Fianarana 3
Ny Baiboly — Ny Boky Fianarantsika Lehibe Indrindra
1, 2. Oviana no nanomboka ny fanoratana ny Baiboly ary oviana izany no nifarana, ary Baiboly firy no voatonta?
1 Ny Baiboly no boky fianarana lehibe indrindra amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika, ary amin’ny maha minisitry ny vaovao tsara antsika dia tokony hahafantatra azy tsara isika. Tokony ho fantatsika ny fomba nanoratana azy, izay raketiny sy ny fomba ampiasana azy.
2 Tamin’ny 1513 al.f.i. no nanomboka ny fanoratana ny Baiboly, daty izay nahazoan’i Mosesy baiko hanoratra. Namita ny sorany ny apostoly Jaona tamin’ny faran’ny taonjato voalohany am.f.i., ka namarana ny fanoratana ny Baiboly izay noho izany dia naharitra taonjato enina ambin’ny folo teo ho eo. Ankehitriny ny Baiboly dia azo ampiasaina manontolo na tapatapany amin’ny fiteny 2 000 eo ho eo. Raha vitsy ny boky mahatratra fanontana hatramin’ny an-tapitrisany maro, ny Baiboly kosa dia natonta an’arivo tapitrisany maromaro. Tampon’isa tsy nanam-paharoa izany. Marina fa ny hoe niarovana boky ara-pivavahana iray nandritra ny taonjato maro sy ny nanajan’olona an-tapitrisany maro azy dia tsy ampy hanaporofoana fa hoe avy amin’Andriamanitra izy io. Tokony hitondra ny tombo-kasen’ny tsindrimandry izany sy hanaporofo fa Andriamanitra no Mpanao azy. Kanefa ny fandinihana amim-pitandremana ny Baiboly dia manome ho an’ireo olona tso-po ny fiekena fa mitondra io tombo-kase io izy io.
3, 4. Tamin’ny endrika inona moa no nanoratana ny Baiboly teo am-piandohana ary oviana no nizarana azy ho toko sy andininy?
3 Ny Baiboly izay fantatsika dia mirakitra boky enina amby enimpolo, nosoratana tany am-boalohany tamin’ny teny hebreo, aramianina sy grika. Tsy dia zava-dehibe loatra ny tena isan’ireo boky marina (ny sasany natambatra na navela hisaraka), toy izany koa ny filaharany. Tatỳ aoriana elan’ny nahavitana ny kanônan’ny Baiboly, na ny lisitr’ireo boky rehetra ekena ho ara-tsindrimandry, dia nitoetra ho horonana nitokantokana ireo boky, ary niovaova ny filaharana nitanisana azy ireo tao amin’ireo lisitra tranainy. Ny zava-dehibe anefa, dia ny hoe boky inona avy no tafiditra tao. Raha ny tena izy, dia ireo boky hita ankehitriny ao amin’ilay kanôna ihany no azo heverina ara-dalàna ho ara-tsindrimandry. Hatramin’ny andro fahiny, dia voatohitra ny fanandramana hampiditra soratra hafa tao.
4 Tany am-piandohana ny Baiboly dia nosoratana nitohy, izany hoe nifanesy tsy nisy elanelany ireo litera. Tamin’ny taonjato fahasivy am.f.i. vao nisy mari-piatoana nahatonga ho afaka hanasaraka ireo fehezanteny. Tamin’ny taonjato fahadimy ambin’ny folo am.f.i. no niseho ireo mari-piatoana lehibe indrindra ankehitriny, vokatry ny namoronana fanontam-pirinty. Ny fizarana ny Baiboly ho toko sy andininy (ny King James Version dia misy toko 1 189 sy andininy 31 102) dia tsy avy amin’ireo tena mpanoratra tany am-boalohany koa. Taonjato maro tatỳ aoriana vao nampidirina ireny fizarana ireny. Ireo Masôreta, mpahay lalàna jiosy, no nizara ho andininy ny Soratra Hebreo. Avy eo, tamin’ny taonjato fahatelo ambin’ny folo am.f.i. no nizarana ny Baiboly ho toko.
5, 6. Amin’ny heviny ahoana ny Baiboly no hoe azo tamin’ny tsindrimandry ary inona no manazava ireo fomba fanoratra samy hafa hita ao anatiny?
5 Fitambaram-boky ara-tsindrimandry. Lehilahy eo amin’ny efapolo samy hafa no nampiasaina ho mpitan-tsoratr’i Jehovah, ilay hany Loharanon’ny Teniny ara-tsindrimandry. ‘Izay Soratra rehetra dia nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra’, anisan’izany ny Soratra Grika Kristianina miaraka amin’ny tapany sisa amin’ny “Soratra Masina”. (2 Tim. 3:16; 2 Pet. 3:15, 16). Ny tiana holazaina amin’ny hoe “tsindrimandry” dia tsy aingam-panahy manaitaitra fotsiny ny saina sy ny fihetseham-po mba hahavitany zavatra amin’ny ambaratonga ambony kokoa (toy izay lazaina matetika momba ireo mpanakanto na poety), fa famoahana kosa soratra tsy misy diso izay manam-pahefana toy ny hoe nosoratan’ny tenan’Andriamanitra mihitsy. Nampiasa ny fanahiny tao amin’ny olona nahatoky izay nasainy nanoratra teo ambany fitarihany Andriamanitra. Izany no antony nahafahan’ny apostoly Petera nanambara hoe: “Fa tsy nisy faminaniana avy tamin’ny sitrapon’ny olona tany aloha rehetra, fa avy tamin’Andriamanitra no nitenenan’ny olona araka ny nitondran’ny Fanahy Masina azy.” (2 Pet. 1:21). Indray mandeha anefa, dia Andriamanitra mihitsy no nanome ny teny voasoratra. Ny Didy folo izany, izay noraisin’i Mosesy tamin’ny “vato fisaka [roa] voasoratry ny rantsan-tànan’Andriamanitra”. — Eks. 31:18.
6 Tamin’ny toe-javatra sasany, dia nisy teny nampitaina tsirairay, tamin’ny alalan’ny soratononina. (Eks. 34:27). Matetika ireo mpaminany dia nahazo hafatra hentitra tsara nilaina hampitaina. (1 Mpanj. 22:14; Jer. 1:7). Misy porofo maro anefa fa tsy hoe tsy maintsy nanoratra teny notononina foana ireo olona nampiasain’Andriamanitra mba hanoratana ny Soratra Masina. Ohatra, i Jaona dia nahazo ho ‘famantarana’ ny Apokalypsy tamin’ny alalan’ny anjelin’Andriamanitra iray, ary dia nahare izao baiko izao ilay apostoly: “Izay zavatra hitanao dia soraty eo amin’ny boky.” (Apok. 1:1, 2, 10, 11). Toa noheverin’Andriamanitra fa tsara àry ny namelana ireo mpanoratra ny Baiboly hifidy ny teniny sy fitenenany manokana mba hilazalazana ireo fahitana azony, sady nampihatra tamin’ny fomba ampy ny fitarihany teo amin’izy ireo mba hahamarina ilay soratra farany sy hifanarahan’izany amin’ny fikasany. (Mpit. 12:10). Izany no tsy isalasalana fa manazava ireo fomba fanoratra samy hafa hita ao amin’ireo boky ao amin’ny Baiboly.
7. Ankoatra ny hafa, iza no nanoratra ny Soratra Hebreo, ary toetra inona avy, takina amin’ny tena mpaminany, no fenon’izy rehetra?
