“Ny fitiavana no lehibe amin’ireo”
“Ary ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana; fa ny fitiavana no lehibe amin’ireo.” — 1 KORINTIANA 13:13.
1. Inona no nambaran’ny manam-pahaizana momba ny fianarana ny amin’ny olombelona iray ny amin’ny fitiavana?
NITENY toy izao indray mandeha ny iray amin’ireo manam-pahaizana lehibe indrindra momba ny fianarana ny amin’ny olombelona eo amin’izao tontolo izao: “Takatsika vao voalohany teo amin’ny tantaran’ny karazana misy antsika fa ny lehibe indrindra amin’ireo filana ara-tsaina fototra rehetra eo amin’ny olombelona dia ny filana fitiavana. Mitoetra eo afovoan’izay rehetra filan’ny olombelona izy io, tsy misy hafa amin’ny itoeran’ny masoandro eo afovoan’ny “système solaire” misy antsika ka ireo planeta no mihodina manodidina azy. (...) Ny zaza izay tsy notiavina dia samy hafa dia samy hafa amin’ilay notiavina, eo amin’ny lafiny biôsimika, fiziôlôjika, ary ara-tsaina. Irỳ voalohany aza dia mitombo amin’ny fomba hafa noho ity farany. Ny fantatsika izao dia hoe ny zavamiaina olombelona dia teraka mba hiaina toy ny hoe ny miaina sy ny tia dia iray ihany. Mazava ho azy fa tsy vaovao akory izany. Izy io dia fanamarinana ny Toriteny teo an-tendrombohitra”.
2. a) Ahoana no nampisehoan’ny apostoly Paoly ny maha-zava-dehibe ny fitiavana? b) Fanontaniana inona avy izao no mendrika fandinihana?
2 Eny, araka ny neken’io lehilahy manam-pahalalana araka an’izao tontolo izao io, dia tsy zava-baovao akory io fahamarinana ny amin’ny maha-zava-dehibe ny fitiavana ho an’ny fahasambaran’ny olombelona io. Mety ho izao izany vao fantatr’ireo lehilahy avara-pianarana araka an’izao tontolo izao tsara, kanefa hita tao amin’ny Tenin’Andriamanitra izany maherin’ny taonjato 19 lasa izay. Izany no nahafahan’ny apostoly Paoly nanoratra hoe: “Ary ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana; fa ny fitiavana no lehibe amin’ireo”. (1 Korintiana 13:13). Fantatrao ve ny antony maha-lehibe ny fitiavana noho ny finoana sy ny fanantenana? Nahoana no azo lazaina fa ny fitiavana no lehibe indrindra amin’ireo toetran’Andriamanitra sy amin’ireo vokatry ny fanahiny?
Fitiavana karazany efatra
3. Inona avy ireo ohatra ny amin’ny fitiavana eo amin’ny lehilahy sy vehivavy ao amin’ny Soratra masina?
3 Ny fahafahan’ny olombelona maneho fitiavana dia fisehoan’ny fahendren’Andriamanitra sy ny fiahiany feno fitiavana ny taranak’olombelona. Mahaliana fa nanana teny efatra nilazana ny “fitiavana” ireo Grika fahiny. Ny iray dia hoe eʹros, izay milaza fitiavana eo amin’ny lehilahy sy vehivavy mifandray amin’ny fifanintonana eo amin’ny lahy sy ny vavy. Tsy nanana fahafahana hampiasa ny teny hoe eʹros ireo mpanoratra ny Soratra grika kristiana, na dia izany aza, ny Septante dia nampiasa endrik’io teny io ao amin’ny Ohabolana 7:18 sy ny Oh 30:16, ary misy filazana hafa ny amin’ny fitiavana eo amin’ny lehilahy sy vehivavy ao amin’ny Soratra hebreo. Vakintsika, ohatra, fa i Isaka dia “raiki-pitia” tamin-dRebeka. (Genesisy 24:67, MN). Ny ohatra iray mendrika homarihina ny amin’io karazam-pitiavana io, dia ny hita tamin’i Jakoba izay toa raiki-pitia tamin-dRahely tsara tarehy raha vao nahita azy. Raha ny marina dia “nanompo an’i Labana fito taona Jakoba hahazoany an-dRahely; ary toa andro vitsy foana teo imasony izany noho ny fitiavany azy”. (Genesisy 29:9-11, 17, 20). Ny Tonon-kiran’i Solomona koa dia niresaka ny amin’ny fitiavana nisy teo amin’ny mpiandry ondry iray sy ny zazavavy iray. Tsy tafahoatra anefa ny fanamafisana fa, io karazam-pitiavana io, izay mety ho loharanom-pahafahampo sy fifaliana lehibe, dia tokony haseho mifanaraka amin’ireo fari-pitsipika marina noferan’Andriamanitra ihany. Lazain’ny Baiboly amintsika fa amin’ny fitiavan’ny vehivavy vadiny vita soratra ara-dalàna aminy ihany ny lehilahy iray no afaka ny “ho feno faharavoravoana làlandava”. — Ohabolana 5:15-20.
4. Ahoana no ampisehoana amin’ny alalan’ny ohatra ny fitiavam-pianakaviana ao amin’ny Soratra masina?
4 Manaraka izany, dia eo ny fitiavana na ny firaiketam-po voajanahary mahery eo amin’ny fianakaviana, miorina amin’ny fatoran’ny ra, izay nampiasan’ny Grika ny teny hoe stor·geʹ. Izy io no nahatonga ny fitenenana hoe “ny havana, lelafin-katelina”. Manana ohatra tsara dia tsara ny amin’izany isika teo amin’ny fitiavan’i Maria sy Marta rahavaviny an’i Lazarosy anadahiny. Hita tamin’ny haben’ny alahelon’izy ireo tamin’ny fahafatesany tampoka fa tena sarobidy tamin’izy ireo izy. Ary toy inona moa ny fifaliany rehefa novelomin’i Jesosy indray i Lazarosy malalany! (Jaona 11:1-44). Ny fitiavan’ny reny iray ny zanany dia ohatra hafa iray koa ny amin’io karazam-pitiavana io. (Ampitahao amin’ny 1 Tesaloniana 2:7.) Araka izany, mba hanasoritana ny halehiben’ny fitiavany an’i Ziona, dia nilaza mazava i Jehovah fa izany dia lehibe kokoa aza noho ny an’ny reny iray ho an’ny zanany. — Isaia 49:15.
5. Ahoana no ihariharian’ny tsy fisian’ny firaiketam-po voajanahary ankehitriny?
5 Ny zavatra iray manondro fa miaina “amin’ny andro farany” isika, ao amin’ireo “andro sarotra setraina”, dia ny tsy fananana “firaiketam-po voajanahary”. (2 Timoty 3:1, 3, MN). Noho ny tsy fisian’ny fitiavam-pianakaviana, dia misy tanora mandositra ny tokantranony, ary ny zanaka efa lehibe sasany tsy miraharaha ireo ray aman-dreniny be taona. (Ampitahao amin’ny Ohabolana 23:22.) Hita koa ny tsy fisian’ny firaiketam-po voajanahary eo amin’ny fahabetsahan’ny fitondrana ratsy ny ankizy — ray aman-dreny sasany mikapoka mafy loatra ny zanany ka voatery ampidirina hôpitaly. Miharihary koa ny tsy fisian’ny fitiavan-dray aman-dreny eo amin’ny tsy fahavitan’ny ray aman-dreny maro mifehy ny zanany. Ny famelana ny ankizy hanao izay tiany dia tsy porofon’ny fitiavana akory, fa mitovy amin’ny fifidianana ny lalana tsy mampananosarotra indrindra. Ny ray iray tia marina ny zanany dia hifehy azy ireo rehefa ilaina izany. — Ohabolana 13:24; Hebreo 12:5-11.
6. Manomeza ohatra ao amin’ny Soratra masina ny amin’ny firaiketam-po eo amin’ny mpinamana.
6 Aorian’izay, dia eo ilay teny grika hoe phi·liʹa, izay milaza firaiketam-po (tsy misy idiran’ny maha-lahy sy vavy) eo amin’ny mpinamana, toy ny eo amin’ny lehilahy lehibe roa, na vehivavy lehibe roa. Manana ohatra tsara dia tsara ny amin’izany isika eo amin’ny fitiavana nifanehoan’i Davida sy Jonatana. Rehefa maty tany amin’ny ady i Jonatana, dia nalahelo azy i Davida ka niteny hoe: “Ory noho ny aminao aho, ry Jonatana rahalahiko; nahafinaritra ahy indrindra hianao; nahagaga [nahafinaritra, MN] ny fitiavanao ahy mihoatra noho ny fitiavan’ny vehivavy. (2 Samoela 1:26). Nianarantsika koa fa i Kristy dia nanana fankamamiana manokana ny apostoly Jaona, izay fantatra ho ilay mpianatra “tian’i Jesosy”. — Jaona 20:2.
7. Inona no toetra ananan’ny a·gaʹpe, ary ahoana no nanehoana an’io fitiavana io?
7 Teny grika inona no nampiasain’i Paoly ao amin’ny 1 Korintiana 13:13, izay nanononany ny finoana sy ny fanantenana ary ny fitiavana ka nilazany fa “ny fitiavana no lehibe amin’ireo”? Eto ilay teny dia ny hoe a·gaʹpe, mitovy amin’ilay nampiasain’ny apostoly Jaona rehefa niteny izy hoe: “Andriamanitra dia fitiavana”. (1 Jaona 4:8, 16). Izy io dia fitiavana izay tarihina na tapahin’ny fotopoto-pitsipika. Mety hisy na tsy hisy firaiketam-po sy fankamamiana izy io, kanefa izany dia fihetseham-po na fahatsapana tsy misy fitiavan-tena, liana ny hanao soa ho an’ny hafa na manao ahoana na manao ahoana ny fahamendrehan’ilay mpandray na izay mety ho tombontsoa tokony horaisin’ny mpanao soa. Io karazam-pitiavana io no nahatonga an’Andriamanitra hanome ny zava-tsarobidy mamin’ny fony indrindra, dia ny Zanany lahitokana, Jesosy Kristy, “mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay”. (Jaona 3:16). Izany dia araka ny ampahatsiarovin’i Paoly tsara antsika toy izao: “Saiky tsy misy olona manaiky ho faty hamonjy ny marina; fa angamba hisy ihany ny sasany sahy maty aza hamonjy ny manao soa. Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy”. (Romana 5:7, 8). Eny, ny a·gaʹpe dia manao soa ho an’ny hafa na manao ahoana na manao ahoana fari-piainany na izay ho vidiny ho an’ilay naneho fitiavana.
Nahoana no lehibe kokoa noho ny finoana sy ny fanantenana?
8. Nahoana ny a·gaʹpe no lehibe kokoa noho ny finoana?
8 Nahoana anefa i Paoly no nilaza fa io karazam-pitiavana io (a·gaʹpe) dia lehibe kokoa noho ny finoana? Nanoratra toy izao izy ao amin’ny 1 Korintiana 13:2: “Na dia manana faminaniana aza aho ka mahalala ny zava-miafina rehetra, ary na dia manana ny finoana rehetra aza aho ka mahafindra tendrombohitra, kanefa tsy manana fitiavana, dia tsinontsinona aho”. (Ampitahao amin’ny Matio 17:20.) Eny, raha toa ny fiezahantsika hahazo fahalalana sy hitombo amin’ny finoana ka natao noho ny fikasana iray feno fitiavan-tena, izany dia tsy hitondra soa ho antsika avy amin’Andriamanitra. Toy izany koa, nasehon’i Jesosy fa hisy olona sasany ‘haminany amin’ny anarany, hamoaka demonia amin’ny anarany, ary hanao asa lehibe maro amin’ny anarany’ nefa tsy hahazo sitraka aminy. — Matio 7:22, 23.
9. Nahoana ny fitiavana no lehibe kokoa noho ny fanantenana?
9 Nahoana ny endriky ny fitiavana a·gaʹpe no lehibe kokoa noho ny fanantenana? Satria ny fanantenana dia mety tsy hihevitra afa-tsy ny tena ka hiahy indrindra ny amin’ny tombontsoa ho an’ny tenany ny olona iray, kanefa ny fitiavana dia “tsy mitady ny azy”. (1 Korintiana 13:4, 5). Ambonin’izany, ny fanantenana — toy ny ho tafita velona amin’ny “fahoriana lehibe” ho ao amin’ny tontolo vaovao — dia mitsahatra rehefa tanteraka izay antenaina. (Matio 24:21). Hoy ny nambaran’i Paoly: “Ny fanantenana no namonjena antsika; nefa ny fanantenana hita dia tsy mba fanantenana intsony; fa ahoana no mbola anantenan’ny olona izay efa hitany? Fa raha isika manantena izay tsy mbola hitantsika, dia miandry amin’ny faharetana”. (Romana 8:24, 25). Ny fitiavana dia maharitra ny zavatra rehetra, ary tsy ho levona mandrakizay. (1 Korintiana 13:7, 8). Araka izany, ny fitiavana tsy misy fitiavan-tena (a·gaʹpe) dia lehibe kokoa noho ny finoana na ny fanantenana.
