Manehoa fifikirana amin’Andriamanitra hatrany amin’ny maha-kristiana vita batisa anareo
“Fa ianao kosa, ry lehilahin’Andriamanitra, (...) manehoa fahamarinana, fifikirana amin’Andriamanitra hatrany.” — 1 TIMOTY 6:11, MN.
1. Ahoana no hamalianao ny fanontaniana hoe: “Inona no andro lehibe indrindra teo amin’ny fiainanao?” Nahoana no mamaly toy izany ianao?
INONA no andro lehibe indrindra teo amin’ny fiainanao? Raha Vavolombelon’i Jehovah vita batisa ianao, dia tsy isalasalana fa hamaly ianao hoe: ‘Ny andro nanaovana batisa ahy ka!’ Azo antoka fa dingana lehibe tokoa eo amin’ny fiainanao ny batisa. Izy io dia fampisehoana ivelany fa nanao fanolorana ny tenanao tanteraka sy tsy misy fepetra ho an’i Jehovah mba hanao ny sitrapony ianao. Manamarika ny daty naha-voatendry anao ho minisitr’ilay Andriamanitra Avo Indrindra, dia i Jehovah, ny batisanao.
2. a) Ohatra inona no mety hanazava fa ny batisa dia tsy ny dingana farany ataonao eo amin’ny fiainana kristiana arahinao akory? b) Dingana fanomanana lehibe inona avy no nataonao talohan’ny nanaovana batisa anao?
2 Ny batisa ve anefa no dingana farany tokony hataonao eo amin’ny fiainana kristiana arahinao? Tsy izany velively! Indro misy ohatra hanazavana izany: Any amin’ny tany maro ny fankalazana ny fampakaram-bady iray dia manamarika ny faran’ny vanim-potoana fanomanana sy fikarakarana (ary mazàna ny an’ny fiarahana amin’ny maha-mpifamofo). Miaraka amin’izay, izy io koa dia manamarika ny fiandohan’ny fiainan’ireo mpivady miaraka. Toy izany koa, ny batisanao dia ny fara tampony amin’ny vanim-potoana fikarakarana nanaovanao dingana fanomanana lehibe maromaro. Nandray fahalalana an’Andriamanitra sy Kristy ianao. (Jaona 17:3) Nanomboka nampiseho finoana an’i Jehovah ianao, amin’ny maha-Andriamanitra marina azy, an’i Kristy amin’ny maha-Mpamonjy anao azy, ary ny Baiboly amin’ny maha-Tenin’Andriamanitra azy. (Asan’ny apostoly 4:12; 1 Tesaloniana 2:13; Hebreo 11:6) Nampiseho izany finoana izany ianao tamin’ny fibebahanao tamin’ny fomba fiainanao teo aloha sy tamin’ny niovanao hanaraka fomba fiaina marina. (Asan’ny apostoly 3:19) Nanapa-kevitra ny hanolotra ny tenanao ho an’i Jehovah mba hanao ny sitrapony àry ianao. (Matio 16:24) Ary farany, dia natao batisa ianao. — Matio 28:19, 20.
3. a) Amin’ny fomba ahoana no hanazavantsika fa manamarika ny fiandohan’ny fiainana natolotra ho amin’ny fanompoana an’i Jehovah ny batisantsika? b) Fanontaniana inona avy no mitranga, ary nahoana no tokony hahaliana antsika indrindra ny valin’izy ireo?
