Fanontanian’ny mpamaky
▪ Moa ve ho tafita velona amin’ny “fahoriana lehibe” mba hiaina eto an-tany ao anatin’ny fandehan-javatra vaovao, alohan’ny hakana azy ho any an-danitra, ny sasany amin’ireo kristiana voahosotra?
Raha amin’ny fomba hentitra, dia tsy milaza ny valiny ny Baiboly.
Efa hatramin’ny ela no nahaliana ny kristiana momba ireo tombontsoa mety homen’Andriamanitra azy ireo. (Asan’ny apostoly 1:6) Marina indrindra izany amin’izao androntsika izao hatramin’ny niorenan’ilay Fanjakana. (Matio 24:3, 24, 34) Noho ny hahatongavan’ny faran’ity fandehan-javatra ratsy ity amin’ny androny, dia nisy kristiana nanontany raha mety hahita “ny adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra” ny voahosotry ny fanahy sasany ka hiaina eto an-tany mandritra ny fotoana kelikely alohan’ny handraisany ny valisoany any an-danitra. (Apokalypsy 16:14) Tsy milaza ny Baiboly raha hitranga izany na tsia, kanefa misy tandindona sy faminaniana noraisina ho toy ny fanambarana fa mety ho izany no ho izy. Tsy hanantitrantitra akory isika, fa afaka ny hijery tsara kosa ny fomba handaminan’Andriamanitra zavatra.
Manana ny mifanitsy aminy eo anivon’ny vahoakan’Andriamanitra atỳ aoriana ny zava-nitranga sasany ao amin’ny Baiboly. Fantatsika ohatra, fa tao an-kibon’ny trondro lehibe iray nandritra ny telo andro sy telo alina i Jona. Hihevitra izany ho toy ny ohatra ny amin’ny famonjen’Andriamanitra fotsiny ny olona sasany, fa i Jesosy kosa dia nilaza fa izany dia tandindona ara-paminaniana ny amin’ny hijanonany ao am-pasana mandritra ny fe-potoana hitovy amin’izany alohan’ny hananganana azy amin’ny maty. (Jona 1:17; Matio 12:40) Eny, tandindona ara-paminaniana ny fanandraman-javatra hitan’i Jona. Mora azo àry raha nandinika ireo faminaniana sy fitantarana ao amin’ny Baiboly voafaritra tsara ny mpanompon’Andriamanitra mba hahitana raha mety hanambara ny fomba mbola hifandraisan’i Jehovah aminy ireo.
Ho ohatra iray momba ny faminaniana ao amin’ny Baiboly, Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) tamin’ny 15 desambra 1928 dia nanazava ny Mika 5:1-14. Niresaka momba ny nandravan’“ny Asyriana” an’i Samaria sy ny niverenan’ireo Jiosy avy tany amin’ny fahababoana tany Babylona ny bokin’i Mika. (Mika 1:1, 5-7; 4:10) Nanambara ny amin’ny fitrangan-javatra ho avy koa anefa izy io, toy ny hahaterahan’ny Mesia tany Betlehema. (Mika 5:1) Naminany i Mika fa aorian’ny fanafahana azy ireo amin’“ny Asyriana”, “izay sisa amin’i Jakoba” dia hanjary “tahaka ny ando avy amin’i Jehovah” ary “tahaka ny liona tanora ao amin’ny andian’ny ondry aman-osy”. (Mika 5:5-7) Nanazava toy izao ilay Tilikambo Fiambenana: “Mety ho azo atao ny mandray izany ho toy ny fanambarana fa hisy sasany amin’ny sisa ho eto an-tany na dia aorian’ny adin’i Haramagedona aza ka amin’izany izy ireo dia hanana asa sasany hafa hatao amin’ny anaran’ny Tompo ary ho fankalazana sy fiderana azy.” Mariho ny fomba fiteny tsy mirehareha sy maotina nampiasaina mba hampidirana io mety ho fisian-javatra io hoe: “Mety ho azo atao ny mandray izany ho toy ny fanambarana.”
Ahoana ny amin’ny fitantarana iray ao amin’ny Baiboly izay mety hifanitsy koa amin’ny fahatafitana velona toy izany eto an-tany? Mikasika an’i Noa sy ny fianakaviany ny ohatra iray. I Noa dia noheverina fa nampiseho an’i Jesosy amin’izao fotoan’ny farany izao. (Genesisy 6:8-10; Matio 24:37) Toy ny nitondran’i Noa ny vadiny sy ny zanakalahin’izy ireo telo ary ny vinantony vavy hamakivaky ny faran’iny fandehan-javatra taloha iny no hanoloran’i Kristy fitarihana ho an’ny sisa amin’ny kilasin’ny ampakariny sy ireo izay ho tonga zanak’ilay “Ray mandrakizay”, dia i Jesosy. Tafita velona tamin’ny Safodrano ny vadin’i Noa ary nandray anjara tamin’ny famerenana indray ny fanompoam-pivavahana marina teo amin’ny tany voadio. Ny mifanitsy amin’izany dia mety ho ny fahatafitan’ny sisa amin’ny kilasin’ny ampakarina mba hiditra ao amin’ny fandehan-javatra vaovao. — Isaia 9:5, 6, [6, 7, MN ]; 2 Korintiana 11:2; Apokalypsy 21:2, 9.a
Ny fitantarana hafa ao amin’ny Baiboly koa dia noheverina ho nampahafantatra fa mety ho tafiditra ao amin’ny fandehan-javatra vaovao ny sasany amin’ireo voahosotra. I Jeremia, ohatra, dia tafita velona tamin’ny fandravana an’i Jerosalema; “ralehilahy” nanana ilay fitoeran-dranomainty dia nijanona mba hijery ny asa fandringanana talohan’ny niverenany hanao tatitra. — Ezekiela 9:4, 8, 11.
Ireo fanazavana momba ny mety hisian’ny voahosotra sasany ho tafita velona ka hiditra ao amin’ny fandehan-javatra vaovao dia natao tamim-pikasana tsara ary tamin’ny alalan’ny fanazavan’ny zava-nitranga taloha voalaza ao amin’ny Baiboly mba hanandramana hahatakatra ireo faminaniana na tandindona izay mety hanana ny mifanitsy aminy atỳ aoriana. Raha toa ka hita fa tsy misy na dia iray amin’ireo voahosotra aza tavela eto an-tany, dia tsy hisy antony tokony haha-diso fanantenana. Efa nanaiky isika fa mihamazava arakaraka ny fandehan’ny fotoana ny zavatra ao amin’ny Baiboly. Ohatra, Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 janoary 1982 dia niresaka ny amin’ny Mika 5:5-8 indray ary nanazava fa “tsy voatery hiandry aorian’ny (. . .) Haramagedona akory ny sisa amin’ny Isiraelita ara-panahy mba ho ‘ando’ mamelombelona ho an’ny olona.” Io fanazavana io dia nanolotra indray ny mety hisian’ny sisa ho tafita velona amin’ny ady lehiben’Andriamanitra ka “hanohizany ho ‘ando’ mamelombelona ho an’ny ‘olona betsaka’ amin’ny ‘ondry hafa mandritra ny fotoana kelikely.’” Hitantsika anefa fa ny fandehan’ny fotoana sy ny fitomboan’ny fahazavana ara-panahy dia afaka manitatra sy manova ny fahatakarantsika ny faminaniana na fisehoan-javatra ao amin’ny Baiboly. — Ohabolana 4:18.
Fantatsika tsara fa ampifandraisin’ny Baiboly amin’ny ‘fanangonana ny olom-boafidy avy amin’ny vazan-tany efatra’ ny ‘fahatongavan’ny Zanak’olona’. (Matio 24:29-31, MN ) Ary koa, mandritra “ny fanatrehan’ny Tompo” ao amin’ny herin’ny Fanjakana, ireo voahosotra matory ao amin’ny fahafatesana dia hatsangana ho any amin’ny fiainana any an-danitra. (1 Tesaloniana 4:15, 16) Ireo voaisy tombo-kase ireo dia natao mba hahaforona ny vadin’ny Zanak’ondry. Rahoviana no itrangan’izany?
Ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy, aorian’ny iresahany ny amin’ny hanafoanan’Andriamanitra an’i Babylona Lehibe, ilay vehivavy janga ara-pivavahana, avy hatrany i Jaona dia milazalaza momba ny “fampakaram-badin’ny Zanak’ondry”. Esorina tsy ho eo intsony ny “vehivavy” maharikoriko sy maloto fitondrantena iray, ary mahita “ny ampakarina, vadin’ny Zanak’ondry” isika, ‘mitafy rongony fotsy madinika sady madio no mangatsakatsaka izay mampiseho ireo asa marina ataon’ny olona masina’. (Apokalypsy 18:10; 19:2, 7, 8; 21:9) Ny fandringanana an’i Babylona Lehibe dia anisan’ny fahoriana lehibe. (Matio 24:21; Apokalypsy 7:14) Azo atao àry ny manjohy hevitra fa ho tafita velona amin’ny fahoriana lehibe ny sasany amin’ny kilasin’ny ampakarina ho porofon’ny fankasitrahan’i Jehovah sy ny fiarovany. (Zefania 2:3; ampitahao amin’ny Matio 24:22.) Raha voaro ho eto an-tany araka izany izy ireo, dia afaka ny hijanona eto mandra-pahatongan’ny fotoana nofidin’Andriamanitra hakana azy ho any an-danitra.
Kanefa tsy mandeha araka ny filaharana hentitra akory ny filazana ireo zava-mitranga ao amin’ny Apokalypsy. Ary tsy toy ny hoe ilaina ho eo ny sisa vitsy amin’ireo voahosotra mba hampandehanana ny fandehan-javatra vaovao, satria efa nampiofana kristiana mahatoky an-tapitrisany maro hiaina mandrakizay eto an-tany izy. Mifanaraka amin’izany àry, dia azon’Andriamanitra atao ny maka ireo voahosony ho any an-danitra, aorian’ny fandringanana an’i Babylona Lehibe avy hatrany, ka hanomana ny tarehin-javatra mba hitrangan’ny “fampakaram-badin’ny Zanak’ondry.” Amin’izay ireo olona masina rehetra dia afaka hiaraka amin’i Kristy avokoa mba ‘hiandry ireo firenena amin’ny tehim-by’ mandritra ny tapany farany amin’ny fahoriana lehibe. (Apokalypsy 2:26, 27, MN; 19:11-21) Raha toy izany ny fomba handaminan’Andriamanitra zavatra, ireo 144000 rehetra dia hiaraka amin’i Jesosy avokoa mba ‘hiara-hanjaka amin’i Kristy mandritra ireo arivo taona manontolo.’ — Apokalypsy 20:4.
Tsara dia tsara tokoa ny fahalianana asehon’ny vahoakan’Andriamanitra handinika akaiky ny fomba hitarihany ny mpanompony sy hamaliany soa azy. (Ampitahao amin’ny 1 Petera 1:12.) Izany dia manome taratry ny fatokian’izy ireo fa tsy maintsy hatao ny sitrapony. Na dia tsy azontsika atao aza ny manantitrantitra momba ny tsipiriany, ary tsy tokony hanao izany isika, dia afaka ny hiandry amim-paharisihana izay hitranga isika.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ampitahao amin’ny: Vous pouvez survivre à Harmaguédon et entrer dans le nouvel ordre de Dieu, pejy faha-61, 292, 351; “Que ta volonté soit faite sur la terre”, pejy faha-347; Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) tamin’ny 1 may 1942, pejy faha-133. (Natontan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York avokoa ireo rehetra ireo.)