Jehovah dia nanome antsika fahatsinjovana kely an’izay hataony ho an’ireo tia azy, ao amin’ny faminanian’i Isaia. Tena manana antony hanarahana ireto tenin’i Jehovah ireto isika: “Miravoravoa mandrakizay, satria mahary izany Aho”!—Isaia 65:18.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Maro no mihevitra fa nitady hifandray tamin’ny maty teny amin’ny fasana ireo mpanota ireo. Ny fanaovany fanompoan-tsampy no heverina fa nahatonga azy hihinana kisoa.
b Nanazava io andininy io ilay mpandika tenin’ny Baiboly nantsoina hoe Jérôme (teraka tamin’ny taonjato fahefatra), ary nilaza momba ny fanao narahin’ny mpanompo sampy tamin’ny andro farany amin’ny taona. Hoy izy: “Nametraka karazan-tsakafo be dia be sy divay mamy teo ambony latabatra izy ireo, mba hialan’ny vintan-dratsy ka ho taon-jina ilay taona lasa na ilay taona vaovao.”
c Ny hoe “Amena” dia midika hoe “ho izany tokoa anie.” Izy io dia manamafy na manome antoka fa marina ny zavatra iray, na hoe tsy maintsy ho tanteraka. Asehon’i Jehovah fa marina izay lazainy, amin’ny fitanana ny teny rehetra ataony.
d Hoy ny Isaia 65:20 araka ny Fandikan-teny Katolika: “Tsy hisy intsony ao na ny zaza teraka ho fohy andro iainana, na ny anti-panahy tsy mahatratra ny isan’ny androny.”
e Mety tsara ilazana fahelavelona ny hazo, satria izy ireo no anisan’ny zavamiaina maharitra ela indrindra. Ny hazo oliva, ohatra, dia mamoa mandritra ny an-jato taona, ary mety haharitra arivo taona.
[Sary, pejy 389]
Hanana fotoana hankafizana tsara ny asan’ny tanantsika isika, ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra