Naharihary ny zava-miafina masina iray
“Ary iaraha-manaiky mihitsy fa lehibe ny zava-miafina [masina, MN ] ny amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra [fifikirana amin’Andriamanitra, MN ].” — 1 TIMOTY 3:16.
1. Zava-miafina inona no voalazalaza ao amin’ny 1 Timoty 3:16?
MAHALIANA anao ve ny zava-miafina? Tianao ve ny mamotopototra ny amin’ny zava-miafina? Tia izany ny ankamaroantsika! Miaraha àry aminay handalina ny anisan’ny lehibe indrindra amin’ireo zava-miafina — zava-miafina izay voarakitra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra hatramin’ny an’arivony taona maro izay. Misy vokany tena lehibe eo amin’ny fiainantsika ankehitriny sy amin’ny hoavy io zava-miafina masina io. Izany dia ny ‘zava-miafina masin’ny fifikirana amin’Andriamanitra’, izay voalazalaza ho antsika ao amin’ny 1 Timoty 3:16. Toy inona moa ny fankasitrahana tokony hasehontsika amin’i Jehovah, ilay ‘Mpampiseho zava-miafina’, noho ny nampahafantarany antsika tamim-katsaram-po io zava-miafina mahatalanjona io sy ny fanazavana azy! — Daniela 2:28, 29.
2. a) Oviana no niresahan’i Jehovah voalohany ny amin’ny zava-miafina masina iray, ary inona no nampanantenainy tamin’izay? b) Fanontaniana inona avy no mila valiny?
2 Niresaka voalohany ny amin’ny zava-miafina masina i Jehovah taorian’ny namitahan’ny Menarana an’i Eva sy nanarahan’i Adama azy tamin’ny fikomiana. Nampanantena àry Andriamanitra fa hanorotoro ny lohan’ny Menarana ilay “taranaka” (Genesisy 3:15). Iza io Taranaka io? Fomba ahoana no handreseny ny Menarana? Hiaro ny fahamarinan’Andriamanitra sy ny fikasany ny amin’ny tany ve izy?
3. Nanome filazalazana inona ny amin’ny tenan’ilay Taranaka sy ny asany moa ireo faminanian’Andriamanitra?
3 Rehefa nandeha ny fotoana, dia nasehon’ireo faminanian’Andriamanitra ny filazalazana mikasika ny tenan’ilay Taranaka sy ny asany. Ho avy amin’ny taranak’i Abrahama izy, handova ny fanjakan’i Davida, ary hantsoina hoe Andrian’ny fiadanana. “Ny handrosoan’ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana” (Isaia 9:5, 6; Genesisy 22:15-18; Salamo 89:35-37). Araka ny voalazan’ny Romana 16:25 anefa, dia “voàfina hatry ny fony fahagola” io zava-miafina masina io.
Fampahafantarana ilay zava-miafina
4. Ahoana no nanombohana nampiharihary ny zava-miafina masina tamin’ny taona 29 am.fan.ir.?
4 Farany, efatra arivo taona tatỳ aoriana, dia niposaka ny hazavana! Tamin’ny fomba ahoana? Tamin’ny taona 29 am.fan.ir., dia nanao batisa an’i Jesosy avy any Nazareta tao amin’ny onin’ny Jordana i Jaona, ary izao no nambaran’ny feon’Andriamanitra avy tany an-danitra: “Ity no Zanako malalako Izay sitrako.” (Matio 3:17). Tonga ihany ilay Taranaka nampanantenaina! Nanomboka naharihary tao amin’ny hakanton’ny endriny samihafa, anisan’izany ny fifikirana amin’Andriamanitra, ilay zava-miafina masina.’
5. Inona ny atao hoe “fifikirana amin’Andriamanitra”, ary inona ny heriny eo amin’ireo mampihatra azy?
5 Inona no tiantsika holazaina amin’ny hoe “fifikirana amin’Andriamanitra”? In-20 monja no ahitana io teny io ao amin’ny Soratra grika kristiana, ka maherin’ny antsasany aminy no hita ao amin’ireo taratasy roa nosoratan’i Paoly ho an’i Timoty. Ny “fifikirana amin’Andriamanitra (piété)” dia faritan’ny boky Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible ho “toetr’izay manamasina, mivavaka ary manompo an’Andriamanitra amin’ny tsy fivadihana amin’ny fiandrianany manerana izao rehetra izao”. Ny fanamasinana dia avy amin’ny fo izay manatona an’Andriamanitra amin’ny fanajana lalina noho ny fahalehibeazany, ny maha-mandrakizay azy, ary noho ny hamaroan’ny zavatra mahatalanjona noforoniny, miaraka amin’ny fisaorana noho ny fanomezana ara-nofo sy ara-panahy izay arotsany eo amin’ny olombelona mahay mankasitraka. Marina tokoa fa ny tsirairay amintsika izay mampihatra ny fifikirana amin’Andriamanitra dia afaka miteny toy ny nataon’ny mpanao salamo manao hoe: “Misaora an’i Jehovah, ry fanahiko. Jehovah Andriamanitro ô, lehibe indrindra Hianao; famirapiratana sy voninahitra no fitafinao.” — Salamo 104:1.
6. a) Amin’inona no iavahan’ny mpivavaka amin’i Jehovah amin’ireo mpipetraka eo amin’ny dabiliom-piangonana ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana? b) Inona no nambaran’i Paoly ao amin’ny Romana 11:33, 34, ary mampipoitra fanontaniana inona izany?
6 Tokony hiseho ny fifikirantsika amin’Andriamanitra, ary izany dia amin’ny alalan’ny asa. Amin’izay lafiny izay, ny mpivavaka amin’ilay Andriamanitra marina, Jehovah, dia miavaka amin’ireo mpipetraka eo amin’ny dabiliom-piangonana izay mihafoana hatrany ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana. Ho an’ny olona maro eto an-tany, ny fivavahana — raha mbola manana fivavahana aza izy — dia fombafomba fotsiny, kapaoty isalorana mba hisehoany ho masina raha mbola ampifanarahiny amin’izao tontolo izao ratsy manodidina azy ny fiainany. Tsy fantany akory aza hoe iza moa Andriamanitra. Azo antoka fa ilain’ireny olona ireny ny mandinika ireo tenin’i Paoly ao amin’ny Asan’ny apostoly 17:23, rehefa nilaza tamin’ireo Ateniana nanompo “andriamanitra tsy fantatra” izy nanao hoe: “Koa izay ivavahanareo, kanefa tsy fantatrareo, dia izany no toriko aminareo.” Mikasika io Andriamanitra mahatalanjona io, dia izao no nambaran’i Paoly ao amin’ny Romana 11:33, 34: “Endrey ny halalin’ny haren’Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany! ny fitsarany tsy hita lany, ary ny làlany tsy azo fantarina! Fa ‘iza no nahalala ny sain’i Jehovah? ary iza no mpanolo-tsaina Azy?’ ” Ahoana àry no hahafahantsika ho tonga amin’ny fahalalana ny lalan’Andriamanitra? Amin’ny fianarana ny ‘zava-miafina masin’ny fifikirana amin’Andriamanitra’. Amin’ny fomba ahoana anefa no hanaovantsika izany?
7. Nahoana no azo atao ny milaza hoe ‘iaraha-manaiky mihitsy fa lehibe ny zava-miafina masin’ny fifikirana amin’Andriamanitra’?
7 Ao amin’ny 1 Timoty toko faha-3, dia tononin’ny apostoly Paoly voalohany izay takina amin’ireo mpanompo manana andraikitra ao amin’ny tranon’Andriamanitra, voalazalaza eo amin’ny andininy faha-15 ho “ny fiangonan’Andriamanitra velona, sady andry sy fiorenan’ny fahamarinana.” Avy eo dia nanampy teny toy izao i Paoly eo amin’ny andininy faha-16: “Ary iaraha-manaiky mihitsy fa lehibe ny zava-miafina [masina, MN ] ny amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra [fifikirana amin’Andriamanitra, MN ]”. Lehibe tokoa satria naniraka ny Zanany lahitokana tetỳ an-tany i Jehovah mba hampahafatatra io zava-miafina io, mba hanazava ny tena dikan’ny fifikirana amin’Andriamanitra sy ny maha-zava-dehibe fototra izany eo amin’ny fanompoam-pivavahana marina. Ny zava-miafina masina ny amin’io fifikirana amin’Andriamanitra io dia naseho mazava teo amin’ny fiainan’i Jesosy teto an-tany. Izay rehetra tia an’i Jehovah dia tokony hanorina ny finoany sy ny fiainany amin’i Kristy izay nanome ohatra ny amin’ny fifikirana amin’Andriamanitra. Tamin’ny fomba ahoana àry no nitondran’i Jesosy fanazavana mikasika ny ‘zava-miafina masin’ny fifikirana amin’Andriamanitra’?
Lafiny enina
8. a) Inona avy ireo lafiny enina amin’ilay zava-miafina masina nolazalazain’i Paoly ao amin’ny 1 Timoty 3:16? b) Iza moa io “Ilay” naseho io?
8 Mamaly io fanontaniana io eo ambany tsindrimandrin’Andriamanitra i Paoly. Eto, eo amin’ny 1 Timoty 3:16, dia milazalaza lafiny enina amin’io zava-miafina masina io izy amin’ny filazana hoe: “Ilay [1] naseho teo amin’ny nofo, [2] nohamarinina tao amin’ny Fanahy; [3] hitan’ny anjely, [4] notorina tany amin’ny jentilisa, [5] ninoana teny amin’izao tontolo izao, [6] nakarina tamin’ny voninahitra.” Iza moa io “Ilay” naseho io? Miharihary fa izy io dia ny Taranaka nampanantenaina, Jesosy izay tonga mba hanao ny sitrapon’Andriamanitra. Izy no votoatin’ny zava-miafina masina, ka nahatonga izany ho lehibe tokoa.
9. Inona no porofo fa tsy tokony hovakina hoe: “Andriamanitra naseho tamin’ny nofo” ny 1 Timoty 3:16?
9 Manandrana mampanjavozavo ny fahatakarana ilay zava-miafina masina ireo mpanohana ny Trinite amin’ny filazana fa “Ilay” ao amin’ny 1 Timoty 3:16 dia ny tenan’Andriamanitra mihitsy. Amin’izany izy ireo dia mifototra amin’ny Baibolin’ny Mpanjaka Jacques izay amakiana hoe: “Andriamanitra dia naseho teo amin’ny nofo.” Inona anefa no ambaran’ny sora-tanana grika azo antoka indrindra? Izy rehetra dia samy mampiasa ny mpisolo anarana “Ilay” fa tsy “Andriamanitra”. Ankehitriny ireo mpanao fanakianana lahatsoratra dia miaiky fa fahadisoana nataon’ny mpanao kopia ny fampidirana ny teny hoe “Andriamanitra” ao amin’io andinin-teny io. Noho izany, ny fandikan-teny vao haingana kokoa toy ny Ny Fandikan-teny Eokiomenikan’ny Baiboly, Ny Baibolin’i Jerosalema ary Ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao dia manoratra amin’ny fomba mety hoe: “Ilay naseho teo amin’ny nofo.” Tsia, tsy ny tenan’Andriamanitra mihitsy akory no niseho “teo amin’ny nofo”. Izany kosa dia ny Zanany malala sady voalohany tamin’ny noforoniny, ary mikasika azy no nanoratan’ny apostoly Jaona hoe: “Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra miendrika ho an’ny Lahitokana avy tamin’ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana.” — Jaona 1:14.
“Naseho teo amin’ny nofo”
10. a) Ahoana no nampiharihary ny lafiny voalohany amin’ilay zava-miafina masina tamin’ny batisan’i Jesosy? b) Nahoana no tonga “Adama farany” i Jesosy?
10 Teo amin’ny batisan’i Jesosy no nanjary niharihary ny endriny iray amin’ilay zava-miafina masina: “Naseho teo amin’ny nofo” i Jesosy tamin’ny naha-Zanak’Andriamanitra voahosotra. Nafindran’i Jehovah Andriamanitra avy tany an-danitra ho ao an-kibon’i Maria ny ain’ny Zanany, mba hahafahan’i Jesosy ho teraka tao amin’ny nofo tamin’ny naha-olombelona tanteraka. Araka izany, toy ny asehon’ny 1 Korintiana 15:45-47, i Jesosy dia tonga Adama faharoa na “farany”, fanahy olombelona tanteraka nifanitsy indrindra tamin’i Adama voalohany. Noho ny fikasana inona anefa? Ny 1 Timoty 2:5, 6, dia milaza an’i “Adama farany” ho “Kristy Jesosy, Izay olona, sady nanolotra ny tenany ho avotra hisolo ny olona rehetra”. Mifototra amin’ny fomba ara-dalàna amin’io sorona olombelona tanteraka io, i Jesosy dia tonga Mpanalalana amin’ny fanekena vaovao ho an’ireo olombelona 144 000 izay ho tonga mpiara-mandova aminy ao amin’ny Fanjakany. — Apokalypsy 14:1-3.
11. Miitatra hatramin’iza ny soa avy amin’ny sorom-panavotan’i Jesosy?
11 Misy olon-kafa koa ve handray soa avy amin’ny fahafatesan’i Jesosy ho sorona? Tsy isalasalana fa misy! Milaza ny 1 Jaona 2:2 fa Jesosy Kristy “no avotra noho ny fahotantsika [ny fahotan’ireo kristiana voahosotra sahala amin’i Jaona], ary tsy noho ny antsika ihany, fa noho ny an’izao tontolo izao koa.” Araka izany, ny soa avy amin’ny sorom-panavotan’i Jesosy dia tsy natokana ho an’ireo kristiana voahosotra 144 000 fotsiny, fa niitatra ho an’izao tontolo izaon’ny olombelona manontolo koa. Ny “olona betsaka” izay velona ankehitriny mbamin’ireo olona an’arivo tapitrisany maro izay hatsangana ao amin’ny Paradisa an-tany dia hahazo fiainana mandrakizay mifototra amin’ny finoany ny sorom-panavotan’i Jesosy. Araka ny efa nambaran’ny faminaniana ao amin’ny Apokalypsy 7:9, 10 sahady, ny olona betsaka dia nanasa ny akanjony sy namotsy izany tamin’ny fanehoana finoana ny ra nalatsaky ny Zanak’ondry, Jesosy Kristy. Nohamarinina izy ireo amin’ny maha-sakaizan’Andriamanitra. Amim-pifaliana no ianarany ireo lafiny samihafa amin’ilay zava-miafina masina sy anehoany fifikirana amin’Andriamanitra mifanaraka amin’ny ohatr’i Jesosy!
Lafiny hafa
12. Ahoana no nahatonga an’i Jesosy ‘hohamarinina tao amin’ny Fanahy’?
12 Ahoana izao ny amin’ny lafiny faharoa ao amin’ny 1 Timoty 3:16? Voalaza fa “nohamarinina tao amin’ny Fanahy” i Jesosy. Nefa tamin’ny fomba ahoana? Tamin’ny nananganan’i Jehovah ny Zanany tsy nivadika tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana ara-panahy. Izany dia nanampy ny fanambaran’Andriamanitra fa marina tanteraka i Jesosy ary mendrika ny andraikitra ambony bebe kokoa. Araka ny voalaza ao amin’ny Romana 1:4, i Jesosy dia “naseho tamin-kery ho Zanak’Andriamanitra araka ny fanahin’ny fahamasinana tamin’ny fitsanganana tamin’ny maty”. Mba hanamafisana izany, dia izao no nambaran’i Petera amintsika ao amin’ny taratasiny voalohany, toko faha-3, andininy faha-18: “Fa Kristy koa aza efa nijaly indray mandeha noho ny ota, ny Marina hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika ho amin’Andriamanitra, ka novonoina tamin’ny nofo, fa novelomina tamin’ny fanahy”. Moa ve ny ohatra navelan’i Jesosy ny amin’ny fifikirana amin’Andriamanitra mitondra anao ho amin’Andriamanitra?
13. Niseho tamin’ny anjely iza moa i Jesosy tafatsangana, ary karazana hafatra inona no notoriny taminy?
13 Nanohy ny teniny ao amin’ny 1 Timoty 3:16 i Paoly avy eo ka nanondro ny lafiny fahatelo amin’ilay zava-miafina masina tamin’ny filazana fa i Jesosy dia “hitan’ny anjely”. Mety ho iza àry ireo anjely ireo? Mikasika an’i Jesosy izay efa “novelomina tamin’ny fanahy” izao, dia nanoratra toy izao i Petera ao amin’ny 1 Petera 3:19, 20: “Izay [tao amin’izany toe-tena izany no, MN ] nandehanany sy nitoriany teny tamin’ireo fanahy tao an-trano-maizina, dia izay tsy nanaiky fahiny, fony niandry ny fahari-pon’Andriamanitra tamin’ny andron’i Noa.” Mifanaraka amin’ny Joda 6, ireny fanahy ireny dia “ny anjely izay tsy nitana ny anjara-fanapahany, fa nandao ny fonenany” tany an-danitra. Nitafy vatana ara-nofo izy ireo mba hanana firaisana maloto amin’ny vehivavy. Rehefa noteren’ny safodrano ireo anjely ireo hiverina any amin’ny faritra ara-panahy, dia natsipy tao amin’ny “Tartare”, izay toetry ny fietrena tanteraka (2 Petera 2:4, MN ). Nitory tamin’izy ireo i Jesosy tafatsangana. Nefa moa ve izany hafatra ho amin’ny famonjena? Azo antoka fa tsia! Mifanohitra amin’izany, fa nomelohin’i Jesosy ny faharatsiany ho toy izay mifanohitra indrindra amin’ny fifikirana amin’Andriamanitra. Izay anisan’ny vahoakan’Andriamanitra ka milalao amin’ny fahalotoam-pitondrantena ankehitriny, dia tokony handray fampitandremana avy amin’ny didim-pitsarana notononina tamin’ireo anjely ireo!
14. Tamin’ny ahoana no nahatonga an’i Jesosy ‘hotorina tany amin’ny jentilisa’?
14 Ny lafiny fahefatra amin’ny 1 Timoty 3:16 dia ny hoe “notorina tany amin’ny jentilisa” i Jesosy. Tamin’ny fomba ahoana no nahatanterahan’izany? Fotoana fohy talohan’ny nisamborana azy, dia nilaza tamin’ny apostoliny i Jesosy nanao hoe: “Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria Izaho mankany amin’ny Ray.” (Jaona 14:12). Tsy ela taorian’izay, tamin’ny Pentekosta taona 33 am.fan.ir., dia nandatsaka ny fanahy masina teo amin’ireo mpianany i Jesosy, ary nanomboka notorina tamin’ireo Jiosy ny vaovao nanaitra hoe: “Izany Jesosy izany dia efa natsangan’Andriamanitra”. Tatỳ aoriana, dia nanaiky ny tenin’Andriamanitra koa ny Samaritana ary nanomboka nahazo ny fanahy masina (Asan’ny apostoly 2:32; 8:14-17). Avy eo, tamin’ny taona 36 am.fan.ir., i Petera dia nitory tamin’i Kornelio sy Jentilisa hafa tafavory tao an-tranony. Tamin’izany fomba izany ny vaovao tsara mikasika an’i Jesosy no nanomboka “notorina tany amin’ny jentilisa”, teo amin’ireo tsy Jiosy izay voahosotry ny fanahy masina koa.
15. Inona no manaporofo fa nahafantatra tsara ilay zava-miafina masin’ny fifikirana amin’Andriamanitra ny kristiana tamin’ny taonjato voalohany?
15 Araka ny voalazan’ny Asan’ny apostoly 12:24, dia “nandroso sy niely ny tenin’Andriamanitra”. Milaza ny Asan’ny apostoly 17:6 fa, tany Grisia avaratra, dia nikiakiaka toy izao ireo mpanohitra, toy ny mbola ataony amin’izao andro izao: “Tonga atỳ koa ireo lehilahy namadika izao tontolo izao ireo.” Tsy ampy 30 taona dia afaka nanoratra avy tany Roma i Paoly fa efa “notorina eny ambanin’ny lanitra rehetra eny” ny vaovao tsara. (Kolosiana 1:23.) Nahafantatra tsara ilay zava-miafina masin’ny fifikirana amin’Andriamanitra ny kristiana tamin’izany fotoana izany. Ary tamin-jotom-po toy inona no nampiharany izany! Ary enga anie isika koa hianatra sy hampihatra izany amin’izao vanim-potoana lehibe itoriana ilay Fanjakana izao!
16. Inona ny lafiny fahadimy amin’ilay zava-miafina masina, ary asa inona no nampiharihary azy?
16 Nanjary niharihary tamin’ny fomba manokana ny lafiny fahadimy amin’ilay zava-miafina masina ao amin’ny 1 Timoty 3:16 noho ny vokatr’io fitoriana tamin’ny taonjato voalohany io. Izao i Jesosy dia “ninoana teny amin’izao tontolo izao”. Izany dia vokatry ny fifikirana amin’Andriamanitra mitovy amin’ny an’i Kristy izay nananan’ireo misionera be zotom-po, anisan’izany ry Paoly sy Timoty. Nitondra ny vaovao tsara tany Azia Minora sy tany Eoropa, angamba hatrany Espaina mihitsy aza izy ireo, ary tonga tany Afrika atsinanana izany, tamin’ny alalan’ilay Etiopiana vita batisa, raha mbola nanompo tany Babylona i Petera.
17. Nahoana i Jesosy no inoana manerana an’izao tontolo izao ankehitriny?
17 Manao ahoana ny amin’izao androntsika izao? Naneho fifikirana amin’Andriamanitra fakan-tahaka ireo sisa voahosotra hatramin’ny 1919. Nanorina mafy teo ambonin’ny fototry ny finoana napetrak’i Jesosy ireo voahosotra ireo. Nanomboka tamin’ny 1935 indrindra, izy ireo dia nanangona vahoaka betsaka izay mifaly amin’ny fanantenana ny ho tafita velona amin’ny “fahoriana lehibe” sy hifaly amin’ny fiainana mandrakizay eo amin’ny tany ho tonga paradisa (Apokalypsy 7:9, 14). Amin’izany fomba izany no mahatonga ny vaovao tsara mikasika an’i Jesosy inoana manerana an’izao tontolo izao ankehitriny. Amim-pitiavam-pivavahana, dia Vavolombelon’i Jehovah maherin’ny 3 700 000 no mitory sy mitombo isa maneran-tany amin’izao fotoana izao.
18. Ahoana no nahatonga an’i Jesosy ‘hakarina tamin’ny voninahitra’?
18 Ny lafiny sisa tsy voalaza amin’io zava-miafina masina io, dia ny fahenina: “nakarina tamin’ny voninahitra” i Jesosy. Nandritra ny 40 andro taorian’ny namelomana azy tamin’ny fanahy, dia nitafy vatana ara-nofo i Jesosy, niseho tamin’ireo mpianany ary nanambara taminy “ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra”. Raha efa izany, dia niakatra tany an-danitra izy (Asan’ny apostoly 1:3, 6-9). Nahazo valiny tamin’izay ny vavaka nataony voarakitra ao amin’ny Jaona 17:1-5 manao hoe: “Ray ô, (...) mankalazà ny Zanakao, mba hankalazan’ny Zanaka Anao (...). Izaho efa nankalaza Anao tetỳ ambonin’ny tany (...). Ary ankehitriny, Ray ô, mankalazà Ahy amin’ny tenanao, dia amin’ny voninahitra niarahako nanana taminao, fony tsy mbola ary izao tontolo izao.”
19. Tsy maintsy ho nanao ahoana ny fandraisana ny fiverenan’i Jesosy tany an-danitra?
19 Endrey izany hafaliana lehibe tsy maintsy ho nandraisana ny fiverenan’i Jesosy tany an-danitra! Taloha ela kokoa, rehefa namorona ny tany i Jehovah, dia “nihoby avokoa ireo zanak’Andriamanitra” (Joba 38:7.) Vao mainka nifaly lavitra ireo anjely sesehena rehefa nandray indray teo anivony ilay Mpiaro mahatoky ny fiandrianan’i Jehovah!
20. Nahoana i Jesosy no nandova anarana tsara indrindra toy izany, ary inona no nataony fony mbola teto an-tany izy?
20 Ao amin’n Hebreo 1:3, 4, dia izao no nolazain’i Paoly ny amin’i Jesosy nahazo fandresena: “Ary rehefa nanao fanadiovana hahafaka ny fahotana Izy, dia nipetraka teo amin’ny tànana ankavanan’ny Lehibe any amin’ny avo ka natao tsara noho ny anjely, araka ny nandovany anarana tsara noho ireny.” Nahazo izany “anarana” izany i Kristy noho ny nandreseny ny tsy fahamarinana. Tena namaritra ny lalan’ny fifikirana amin’Andriamanitra teto an-tany tokoa io Zanak’Andriamanitra io. Namela ohatra ho an’ny hafa rehetra izay maniry hahazo ny fiainana mandrakizay izy. Tamin’ny fampiakarana an’i Jesosy ho eo amin’ny tanana ankavanan’Andriamanitra any an-danitra, no nisehoan’ny lafiny rehetra tamin’ilay zava-miafina masina ny amin’io fifikirana amin’Andriamanitra io.
Ahoana no havalinao?
◻ Inona no atao hoe “fifikirana amin’Andriamanitra”?
◻ Amin’ny ahoana i Jesosy no “naseho teo amin’ny nofo”, ary avy eo “nohamarinina tamin’ny fanahy”?
◻ Tamin’ny anjely iza no nisehoan’i Jesosy, ary nitondra hafatra inona?
◻ Tamin’ny ahoana i Jesosy no “notorina tany amin’ny jentilisa” sy “ninoana teny amin’izao tontolo izao”?
◻ Oviana i Jesosy no “nakarina tamin’ny voninahitra”, ary rehefa avy nanao inona mikasika ny fifikirana amin’Andriamanitra?