7 Ny voarakitry ny soratr’i Mosesy mihitsy dia manaporofo tsy azo lavina fa ara-tsindrimandrin’Andriamanitra izany. Tsy nanolo-tena ho mpitarika an’ireo Isiraelita i Mosesy. Teo am-boalohany izy dia nanda ny fanolorana ho toy izany. (Eks. 3:10, 11; 4:10-14). Andriamanitra kosa no nanendry an’i Mosesy sy nanome azy fahefana mahagaga. Na dia ireo ombiasy aza dia voatery niaiky fa avy tamin’Andriamanitra ireo fahagagana nataon’i Mosesy. (Eks. 4:1-9; 8:12-15). Nankato ny didin’Andriamanitra sy nitafy ny tombo-kasen’ny fanahy masin’Andriamanitra i Mosesy ka voatosika aloha hilaza am-bava, avy eo dia hanoratra tapany iray amin’ny Baiboly. (Eks. 17:14). Taorian’ny nahafatesany, ireo soratry ry Josoa, Samoela, Gada sy Natana (Josoa, Mpitsara, Rota, 1 sy 2 Samoela) dia nanjary nanampy izay nosoratany. I Davida sy i Solomona mpanjaka dia nandray anjara ihany koa tamin’ny fanoratana ny boky ao amin’ny Soratra Masina nihamaro. Avy eo ireo mpaminany, nanomboka tamin’i Jona ka hatramin’i Malakia dia nanampy ny zavatra nosoratany. Izy rehetra dia nahafeno ny fepetra notakina tamin’ireo tena mpaminanin’Andriamanitra, dia ny hoe: Niteny tamin’ny anaran’i Jehovah izy ireo, tanteraka ny faminaniany ary nampitodika ny olona ho amin’Andriamanitra izy ireo. — Deot. 13:1-3; 18:20-22.
8. Inona no porofo manamarina indrindra ny amin’ny maha azo antoka ny Soratra Hebreo?
8 Araka ny fandrindran-kevitra ny hiheverana fa toy ny nanomezan’Andriamanitra ny tsindrimandry ho an’ny olona sasany mba hanoratany, dia nitarika koa ny fanangonana ireny soratra ara-tsindrimandry ireny izy. Araka ny lovantsofina jiosy, i Ezra dia nandray anjara tamin’io asa fanangonana io rehefa tafaverina tany Joda ireo Jiosy lasa babo. Afaka nanao tsara io asa io i Ezra, satria ny tenany koa dia mpisorona, mpanoratra ny Baiboly nahazo tsindrimandry ary “mpanora-dalàna izy sady nahay ny lalàn’i Mosesy”. (Ezra 7:1-11). Tamin’ny faran’ny taonjato fahadimy al.f.i., dia feno ny boky rehetra ao amin’ny Soratra Hebreo. Nirakitra ireo soratra izay ananantsika ankehitriny izany ary mizara ho boky sivy amby telopolo amin’izao andro izao. Tsy nisy filan-kevitr’olona nanonona ny maha marina izany. Teo am-piandohana io fitambaram-boky io dia nankasitrahan’Andriamanitra. Ny porofo manamarina indrindra ny fahamarinan’ny Soratra Hebreo dia ny fanambarana tsy azo lavina nataon’i Jesosy Kristy sy ireo mpanoratra ny Soratra Grika Kristianina. Nanonona imbetsaka tokoa ny Soratra Hebreo ara-tsindrimandry izy ireo fa tsy naka teny kosa na dia indray mandeha aza avy ao amin’ireo boky apôkrifa. — Lioka 24:44, 45.
9, 10. Inona no antoka ananantsika fa ireo boky ao amin’ny Soratra Grika Kristianina dia tena anisan’ny boky rehetra ao amin’ny Baiboly tokoa?
9 Ny fanoratana sy fanangonana ireo boky fito amby roapolo ao amin’ny Soratra Grika Kristianina dia natao sahala amin’ny tamin’ny Soratra Hebreo. Nanao ‘fanomezana olona’ i Kristy, eny “nanome ny sasany ho Apostoly, ary ny sasany ho evanjelista, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra” izy. (Efes. 4:8, 11-13). Voahosotry ny fanahy masin’Andriamanitra izy ireo ka namelabelatra foto-pampianarana marina ho an’ny kôngregasiôna kristianina. Nanome antoka an’ireo apostoliny i Jesosy fa hanampy azy ireo ny fanahin’Andriamanitra, hampianatra azy, hitarika azy, ary hampiverina ao amin’ny fitadidiany izay reny nolazaina taminy ary hanambara aminy zavatra ho avy. (Jaona 14:26; 16:13). Araka izany, ny maha azo antoka sy ny fahamarinan’ny Filazantsaran’izy ireo dia tsy ananana ahiahy.