3 Tsy ny faran’ny fiainana natokana ho amin’ny fanompoana masina an’Andriamanitra anefa ny batisanao fa ny fiandohany. Araka ny nomarihin’ny mpandinika ny Baiboly iray, ny fiainana kristiana dia tsy tokony ho ‘ezaka tampoka eo am-piandohana arahin’ny tsy fihetsehana maharitra’. Amin’ny fomba ahoana àry no ahafahanao manaporofo fa tsy ‘ezaka tampoka eo am-piandohana’ fotsiny ny batisanao? Amin’ny fanarahana fomba fiaina mampiseho fifikirana amin’Andriamanitra mandritra ny fiainanao manontolo. Inona io fifikirana amin’Andriamanitra io? Nahoana no ilaina ny maneho izany? Amin’ny fomba ahoana no ahafahanao mamboly azy amin’ny fomba feno kokoa eo amin’ny fiainanao? Tokony hahaliana antsika mafy ny valin’ireo fanontaniana ireo, satria tsy maintsy ho olona fantatra noho ny “asa mampiseho fifikirana amin’Andriamanitra” isika raha te-ho tafita velona amin’ny andro fitsaran’i Jehovah efa antomotra. — Asan’ny apostoly 3:11, 12, MN.
Ny dikan’ny fifikirana amin’Andriamanitra
4. Nanoro hevitra an’i Timoty mba hanao inona moa i Paoly, ary zavatra inona momba an’i Timoty no marina tamin’io fotoana io?
4 Teo antenatenan’ny taona 61 sy 64 a. fan. ir., dia nanoratra ny taratasiny ara-tsindrimandry voalohany ho an’ilay mpianatra kristiana atao hoe Timoty ny apostoly Paoly. Taorian’ny nanazavany ireo loza mety hitarihan’ny fitiavam-bola antsika, dia nanoratra toy izao i Paoly: “Fa ianao kosa, ry lehilahin’Andriamanitra, mandosira izany zavatra izany, ka manehoa (...) fifikirana amin’Andriamanitra hatrany.” (1 Timoty 6:9-11, MN ) Mahaliana tokoa fa teo amin’ny telopolo taona teo ho eo angamba i Timoty tamin’izay. Efa nanara-dia imbetsaka ny apostoly Paoly izy ary efa nomena fahefana hanendry mpiandraikitra sy mpikarakara momba ny asa tao amin’ireo kongregasiona. (Asan’ny apostoly 16:3; 1 Timoty 5:22) Mbola nomen’i Paoly torohevitra ihany anefa io lehilahy kristiana nanolo-tena sy vita batisa ary matotra io mba haneho fifikirana amin’Andriamanitra hatrany.
5. Inona no dikan’ny fitenenana hoe “fifikirana amin’Andriamanitra”?
5 Inona no tian’i Paoly holazaina tamin’ny hoe “fifikirana amin’Andriamanitra”? Ny teny grika tamin’ny voalohany nampiasaina (eu.se’bei.a) dia azo adika ara-bakiteny hoe “fampisehoana fanajana lalina”. Mikasika io dikany io dia izao no vakintsika: “Eusebeia dia miseho indraindray amin’ny heviny izay milaza fifikirana manokana amin’ny lafiny ara-pivavahana ao amin’ireo soratra ankehitriny (...), kanefa ny heviny amin’ny ankapobeny kokoa amin’ny teny grika nitenenan’ny ankamaroan’ny olona tamin’ny andron’ny Romana dia hoe ‘fahatokiana’. (...) Ho an’ireo kristiana dia eusebeia no karazana ambony indrindra amin’ny fifikirana amin’Andriamanitra.” (Ireo teny kristiana, nataon’i Nigel Turner) Araka ny fampiasana azy ao amin’ny Soratra Masina àry, ny teny hoe “fifikirana amin’Andriamanitra” dia milaza fanajana lalina na fifikirana feno fahatokiana an’i Jehovah Andriamanitra manokana.