Lehibe kokoa noho ny fahendrena, sy ny rariny ary ny hery ve?
10. Nahoana no azo lazaina fa ny fitiavana no lehibe indrindra amin’ireo toetra efatra lehibe indrindra ananan’Andriamanitra?
10 Aoka hodinihintsika izao ny amin’ireo toetra efatra lehibe indrindra ananan’i Jehovah Andriamanitra: fahendrena, rariny, hery, ary fitiavana. Azo lazaina koa ve fa ny fitiavana no lehibe indrindra amin’ireo? Eny tokoa. Nahoana? Satria ny fitiavana no hery manosika amin’izay ataon’Andriamanitra. Izany no nahatonga ny apostoly Jaona hanoratra hoe: “Andriamanitra dia fitiavana”. Eny, i Jehovah dia ilay fitiavana velona mihitsy. (1 Jaona 4:8, 16). Na aiza na aiza ao amin’ny Soratra masina isika tsy hamaky hoe Andriamanitra dia fahendrena na rariny na hery. Lazaina amintsika kosa fa manana ireo toetra ireo Andriamanitra. (Joba 12:13; Salamo 147:5; Daniela 4:34 [4:37, MN]). Ao aminy dia mifandanja tanteraka ireo toetra efatra ireo. Atosiky ny fitiavana, i Jehovah dia manatanteraka ny fikasany amin’ny fampiasana ireo toetra telo hafa na amin’ny fiheverana azy ireo.
11. Inona no nanosika an’i Jehovah hamorona izao rehetra izao sy ireo zavaboary ara-panahy sy olombelona?
11 Koa inona àry no nanosika an’i Jehovah hamorona izao rehetra izao sy ireo zavaboary ara-panahy sy olombelona manan-tsaina? Ny fahendrena ve sa ny hery? Tsia, satria Andriamanitra nampiasa ny fahendreny sy ny heriny mba hamoronana fotsiny. Izao, ohatra, no vakintsika: “Fahendrena no nanorenan’i Jehovah ny tany.” (Ohabolana 3:19). Ankoatra izany, ny toetra tia ny rariny ananany dia tsy nitaky ny hamoronany olona tompon’andraikitra amin’ny safidy ara-pitondrantena ataony. Ny fitiavan’Andriamanitra dia nanosika azy hizara amin’ny hafa ireo fifaliana entin’ny fiainana amin’ny maha-manan-tsaina. Tamin’ny fitiavana no nahitana lalana hanafoanana ny fanamelohana izay napetraky ny rariny teo amin’ny taranak’olombelona noho ny fahadisoan’i Adama. (Jaona 3:16). Eny, ny fitiavana koa no nanosika an’i Jehovah hikasa ny hampiaina ny olombelona mankatò ao amin’ilay Paradisa an-tany ho avy. — Lioka 23:43, MN.
12. Ahoana no tokony ho fihetsitsika eo anatrehan’ny hery sy ny rariny ary ny fitiavan’Andriamanitra?
12 Noho ny hery tsy toha ananan’Andriamanitra, dia tsy sahintsika atao izay hahasaro-piaro azy. Nanontany toy izao i Paoly: “Mampahasaro-piaro ny Tompo [Jehovah, MN] va isika? Mahery noho Izy va isika?” (1 Korintiana 10:22). Marina fa i Jehovah dia “Andriamanitra saro-piaro”, tsy amin’ny heviny ratsy anefa, fa amin’ny heviny hoe “mitaky fifikirana aminy irery ihany” izy. (Eksodosy 20:5; MN). Amin’ny maha-kristiana antsika, dia feno tahotra miharo fanajana isika eo anoloan’ny fisehoana maron’ny fahendren’Andriamanitra tsy takatry ny saina. (Romana 11:33-35). Tokony hahatonga antsika hanalavitra ny ota an-tsitrapo ny fanajantsika lalina ny rariny. (Hebreo 10:26-31). Tsy isalasalana mihitsy anefa fa ny fitiavana dia lehibe indrindra amin’ireo toetra efatra ambony indrindra ananan’Andriamanitra. Ary ny fitiavana tsy misy fitiavan-tena ananan’i Jehovah no manintona antsika ho aminy sy mahatonga antsika haniry hahazo sitraka aminy, hanompo azy ary handray anjara amin’ny fanamasinana ny anarany masina. — Ohabolana 27:11.
Lehibe indrindra amin’ny vokatry ny fanahy
13. Aiza ny laharana misy ny fitiavana eo amin’ireo vokatry ny fanahin’Andriamanitra?
13 Manao ahoana ny toeran’ny fitiavana eo amin’ireo vokatry ny fanahin’Andriamanitra sivy, voalaza ao amin’ny Galatiana 5:22, 23? Izany dia “fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa [hatsaram-po, MN], fahamarinana [finoana, MN], fahalemem-panahy, fahononam-po [fifehezan-tena, MN]”. Nanana antony tsara nametrahana ny fitiavana teo amin’ny toerana voalohany i Paoly. Moa ve ny fitiavana lehibe kokoa noho ny fifaliana, ilay toetra lazainy manaraka? Eny, satria tsy mety hisy fifaliana maharitra raha tsy misy fitiavana. Raha ny marina, dia tsy misy fifaliana aoka izany eo amin’izao tontolo izao noho ny fitiavan-tena, dia ny tsy fisiam-pitiavana. Manam-pitiavana eo amin’izy samy izy anefa ny Vavolombelon’i Jehovah, ary manam-pitiavana ny Rainy any an-danitra izy ireo. Koa tokony hanampo azy ireo ho falifaly àry isika, ary nambara mialoha fa izy ireo dia “hihoby noho ny faharavoam-po.” — Isaia 65:14.
14. Nahoana no azo lazaina fa ny fitiavana dia lehibe kokoa noho ilay vokatry ny fanahy hoe fiadanana?
14 Lehibe kokoa noho ilay vokatry ny fanahy hoe fiadanana koa ny fitiavana. Noho ny tsy fisiam-pitiavana, dia feno tsy fifanarahana sy fifandirana izao tontolo izao. Mifanaraka eo amin’izy samy izy anefa ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany. Marina eo amin’izy ireo ny tenin’ny mpanao Salamo hoe: “Jehovah hitahy ny olony amin’ny fiadanana”. (Salamo 29:11). Manana io fiadanana io izy ireo satria manana ilay marika mampiavaka ny kristiana marina, dia ny fitiavana. (Jaona 13:35). Ny fitiavana ihany no afaka mandresy ny antony mahatonga fisarahana rehetra, na ara-pirazanana izany, na ara-pirenena, na ara-kolontsaina. “Fatorana mampiray tanteraka” izy io. — Kolosiana 3:14, MN.
15. Ahoana no ahitana ny anjara asa tampony tanan’ny fitiavana raha ampitahaina amin’ilay vokatry ny fanahy hoe fahari-po?
15 Hita koa ny anjara asa tampony ananan’ny fitiavana rehefa ampitahaina amin’ny fahari-po, ilay fiaretana amim-paharetana ny ratsy na ny fihantsiana. Ny hoe mahari-po dia midika hoe manana faharetana ary koa tsy mora tezitra. Inona no mahatonga ny olona ho tsy ampy faharetana sy ho mora tezitra? Moa ve tsy noho ny tsy fisiam-pitiavana? Kanefa ny Raintsika any an-danitra dia mahari-po sy “tsy mora tezitra”. (Eksodosy 34:6, MN; Lioka 18:7). Nahoana? Satria tiany isika ary “tsy tiany hisy ho very”. — 2 Petera 3:9.
16. Manao ahoana ny fitiavana raha ampitahaina amin’ny fahamoram-panahy, ny hatsaram-po, ny fahalemem-panahy ary ny fifehezan-tena ?
16 Efa hitantsika teo aloha hoe nahoana ny fitiavana no lehibe kokoa noho ny finoana, ary ny antony nomena dia mihatra amin’ireo vokatry ny fanahy sisa, izany hoe, ny fahamoram-panahy, ny hatsaram-po, ny fahalemem-panahy ary ny fifehezan-tena. Toetra tsara ilaina avokoa ireo rehetra ireo, kanefa dia tsy hahasoa antsika izy ireo raha tsy eo ny fitiavana, araka ny nomarihin’i Paoly ao amin’ny 1 Korintiana 13:3, izay nanoratany hoe: “Na dia omeko hohanin’ny malahelo aza ny fananako rehetra, ary na dia atolotro hodorana aza ny tenako, kanefa tsy manana fitiavana aho, dia tsy mahasoa ahy akory izany”. Etsy an-kilany, dia ny fitiavana no miteraka toetra tsara toy ny fahamoram-panahy, hatsaram-po, finoana, fahalemem-panahy, ary fifehezan-tena. Araka izany, dia nanohy ny teniny i Paoly ka nilaza fa mora fanahy ny fitiavana, sady “mandefitra ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, maharitra ny zavatra rehetra”. Eny, ary “ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay”. (1 Korintiana 13:4, 7, 8). Hita tsara fa ireo vokatry ny fanahy hafa dia fisehoana na endrika samihafa isehoan’ny fitiavana, ilay voatonona voalohany. Azo antoka avy amin’izany fa, amin’ireo vokatry ny fanahy rehetra sivy, dia ny fitiavana tokoa no lehibe indrindra.
17. Fanambarana ao amin’ny Soratra masina inona avy no manohana ny fanatsoahan-kevitra fa ny fitiavana no vokatry ny fanahy lehibe indrindra?
17 Manohana ny fanatsoahan-kevitra fa ny fitiavana no lehibe indrindra amin’ireo vokatry ny fanahin’Andriamanitra ny tenin’i Paoly manao hoe: “Aza avela hisy tsy voaloa na amin’iza na amin’iza, afa-tsy ny fifankatiavanareo ihany; fa izay tia ny namany dia efa nahatanteraka ny lalàna. Fa ny [fitsipiky ny lalàna, MN] (...) dia samy efa ao anatin’izao teny izao hoe: ‘Tiava ny namanao tahaka ny tenanao’. Ny fitiavana tsy manisy ratsy ny namana; koa dia ny fitiavana no fahatanterahana ny lalàna”. (Romana 13:8-10). Mifanentana indrindra raha nanisy fitenenana ny amin’io lalàna momba ny fitiavana ny namana tahaka ny tena io ho “ilay didin’andriana” i Jakoba mpianatra. — Jakoba 2:8 (fanamarihana ambany pejy).
18. Inona no porofo fanampiny mampiharihary fa ny fitiavana no toetra tsara lehibe indrindra?
18 Moa ve mbola misy porofo hafa mampiseho fa ny fitiavana no toetra tsara lehibe indrindra? Eny tokoa. Diniho izay nitranga rehefa nanontany an’i Jesosy ny mpanora-dalàna iray nanao hoe: “Ny didy manao ahoana no voalohany amin’izy rehetra?” Mety ho nanantena ny hanononan’i Jesosy ny iray amin’ireo Didy folo izy. Naka teny avy tao amin’ny Deoteronomia 6:4, 5 anefa i Jesosy ary nilaza hoe: “Ny voalohany dia izao: ‘Mihainoa, ry Isiraely: Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany; koa tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny herinao rehetra’.” Avy eo dia nanampy teny toy izao i Jesosy: “Ary ny faharoa dia izao: ‘Tiava ny namanao tahaka ny tenanao’. Tsy misy didy hafa lehibe noho ireo.” — Marka 12:28-31.
19. Inona no vokatra miavaka sasany avy amin’ny a·gaʹpe?
19 Hita marina tokoa àry fa tsy nanitatra i Paoly rehefa nanonona ny finoana sy ny fanantenana ary ny fitiavana ka nanao hoe: “Ny fitiavana no lehibe amin’ireo”. Ny fampisehoana fitiavana dia miafara amin’ny fifandraisana tsara amin’ny Raintsika any an-danitra sy amin’ny hafa, anisan’izany ireo ao anatin’ny kongregasiona sy ireo mpikambana ao amin’ny fianakaviantsika. Misy heriny manorina eo amintsika ny fitiavana. Ary ny lahatsoratra manaraka dia hampiseho fa afaka mitondra valisoa ny fitiavana marina.
Ahoana no havalinao?
◻ Amin’ny ahoana ny fitiavana no lehibe kokoa noho ny finoana sy ny fanantenana?
◻ Inona no atao hoe a·gaʹpe, ary ahoana no isehoan’io fitiavana io?
◻ Nahoana ny fitiavana no lehibe indrindra amin’ireo toetra efatra lehibe indrindra ananan’Andriamanitra?
◻ Amin’ny heviny ahoana àry ny fitiavana no lehibe kokoa noho ireo vokatry ny fanahy hafa?
[Sary, pejy 13]
Nanosika an’Andriamanitra hamorona ny taranak’olombelona hiaina eo amin’ny paradisa an-tany ny fitiavana. Manantena ny ho ao ve ianao?