10 Ny fahamarinan’ny boky iray dia tsy tsaraina araka ny isan’ny nanononana azy na satria ny mpanoratra toy izao na izao, tsy apostoly, dia nanonona azy. Ny ao anatin’ilay boky dia tokony hanaporofo fa avy tamin’ny fanahy masina izany. Io zavatra nosoratana io àry dia tsy tokony hampirisika na ho amin’ny finoanoam-poana, na ho amin’ny fifandraisana amin’ny demonia, na ny fanolorana fankalazana olona. Ankoatra izany, dia tokony hifanaraka tanteraka amin’ny sisa amin’ny Baiboly izany. Ny boky tsirairay avy dia tokony hanaraka ny “mariky ny teny tsy misy kilema” avy amin’Andriamanitra ary hifanaraka amin’ireo fampianaran’i Jesosy. (2 Tim. 1:13). Miharihary tsara fa ireo apostoly dia niteny avy tamin’ny fahefan’Andriamanitra. Noho ny fanahy masina, izy ireo dia nanana ‘fahafantarana ny teny ara-tsindrimandry’, izay namela azy ireo hamantatra raha avy tamin’Andriamanitra izany na tsia. (1 Kor. 12:4, 10). Ny fahafatesan’i Jaona, ilay apostoly farany no nanamarika ny fiafaran’izany taranak’olombelona nahazo ny tsindrimandrin’Andriamanitra izany. Ny Apokalypsy, ny Filazantsara ary ireo taratasin’i Jaona àry no namarana ny boky rehetra ao amin’ny Baiboly. Ny fifandrindran’ireo boky enina amby enimpolo ao amin’ny Baibolintsika dia manaporofo ny maha iray azy sy manamarina fa teny fahamarinana nomen’i Jehovah avy tamin’ny tsindrimandry tokoa izany.
11. Fanazavana inona avy no tsy hita afa-tsy ao amin’ny Baiboly ihany?
11 Ny zavatra raketiny. Mirakitra fanazavana izay tsy hita na aiza na aiza ny Baiboly. Ohatra, ny Genesisy dia manome fanazavana antsika ny amin’ny famoronana ny tany ary mitantara zavatra nitranga talohan’ny namoronana ny olombelona. (Gen. 1:1-31). Milaza resaka nisy tany an-danitra koa ny Baiboly ka tsy nety ho fantatry ny olona na dia iray aza izany raha tsy nampitain’Andriamanitra. — Joba 1:6-12; 1 Mpanj. 22:19-23.
12, 13. Inona no ampianarin’ny Soratra Masina antsika momba an’i Jehovah sy i Jesosy Kristy?
12 Zavatra mbola lehibe kokoa, ny Baiboly dia mampahafantatra antsika an’i Jehovah. Mitantara amin’ny an-tsipiriany fahitana mahagaga an’i Jehovah izay azon’ny sasantsasany tamin’ireo mpanompony nanana izany tombontsoa izany izy io. (Dan. 7:9, 10). Ankoatra izany, ny Baiboly dia mampiharihary amintsika ny anaran’Andriamanitra, “Jehovah”, izay hita mihoatra ny in-6800 ao amin’ny soratra masôretika ao amin’ny Soratra Hebreo. Ampahafantarin’izy io antsika, ankoatra izany, ireo toetran’i Jehovah miavaka, toy ny fitiavana, ny fahendrena, ny fitiavana ny rariny, ny famindram-po, ny fahari-po, ny fahalalahan-tanana, ny fahalalana tanteraka sy ny tsy fiovaovana. (Eks. 34:6, 7). Mianatra zavatra be dia be koa isika ao momba ny Zanak’Andriamanitra sy ny toerana lehibe tanany ao amin’ny fikasan’Andriamanitra. (Kol. 1:17, 18; 2:3; 2 Kor. 1:20). Mihoatra noho ny olona hafa rehetra, dia ilay Zanak’Andriamanitra, nandritra ny fivahiniany teto an-tany, no nanitatra ny fahalalantsika an’i Jehovah satria izy afaka nilaza hoe: “Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray.” — Jaona 14:9.