6. Amin’ny fomba ahoana no hanaporofoan’ny kristiana iray ny fifikirany amin’Andriamanitra?
6 Io fifikirana amin’Andriamanitra io anefa dia tsy fihetseham-po ta-hanompo fotsiny. Toy ‘ny finoana maty raha tsy misy asa’, dia toy izany koa, ny fifikirana amin’Andriamanitra dia tsy maintsy miseho eo amin’ny fiainan’ny tena. (Jakoba 2:26) Ao amin’ny Ireo teny ao amin’ny Testamenta Vaovao (anglisy) i William Barclay dia nanoratra hoe: “Tsy mampiseho izany fihetseham-po misy fahatahorana sy fanajana lalina izany fotsiny ny [euse’bei.a sy ireo teny mifandray aminy], fa milaza fanompoam-pivavahana mifanaraka amin’izany fahatahorana izany, ary fiainana mampiseho fankatoavana velona mifanaraka amin’izany fanajana izany.” Eu.se’bei.a dia nohazavaina koa ho toy ny hoe “fahatsiarovana an’Andriamanitra amin’ny fomba azo ampiharina indrindra eo amin’ny lafiny rehetra eo amin’ny fiainana”. (Ny taratasy faharoa ankapoben’i Petera sy ny Taratasy ankapoben’i Joda, nataon’i Michael Green) Tsy maintsy manome porofon’ny firaiketan’ny tenany manokana amin’i Jehovah amin’ny fomba itondrany ny fiainany àry ny kristiana iray. — 1 Timoty 2:2; 2 Petera 3:11.
Ilaina ny fiezahana mafy
7. Inona no tian’i Paoly holazaina rehefa namporisika an’i Timoty izy mba “haneho hatrany” fifikirana amin’Andriamanitra na dia efa vita batisa aza izy?
7 Inona anefa no tafiditra amin’ny fampitomboana sy fanehoana fifikirana amin’Andriamanitra? Moa ve ny fanaovana batisa ny tena fotsiny izany? Tsarovy fa na dia vita batisa aza i Timoty, dia mbola namporisihina mba “haneho hatrany [‘ho eo am-panehoana hatrany’, raha ara-bakiteny’]” izany.a (1 Timoty 6:11, Kingdom Interlinear) Miharihary fa tsy hoe tsy nanana fifikirana tamin’Andriamanitra akory i Timoty no tian’i Paoly holazaina. Tiany ho latsaka tao am-pon’i Timoty kosa fa ilaina ny manohy maneho izany amim-pahazotoana sy faharisihana. (Ampitahao amin’ny Filipiana 3:14.) Mazava fa tokony ho fanehoana hatao mandritra ny fiainanao manontolo izany. Afaka ny handroso hatrany i Timoty, toy ireo kristiana vita batisa rehetra, amin’ny fanehoana ny fifikirany amin’Andriamanitra.
8. Tamin’ny fomba ahoana no nampisehoan’i Petera fa ilain’ny kristiana nanolo-tena sy vita batisa iray ny manao fiezahana mafy mba hanehoana fifikirana amin’Andriamanitra hatrany?
8 Mila manao fiezahana mafy ny kristiana nanolo-tena sy vita batisa iray mba hanehoana fifikirana amin’Andriamanitra hatrany. Raha nanoratra ho an’ireo kristiana vita batisa izay nanana ny fanantenana ny ‘ho tonga mpiray amin’ny fomban’Andriamanitra’ ny apostoly Petera, dia hoy izy: “Koa noho izany dia manaova izay zotom-po rehetra kosa ianareo, ka ny finoanareo dia ampio fahatanjahan-tsaina, ary ny fahatanjahan-tsainareo ampio fahalalana, ary ny fahalalanareo ampio fahononam-po, ary ny fahononam-ponareo ampio faharetana, ary ny faharetanareo ampio fifikirana amin’Andriamanitra.” (2 Petera 1:4-6, MN ) Miharihary fa ilaina ny finoana mba hahafahantsika miseho hatao batisa. Aorian’ny batisantsika anefa, dia tsy afaka ny hipetra-potsiny toy ny sambo eo amoron-drano isika, ka hianina amin’ny fanarahana kristianisma anarany fotsiny. Raha mandroso kosa isika eo amin’ny fomba fiaina kristiana, dia mila ny manohy mampitombo toetra tsara hafa, anisan’izany ny fifikirana amin’Andriamanitra. Izany, hoy i Petera, dia mitaky fiezahana amim-pahazotoana avy amintsika.
9. a) Ahoana no ampisehoan’ny teny grika nadika hoe “ampio” ny hamafin’ny fiezahana ilaina mba hampitomboana fifikirana amin’Andriamanitra? b) Mamporisika antsika mba hanao inona moa i Petera?
9 Mahaliana ny fiavian’ilay teny grika ampiasain’i Petera mba hilazana ny hoe “ampio” (e.pi.kho.re.ge’o) ary manazava ny hamafin’ny fiezahana ilaina. Izy io dia avy amin’ny anarana (kho.re.gos’) izay midika ara-bakiteny hoe “ny mpitarika ny antokona mpihira iray”. Izy io dia manondro olona iray izay nandoa ireo sarany rehetra ilaina ho an’ny fampiofanana sy ny fikojakojana ny antokona mpihira iray mba hahafahany mampiseho tantara iray an-tsehatra. Nandray an-tsitrapo izany andraikitra izany ny lehilahy toy izany noho ny fitiavan’izy ireo ny tanànany ary nandoa ireo sarany rehetra avy amin’ny volany manokana izy ireo. Reharehan’ny lehilahy toy izany ny nandany vola nitobatoba be mba hanomezana izay rehetra ilaina hanaovana fampisehoana mendrika. Tamin’ny farany dia lasa nidika hoe “manampy, manome amin’ny fomba tondraka” ilay teny. (Ampitahao amin’ny 2 Petera 1:11.) Koa mamporisika antsika àry i Petera mba hanomezantsika ny tenantsika, tsy fifikirana amin’Andriamanitra kely fotsiny, fa fanehoana amin’ny fomba feno indrindra io toetra sarobidy io.
10, 11. a) Nahoana no ilaina ny manao fiezahana mba hambolena sy hanehoana fifikirana amin’Andriamanitra? b) Amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika mivoaka ho mpandresy amin’io ady io?
10 Nahoana anefa no ilaina ny fiezahana toy izany mba hambolena sy hanehoana fifikirana amin’Andriamanitra? Ny antony iray dia noho ny ady ataontsika amin’ny nofontsika tsy lavorary. Koa satria “ny fisainan’ny fon’ny olona dia ratsy hatramin’ny fahazazany”, dia tsy mora ny manaraka fomba fiaina mampiseho fankatoavana amim-paharisihana an’Andriamanitra. (Genesisy 8:21; Romana 7:21-23) “Izay rehetra te-ho velona amin’ny fifikirana amin’Andriamanitra, miaraka amin’i Kristy Jesosy, dia henjehina”, hoy ny apostoly Paoly. (2 Timoty 3:12, MN ) Eny, ny kristiana izay miezaka hiaina amin’ny fomba ankasitrahan’Andriamanitra dia tsy maintsy hafa noho izao tontolo izao. Hafa ireo fitambaran-javatra heveriny ho tsara ary hafa koa ny zava-kendreny. Araka ny fampitandreman’i Jesosy, izany dia miteraka fankahalan’izao tontolo izao ratsy. — Jaona 15:19; 1 Petera 4:4.
11 Azontsika atao anefa ny mivoaka ho mpandresy amin’io ady io, satria “fantatr’i Jehovah izay hanafahany ny olona mampiseho fifikirana amin’Andriamanitra amin’ny fitsapana.” (2 Petera 2:9, MN ) Tsy maintsy manao ny anjarantsika anefa isika amin’ny fanehoana fifikirana amin’Andriamanitra hatrany.
Aoka isika hamboly fifikirana amin’Andriamanitra
12. Ahoana no ampisehoan’i Petera izay ilaina mba hambolena fifikirana amin’Andriamanitra amin’ny fomba feno kokoa?
12 Ahoana àry no ahafahanao mamboly io fifikirana amin’Andriamanitra io amin’ny fomba feno kokoa? Manome antsika fanampiana ho famaliana izany ny apostoly Petera. Ao amin’ny 2 Petera 1:5, 6, rehefa manonona ireo toetra tsy maintsy anampintsika ny finoantsika izy dia manonona ny fahalalana alohan’ny fifikirana amin’Andriamanitra. Teo aloha kokoa ao amin’io toko io ihany, dia nanoratra toy izao izy: “Nomen’ny herin’Andriamanitra ho antsika ny zavatra rehetra momba ny fiainana sy ny fifikirana amin’Andriamanitra amin’ny fahalalana marina ilay niantso antsika.” (2 Petera 1:3, MN ) Ampiarahin’i Petera amin’ny fahalalana marina an’i Jehovah àry ny fifikirana amin’Andriamanitra.
13. Nahoana no tena ilaina ny fahalalana marina mba hampitomboana fifikirana amin’Andriamanitra?
13 Raha ny marina, raha tsy misy fahalalana marina, dia tsy azo atao ny mamboly fifikirana amin’Andriamanitra. Fa nahoana? Tsarovy aloha fa ny fifikirana amin’Andriamanitra dia ho an’ny tenan’i Jehovah manokana ary miharihary amin’ny fomba itondrantsika ny fiainantsika. Tena ilaina àry ny fahalalana marina an’i Jehovah, satria tafiditra amin’izany ny fahalalana azy manokana, toy ny sakaiza akaiky, sy ny fahafantarana amin’ny fomba feno ny toetrany tsara sy ny fomba fanaovany zavatra. Mihoatra noho izany aza, izany dia mahatafiditra ny fikezahana hanahaka azy. (Efesiana 5:1) Arakaraka ny handrosoantsika eo amin’ny fianarantsika momba an’i Jehovah sy eo amin’ny fanehoantsika taratr’ireo fomba fanaovany zavatra sy ireo toetrany eo amin’ny fiainantsika, no hihatsaran’ny fahafantarantsika azy. (2 Korintiana 3:18; ampitahao amin’ny 1 Jaona 2:3-6.) Izany kosa dia hiteraka ao amintsika fankasitrahana lalina kokoa ireo toetra sarobidin’i Jehovah, ary hanamafy ny fifikiran’ny tenantsika manokana amin’Andriamanitra.
14. Mba hahazoana fahalalana marina, inona moa no tokony ho tafiditra ao amin’ny fandaharana fianarantsika manokana, ary nahoana?
14 Amin’ny fomba ahoana no ahafahanao mahazo izany fahalalana marina izany? Tsy misy lalana azo hafohezina amin’izany. Mba hahazoana fahalalana marina, dia tsy maintsy mazoto mianatra ny Tenin’Andriamanitra sy zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly isika. Tokony ho tafiditra ao amin’ny fianarana manokana toy izany ny fandaharana famakiana ny Baiboly tsy tapaka, toy ilay voalahatra ao amin’ny Sekolin’ny fanompoana teokratika. (Salamo 1:2) Koa satria ny Baiboly dia fanomezana avy amin’i Jehovah, izay ataontsika eo amin’ny lafin’ny fianarana manokana dia taratry ny fankasitrahantsika izany fanomezana izany. Inona no ahariharin’ny fahazaranao manao fianarana manokana raha ny amin’ny halalin’ny fankasitrahanao ireo fanomezana ara-panahy avy amin’i Jehovah? — Salamo 119:97.
15, 16. a) Inona no afaka hanampy antsika hampitombo faniriana ny hanao fianarana ny Baiboly manokana? b) Raha ny hampitombo fifikirana amin’Andriamanitra no tadiavina amin’ny fianarana ny Baiboly manokana, dia inona no tokony hatao eo am-pamakiana tapany iray amin’ny Tenin’Andriamanitra?
15 Ekena aloha fa tsy mora amin’ny sasany ny mamaky teny sy manao fianarana. Kanefa arakaraka ny fandehan’ny fotoana sy amin’ny alalan’ny fiezahana dia afaka mampitombo faniriana hanao fianarana ny Baiboly manokana ianao. (1 Petera 2:2) Rehefa misaintsaina amim-pankasitrahana izay rehetra nataon’i Jehovah Andriamanitra, sy ataony izao ary mbola hataony ho anao ianao, ny fonao dia hanosika anao hianatra izay rehetra azonao ianarana momba azy. — Salamo 25:4.
16 Raha ny hampitombo fifikirana amin’Andriamanitra anefa no tadiavinao amin’ny fianarana ny Baiboly manokana toy izany, dia tsy ny famakiana pejy sasantsasany fotsiny na ny famenoana ny sainao amin’ny fanazavana fotsiny no tokony ho zava-kendrenao. Rehefa mamaky tapany iray ao amin’ny Tenin’Andriamanitra kosa ianao, dia tokony haka fotoana hisaintsainana izay vakinao, ka hanontany tena toy izao: ‘Inona no ampianarin’izany ahy momba ireo toetra sy fomba fanaovan’i Jehovah zavatra maneho fitiavana? Ahoana no hahafahako ho tonga tahaka an’i Jehovah amin’ny fomba feno kokoa amin’ireo lafiny ireo?’
17. a) Inona moa no ianarantsika momba ny famindrampon’i Jehovah avy amin’ny bokin’i Hosea? b) Vokatra inona eo amintsika no tokony hoentin’ny fisaintsainantsika momba ny famindrampon’i Jehovah?
17 Diniho ity ohatra iray ity. Tsy ela izay, dia nitarika antsika ho amin’ny famakiana ny bokin’i Hosea manontolo ny fandaharana famakiana ny Baiboly ao amin’ny Sekolin’ny fanompoana teokratika. Rehefa avy namaky io boky io manontolo ianao, dia afaka nanontany tena hoe: ‘Inona no nianarako momba an’i Jehovah amin’ny maha-persona azy — ireo toetrany sy ireo fomba fanaovany zavatra — avy amin’ity boky ity?’ Ny fomba nampiasan’ireo mpanoratra ny Baiboly tatỳ aoriana azy dia mampiseho fa be dia be no nianarantsika momba ny famindrampo feno fitiavan’i Jehovah avy ao amin’ny bokin’i Hosea. (Ampitahao amin’ny Hosea 6:6 ny Matio 9:13; amin’ny Romana 9:22-26 ny Hosea 2:1 sy 2:23-25) Ny fahavononan’i Jehovah hampiseho famindrampo tamin’ny Isiraely dia nasehon’ny ohatr’i Hosea tamin’ny fifandraisany tamin’i Gomera vadiny. (Hosea 1:2; 3:1-5.) Na dia niely teo amin’ny Isiraely aza ny fandatsahan-dra, ny halatra, ny fijangajangana sy ny fanompoan-tsampy, dia ‘niresaka tamin’ny fon’ny Isiraely’ i Jehovah. (Hosea 2:15, 16 [2:13, 14, MN ]; 4:2) Tsy voatery hampiseho famindrampo toy izany i Jehovah fa hanao izany “tsy vozonana [amin’ny nahim-pony, MN ]” kosa izy, raha toa ka hampiseho fibebahana vokatry ny fo ka hiala amin’ny fomba fiainany feno fahotana ireo Isiraelita. (Hosea 14:5; ampitahao amin’ny Hosea 3:3.) Raha misaintsaina toy izany ny amin’ny famindrampo miavaka dia miavaka nasehon’i Jehovah ianao, dia hanohina ny fonao izany, ary hanamafy ny firaiketam-ponao manokana aminy.
18. Rehefa avy nisaintsaina momba ny famindrampon’i Jehovah antitranterina ao amin’ny bokin’i Hosea ianao, dia afaka manontany tena hoe ahoana?
