Aoka isika tsy ho voafitaky ‘ny fiadanana sy ny filamina’ atsangan’ireo firenena.
“Hilaza izy ireo hoe: ‘Fiadanana sy filaminana!” — 1 TESALONIANA 5:3, MN.
1, 2. a) Nahoana moa ny fandriampahalemana no tonga ny lalam-pahendrena tsara indrindra? b) Hifanaraka ny amin’inona àry ireo fandaharana ara-politika mifanohitra?
TSY mbola niharihary toy ny ankehitriny mihitsy ny tsy fisian’ny filaminana eo amin’izao tontolo izao. Raiki-tahotra ny olombelona noho ny fandrahonan’ny ady lehibe fahatelo izay hampifanohitra ireo firenena manana tafika mahery sy manana izay toa fitaovam-piadiana tampony ankehitriny, dia: ny baomba ataomika. Koa satria ireo firenena afaka mampiasa ny votoatin’ny ataoma mihitsy ho amin’ny antony ara-tafika, dia afaka mahatonga fandripahana olona maro be manerana ny planeta izy ireo. Ny fandriampahalemana àry dia tonga ny lalam-pahendrena tsara indrindra.
2 Zava-mitranga tsy azo lavina izany, satria ny ady lehibe fahatelo hatao amin’ireo fiadiana ireo dia tsy hilaza afa-tsy famonoan-tena maneran-tany. Hila ho foana na ho ringana ny olombelona noho ny akon’ny fandripahana noklehera iray. Mahatsapa izany amim-pihorohoroana tokoa ny mpitondra ara-politika sy ara-tafika mahira-tsaina sasany, ary tsy tian’izy ireny ny ho tompon’andraikitra amin’ny loza aman’antambo haneran-tany toy izany. Noho izany antony izany dia misy fandaharana ara-politika mifanipaka tanteraka anefa, hihevitra fa mety ny hahatongavana amin’ny fifanarahana, eny, ny hanarahana ny fahendren’ireo firenena ilazana fa manana zo ho velona ny rehetra.
3. Noho ny fikendrena inona moa no hanambaran’ireo firenena hoe “Fiadanana sy filaminana”?
3 Tsy mifampahatoky tanteraka anefa ireo firenena. Ho fitandremana, dia mitahiry hery ara-tafika lehibe araka izay azo atao izy ireny. Azo atao àry ve ny mieritreritra fa rehefa hiray feo ireo mpitondra mba hanambara hoe “Fiadanana sy filaminana!” ho an’ny olombelona rehetra, dia ho fifankatiavana marina amim-pahatsorana no hanosika azy ireny, amin’ny fanekena fa anisan’ny fianakaviana iray ihany, dia ny fianakavian’olombelona, izy ireo? Tsia, ny ho zava-kendreny kosa dia ny hampisava ireo tahotra ara-dalàna mahazo ny mpiara-belona aminy. — I Tesaloniana 5:3, MN.
Ny fandraisan’ny klerjy sy ny vahoaka an’io fanambarana io
4, 5. a) Ahoana no azo antoka fa handraisana izany fanambarana izany? b) Hanohana izany fanambarana izany ny klerjy, nefa nahoana no mety hisy hanontany tena raha hanao toy izany Andriamanitra?
4 Rehefa hatao io fanambarana io amin’ny farany, dia azo antoka fa horaisina tsara manerana ny tany manontolo. Hihoby izany fihetsehana iraisam-pirenena izany ireo tompon’andraikitra ara-pivavahana, anisan’izany ireo anisan’ny klerjy ao anatin’ny fivavahana lazaina fa kristiana, katolika sy protestanta. Na aiza na aiza tokoa fitsokan’ny rivotra, dia ataon’ny klerjy foana izay hitanana ny fankasitrahan’ny vahoaka sy ny fiheveran’ireo mpanao politika.
5 Kanefa, tsy hoe satria manohana izany fifanarahana ara-politika ambara avo sy mafy izany ny klerjy dia hoe hanao toy izany koa ilay Andriamanitra eo amin’izao rehetra izao sy ny tany koa. Ao amin’ny tranony ara-pivavahana, angamba ireo mpitondra fivavahana hanonona vavaka lava sy manaitra eo anatrehan’ireo mpanaraka azy, ka hitalaho amin’Andriamanitra mba hitahy ireo fandaharana ataon’ny fikambanana ara-politika mba hanorenana ny fiadanana sy filaminana iraisam-pirenena. Kanefa moa ve ilay Andriamanitra eo amin’izao rehetra izao hankasitraka izany vavaka ampahibemaso rehetra izany izay hofaranan’ny mpiangona mihaino tsara amin’ny hoe “Ho tanteraka anie izany” manakoako? Azony atao ve ny hifanaraka amin’izao tontolo izao voasaratsaraka eo amin’ny lafiny ara-pivavahana, dia izao tontolo izao izay ny vavaka ataony ho an’ny fiadanana sy ny filaminana dia atao mifanaraka amin’ireo zavatra inoana mifanipaka ao amin’ireo finoana ara-pivavahana samihafa manonona azy?
6, 7. a) Sahala amin’ny Jiosy fahizay, ahoana no ataon’ny fivavahana lazaina fa kristiana? b) Rehefa hitsaoka ny fanambarana hoe “Fiadanana sy filaminana!” ny klerjy ao anatin’ny fivavahana lazaina fa kristiana, inona no haterak’izany?
6 Na aiza na aiza dia tsy misy fitalahoana bebe kokoa ny fanohanan’Andriamanitra toy ny eo anivon’ireo firenena ao anatin’ny fivavahana lazaina fa kristiana. Ny Andriamanitra eo amin’izao rehetra izao anefa dia tsy Ilay manjaka eo amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana izay nanao tahaka ny Isiraelita fahizay. Nanjary tsy faly tamin’ny fomba fitondrana nomanin’i Jehovah ho azy izy ireo, ary nanjary nieritreritra fa naleony ireo fikambanana ara-politikan’ireo firenena mpanompo sampy nanodidina azy. Nanatona an’i Samoela mpaminanin’i Jehovah àry izy ireo, ary nangataka mpanjaka taminy. Tsy sitrak’i Samoela tokoa izany fangatahana izany ka nalahelo izy. Tsy latsaka noho izany ny vokany teo amin’ilay Andriamanitra nanana azy ho mpaminany.
7 Nahatsiaro ho tafintohina ara-drariny Jehovah noho izany fangatahana izany. Nampiseho fandavana ny fanapahana teokratika nampihariny teo amin’ny Isiraely izany, araka ny asehon’izao teny izao izay nataony ho an’i Samoela mpaminany: “Tsy hianao no laviny, fa Izaho no laviny tsy hanjaka aminy.” (I Samoela 8:4-9). Ny fihetsiky ny Isiraelita dia tandindon’izay narahin’ny fivavahana lazaina fa kristiana tamin’izao taonjato faha-20 izao. Noho izany, rehefa hitsaoka ny fanambarana hoe “Fiadanana sy filaminana!” ny klerjy, dia tsy hiteraka zavatra tsara na inona na inona izany, tsy hanohana izany Andriamanitra.
Fandaminana mamitaka ny olombelona
8. Inona no anjara azo inoana fa horaisin’ny Firenena mikambana rehefa hatao ilay fanambarana ho avy, ary amin’ny heviny ahoana moa io fandaminana io no mamitaka ny olombelona?
8 Afaka mirehareha ny O.N.U. manana fanjakana mpikambana 159 amin’izao andro izao, izany hoe saika ny firenena rehetra. Rehefa tonga ny fotoana, dia azo antoka fa hitana toerana aloha eo amin’ny sehatra izy rehefa hambara ny antsoantso hoe “Fiadanana sy filaminana!” Mampalahelo fa mamitaka ireo olona an-davitrisany maro io fandaminana io. Inona ny antony? Satria ny fiadanana resahina, na dia ambara miaraka amin’ny fanohanan’ny fandaminana ara-pivavahana rehetra eto amin’izao tontolo izao aza, anisan’izany ireo an’ny fivavahana lazaina fa kristiana, dia tsy hilaza fihavanana amin’ny Mpamorona an’izao rehetra izao. Izy io anefa dia manana fahefana hanome na hanaisotra ny fiainana mba handaminana raharaha tena lehibe, ary izany dia na any an-danitra na eto an-tany.
9, 10. Inona moa no toerana tanan’ny Vavolombelon’i Jehovah eo anoloan’ny “fiadanana” sy ny “filaminana” andraman’ireo firenena atsangana, ary nahoana?
9 Manambara mazava toy izao ny Mpamorona ao amin’ny faminanian’i Isaia: “Ny lanitra no seza fiandrianako, ary ny tany no fitoeran-tongotro.” (Isaia 66:1). Miaraka amin’ny fandaminany, ny Fandaminan’ny Firenena mikambana, ireo firenena eto an-tany, eto amin’ny fitoeran-tongony, dia tsy manome voninahitra an’Andriamanitra. Raha ny marina, izy ireny dia miezaka hitana ny fiadanana sy ny filaminana maneran-tany amin’ny alalan’ny fomba ara-politika ka hiaro ny Firenena mikambana amin’izany. Ny Vavolombelon’i Jehovah kosa dia tsy afaka manahaka izao tontolo izao na mametraka ny fanantenany amin’ireo fandaharan’olombelona atao mba hiantoka ny fiadanana sy filaminan’ireo firenena. Raisiny am-po ny teny voasoratra ao amin’ny Jakoba 4:4 manao hoe: “Ry mpisintaka mijangajanga, tsy fantatrareo va fa fandrafiana an’Andriamanitra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao? Koa na iza na iza te-ho sakaizan’izao tontolo izao, dia fahavalon’Andriamanitra izy.”
10 Tsy mitady hanakantsakana ny fiadanana sy filaminana andraman’ireo firenena aorina ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy azon’izy ireo atao anefa ny manolotra izany ho an’ireo olona an-tapitrisany maro mitady toeram-pialofana mba ho voaro rehefa hipoaka ireo fikorontanana lehibe indrindra eo amin’ny Tantara, dia fikorontanana izay hanamarika ny fahataperan’ny fandehan-javatra ankehitriny (Matio 24:21). Ny fandehan-javatra vaovao nampanantenain’Andriamanitra tokoa no hanorina ny filaminana maneran-tany eo ambany fiandrianan’ilay “Andrian’ny fiadanana”, dia Jesosy Kristy. — Isaia 9:5, 6.
11. Taorian’ny Ady Lehibe Voalohany, ahoana moa no nandraisan’ny klerjy ny fanoloran-kevitra hamorona ny Fikambanam-pirenena?
11 Porofoin’ny Tantara fa tsy nahomby ireo volavolan-kevitr’olombelona nokendrena hanorenana ny fiadanana. Tsaroantsika fa tamin’ny faran’ny Ady Lehibe Voalohany, tamin’ny 1918, dia natolotra ny famoronana ny Fikambanam-pirenena mba hisakanana ady lehibe hafa iray. Ny Filan-kevitra federalin’ireo Fiangonan’i Kristy any Amerika dia nandray izany fanolorana izany tamin’izao teny izao: “Tsy vitan’ny hoe fomba fiasana ara-politika ny Fikambanana toy izany; fisehoana ara-politikan’ny Fanjakan’Andriamanitra eto an-tany kosa izany.” Nefa moa ve nitondra fiadanana sy filaminana maharitra teto io lazaina fa fisehoana ara-politikan’ny Fanjakan’Andriamanitra eto an-tany io?
12. a) Ahoana no nahatanterahan’ny Apokalypsy 17:3, 8? b) Iza no manohy mitaingina ny “bibi-dia mivolon-jaky”, ary mbola haharitra hafiriana izany?
12 Ny Fikambanam-pirenena dia mifanitsy amin’ny “bibi-dia mivolon-jaky” ara-panoharana voalazalaza ao amin’ny Apokalypsy toko faha-17, izay ipetrahan’ny vehivavy janga antitra, “Babylona Lehibe”. Latsaka tany amin’ny “lavaka tsy hita noanoa” izy io tamin’ny 1939, fony nipoaka ny Ady Lehibe Faharoa, ary tsy maintsy nidina avy eo an-damosiny tamin’izay ilay vehivavy janga. Avy eo, tamin’ny faran’ny Ady Lehibe Faharoa, tamin’ny 1945, dia naorina ny Fandaminan’ny Firenena mikambana mba handimby an’io Fikambanam-pirenena nahantra io. Koa satria maro lavitra ny isan’ny mpikambana ao amin’ny O.N.U. noho ny tao amin’ny S.D.N., dia tokony hahery kokoa izy io ary hitokisan’ny olona kokoa. Koa rehefa niakatra “avy amin’ny lavaka tsy hita noanoa” io “bibi-dia mivolon-jaky” ara-panoharana io tamin’ny 1945, dia niakatra indray hitaingina azy ilay vehivavy janga ara-panoharana, “Babylona Lehibe”, ary mipetraka tsy mahalala henatra eo foana izy mandraka ankehitriny (Apokalypsy 17:3, 5, 8). Kanefa, araka ny ambara ao amin’ny Apokalypsy 17:16 ka hatramin’ny 18:24, dia tsy hijanona ela eo intsony izy izao. Inona no antony?
13. a) Mahaforona inona moa ny Firenena mikambana? b) Inona no tandindony, efa ela be izay?
13 Ny Firenena mikambana dia tena mahaforona fivondronana maneran-tany manohitra an’i Jehovah Andriamanitra sy ireo Vavolombelony eto an-tany. Tena mahaforona fiaraha-mioko izy io, satria nikambana ny mpitondra ireo firenena mba hiray tetika hanohitra ny fandaminana hita mason’i Jehovah Andriamanitra amin’izao “fifaranan’ny fandehan-javatra” izao. Tandindon’io fandaminana io ny tetika fikomiana resahina ao amin’ny Isaia 8:12. — Matio 24:3, MN.
Aoka isika hitodika any amin’i Jehovah mba hahitana fiadanana sy filaminana
14. Noho ny fikendrena inona moa no nikambanan’ny fanjakan’ny foko folon’ny Isiraely tamin’i Syria, ary tojo raharaha inona ny fanjakan’ny Joda?
14 Talohan’ny andron’i Isaia dia nisaratsaraka tamin’ny raharaha momba ny fiandrianana ireo foko roa ambin’ny folon’ny Isiraely. Taorian’ny andro nalaza nanjakan’i Solomona no nitranga izany fisarahana izany. Niendaka ireo foko folo tany avaratra mba hahaforona izay nantsoina taty aoriana hoe fanjakan’ny Isiraely, nanana an’i Samaria ho renivohiny. Ny foko roa sisa, ny fokon’i Joda sy Benjamina, dia tsy nivadika hatrany tamin’ny tarana-mpanjaka avy amin’i Davida, izay nanana foibe tao Jerosalema. Taty aoriana, ny fanjakan’ny foko folon’ny Isiraely dia nanjary nankahala ny foko roan’ny Joda. Tamin’ny farany izy dia niandany tamin’i Syria, izay Damaskosy no renivohiny, noho ny fikendrena ny handrodana ny fanjakan’ny Joda sy hifehy azy. Moa ve ny fanjakan’ny Joda tokony hikambana koa amin’ny firenena mahery hafa iray mba hahatoherana ny firenen’ny Isiraely izay nikambana tamin’ny firenena mpanompo sampy iray, dia Syria? — Isaia 7:3-6.
15. a) Nanohana inona moa ny mponina sasany tao amin’ny fanjakan’ny Joda, ary inona no nasehony tamin’izany? b) Ahoana moa no teny nanamelohan’i Isaia mpaminany ny fihetsik’izy ireo?
15 Teo anivon’ny fanjakana kelin’ny Joda, dia tsy ampy finoana an’i Jehovah Andriamanitry ny fireneny ny sasany. Araka ny hevitr’izy ireo, dia nilaina ny hitadiavana fanohanana eo anilan’ny fanjakana mpanompo sampy mahery iray, ny hiraisan-tetika aminy. Namporisika ny hisian’ny fifanarahana meloka teo amin’ny fanjakan’ny Joda teo ambany fahefan’i Jehovah sy ny fanjakana ratsy iray teo amin’izao tontolo izao ny sasany tamin’izy ireny ka niantsoantso hoe “Tetika fikomiana!” tamin’ireo mponina tao amin’ny fanjakan’ny Joda izay nisalasala. Nasehon’izy ireo tamin’izany ny tsy fahampian’ny finoany sy ny fitokisany an’i Jehovah, ilay Andriamanitra nanana tempoly tao Jerosalema. Nahazo tsindrimandry avy tamin’Andriamanitra Isaia mpaminany mba hanameloka izany tetika fikomiana izany. Izao no vakintsika eo amin’ny andininy faha-12 amin’ny toko faha-8 amin’ny bokiny: “Aza mba lazainareo ho tetika fikomiana izay lazain’ity firenena ity ho tetika fikomiana; ary aza matahotra izay atahorany na mangovitra hianareo.”
16, 17. Fahizay, inona no nahatonga ny olon’i Jehovah hahita ny tena fiadanana sy filaminana, ary ahoana no nampisehoana izany fony Sankeriba mpanjaka asyriana nandrahona an’i Jerosalema?
16 Ireo fifandraisam-panekena nampiray ny mponin’ny fanjakan’ny Joda tamin’i Jehovah dia nitondra fiadanana sy filaminana ho azy ireo. Voaporofo izany fony Sankeriba mpanjaka asyriana naniraka telo tamin’ireo solontenany mba hanasa an’i Hezekia mpanjaka sy ny vahoakany hitolo-batana eo anoloany. Nitsangana teo anoloan’ny mandan’i Jerosalema i Rabsake, manamboninahitra sady mpitondra teny asyriana ary nanonona fitenenan-dratsy an’i Jehovah noho ny fanantenana ny hampihena na hanafoana ny fitokisan’ny Jiosy Azy. Nalahelo mafy Hezekia mpanjaka noho ny fitenenan-dratsy vao natao hanoherana ilay hany Andriamanitra velona sady marina, dia Jehovah, ary nahatsapa tanteraka fa nahatandindomin-doza an’i Jerosalema ny tafika asyriana nahery, ka nankany amin’ny tempoly ary namelabelatra ny tarehin-javatra tamin’i Jehovah Andriamanitra. Faly Jehovah nahita azy naneho finoana lehibe ny tenany sy niangavy mba hanehoany ny fiandrianany eo amin’izao rehetra izao, ka namaly ny vavaka nataony. Nanamafy izany valintenin’Andriamanitra izany tamin’ny fanambarana nataony Isaia mpaminany. Araka ny nandidian’i Hezekia mpanjaka, dia tsy novaliana mihitsy ny teny fampitahorana nataon-dRabsake manamboninahitra asyriana. — II Mpanjaka 18:17-36; 19:14-34.
17 Tsy isalasalana mihitsy fa gaga aoka izany noho io fanginana io i Rabsake ka niverina tany amin’ny tobin’i Sankeriba izay niady tany Libna (II Mpanjaka 19:8). Rehefa avy nihaino ny fitantaran’ny solontenany i Sankeriba dia nandefa ho an’i Hezekia taratasy nandrahona, nirakitra izao fampitandremana izao: “Aza mety hofitahin’ny Andriamanitra Izay itokianao hianao hoe: Jerosalema tsy hatolotra eo an-tànan’ny mpanjakan’i Asyria.” (II Mpanjaka 19:9, 10). Tao anatin’ny alina anefa, dia noporofoin’i Jehovah fa diso ny nolazain’ilay mpitondra teny asyriana, Rabsake, ka ny tenany mihitsy no namaly ireo taratasin’i Sankeriba nandrahona mba hampisehoana fa ambony noho ny andriamanitry ny empiran’ny Asyriana izy. Toy izao ny faran’ny fitantarana io fisehoan-javatra io, izay hita ao amin’ny II Mpanjaka 19:35: “Ary tamin’ny alin’io dia avy ilay Anjelin’i Jehovah ka namely olona dimy arivo amby valo alina sy iray hetsy tao an-tobin’ny Asyriana; ary nony maraina koa vao nifoha olona, dia hita fa, indreo, efa maty avokoa ireo.” Raha vao nazava ratsy, rehefa nifoha ireo sisa velona asyriana, anisan’izany Sankeriba mpanjaka sy Rabsake koa angamba, dia fisehoan-javatra nahatsiravina no hitan’izy ireo: rakotry ny maty tamin’ny ady natao hanoherana an’i Jehovah Andriamanitra ny tany.
18. a) Inona no nitranga tamin’i Sankeriba mpanjaka fatra-paniry laza tamin’ny farany? b) Inona no filazana hitan’ireo Vavolombelon’i Jehovah amin’izao androntsika izao ao amin’io fitantarana io?
18 Resy tamin’ny volavolan-keviny feno fanirian-daza ho fanoherana ny fandaminan’i Jehovah sy nietry mafy i Sankeriba ka niverina haingana “tamin-kenatra” ho any Ninive renivohiny, izay namonoan’ny roa tamin’ireo zanany lahy azy (II Tantara 32:21; II Mpanjaka 19:36, 37). Tsy nandrahona ny fandaminana hita mason’i Jehovah intsony mihitsy ny Empira asyriana. Io fandresena io dia tena fanamarinana nanakoako ny fiandrianan’ilay Andriamanitra Avo Indrindra eo amin’izao rehetra izao. Afa-tsy izany koa, ny niarovana an’i Jerosalema dia ohatra tsara dia tsara mampiseho hoe any amin’iza ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao androntsika izao no tokony hitodika amim-pitokisana tanteraka mba hahitana fiadanana sy filaminana maharitra sy tsy azo hozongozonina — tsy any amin’ny firaisan-tetika ara-politika, fa any amin’i Jehovah Andriamanitra.
Aoka isika tsy ho voafitaka
19. Hanohy hanao inona moa ny Fikambanana Watch Tower?
19 Mba hanampiana antsika tsy ho voafitaka, ny Fikambanana Watch Tower dia hanohy hamoaka fampitandremana mety, ao amin’ireo boky atontany. Ireo izay mamaky ireny zavatra voasoratra ireny àry dia tsy hanaiky ho voafitaky ny fanambarana feno fihamboana ho avy hoe “Fiadanana sy filaminana!” hataon’ireo firenena eo amin’ny fandehan-javatra ankehitriny.
20. Nahoana moa ireo Vavolombelon’i Jehovah no tsy mamporisika mihitsy ireo mpiara-belona aminy hiantehitra amin’ny ‘fiadanana sy filaminana’ izay hambara, ary fotoana tokony hanaovana inona izao?
20 Tsy azon’ny Vavolombelon’i Jehovah atao velively ny hamporisika ny mpiara-belona aminy hiantehitra amin’ny ‘fiadanana sy filaminana’ hambaran’ireo firenena amin-toky; tsy azon’izy ireo atao koa ny hitehaka an’ireo mamorona ‘fiadanana sy filaminana’ iraisam-pirenena raha tiany ny hitana ny fankasitrahan’i Jehovah Andriamanitra. Noho izany antony izany no hitandremany mba tsy hanao fifanarahana amin’ireo firenena eo amin’izao tontolo izao. Tsaroan’izy ireny foana fa ny “firenena” vaovao iray, nisaraka sy niavaka tamin’ny Fikambanam-pirenena, dia teraka taorian’ny Ady Lehibe Voalohany, tamin’ny 1919. Manohy mitombo sy mitatra manerana ny tany io “firenena” vaovao io, araka ny nambara ao amin’ny Isaia 60:22, manao hoe: “Ny kely ho tonga arivo, ary ny malemy ho tonga firenena mahery; Izaho Jehovah no hanafaingana izany amin’ny fotoany.” Eny, izao àry no fotoana tsy tokony haneken’ny rehetra ho voafitaky ny ‘fiadanana sy filaminana’ atsangan’ireo firenena.
Ahoana no havalinao?
◻ Ahoana no azo antoka fa handraisana ny fanambarana hoe “Fiadanana sy filaminana!”?
◻ Tandindon’ny inona moa ny “tetika fikomiana” resahina ao amin’ny Isaia 8:12?
◻ Amin’ny ahoana moa no amitahan’ny O.N.U. ny olombelona?
◻ Nahoana moa ny Vavolombelon’i Jehovah no tsy hanaiky ho voafitaka?
[Sary, pejy 18]
Azo antoka fa hitana ny toerana aloha eo amin’ny sehatra ny O.N.U. Rehefa hanambara ireo firenena hoe “Fiadanana sy filaminana!”.
[Sary, pejy 21]
Nanonona fitenenan-dratsy ny Andriamanitry ny Isiraely ilay manamboninahitra asyriana natao hoe Rabsake, nefa nasehon’ny tohin’ny fisehoan-javatra fa avy amin’i Jehovah Andriamanitra ihany ny tena fiadanana sy filaminana.