Toko 21
Loza Amelezan’i Jehovah ny Kristianisma Anarana
Fahitana 5—Apokalypsy 8:1–9:21
Foto-kevitra: Maneno ny trompetra enina amin’ireo fito
Fotoana fahatanterahany: Nanomboka tamin’ny nanjakan’i Kristy Jesosy tamin’ny 1914 ka hatramin’ny fahoriana lehibe
1. Inona no nitranga, rehefa novahan’ilay Zanak’ondry ny tombo-kase fahafito?
NOHAZONINA ny ‘rivotra efatra’, mandra-panisy tombo-kase an’ireo 144 000 sy mandra-panangona ny vahoaka be ho tafavoaka velona. (Apokalypsy 7:1-4, 9) Tsy maintsy ampahafantarina alohan’ny hiavian’io rivo-doza io anefa ny fanamelohan’i Jehovah ny tontolon’i Satana! Hovahan’ilay Zanak’ondry izao ny tombo-kase farany, ka nandinika tsara izay hitranga i Jaona. Izao no tantarainy amintsika: “Ary rehefa novahany [ilay Zanak’ondry] ny tombo-kase fahafito, dia nisy fanginana antsasak’adiny teo ho eo tany an-danitra. Ary hitako ireo anjely fito nijoro teo anatrehan’Andriamanitra, ary nomena trompetra fito izy ireo.”—Apokalypsy 8:1, 2.
Fotoana fivavahana mafy
2. Inona no nitranga nandritra ilay fanginana antsasak’adiny tany an-danitra?
2 Misy heviny lalina ilay fanginana! Mety ho ela ny antsasak’adiny, rehefa misy zavatra andrasana. Tsy re intsony, na dia ilay hira fiderana andro aman’alina aza. (Apokalypsy 4:8) Nahoana? Hitan’i Jaona tao amin’ny fahitana ny antony: “Ary nisy anjely hafa iray koa tonga nijoro teo amin’ny alitara, sady nanana sotrobe volamena fandoroana emboka manitra. Ary nomena emboka manitra be dia be izy mba hatolony teo ambony alitara volamena niaraka tamin’ny vavaky ny olona masina rehetra. Teo anoloan’ny seza fiandrianana no nisy ilay alitara. Ary niakatra avy teo an-tanan’ilay anjely ho eo anatrehan’Andriamanitra ny setroky ny emboka manitra mbamin’ny vavaky ny olona masina.”—Apokalypsy 8:3, 4.
3. a) Mampahatsiaro antsika inona ny hoe fandoroana emboka manitra? b) Inona no anton’ilay fanginana antsasak’adiny tany an-danitra?
3 Tsaroantsika fa nandoro emboka manitra isan’andro ny mpisorona tao amin’ny tranolay, ary toy izany koa tao amin’ny tempolin’i Jerosalema tatỳ taoriana. (Eksodosy 30:1-8) Niandry tany ivelan’ilay toerana masina kosa ny Israelita tsy mpisorona, ary nivavaka mangina tamin’ilay Andriamanitra notolorana ny emboka manitra. (Lioka 1:10) Toy izany koa no hitan’i Jaona tany an-danitra. Miaraka amin’ny emboka manitra atolotr’ilay anjely “ny vavaky ny olona masina.” Nantsoina hoe emboka manitra mihitsy ny vavaka, tao amin’ny fahitana teo aloha. (Apokalypsy 5:8; Salamo 141:1, 2) Ilay fanginana an’ohatra tany an-danitra àry dia natao mba handrenesana ny vavak’ireo olona masina eto an-tany.
4, 5. Inona no zava-niseho manampy antsika hamantatra ny fotoana nitrangan’ilay fanginana antsasak’adiny?
4 Azontsika fantarina ve hoe oviana izany no nitranga? Eny, raha jerentsika ny teny manodidina sy ny tantara tany am-piandohan’ny andron’ny Tompo. (Apokalypsy 1:10) Nifanaraka tsara tamin’izay voalazan’ny Apokalypsy 8:1-4 ny zava-nitranga teto an-tany tamin’ny 1918 sy 1919. Efa 40 taona talohan’ny 1914 ny Mpianatra ny Baiboly (na Vavolombelon’i Jehovah) no nanambara tamim-pahasahiana fa hifarana amin’io taona io ny andron’ny Jentilisa. Nanaporofo ny tenin’izy ireo ny fahoriana tamin’ny 1914. (Lioka 21:24, Fandikan-teny Protestanta; Matio 24:3, 7, 8) Maro tamin’ireo Kristianina ireo koa no nino fa hiakatra ho any an-danitra izy ireo tamin’ny 1914. Tsy nitranga anefa izany, fa vao mainka aza nenjehina mafy izy ireo nandritra ny Ady Lehibe I. Maty tamin’ny 31 Oktobra 1916 i Charles Russell, prezidà voalohan’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana. Nentina tany amin’ny fonjan’i Atlanta, any Géorgie koa i Joseph Rutherford, prezidà vaovao, sy ny mpiara-miasa taminy fito, tamin’ny 4 Jolay 1918, satria voaheloka tsy ara-drariny higadra nandritra ny taona maro.
5 Sahiran-tsaina ireo Kristianina voahosotra. Inona indray no tian’Andriamanitra hataon’izy ireo? Rahoviana izy ireo no hiakatra any an-danitra? Nisy lahatsoratra hoe “Nifarana ny Fijinjana, ka Inona no Hitranga?”, tao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Mey 1919. Nasehon’izy io izany fisalasalana izany, ary nampirisihiny hiaritra ireo nahatoky. Hoy ilay gazety: “Mino isika fa efa voangona sy voaisy tombo-kase avokoa ireo ho anisan’ilay fanjakana, sady efa feno ny isany.” Niakatra toy ny setroky ny emboka manitra be dia be, ny vavaka mafy nataon’ireo voahosotra, nandritra izany fotoan-tsarotra izany. Ary re ny vavak’izy ireo!
Afo natsipy tetỳ an-tany
6. Inona no nitranga taorian’ilay fanginana tany an-danitra, ary valin’ny inona izany?
6 Hoy i Jaona: “Avy hatrany anefa dia noraisin’ilay anjely ilay sotrobe fandoroana emboka manitra, ka nofenoiny afo avy teo amin’ny alitara. Ary natsipiny mafy tamin’ny tany ilay afo, dia nisy kotroka sy feo sy tselatra ary horohoron-tany.” (Apokalypsy 8:5) Nisy zava-nitranga tampoka taorian’ilay fanginana! Valin’ny vavak’ireo olona masina izany, satria vokatry ny fakana afo teo amin’ny alitara fandoroana emboka manitra. Ireo kotroka, tselatra, feo mafy, afo, ary horohoron-tany teo amin’ny Tendrombohitra Sinay tamin’ny 1513 T.K., dia midika fa nampitodika ny sainy tamin’ny vahoakany i Jehovah. (Eksodosy 19:16-20) Nitantara zavatra mitovy amin’ireo i Jaona, ka izany koa dia manondro fa mampitodika ny sainy ho amin’ny mpanompony eto an-tany i Jehovah. Famantarana anefa no hitan’i Jaona fa tsy ara-bakiteny. (Apokalypsy 1:1) Inona àry no toy ny afo sy kotroka sy feo sy tselatra ary horohoron-tany ankehitriny?
7. a) Hazavao fa toy ny nandrehitra afo teto an-tany i Jesosy, nandritra ny fanompoany. b) Nahoana no lazaina fa toy ny nandrehitra afo teo anivon’ny Kristianisma Anarana ireo voahosotra rahalahin’i Jesosy?
7 Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany, indray mandeha: “Tonga handrehitra afo eto an-tany aho.” (Lioka 12:49) Toy ny nandrehitra afo tokoa i Jesosy rehefa nitory tamin-jotom-po momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Nilaza mantsy izy fa izy io ihany no fitondrana mahomby indrindra, ka niteraka adihevitra nafana teo amin’ny Jiosy izany. (Matio 4:17, 25; 10:5-7, 17, 18) Toy ny nandrehitra afo teo anivon’ny Kristianisma Anarana koa ireo voahosotra rahalahin’i Jesosy tamin’ny 1919, taorian’ireo fitsapana tamin’ny Ady Lehibe I. Niharihary ny asan’ny fanahin’i Jehovah tamin’ny Septambra tamin’io taona io, rehefa nanatrika fivoriambe tany Cedar Point, any Ohio, Etazonia, ireo Vavolombelona nahatoky avy amin’ny faritra maro. Nanao lahateny tamin-kafanam-po i Joseph Rutherford, izay vao navoaka ny fonja ary tsy ho ela dia hafahana madiodio. Hoy izy: “Mankatò ny baikon’ny Tompo isika, ary manaiky fa tombontsoa sy adidintsika ny manafaka ny olona amin’ny fampianaran-diso nangeja azy hatramin’ny ela. Ny tena asantsika hatramin’izay ka hatramin’izao àry dia ny fitoriana ny fanjakan’ny Mesia be voninahitra, izay efa akaiky.” Ny Fanjakan’Andriamanitra àry no tena notorina mba hahafahan’ny olona hisafidy raha hanaiky azy io izy ireo na tsia!
8, 9. a) Inona no nolazain’i J. Rutherford momba izay tsapan’ny vahoakan’Andriamanitra sy ny fanirian’izy ireo, nandritra ny fotoan-tsarotra tamin’ny ady? b) Inona no dikan’ny hoe nisy afo natsipy tetỳ an-tany? d) Inona no mifanitsy amin’ny feo, kotroka, tselatra, ary horohoron-tany?
8 Hoy ilay mpandahateny, momba ny fahoriana vao nolalovan’ny vahoakan’Andriamanitra: “Tsy nisy antra mihitsy ny famelezan’ny fahavalo, ka maro tamin’ny ondrin’ny Tompo no very hevitra sy tsy nahita izay hatao, ary nivavaka sy niandry ny Tompo mba hilaza ny sitrapony. ... Naniry mafy ny hitory momba ilay Fanjakana anefa izy ireo, na dia kivy vetivety aza.”—Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Septambra 1919, pejy 280.
9 Tanteraka izany faniriana izany tamin’ny 1919. Narehitry ny fanahy ireo Kristianina vitsivitsy, ka nanomboka nitory eran-tany. (Ampitahao amin’ny 1 Tesalonianina 5:19.) Toy ny nisy afo natsipy àry teto an-tany, satria nasaina nisafidy ny olona raha hanaiky ny Fanjakan’Andriamanitra na tsia. Ary mbola adihevitra mafana izy io hatramin’izao! Feo mafy no nisolo ilay fanginana, satria nanakoako ny hafatra momba ilay Fanjakana. Toy ny kotroka ireo fampitandremana avy ao amin’ny Baiboly. Nazava toy ny tselatra ireo fahamarinana avy ao amin’ny Teny faminanian’i Jehovah. Nihozongozona hatramin’ny fotony ireo fivavahan’ity tontolo ity, toy ny hoe nandalovan’ny horohoron-tany lehibe. Hitan’ireo voahosotra toa an’i Jaona fa nisy asa tokony hatao. Mandroso hatrany io asa io ankehitriny, ary mitatra eran-tany!—Romanina 10:18.
Miomana ireo mpitsoka trompetra
10. Niomana hanao inona ireo anjely fito, ary nahoana?
10 Hoy indray i Jaona: “Ary ny anjely fito izay nanana ny trompetra fito dia niomana hitsoka.” (Apokalypsy 8:6) Inona no dikan’ny fitsofana an’ireo trompetra? Notsofina ny trompetra teo amin’ny Israely fahiny, rehefa nisy andro lehibe na fisehoan-javatra niavaka. (Levitikosy 23:24; 2 Mpanjaka 11:14) Nitsoka trompetra koa ireo anjely, satria hisy zava-dehibe iankinan’ny aina hambara.
11. Inona no fiomanana nataon’ireo voahosotra tamin’ny 1919 hatramin’ny 1922?
11 Niomana hitsoka trompetra ireo anjely, sady nanome toromarika ho an’ireo voahosotra, momba ny fiomanana tokony hatao teto an-tany. Nandamina indray ny asa fitoriana àry ireo voahosotra rehefa nahazo hery, ary nanangana trano fanontam-pirinty, tamin’ny 1919 hatramin’ny 1922. Navoaka tamin’ny 1919 ny gazety Fotoam-pahasambarana (Mifohaza! ankehitriny), izay gazety milaza ny zava-misy sy manome fanantenana ary manamafy ny finoana. Toy ny trompetra tokoa izy io, ka nampiharihary ny fivavahan-diso izay nitsabaka tamin’ny politika.
12. Inona no hiseho isaky ny tsofina ny trompetra tsirairay, ary mampahatsiahy antsika inona tamin’ny andron’i Mosesy izany?
12 Ho hitantsika fa hisy loza lehibe hiseho eto an-tany isaky ny tsofina ny trompetra tsirairay. Mampahatsiahy antsika ny loza namelezan’i Jehovah ny Ejipsianina tamin’ny andron’i Mosesy ny sasany aminy. (Eksodosy 7:19–12:32) Tamin’ny alalan’ireny loza ireny no nampiharan’i Jehovah didim-pitsarana tamin’i Ejipta, sy nanafahany ny vahoakany tamin’ny fanandevozana. Toy izany koa ny vokatr’ireo loza hitan’i Jaona. Tsy ara-bakiteny anefa ireny loza ireny fa famantarana fotsiny, mba hanehoana ny didim-pitsarana marin’i Jehovah.—Apokalypsy 1:1.
Iza ilay ‘ampahatelony’?
13. Inona no hitranga, rehefa hotsofina ireo trompetra efatra voalohany, ary inona no fanontaniana aterak’izany?
13 Ho hitantsika fa hisy loza hamely ny “ampahatelon’ny” tany, ny ranomasina, ny renirano sy ny loharano, ary ny masoandro sy volana ary kintana, rehefa hotsofina ireo trompetra efatra voalohany. (Apokalypsy 8:7-12) Ampahany lehibe amin’ny zavatra iray ny ampahatelony, nefa tsy izy manontolo. (Ampitahao amin’ny Isaia 19:24; Ezekiela 5:2; Zakaria 13:8, 9.) Iza àry ilay ‘ampahatelony’ mendrika hiharan’ireo loza ireo? Nohajambain’i Satana sy ny taranany ny ankamaroan’ny olombelona. Notaominy hanao ratsy koa izy ireo. (Genesisy 3:15; 2 Korintianina 4:4) Izao no nolazain’i Davida momba ny vokatr’izany: “Samy efa nivily izy rehetra ka tonga vetaveta avokoa; tsy misy manao ny tsara, na dia iray akory aza.” (Salamo 14:3) Meloka eo imason’Andriamanitra àry ny olombelona amin’ny ankapobeny. Ny sasany amin’izy ireo anefa no tena meloka, dia ny ‘ampahatelony’! Iza ireo ‘ampahatelony’ ireo?
14. Iza ilay ampahatelony hahazo hafatra milaza loza avy amin’i Jehovah?
14 Ny Kristianisma Anarana! Ny ampahatelon’ny olombelona teo ho eo no anisan’ny Kristianisma Anarana, teo anelanelan’ny 1920 sy 1930. Avy tamin’ilay fivadiham-pinoana lehibe efa noresahin’i Jesosy sy ny mpianany, ny fivavahan’izy ireo. (Matio 13:24-30; Asan’ny Apostoly 20:29, 30; 2 Tesalonianina 2:3; 2 Petera 2:1-3) Mihambo ho ao amin’ny tempolin’Andriamanitra ny mpitondra fivavahan’izy ireo, sady miseho ho mpampianatra ny Kristianisma. Mifanipaka be amin’ny Baiboly anefa ny fampianarany, ary manala baraka ny anaran’Andriamanitra izy ireo. Ny Kristianisma Anarana tokoa ilay ampahatelony hahazo hafatra mahery sy milaza loza avy amin’i Jehovah. Tsy mendrika ny fankasitrahan’Andriamanitra mihitsy io ampahatelon’ny olombelona io!
15. a) Nandritra ny taona iray monja ve no tanteraka ny faminaniana momba ny fitsofana ny trompetra iray? Hazavao. b) Iza no nanampy an’ireo voahosotra, nanambara ny didim-pitsaran’i Jehovah?
15 Mifanitsy amin’ny fitsofana ny trompetra fito ireo fanapahan-kevitra manokana nolanina tamin’ireo fivoriambe fito, izay nisesy nandritra ny fito taona, izany hoe tamin’ny 1922 hatramin’ny 1928. Nisy fahatanterahany hafa koa anefa ny faminaniana momba ny fitsofana ireo trompetra, fa tsy tamin’ireo taona ireo ihany. Nitohy nandritra ny andron’ny Tompo ny fampiharihariana ny faharatsian’ny Kristianisma Anarana. Tsy maintsy torina eran-tany ny didim-pitsaran’i Jehovah, na dia miely patrana aza ny fankahalana sy fanenjehana. Rehefa vita izany vao horavana ny tontolon’i Satana. (Marka 13:10, 13) Soa ihany fa nanampy ny voahosotra toa an’i Jaona ny vahoaka be, ka nampanakoako ilay hafatra tsy maintsy torina eran-tany.
May ny ampahatelon’ny tany
16. Inona no nitranga, rehefa nitsoka ny trompetrany ilay anjely voalohany?
16 Hoy i Jaona, momba ireo anjely: “Ary nitsoka ny trompetrany ny voalohany, dia nisy havandra sy afo izay samy niharo ra, ary natsipy mafy tamin’ny tany ilay afo. Ary may ny ampahatelon’ny tany, ary may ny ampahatelon’ny hazo, ary may avokoa ny ahi-maitso rehetra.” (Apokalypsy 8:7) Mitovy amin’ilay loza fahafito tany Ejipta izany. Inona anefa no dikan’izany ho an’ny androntsika?—Eksodosy 9:24.
17. a) Inona ilay “tany” ao amin’ny Apokalypsy 8:7? b) Inona no dikan’ny hoe may ny ampahatelon’ny tany, na ny Kristianisma Anarana?