18 Misy zavatra hafa ilaina ambonin’izany anefa. “Sambatra ny mamindra fo, fa izy no hamindrana fo”, hoy i Jesosy. (Matio 5:7, MN ) Noho izany àry, rehefa avy nisaintsaina ny amin’ny famindrampon’i Jehovah antitranterina ao amin’ny bokin’i Hosea ianao, dia manontania tena toy izao: ‘Ahoana no hahafahako hanahaka ny famindrampon’i Jehovah amin’ny fomba tsaratsara kokoa eo amin’ny fifandraisako amin’ny hafa? Raha nanota tamiko na nanafintohana ahy ny rahalahy iray na ny anabavy iray ka mangata-pamelana, dia mamela heloka “amin’ny fifaliana” ve aho?’ (Romana 12:8; Efesiana 4:32) Raha loholona voatendry ao amin’ny kongregasiona ianao, dia afaka manontany tena toy izao: ‘Rehefa mikarakara raharaha ara-pitsarana iray aho, ahoana no hahafahako hanahaka an’i Jehovah, izay “vonona ny hamela heloka”, amin’ny fomba tsaratsara kokoa, indrindra rehefa mampiseho tena porofo marina ny amin’ny fibebahany avy amin’ny fo ny mpanota iray?’ (Salamo 86:5, MN; Ohabolana 28:13) ‘Inona no tokony hojereko ho fototry ny fanehoako famindrampo?’ — Ampitahao amin’ny Hosea 5:4; 7:14.
19, 20. a) Vokatra inona no azo rehefa atao amin’ny fomba lalina ny fianarana ny Baiboly? b) Fanampiana hafa inona no ilaina eo amin’ny fambolena fifikirana amin’Andriamanitra, ary inona no hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?
19 Valisoa toy inona moa no homen’ny fianaranao manokana ny Baiboly anao rehefa ataonao amin’ny fomba lalina toy izany izy io! Ho safononoky ny fankasitrahana ireo toetra sarobidin’i Jehovah ny fonao. Ary raha manohy mikezaka manahaka ireo toetra ireo eo amin’ny fiainanao ianao, dia hanamafy ny firaiketam-ponao manokana aminy. Amin’izany ianao dia haneho fanokanan-tena ho an’Andriamanitra hatrany amin’ny maha-mpanompon’i Jehovah nanolo-tena sy vita batisa. — 1 Timoty 6:11, MN.
20 Ny fanampiana hafa iray mba hambolena io toetra sarobidy io dia mety ho hita eo amin’i Jesosy Kristy, izay ohatra tanteraka raha ny amin’ny fampisehoana fifikirana amin’Andriamanitra. Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny fanarahana ny ohatr’i Jesosy anao mba sady hamboly no haneho fifikirana amin’Andriamanitra? Handinika izany sy fanontaniana hafa mifandray amin’izany ny lahatsoratra manaraka.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Raha ny amin’ny teny grika hoe di.o’ko (“maneho hatrany”), dia manazava Ny Rakibolana iraisam-pirenena vaovao ny amin’ny Teolojian’ny Testamenta Vaovao (anglisy) fa ao amin’ireo soratra taloha, io teny io dia “midika [ara-bakiteny] hoe manenjika, mikaroka, mihazakazaka mba hahatratra, (...) ary ara-panoharana hoe manao zavatra iray amim-paharisihana, miezaka mba hamita zavatra iray, miezaka mba hahazo.”
Ahoana no havalinao?
◻ Nahoana moa ny batisa no tsy ny dingana farany eo amin’ny fanarahanao ny fiainana kristiana?
◻ Inona moa no dikan’ny hoe “fifikirana amin’Andriamanitra”, ary amin’ny fomba ahoana no anehoanao izany?
◻ Nahoana no ilaina ny fiezahana mafy mba hampitomboana fifikirana amin’Andriamanitra?
◻ Ahoana no ahafahanao mamboly fifikirana amin’Andriamanitra amin’ny fomba feno kokoa?