13 Misy tsipiriany mahakasika ny fizotran’ny fikasan’Andriamanitra, ambara ao amin’ny Baiboly. Ireo fitahiana rehetra nambara ho tombontsoan’ny olona mankato dia nifantoka tamin’ny Mpamonjy nampanantenaina izay hirahin’i Jehovah. Tao amin’ny saha Edena, Andriamanitra dia niresaka ny amin’io Mpamonjy io ho toy ny ‘taranaky’ ny vadiny. (Gen. 3:15). Tatỳ aoriana Andriamanitra dia nampanantena fa io Taranaka io dia ho avy amin’ny taranak’i Abrahama. (Gen. 22:18). Nasehony fa ilay Mpamonjy nampanantenaina dia ho mpanjaka sy mpisorona mandrakizay “araka ny fanaon’i Melkizedeka”. (Sal. 110:4; Heb. 7:1-28). Nifanaovan’Andriamanitra tamin’ny Isiraely ny faneken’ny Lalàna izay nisy fisoronana sy sorona, ka ny fitambarany dia “aloky ny zavatra ho avy”. (Heb. 10:1; Kol. 2:17). Nampanantena an’i Davida izy fa ny fanjakana dia hitoetra mandrakizay ao amin’ny ankohonany. (2 Sam. 7:11-16). Kanefa ny Mpandova io fampanantenana io sy ny Mpamonjy voambaran’ny faminaniana hafa rehetra, araka ny Baiboly, dia i Jesosy Kristy. Marina tokoa fa ao anatin’ireo pejin’ny Baiboly dia ahafantarana tsara ny foto-kevitr’ireo soratra ara-tsindrimandry, dia ny Fanjakan’i Jehovah izay nampiandraiketiny an’i Jesosy Kristy ho fanatanterahana ny fikasany.
14-17. Nahoana ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly sy ireo toroheviny momba ny fitondran-tena no misy vidiny lehibe amintsika rehetra?
14 Amin’ny maha boky ara-paminaniana azy dia miavaka ny Baiboly. Manazava ny hevitr’ireo zava-miseho eo amin’ny Tantara izy ary mampiseho hoe nahoana no nitranga izany. (Lioka 19:41-44). Manambara ny hoavin’ireo fitondram-panjakana rehetra eo amin’izao tontolo izao ankehitriny izy. (Dan. 2:44). Hazavainy ny zava-miseho amin’ny androntsika, asehony fa miaina amin’ny andro faran’izao fandehan-javatra izao isika ary ambarany fa tsy ho ela Andriamanitra dia handringana ny ratsy fanahy rehetra. — 2 Tim. 3:1-5; Sal. 37:9, 10.
15 Raha tsy misy ny Baiboly dia tsy ho fantatsika velively ny tena zava-kendren’ny fiainantsika. (Mpit. 12:13). Hazavainy tsara fa ny olona dia tsy vokatry ny kisendrasendra jamba, fa noforonin’Andriamanitra, izay manana fikasana feno fahamoram-panahy momba azy. Aharihariny ny hoe inona no sitrapon’Andriamanitra momba antsika sy ny fomba mety hahitantsika ny tena fifaliana. — Apok. 4:11; 1 Tim. 2:3, 4; Sal. 16:11.
16 Ny Tantaran’olombelona dia manaporofo fa raha tsy misy an’Andriamanitra dia tsy afaka hahalavorary ny diany ny olombelona. Ny Baiboly tokana ihany no manome ho an’ny olona ny fitarihana ilainy. Mitari-dalana azy izy amin’ny raharaha ara-pitondran-tena, ka mampiseho aminy izay melohin’Andriamanitra sy izay ankasitrahany. (Gal. 5:19-23). Manampy azy amin’ny fomba tena azo ampiharina izy eo amin’izao tontolo izao andavana ny lalàna ara-pitondran-tena rehetra. Omeny antsika ny fahafahana hahafantatra ny hevitr’Andriamanitra sy hahazo ny fankasitrahany. Farany, manondro antsika ny lalana mitondra ho amin’ny fiainana mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovao nampanantenain’Andriamanitra izy. — Jaona 17:3.
17 Moa ve tsy miharihary fa io Boky ambony noho ny boky rehetra io no tokony ho boky fianarantsika lehibe indrindra? Ny Kristianina indrindra indrindra no maniry hanao fikarohana momba io boky io izay ny Mpanao azy dia ilay nanambaran’ny Zanak’Andriamanitra hoe: “Ny Teninao no fahamarinana.” (Jaona 17:17). Izany no antony mahatonga ny Baiboly hitana ny toerana voalohany ao amin’ny fianarana omena amin’ny alalan’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika.