Mandresy ny Jobily kristiana amin’ny Fanjakana arivo taona
1. Andro firavoravoana inona moa no tsy nandraman’ny repoblikan’ny Isiraely naorina indray, ary nahoana?
NA DIA eo anivon’ny repoblikan’Isiraely, voaorina tamin’ny 1948 aza, dia Jiosy maro mihevitra ho eo ambanin’ny lalàn’i Mosesy no tsy nanorina indray ny fitandremana ny Jobily; ary hifandona amin’ny vato misakana maro izy ireo raha manandrana manao izany. Voalohany, dia fahasahiranana ara-toe-karena lehibe no ho vokany, satria ho tafiditra ny raharaham-pananana. Manaraka izany, ny repoblikan’Isiraely dia tsy mameno ny faritany manontolo voazara tamin’ny foko roa ambin’ny folo fahiny. Ary farany, tsy misy tempoly na mpisoronabe avy amin’ny fokon’i Levy intsony, satria efa verin’ny vahoaka ny fanavahana azy ara-poko.
2. Tamin’ny heviny ahoana moa ny kristiana sasany no efa nanomboka nankalaza ny Jobily nanana ho tandindona ny Jobily teo amin’ny Isiraely fahiny?
2 Koa iza àry no afaka mifaly amin’ny fitahiana entin’ny Jobily? Tsaroantsika fa taloha, nandritra ny taona Jobily, dia ny fanafahana no nankalazaina. Nafahana ny Isiraelita nivaro-tena ho andevo ary naverina tamin’ny tompony ny tany lova (Levitikosy 25:8-54). Tao amin’ny lahatsoratra teo aloha, no nahitantsika fa nifarana niaraka tamin’ny faneken’ny lalàn’ny Mosesy io fandaharana io, tamin’ny taona 33 (Romana 7:4, 6; 10:4). Nanomboka nanan-kery izao ny fanekena vaovao, izay tamin’ny alalany no nahazoan’Andriamanitra namela ny helok’ireo izay naneho finoana, nanosotra azy tamin’ny fanahy masina sy nanangana azy ho zanaka mba hiaina any an-danitra (Hebreo 10:15-18). Kanefa, ireo izay mandray soa amin’izany fanekena vaovao izany dia “ondry vitsy” misy olona 144 000 “izay navotana avy amin’ny tany”. Noho izany, ahoana no ahafahan’ny kristiana mahatoky hafa an-tapitrisany maro manana anjara amin’ny fanafahana nasehon’ny Jobily? — Lioka 12:32; Apokalypsy 14:1-4.
Sorona ho an’ny rehetra
3. Inona no vokatry ny soron’i Jesosy sy ny faharetan’ny soa entiny?
3 Tamin’ny andro talohan’ny kristianisma, ireo soa nifamatotra tamin’ny Andro Fanavotana dia tsy nanan-kery afa-tsy nandritra ny herintaona, mandra-pahatongan’ny andro firavoravoana nanaraka, nefa kosa haharitra mandrakizay ireo soa avy amin’ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy Tompontsika. Araka izany, ilay Mpisoronabe tena izy, Jesosy, dia tsy voatery, isan-taona isan-taona, ho tonga olona indray, hanao sorona ny tenany, ary hiakatra any an-danitra indray mba hitondra ny vidin’ny sorony ao amin’ny Masina Indrindran’i Jehovah Andriamanitra. Araka ny ambaran’ny Soratra Masina, “rehefa nitsangana tamin’ny maty Kristy, dia tsy maty intsony Izy; tsy mana-kery aminy intsony ny fahafatesana”. — Romana 6:9; Hebreo 9:28.
4, 5. a) Inona no vokatry ny fampiharana ireo soa avy amin’ny soron’i Jesosy nanomboka tamin’ny Pentekosta taona 33? b) Inona no mampiseho amintsika fa ireo soa avy amin’ny soron’i Kristy dia hampiharina amin’ny fomba mitatra kokoa?
4 Noho izany antony izany, tamin’ny Pentekosta taona 33, ireo mpino dia nanomboka nankalaza ny Jobily kristiana rehefa tonga mpianatr’i Jesosy Tompo nomem-boninahitra ka nateraky ny fanahy. Rehefa ‘afaka tamin’ny lalàn’ny fahotana sy ny fahafatesana’ izy ireo dia manandrana fahafahana mamelombelona (Romana 8:1, 2). Afa-tsy izany koa, izy ireo dia manambara ny hafatra kristiana mba hahafahan’ny olombelona hafa hahita ny fahotany havela, hohosorana ka ho tonga zanak’Andriamanitra ara-panahy. Milaza anefa ve izany fa ireo izay tsy anisan’ny 144 000 dia tsy afaka mahita fanafahana mahafaly dieny izao?
5 Ny tenin’ny apostoly Paoly ao amin’ny Romana 8:19-21 dia manazava ny hevitr’io fanontaniana io. Izao no lazaina amintsika: “Fa izao zavatra ary rehetra izao dia samy maniry fatratra ka miandry ny fampisehoana ireo zanak’Andriamanitra; fa izao zavatra ary rehetra izao dia nampanekena ho zava-poana [satria mpanota sy tsy afaka manaisotra ny fahotana].” Rehefa avy eo i Paoly dia niresaka ny amin’ny “fanantenana koa fa izao zavatra ary rehetra izao aza dia hovotsorana amin’ny fahandevozana, dia ny fahalòvana, ho amin’ny fahafahana izay momba ny voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra”. Io fahafahana io àry dia tsy voafetra ho an’ireo izay tonga “zanak’Andriamanitra” any an-danitra, ka manamarina izany ireo teny fantatra tsara ao amin’ny Jaona 3:16. Ary, araka ny nolazaina, ny apostoly Jaona, voahosotry ny fanahy masina koa, dia nanoratra fa Kristy dia maty “noho ny fahotantsika, ary tsy noho ny antsika ihany, fa noho ny an’izao tontolo izao koa”. — I Jaona 2:2.
1919: fanafahana voalohany
6, 7. Karazam-panafahana inona no nambara nanomboka tamin’ny 1919, ary nahoana no nanomboka tamin’io daty io indrindra?
6 Tamin’izao androntsika izao, dia nanomboka tamin’ny 1919 indrindra ireo mpikambana voahosotra mankalaza ny Jobily no manambara ny vaovao tsara manafaka. Raha tsy mbola teraka ianao fony nitranga izany, dia manontany tena toy izao angamba ianao: ‘Nahoana no nanomboka tamin’ny 1919?’ Izany no fanontaniana hodinihintsika izao, sady tsy manadino fa miankina amin’izany ny fanafahana ny tsirairay avy.
7 Hatramin’ny taona maro sahady, ireo voahosotr’i Jehovah dia nampahafantatra ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly tamin’ny alalan’ny boky toy ny Etudes des Ecritures (1886-1917), misy fizarana maromaro. Nizara koa bokikely sy taratasy mivalona maro tena nahitana fianarana izy ireny. Nandritra ny Ady Lehibe Voalohany izy ireny dia nahita fanoherana, nosedraina sy nosivanina, ary niadam-pandeha ny asany. Tamin’ny 1919 anefa, ny sisa voahosotra dia nipoitra indray feno zotom-po nohavaozina mba hanambara ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Araka ny nataon’i Jesosy tamin’ny taona 30, ireny mpikambana voahosotra amin’ny andro ankehitriny ireny dia afaka nilaza fa voahosotra izy ireny mba “hitory fandefasana amin’ny mpifatotra (...) sy fampahiratana amin’ny jamba”. Taorian’ny fivoriambe nampihetsi-po izay nitranga tamin’ny 1 ka hatramin’ny 7 septambra 1919a, dia nandroso izy ireny ary nitory tamin-kerim-po, fahamarinana izay nanafaka olona maro be. — Lioka 4:18.
8, 9. Tamin’ny heviny ahoana moa no nafahana ny maro, ary inona no fomba nampiasaina mba hanambarana izany fanafahana izany?
8 Jereo, ohatra, La Harpe de Dieu (1931), boky fianarana Baiboly izay nampiseho fahamarinana tena lehibe toy ny hoe tadin-dokanga folo. Nasehon’io boky io fa, nandritra ny ela be, dia “betsaka no natahotra ny hianatra Baiboly” noho ny fampianarana ilazana fa “ny sazin’ny ratsy fanahy (...) dia ny fampijaliana, ny fampahoriana mandrakizay ao amin’ny afobe sy solifara tsy mety maty mihitsy”. Ireo izay namaky an’io boky io, natonta hatramin’ny enina tapitrisa eo ho eo, dia nahafantatra fa io fampianarana io dia “tsy mety ho marina noho ny antony efatra fara fahakeliny (...) miavaka toy izao: 1) satria mafy loatra izy io, 2) satria tsy mifanaraka amin’ny rariny, 3) satria mifanohitra amin’ny fotopoto-pitsipiky ny fitiavana, 4) satria mifanohitra tanteraka amin’ny Soratra Masina”. Ireny olona ireny, izay nitombo tao anatin’ny tahotra ny fampijaliana mandrakizay na ny fitebitebena noho ny afo fandiovana, dia tena nafahana tokoa.
9 Marina tokoa fa maneran-tany, ny fitoriana amin-jotom-po ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly ataon’ny mpikambana voahosotra dia nanafaka olona maro tamin’ny fampianaran-diso, ny finoanoampoana, ny fanao tsy araka ny Baiboly — toy ny fivavahana amin’ny razana sy ny tahotra ny fanahy ratsy — ary ny fanambakan’ny klerjy. Ny lohatenin’ny sasany amin’ireo boky fianarana Baiboly ampiasaina mihitsy dia ahitana taratry ny fitaomana manafaka nampihariny teo amin’ny olonab. Voamarina tamin’izany ny tenin’i Jesosy hoe ireo mpianany dia ‘hanao asa lehibe noho’ ny azy (Jaona 14:12). Oharina amin’ny asa fanafahana ara-panahy voalohany notanterahin’i Jesosy tamin’ny fitoriana “fandefasana amin’ny mpifatotra”, izay nataon’ireo mpanompon’Andriamanitra amin’ny andro ankehitriny dia mitatra lavitra, satria olona an-tapitrisany maro maneran-tany no nahazo ny fanambarana nataon’izy ireo.
10. Nahoana moa isika no afaka manantena fanafahana hafa, lehibe kokoa noho ilay voalohany?
10 Aoka hotadidiantsika anefa fa tamin’ny taonjato I, ny fanafahana hafa iray dia nanomboka tamin’ny Pentekosta taona 33. Ny Jobily kristiana tamin’izay dia nanomboka ho an’ireo anisan’ny “ondry vitsy”; navela ny helok’izy ireo, ka izany dia hahatonga azy ho afaka ny ho “zanak’Andriamanitra” any an-danitra. Ahoana ny amin’izao androntsika izao? Moa ve ireo kristiana hafa an-tapitrisany maro nanolo-tena ho an’Andriamanitra manana fahafahana ny hankalaza Jobily lehibe iray rehefa afaka amin’ny fanandevozan’ny ota? Eny, izany no nasehon’ny apostoly Petera rehefa nanisy fitenenana ny amin’ny “andro fampodiana ny zavatra rehetra, izay nampilazain’Andriamanitra ny mpaminaniny masina hatramin’ny voalohany indrindra” izy. — Asan’ny apostoly 3:21.
Jobily ho an’ny an-tapitrisany maro
11. Araka ny Levitikosy toko faha-25, inona moa no mampiseho amintsika fa afaka manantena fanafahana isika na dia tsy anisan’ny Isiraely ara-panahy aza?
11 Aoka homarihintsika fa, indroa ao amin’ny Levitikosy toko faha-25, Jehovah dia nampahatsiahy ny Isiraelita fa, araka ny fiheverany, izy ireny dia ‘mpanompony’, satria nafahany avy tany Egypta (andininy faha-42 sy 55). Io toko momba ny Jobily io dia miresaka koa ny amin’ireo “vahiny” sy “mpivahiny” izay mifanitsy aminy amin’izao andro izao ny “olona betsaka” mandray anjara miaraka amin’ny Isiraelita ara-panahy amin’ny fanambarana ny vaovao tsara araka an’i Kristy.
12. Fisehoan-javatra mahafinaritra inona avy no nitranga nanomboka tamin’ny 1935?
12 Nanomboka tamin’ny 1935, Jesosy Kristy “Mpiandry Tsara” dia mampiaraka amin’ny asan’ny sisa voahosotra ireo izay noresahiny ho “ondry hafa”. Nilaza izy fa ‘hitondra’ ireny ondry hafa ireny ary hahaforona “andiany iray” izy ireo eo ambany fitarihan’ny ‘Mpiandry iray ihany’. (Jaona 10:16.) Miisa ho an-tapitrisany maro izao ny “ondry hafa”. Raha anisan’izany vahoaka maro be sambatra izany ianao, dia efa heverina ho marina amin’ny maha-sakaizan’Andriamanitra; ambonin’izany, noho ianao olombelona noforonina, dia mamelona fanantenana ara-dalàna ny ‘hafahana amin’ny fanandevozan’ny fahalovana’ ianao rehefa ho tonga ny “andro fampodiana ny zavatra rehetra” eto an-tany. — Romana 8:19-21; Asan’ny apostoly 3:20, 21.
13. Fitahiana miavaka inona no hananan’ny olombelona aorian’ny “fahoriana lehibe”?
13 Rehefa avy nahita ireo 144 000 manana fanantenana ny ho any an-danitra noho ny Jobily kristiana ny apostoly Jaona dia mampiseho amintsika “olona betsaka”. Hoy izy: “Ireo no avy tamin’ny fahoriana lehibe, ary ny akanjony nosasany sy nofotsiany tamin’ny ran’ny Zanak’ondry. Ary noho izany dia mitoetra eo anoloan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra izy ka manompo Azy andro aman’alina eo amin’ny tempoliny.” — Apokalypsy 7:14, 15.
14, 15. Nahoana moa ireo anisan’ny “olona betsaka” no manana antony manokana tokony hifaliana dieny izao?
14 Dieny izao, alohan’ny fahoriana lehibe, ireny olona ireny dia maneho finoana ny ra nalatsak’i Jesosy, ka mandray amin’izany ireo fitahiana avy amin’ny fahafatesany ho sorona. Ambonin’izany, dia mifaly izy ireny satria nafahana tamin’i Babylona Lehibe, manana fieritreretana tsara eo anatrehan’Andriamanitra, ary tombontsoa handray anjara amin’ny fahatanterahan’ny Matio 24:14 amin’ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakana alohan’ny hahatongavan’ny farany.
15 Kanefa, moa ve ny olona betsaka tsy manana fahatsinjovana ny hafahana amin’ny fahotana sy ny tsy fahatanterahana azo teo am-pahaterahana? Tsy ho ela ve izany? Noresahin’i Jesosy ny amin’ny taranaka iray tsy ho lany alohan’ny hahatanterahan’ny faminaniana rehetra, ary manana antony tsara hanamafisana isika fa mbola misy olona anisan’izany taranak’olombelona izany eto an-tany (Matio 24:34). Noho izany, dia tokony ho akaiky dia akaiky ny fahataperan’ny “fifaranan’ny fandehan-javatra. — Matio 24:3.
Ny famaranana ny Jobily kristiana
16. Aiza ho aiza isika izao eo amin’ny fanatanterahana ny fikasan’Andriamanitra, ary fisehoan-javatra inona no andrasantsika?
16 Manatona manao dingan-dava “ny adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha”, ary ny sisa amin’ny “ondry vitsy” mbamin’ny “olona betsaka” namany mahatoky dia tsy hivadika hatrany eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitra amin’ny fianteherana amin’ny fiarovany. Tsy andriny izay hampiharan’i Jehovah faharesena lehibe ho an’ny tafika fahavalo rehetra ho fanamarinana ny fiandrianany eo amin’izao rehetra izao. Izany dia tena hahaforona ho azy ireo, ny anankiray amin’ireo fara tampon’ny fahafahana kristiana. — Apokalypsy 16:14; 19:19-21; Habakoka 2:3.
17. Amin’ny fomba ahoana moa no mbola hanafahana olona an-tapitrisany maro amin’ny Jobily lehibe iray?
17 Manaraka izany, ilay mpanjaka mpandresy, Jesosy Kristy, dia hanjaka eo amin’ny tany voadio, ho voamarina indray ny fiandrianan’i Jehovah eo amin’izao rehetra izao, ary hanapaka tanteraka ny tany Jesosy Kristy, Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo. Hampiasainy mivantana amin’izay ny vidin’ny sorony mba hahasoa ireo olona an-tapitrisany maro, anisan’izany ireo hatsangana amin’ny maty izay haneho finoana sy hanaiky an-tsitrapo ny famelan’Andriamanitra ny fahotana amin’ny alalan’i Kristy. Hiharihary izany fandaharana izany, satria ‘hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana’. (Apokalypsy 21:3, 4.) Moa ve tsy izany no tena fahafahana?
18. Araka ny anankiray amin’ireo lafin’ny Jobily taloha, inona no hitranga amin’ny tany ao amin’ny fandehan-javatra vaovao?
18 Afa-tsy izany koa, dia tsy hanapaka, handoto sy hanimba ny tany intsony ny olona, fanaovan-draharaha na fitondram-panjakan’olombelona fatra-pitia harena (Apokalypsy 11:18). Haverina amin’ireo tena mpivavaka amin’Andriamanitra tokoa ny tany. Horaisin’ireo ny asa mahafinaritra fanatanterahana amin’ny fomba ara-bakiteny ny faminanian’Isaia manao hoe: “Hanao trano ny olona ka hitoetra ao; ary hanao tanimboaloboka ny olona ka hihinana ny vokatra aminy. Tsy hanao trano hitoeran’olon-kafa izy, na hamboly zavatra hohanin’olon-kafa. (...) Tsy hisasatra foana izy, na hitera-jaza ho tratry ny loza tampoka; fa taranak’izay notahin’i Jehovah ireo.” (Isaia 65:21-25). Rehefa ho tapitra ny Fanjakana arivo taona, dia ho nanjavona izay rehetra mety ho soritry ny fandovana ny fahotana sy ny tsy fahatanterahana, ary ireo izay tsy hivadika amin’i Jehovah eto an-tany dia hankalaza ny fandresen’ny Jobily. Araka izany dia hotanterahina ny asa fanafahana nasehon’ny Jobily. — Efesiana 1:10.
Aorian’ny fandresen’ny Jobily amin’ny Fanjakana arivo taona
19, 20. Amin’ny fomba ahoana, rehefa tapitra ny arivo taona, no hanandraman’i Satana sy ireo demoniany hanaisotra amin’ny olombelona ireo fitahiana avy amin’ny Jobily, nefa inona no ho vokany?
19 Ao amin’ny Apokalypsy 20:1-3, dia vakintsika fa Satana Devoly, filohan’ny demonia, dia tsy ho hita eo amin’ny sehatr’izao tontolo izao mandritra ny arivo taona haharetan’ny fanjakan’i Kristy eo amin’ny olombelona. Amin’ny faran’ny Fanjakana arivo taona, rehefa hovahana kelikely ny Devoly sy ireo demoniany, ireny fanahy ratsy ireny dia hahita ny tany, tsy tahaka ny ho nandaozany azy, fa ho voaova ho paradisa kanto tsy hay lazalazaina hatraiza hatraiza. Ny hitoetra eo dia ireo anisan’ny “olona betsaka” mahatoky sy ny olona hatsangana amin’ny maty an-davitrisany maro nanoloran’i Jesosy Kristy ny ainy ho sorom-panavotana. Rehefa ho tapitra ny Fanjakana arivo taona, ny Jobily kristiana dia ho nahatratra ny zava-kendreny, dia ny hanafaka tanteraka ny olombelona amin’ireo vokatry ny ota (Romana 8:21). Ny fanaovan-javatra kendrena hanimbana an’io toe-javatra mahatalanjona io dia ho ratsy sy araka ny Devoly. Havelan’ilay Andriamanitra Tsitoha anefa ny Devoly hanandrana fanafihana farany, izay ho mafy sy ho sarotra tokoa. Izany no antony ilazalazana toy izao ao amin’ny Apokalypsy 20:7-10, 14:
20 “Ary rehefa tapitra ny arivo taona, dia hovahana Satana ho afaka ao amin’ny tranomaizina nitoerany ka hivoaka hamitaka ny firenena eny amin’ny vazan-tany efatra, dia Goga sy Magoga, mba hanangona azy ho any amin’ny ady; tahaka ny fasiky ny ranomasina ny isany. Ary niakatra namaky ny tany izy, dia nanodidina ny tobin’ny olona masina sy ny tanàna malala; ary nisy afo nidina avy tany an-danitra ka nandany azy. Ary ny devoly izay namitaka azy dia natsipy tany amin’ny farihy afo sy solifara.”
21. Aorian’ny Jobily kristiana hifarana amin’ny Fanjakana arivo taona, hanao ahoana ny fihetsik’ireo zanak’Andriamanitra any an-danitra, ka izany dia hampahatsiahy ny Joba 38:7?
21 Any amin’ny toerana rehetra, dia hitohy ny fananana ny tena fahafahana nentin’ny Jobily: hanana fahafahana ny zavaboary rehetra ka hanome voninahitra an’Ilay hany manana anarana hoe Jehovah (Salamo 83:18). Ho voamarina izany, satria Jehovah hanohy ny fahatanterahan’ny fikasany eo amin’izao rehetra izao manontolo. Tamin’ny famoronana ny tany, talohan’ny nametrahana ny olombelona teo, dia “niara-nihira ny kintan’ny maraina, ary nihoby avokoa ireo zanak’Andriamanitra” teo anoloan’ny fisehoan-javatra nahatalanjona hita (Joba 38:7). Vao mainka ireo zanak’Andriamanitra ho ravoravo rehefa hahita ny tany feno lehilahy sy vehivavy ho nanaporofo tamin’ny tsy fivadihany tanteraka fa tsy azo ravana ny fanolorany tena ho an’ilay Andriamanitra Tsitoha!
22. Tokony hanao ahoana ny fihetsika hasehontsika raha manaraka ny fananarana voalaza ao amin’ny Salamo 150:1-6 isika?
22 Rehefa heverina tsara ny zavatra rehetra noho ny fahazavana mamirapiratra alefa eo amin’ny Soratra Masina, dia tsy afaka ny tsy hientan-kafaliana miaraka amin’ny lanitra isika ka hanambara hoe Haleloia! Mifarana amin’izany fananarana izany ny bokin’ny Salamo: “Haleloia. Miderà an’Andriamanitra eo amin’ny fitoerany masina. Miderà Azy eo amin’ny habakabaky ny heriny. Miderà Azy noho ny asany lehibe; miderà Azy araka ny haben’ny voninahiny. Miderà Azy amin’ny fitsofana ny anjomara; miderà Azy amin’ny valiha sy ny lokanga. Miderà Azy amin’ny ampongatapaka sy ny dihy; miderà Azy amin’ny zava-maneno tendrena sy ny sodina. Miderà Azy amin’ny kipantsona maneno; miderà Azy amin’ny kipantsona tsara feo. Aoka izay rehetra manam-pofonaina samy hidera an’i Jehovah. Haleloia.” — Salamo 150:1-6.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Navoaka ny gazety vaovao iray tamin’io fivoriambe io; izy io dia ho “toy ny feo ao anatin’ny efitry ny fisafotofotoana, satria ny asa nanendrena azy [dia] ny hanambara ny fahatongavan’ny Taona Volamena”. Antsoina hoe Réveillez-vous! io gazety io amin’izao andro izao.
b Olona an-tapitrisany maro velona ankehitriny no tsy ho faty mihitsy (1920); Fanafahana (1926); Fahafahana ho an’ny vahoaka (1927); Fanafahana (1932); “Ny fahamarinana no hanafaka anao” (1947); Mampianatra ny ‘tsy fahafatesana’ ve ny Soratra Masina? (1956); Ny fahamarinana izay mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay (1968); Ny fiainana mandrakizay ao anatin’ny fahafahan’ireo zanak’Andriamanitra (1969); Ny lalan’ny fahafahana: ny fahamarinan’Andriamanitra (1981).
Ahoana no havalinao?
◻ Nafahana tamin’ny inona moa ireo mpianatr’i Jesosy tamin’ny Pentekosta taona 33, ka ho azy ireo izany dia fanombohan’ny inona?
◻ Inona moa no antony tokony hanantenantsika fanafahana lehibe kokoa noho izay nitranga tamin’ny taonjato I?
◻ Karazam-panafahana inona no fantatra nanomboka tamin’ny 1919?
◻ Rahoviana moa ny “ondry hafa” no handray soa amin’ny Jobily lehibe, ary hanao ahoana izany?
◻ Aorian’ny fandresena amin’ny Jobily, hanao ahoana ny tany?
[Sary, pejy 25]
Nambara tany Cedar Point ny fahafahana tamin’ny 1919.
[Sary, pejy 26]
Ny “ondry hafa” dia manana anjara amin’ny Jobily mandritra ny Fanjakana arivo taona.