17 Ny olombelona matetika no tondroin’ny Baiboly amin’ny hoe “tany.” (Genesisy 11:1; Salamo 96:1) Manondro ny olombelona koa anefa ilay ranomasina hiharan’ny loza faharoa. Ny fitambaran’olona toa milamina àry no tiana holazaina amin’ny hoe “tany.” I Satana no nanorina azy io, ary horinganina izy io. (2 Petera 3:7; Apokalypsy 21:1) Hita amin’ilay loza, fa tsy ankasitrahan’i Jehovah ny Kristianisma Anarana, na ny ampahatelon’ny tany, ka toy ny hoe main’ny hafanana mivaivay. Toy ny hoe may ireo mpitarika eo aminy, izay oharina amin’ny hazo eo afovoany, satria mahazo fanamelohana avy amin’i Jehovah. Raha mbola manohana ny Kristianisma Anarana koa ireo mpiangona an-jatony tapitrisa, dia ho toy ny ahitra main’ny andro sy malazo eo imason’Andriamanitra.—Ampitahao amin’ny Salamo 37:1, 2.a
18. Ahoana no nanambarana ny didim-pitsaran’i Jehovah tamin’ilay fivoriambe tany Cedar Point, tamin’ny 1922?
18 Ahoana no anambarana ilay didim-pitsarana? Azo antoka aloha fa tsy amin’ny alalan’ny fampitam-baovao, izay anisan’ity tontolo ity sady manaratsy ny ‘mpanompon’Andriamanitra.’ (Matio 24:45) Nolazaina mazava io didim-pitsarana io tamin’ilay fivoriambe niavaka nataon’ny vahoakan’Andriamanitra tany Cedar Point, any Ohio, tamin’ny 10 Septambra 1922. Neken’ny rehetra ilay fanapahan-kevitra hoe “Fanamby ho An’ny Mpitondra eo Amin’izao Tontolo Izao.” Nambara nivantana tamin’ilay tany an’ohatra hoe: “Asainay àry ny firenena rehetra, ireo mpitondra sy mpitarika, ny mpitondra fivavahana rehetra, ny antokom-pinoana rehetra eto an-tany, ny mpanara-dia azy sy ny namany, ary ireo mpandraharaha sy filoha ara-politika, mba hanome porofo raha ho vitany ny hampilamina sy hahasambatra ny olona. Raha tsy izany dia tokony hohenoin’izy ireo ny fanambarana ataonay vavolombelon’ny Tompo, ary aoka holazain’izy ireo raha marina na tsia ny fanambaranay.”
19. Inona no nambaran’ny vahoakan’Andriamanitra tamin’ny Kristianisma Anarana, momba ilay Fanjakana?
19 Inona no fanambarana nataon’ireo Kristianina ireo? Izao: “Inoanay sy ambaranay fa ny fanjakan’ny Mesia no tena vahaolana ho an’ny olombelona, sady hitondra fiadanana eto an-tany sy fifaliana ho an’ny olona, ary izany no irin’ny firenena rehetra. Ireo manaiky an-tsitrapo ny fanjakany marina izay efa am-perinasa, dia hahazo fiadanana maharitra sy fiainana ary fahafahana sy fahasambarana mandrakizay.” Vao mainka manakoako noho ny tamin’ny 1922 io fanambarana oharina amin’ny feona trompetra io, amin’izao fotoana feno faharatsiana izao. Tsy mahavita mamaha ny olana mahazo ny olombelona ny fitondram-panjakana, indrindra fa ireo any amin’ny tany kristianina. Ny Fanjakan’Andriamanitra tarihin’i Kristy mpandresy tokoa no hany fanantenana ho an’ny olombelona!
20. a) Tamin’ny alalan’ny inona avy no nampielezan’ny fiangonan’ny Kristianina voahosotra ilay fanambarana tamin’ny 1922 sy ireo hafa taorian’izay? b) Nanao ahoana ny Kristianisma Anarana, rehefa notsofina ilay trompetra voalohany?
20 Namoaka fanapahan-kevitra, taratasy mivalona, bokikely, boky, gazety, ary lahateny ny fiangonan’ny Kristianina voahosotra, mba hampielezana ilay fanambarana tamin’ny 1922 sy ireo hafa tatỳ aoriana. Toy ny nirotsahan’ny havandra vaventy ny Kristianisma Anarana, rehefa notsofina ilay trompetra voalohany. Naharihary fa manana trosan-dra izy, satria nandray anjara tamin’ireo ady tamin’ny taonjato faha-20, ka mendrika ny hiharan’ny fahatezeran’i Jehovah. Nampanakoako an’ilay trompetra voalohany ny voahosotra, ary nampian’ny vahoaka be tatỳ aoriana. Nasehon’izy ireo fa mendrika horinganina ny Kristianisma Anarana, araka ny fomba fijerin’i Jehovah.—Apokalypsy 7:9, 15.
Toy ny tendrombohitra mirehitra
21. Inona no nitranga, rehefa notsofin’ilay anjely faharoa ny trompetrany?
21 “Ary nitsoka ny trompetrany ny anjely faharoa, dia nisy toa tendrombohitra lehibe nirehitra afo natsipy mafy tany an-dranomasina. Ary tonga ra ny ampahatelon’ny ranomasina, ary maty ny ampahatelon’ny zavaboary manana aina tao an-dranomasina, ary rendrika ny ampahatelon’ny sambo.” (Apokalypsy 8:8, 9) Inona no dikan’izany fisehoan-javatra mampahatahotra izany?
22, 23. a) Inona no nasongadina tamin’ilay fanapahan-kevitra nolanina vokatry ny fitsofana ny trompetra faharoa? b) Inona ilay “ampahatelon’ny ranomasina”?
22 Hazava amintsika ny dikan’izany, rehefa dinihintsika ny fivoriamben’ny vahoakan’i Jehovah tany Los Angeles, any Etazonia, tamin’ny 18-26 Aogositra 1923. “Ondry sy Osy” no lohatenin’ny lahatenin’i J. Rutherford ny asabotsy tolakandro. Nohazavaina fa ireo “ondry” dia olona tia fahamarinana izay handova ilay Fanjakana ka hiaina eto an-tany. Nisy fanapahan-kevitra nolanina taorian’izay. Nasongadina tamin’izany ny fihatsarambelatsihin’ny “mpitondra fivavahana mpivadi-pinoana sy ny ‘lehibe eo amin’ny andian’ondriny’, izany hoe ireo mpangoron-karena sy mpanao politika.” Nampirisihina “ireo mpivavaka maro be tia fandriampahalemana sy filaminana, ... mba hiala amin’ny fivavahan-diso, izay antsoin’ny Tompo hoe ‘Babylona’ ”, ary hiomana “handray ireo fitahiana hoentin’ny Fanjakan’Andriamanitra.”
23 Vokatry ny fitsofana ilay trompetra faharoa io fanapahan-kevitra io. Izay manaiky azy io, dia tokony hisaraka amin’ireo antokon’olona noresahin’i Isaia. Hoy izy: “Fa ny ratsy fanahy dia tahaka ny ranomasina misamboaravoara, eny, tsy mety tafatoetra izy, ka ny ranony dia mamoaka loto sy fotaka.” (Isaia 57:20; 17:12, 13) Ny “ranomasina” àry dia ny olombelona mpanakorontana, mpihetraketraka, ary mpikomy, izay mahatonga hotakotaka sy fihetsiketseham-bahoaka. (Ampitahao amin’ny Apokalypsy 13:1.) Ho avy ny fotoana tsy hisian’io “ranomasina” io intsony. (Apokalypsy 21:1) Rehefa tsofina ny trompetra faharoa, dia tononin’i Jehovah ny didim-pitsarana ho an’ny ampahatelon’ny ranomasina, izany hoe ireo olona tsy laitra fehezina eo anivon’ny Kristianisma Anarana.
24. Inona no dikan’ny hoe natsipy tany an-dranomasina ilay tendrombohitra nirehitra?
24 Natsipy tany ‘an-dranomasina’ ilay tendrombohitra lehibe nirehitra afo. Matetika ny tendrombohitra ao amin’ny Baiboly no manondro fitondram-panjakana. Toy ny tendrombohitra, ohatra, ny Fanjakan’Andriamanitra. (Daniela 2:35, 44) Noharina tamin’ny “tendrombohitra kila” i Babylona, rehefa rava. (Jeremia 51:25, Fandikan-teny Katolika) Mbola mirehitra anefa ilay tendrombohitra hitan’i Jaona. Natsipy tany an-dranomasina izy io, izany hoe lasa niady hevitra ny olombelona hoe inona no karazana fitondram-panjakana mahomby. Nandritra ny Ady Lehibe I sy taorian’izay no tena nafana io adihevitra io. Natsangan’i Mussolini tany Italia ny Fasisma. Neken’i Alemaina ny Nazisma natsangan’i Hitler, ary nanandrana fitondrana sosialista isan-karazany ny firenen-kafa. Nisy fiovana lehibe tany Rosia, vokatr’ilay tolom-bahoaka tamin’ny 1917. Nijoro tamin’izany ny fanjakana kominista voalohany, ka tsy nanana hery sy fahefana tany intsony ireo mpitarika ny Kristianisma Anarana.
25. Hazavao fa mbola niteraka adihevitra be ihany ny resaka fitondram-panjakana, taorian’ny Ady Lehibe II.
25 Tsy nisy intsony ny Fasisma sy ny Nazisma taorian’ny Ady Lehibe II, nefa mbola niadian-kevitra ihany ny hoe inona no karazana fitondram-panjakana mahomby. Mbola nihotakotaka ihany ny olombelona, izay oharina amin’ny ranomasina, ka nitady karazana fitondrana vaovao foana. Nanao izany, ohatra, ny tany Chine, Vietnam, Cuba, Nikaragoà, sy ny maro hafa, taorian’ny 1945. Nanangana fitondrana miaramila tsy refesi-mandidy i Gresy, nefa tsy nahomby izany. Nisy fitondrana kominista jadona koa tany Kampuchéa (Kambodja), nefa olona roa tapitrisa mahery no maty vokatr’izany.
26. Hazavao fa mbola niteraka korontana ihany ilay “tendrombohitra lehibe nirehitra afo”, teo amin’ny olombelona izay oharina amin’ny ranomasina.
26 Mbola niteraka korontana ihany ilay “tendrombohitra lehibe nirehitra afo”, teo amin’ny olombelona izay oharina amin’ny ranomasina. Nisy ady, ohatra, tany Afrika, Amerika, Azia, ary tany amin’ireo Nosin’i Pasifika, satria nisy ireo te hanova fitondrana. Maro tamin’ireny ady ireny no nitranga tany amin’ny tany kristianina, ary nandray anjara tamin’ny fihetsiketsehana mihitsy ny misionera sasany nalefan’ny Kristianisma Anarana. Nisy pretra katolika sasany aza, lasa anisan’ny mpiady anaty akata kominista. Nisy koa mpitory protestanta nanohitra ny Kominista, izay nolazainy fa “mpiady fahefana mahery setra sy tsy mety afa-po.” Tsy nitondra fandriampahalemana sy filaminana anefa ireo fihetsiketsehana nataon’ny olombelona izay oharina amin’ny ranomasina.—Ampitahao amin’ny Isaia 25:10-12; 1 Tesalonianina 5:3.
27. a) Inona no dikan’ny hoe lasa toy ny ra ny “ampahatelon’ny ranomasina”? b) Inona no dikan’ny hoe maty ‘ny ampahatelon’ny zavamananaina tao an-dranomasina’, ary hanao ahoana ny “ampahatelon’ny sambo”?
27 Misy olona tsy manaiky ny Fanjakan’Andriamanitra, fa variana miady mba hitadiavana fitondram-panjakana heveriny fa mahomby. Lasa toy ny ra na hoe manana trosan-dra izy ireo, indrindra fa ny Kristianisma Anarana, na ny “ampahatelon’ny ranomasina”, ary niharihary izany rehefa notsofina ny trompetra faharoa. Maty eo imason’Andriamanitra ny zavaboary rehetra ao amin’ny ampahatelon’ny ranomasina. Tsy maintsy ho rendrika koa ny ampahatelon’ny sambo, izany hoe ho rava ireo fikambanana mpanakorontana eo anivon’ny Kristianisma Anarana. Faly isika, satria an-tapitrisany ny olona toy ny ondry manaiky ilay feona trompetra, ka misaraka amin’ireo mpanindrahindra tanindrazana, izany hoe miala amin’ilay ranomasina manana trosan-dra!
Kintana latsaka avy tany an-danitra
28. Inona no nitranga, rehefa nitsoka ny trompetrany ilay anjely fahatelo?
28 “Ary nitsoka ny trompetrany ny anjely fahatelo, dia nisy kintana lehibe latsaka avy tany an-danitra, dia kintana nirehitra tahaka ny jiro. Ary latsaka tamin’ny ampahatelon’ny renirano sy tamin’ny loharano izany. Ary nantsoina hoe Zavamaniry Mangidy ny anaran’ilay kintana. Ary nanjary nangidy ny ampahatelon’ny rano, ka maro ny olona matin’ny rano, satria natao nangidy izany.” (Apokalypsy 8:10, 11) Manampy antsika indray eto ny andinin-teny hafa, mba hahita ny fahatanterahan’izany amin’ny andron’ny Tompo.
29. Iza no “kintana nirehitra tahaka ny jiro”, ary nahoana?
29 Efa niresaka momba ny kintana isika, tao amin’ny hafatr’i Jesosy ho an’ireo fiangonana fito, ka ny kintana fito dia ireo anti-panahin’ny fiangonana.b (Apokalypsy 1:20) Toy ny hoe mitana toerana any an-danitra ny “kintana” na anti-panahy voahosotra sy ny voahosotra hafa, manomboka amin’ny fotoana anisiana tombo-kase azy ireo amin’ny fanahy masina, izay antoka fa manana lova any an-danitra izy ireo. (Efesianina 2:6, 7) Nampitandrina anefa ny apostoly Paoly fa hisy amin’ireny “kintana” ireny hivadi-pinoana sy hanangana sekta, ka hamitaka ny ondry. (Asan’ny Apostoly 20:29, 30) Hiteraka fivadiham-pinoana lehibe izany tsy fahatokiana izany. Avy amin’ireo anti-panahy nivadika ireo ilay antokon’olona antsoina hoe lehilahy mpandika lalàna, izay manandra-tena ho andriamanitra eo anivon’ny olona. (2 Tesalonianina 2:3, 4) Tanteraka ny tenin’i Paoly, rehefa nanomboka nisongadina ireo mpitondra fivavahan’ny Kristianisma Anarana. Io antokon’olona io no antsoina hoe “kintana nirehitra tahaka ny jiro.”
30. a) Nahoana no nolazaina fa latsaka avy tany an-danitra ny mpanjakan’i Babylona? b) Mety hidika ho inona ny hoe latsaka avy any an-danitra?
30 Hitan’i Jaona fa latsaka avy tany an-danitra io kintana io. Inona no dikan’izany? Manampy antsika hahazo izany ny tantaran’ny mpanjakan’i Babylona fahiny. Hoy i Isaia momba azy: “Endrey! latsaka avy tany an-danitra hianao, ry ilay fitarik’andro, zanaky ny maraina; voakapa hianjera amin’ny tany hianao, ry ilay mpandripaka firenena.” (Isaia 14:12) Tanteraka io faminaniana io, rehefa resin’ny tafik’i Kyrosy i Babylona, ka naetry sy nalam-baraka ny mpanjakan’io firenena natanjaka indrindra io. Ny hoe latsaka avy any an-danitra àry dia mety hidika famoizana toerana ambony sy fampietrena.
31. a) Nahoana ny mpitondra fivavahan’ny Kristianisma Anarana no toy ny hoe latsaka avy ‘tany an-danitra’? b) Nahoana no lazaina fa ‘mangidy’ ny rano nomen’ny mpitondra fivavahana, ary inona no vokatr’izany teo amin’ny maro?
31 Toy ny hoe latsaka avy any an-danitra ny mpitondra fivavahan’ny Kristianisma Anarana, satria nivadi-pinoana. Nafoin’izy ireo mantsy ilay toerana ambony notanany ‘tany an-danitra’, noresahin’i Paoly ao amin’ny Efesianina 2:6, 7. Tsy ranon’ny fahamarinana mamelombelona no nomen’izy ireo, fa rano ‘mangidy’ na lainga, toy ny afobe, afofandiovana, Andriamanitra telo izay iray, ary ny lahatra. Nitarika ny firenena hiady koa izy ireo, fa tsy nampianatra ny olona ho lasa tena mpanompon’Andriamanitra. Inona no vokatr’izany teo amin’ireo nino ny laingany? Toy ny voapoizina izy ireo, toa an’ireo Israelita tsy nahatoky tamin’ny andron’i Jeremia. Hoy i Jehovah momba azy ireo: “Indro, hofahanako zava-mahafaty izy sy hampisotroiko rano mangidy, satria avy tamin’ny mpaminanin’i Jerosalema no nivoahan’ny faharatsiana ho any amin’ny tany rehetra.”—Jeremia 9:14; 23:15.
32. Oviana no niharihary fa toy ny hoe latsaka avy tany an-danitra ny mpitondra fivavahan’ny Kristianisma Anarana? Hazavao fa vao mainka niharihary izany tatỳ aoriana.
32 Tamin’ny 1919 no niharihary fa toy ny hoe latsaka avy tany an-danitra ny mpitondra fivavahan’ny Kristianisma Anarana, satria tsy izy ireo no notendrena hikarakara ny fananan’i Jesosy rehetra, fa ny Kristianina voahosotra. (Matio 24:45-47) Vao mainka niharihary izany nanomboka tamin’ny 1922, rehefa niezaka indray ireo sisa voahosotra ireo mba hanala sarona ny fahadisoan’ny mpitondra fivavahan’ny Kristianisma Anarana.
33. Inona no naharihary momba ny mpitondra fivavahan’ny Kristianisma Anarana, tamin’ilay fivoriambe tany Columbus, tamin’ny 1924?
33 Nisy fanambarana navoaka, ohatra, tamin’ilay “fivoriambe lehibe indrindra nataon’ny Mpianatra ny Baiboly”, araka ny gazety Fotoam-pahasambarana. Natao ny 20-27 Jolay 1924 tany Columbus, any Etazonia, izy io. Noho ny fitarihan’ilay anjely nitsoka ny trompetra fahatelo, dia nisy fanapahan-kevitra lehibe nolanina tamin’izay. Navoaka tamin’ny taratasy mivalona nampitondraina ny lohateny hoe Voampanga Ireo Mpitondra Fivavahana ilay fanapahan-kevitra, ka 50 tapitrisa tamin’izany no nozaraina. Nisy lohatenikely iray tao amin’izy io, nanazava ny hoe “Manohitra ny Taranaka Nampanantenaina ny Taranak’ilay Menarana.” Nalana sarona tao amin’ilay fanapahan-kevitra ny fanaon’ireo mpitondra fivavahan’ny Kristianisma Anarana. Mitondra anaram-boninahitra manasongadina ny tenany, ohatra, izy ireo. Omeny toerana ambony ao amin’ny fiangonany ireo mpandraharaha lehibe sy mpanao politika malaza. Maniry hiavaka eo amin’ny olona koa izy ireo, ary tsy mety mitory ny Fanjakan’ny Mesia. Nantitranterina tao amin’ilay fanapahan-kevitra fa ny Kristianina vita fanoloran-tena rehetra no irahin’Andriamanitra hitory ny “andro famalian’Andriamanitsika, hampionona ny malahelo rehetra.”—Isaia 61:2.
34, 35. a) Nanao ahoana ny fahefan’ny mpitondra fivavahana, nanomboka tamin’ny nitsofan’ilay anjely fahatelo ny trompetrany? b) Inona no hiafaran’ireo mpitondra fivavahan’ny Kristianisma Anarana?
34 Nihena hatrany ny fahefan’ny mpitondra fivavahana, hatramin’ny nitsofan’ilay anjely fahatelo ny trompetrany. Vitsy aminy sisa no manana fahefana be toy ny taloha. Olona maro no nihaino ny fitorian’ny Vavolombelon’i Jehovah, ka nahita fa ‘mangidy’, na toy ny poizina, ny ankamaroan’ny fampianaran’ny mpitondra fivavahana. Zara raha manana fahefana ny mpitondra fivavahana any Eoropa avaratra, ary ny fitondrana mihitsy no mametra ny fahefan’izy ireo any amin’ny tany sasany. Nanjary ratsy laza ireo mpitondra fivavahana any amin’ireo tany katolika any Eoropa sy any amin’ireo tanin’i Amerika, noho izy ireo nanodinkodim-bola sy nitsabaka tamin’ny politika, ary naloto fitondran-tena. Vao mainka hihena ny fahefan’izy ireo, ary tsy ho ela dia ho ratsy fiafara toy ny mpanaraka fivavahan-diso hafa rehetra izy ireo.—Apokalypsy 18:21; 19:2.
35 Mbola handefa loza fanampiny amin’ny Kristianisma Anarana anefa i Jehovah. Diniho izay mitranga, rehefa tsofina ny trompetra fahefatra.
Haizina!
36. Inona no nitranga rehefa nitsoka ny trompetrany ilay anjely fahefatra?
36 “Ary nitsoka ny trompetrany ny anjely fahefatra, dia voa ny ampahatelon’ny masoandro sy ny ampahatelon’ny volana ary ny ampahatelon’ny kintana, mba ho maizina ny ampahatelon’ireny ka tsy hahazo hazavana ny ampahatelon’ny andro, ary ho toy izany koa ny alina.” (Apokalypsy 8:12) Haizina ara-bakiteny ilay loza fahasivy tany Ejipta. (Eksodosy 10:21-29) Inona anefa ilay haizina an’ohatra resahin’io faminaniana io?
37. Inona no nolazain’ny apostoly Petera sy Paoly momba an’ireo tsy anisan’ny fiangonana kristianina?
37 Nilaza tamin’ny mpiray finoana taminy ny apostoly Petera, fa tao amin’ny haizina ara-panahy izy ireo, talohan’ny nahatongavany ho Kristianina. (1 Petera 2:9) Nilaza koa i Paoly fa ao amin’ny “haizina” ara-panahy ireo tsy anisan’ny fiangonana kristianina. (Efesianina 5:8; 6:12; Kolosianina 1:13; 1 Tesalonianina 5:4, 5) Ahoana kosa ireo anisan’ny Kristianisma Anarana, izay milaza ho mino an’Andriamanitra sy manaiky an’i Jesosy ho Mpamonjy azy?
38. Inona no nambaran’ilay anjely fahefatra momba ny Kristianisma Anarana?
38 Nilaza i Jesosy fa ho fantatra amin’ny voany ny tena Kristianina, ary maro amin’ireo milaza ho mpanara-dia azy no “mpandika lalàna.” (Matio 7:15-23) Rehefa dinihina ny voa vokarin’ny Kristianisma Anarana, dia miharihary fa ao anaty haizina ara-panahy tanteraka io ampahatelon’izao tontolo izao io. (2 Korintianina 4:4) Vao mainka meloka izy ireo, satria milaza tena ho mpanara-dia an’i Kristy. Rariny àry raha nanambara ilay anjely fahefatra hoe ao anaty haizina ny Kristianisma Anarana, ary avy any Babylona ny fampianaran’izy ireo fa tsy avy amin’i Kristy.—Marka 13:22, 23; 2 Timoty 4:3, 4.
39. a) Nahoana ilay fanapahan-kevitra nolanina tamin’ny 1925 no nilaza fa tsy azo itokisana ny tenin’ny Kristianisma Anarana? b) Inona no nalana sarona indray tamin’ny 1955?
39 Nanamafy an’io fanambarana avy tany an-danitra io ilay fivoriamben’ny vahoakan’Andriamanitra tamin’ny 29 Aogositra 1925, tany Indianapolis, any Etazonia. Navoaka tamin’ilay taratasy mivalona hoe “Hafatra Manome Fanantenana” ny fanapahan-kevitra nolanina tamin’izay, ka 50 tapitrisa teo ho eo koa no nozaraina tamin’ny fiteny maro. Voalaza tao fa tsy azo itokisana ny fampanantenana sy ny tenin’ireo mpangoron-karena sy filoha ara-politika ary mpitondra fivavahana, izay nahatonga “ny olona ho latsaka ao anatin’ny haizina.” Nolazaina kosa fa ny Fanjakan’Andriamanitra no tena hitondra “fandriampahalemana, fiadanana, fahasalamana, fiainana sy fahafahana ary fahasambarana mandrakizay.” Nila herim-po ireo Kristianina voahosotra vitsivitsy mba hanambarana hafatra manameloka ny Kristianisma Anarana, izay nanana fahefana tamin’izany. Nitory foana anefa izy ireo hatramin’izay ka hatramin’izao. Nalana sarona indray tamin’ny 1955 ny mpitondra fivavahana, satria nozaraina tamin’ny fiteny maro ilay bokikely hoe Ny Kristianisma Anarana sa ny Tena Kristianisma no “Fahazavan’izao Tontolo Izao”? Miharihary loatra ny fihatsarambelatsihin’ny Kristianisma Anarana ankehitriny, ka maro no mahita izany. Mbola milaza foana anefa ny vahoakan’i Jehovah hoe ao anaty haizina tanteraka izy io.
Voromahery manidina
40. Inona no nahariharin’ny fitsofana ireo trompetra efatra momba ny Kristianisma Anarana?
40 Ny fitsofana ireo trompetra efatra voalohany dia nampiharihary fa tsy manana fahefana lehibe intsony ny Kristianisma Anarana ary efa madiva ho faty. Hita fa mendrika ny fanamelohan’i Jehovah ny “tany” feheziny. Nanjary tsy tia fivavahana ny fitondrana vaovao, indrindra fa any amin’ny faritra nanjakan’ny Kristianisma Anarana taloha. Naharihary fa ao anaty haizina izy ireo, ary naetry ireo mpitondra fivavahany. Ny Kristianisma Anarana tokoa no meloka indrindra amin’ny tontolon’i Satana.
41. Inona no hitan’i Jaona sy reny, rehefa nitsahatra kely ny fitsofana trompetra?
41 Inona koa no mbola haharihary amintsika? Ho hitantsika any aoriana ny valin’izany. Mitsahatra kely aloha ny fitsofana trompetra, fa izao kosa no hitan’i Jaona: “Ary nahita aho, ary nahare voromahery nanidina teny afovoan’ny lanitra, niantsoantso mafy hoe: ‘Loza, loza, loza ho an’izay monina eny ambonin’ny tany noho ny amin’ny feon’ny trompetra sisa efa hotsofin’ny anjely telo!’ ”—Apokalypsy 8:13.
42. Mety ho iza ilay voromahery manidina, ary inona no hafatra ambarany?
42 Nisy voromahery nanidina teny amin’ny lanitra, ka maro no nahita azy. Matsilo ny mason’izy io, ka mahatazan-davitra. (Joba 39:29) Tahaka ny voromahery manidina ny iray amin’ireo zavamananaina efatra na kerobima manodidina ny seza fiandrianan’Andriamanitra. (Apokalypsy 4:6, 7) Mety ho io kerobima io na mpanompo hafa mahatsinjo lavitra no manambara mafy ilay hafatra hoe: “Loza, loza, loza”! Mifandray amin’ny fitsofana ny trompetra telo farany ny tsirairay amin’ireo loza ireo. Aoka àry handinika ny mponin’ny tany rehetra!
[Fanamarihana ambany pejy]
a Asehon’ny Apokalypsy 7:16 kosa fa ankasitrahan’i Jehovah ny vahoaka be, ka tsy ho main’ny hafanana toy izany.
b Mpiandraikitra voahosotra eo anivon’ny fiangonana kristianina ireo kintana fito eny an-tanana havanan’i Jesosy. Anisan’ny vahoaka be anefa ny ankamaroan’ireo anti-panahin’ny fiangonana 100 000 eo ho eo eran-tany ankehitriny. (Apokalypsy 1:16; 7:9) Ahoana kosa ny amin’izy ireo? Notendren’ny fanahy masina tamin’ny alalan’ny mpanompo mahatoky sy malina izy ireo, ka azo lazaina hoe eny an-tanana havanan’i Jesosy, satria mpiandry lefitra eo ambany fifehezany. (Isaia 61:5, 6; Asan’ny Apostoly 20:28) Manampy ny “kintana fito” izy ireo, satria manompo any amin’ny toerana tsy misy anti-panahy voahosotra.
[Tabilao, pejy 139]
Mangidy ny Ranon’ny Kristianisma Anarana
Zavatra Inoan’ny
Kristianisma Anarana Izay Lazain’ny Baiboly
Tsy zava-dehibe ny anaran’Andriamanitra: Nivavaka i Jesosy mba
“Tena tsy mety amin’ny Eglizy Kristianina hohamasinina ny anaran’
eran-tany ... ny miantso an’ilay Andriamanitra. Hoy i Petera:
Andriamanitra tokana amin’ny “Izay rehetra miantso ny
anaran-tsamirery.” (Sasin-tenin’ny anaran’i Jehovah no hovonjena.”
Dikan-teny Mahazatra Nohavaozina, anglisy) (Asan’ny Apostoly 2:21; Joela 3:5;
Telo izay iray Andriamanitra: Milaza ny Baiboly fa i Jehovah
“Andriamanitra ny Ray, Andriamanitra ny dia lehibe noho i Jesosy, sady
Zanaka, ary Andriamanitra ny Fanahy Andriamanitr’i Kristy ary
Masina, nefa tsy Andriamanitra telo ireo lohan’i Kristy. (Jaona 14:28;
fa iray ihany.” (Ny Rakipahalalana Jn 20:17; 1 Korintianina 11:3) Hery
Katolika, anglisy, fanontana 1912) ampiasain’Andriamanitra ny
fanahy masina. (Matio 3:11;
Manana fanahy tsy mety maty ny olona: Tsy manana fanahy tsy mety maty
“Misaraka ny vatana sy ny fanahy, rehefa ny olona. Tsy mahatsapa na inona
maty ny olona. Mihasimba ... ny nofony na inona na mieritreritra
... Tsy maty mihitsy kosa ny fanahiny.” intsony ny maty, fa miverina ho
(Izay Mitranga Aorian’ny Fahafatesana, amin’ny vovoka izay nanaovana
anglisy, bokin’ny Katolika Romanina) azy. (Genesisy 2:7; 3:19;
Sazina any amin’ny afobe ny ratsy Fahafatesana no karama omen’ny
fanahy rehefa maty: “Ny afobe dia ota, fa tsy fampijaliana.
toeram-pijaliana sy fanaintainana tsy (Romanina 6:23) Tsy mahatsiaro
mety tapitra, araka ny finoan’ny tena ny olona ao amin’ny afobe
Kristianina.” (Ny Rakipahalalan’izao na fasana (Hadesy, Sheola), ary
Tontolo Izao, anglisy, fanontana 1987) miandry fananganana. (Salamo 89:48;
“Mihatra amin’i Maria Virjiny koa ilay I Jesosy ihany no mpanelanelana
teny hoe Mpanalalana.” (Rakipahalalana amin’Andriamanitra sy ny olona.
Katolika Vaovao, anglisy, fanontana 1967) (Jaona 14:6; 1 Timoty 2:5;
Tokony hatao batisa ny zazakely: “Efa Ireo efa nampianarina hankatò
hatramin’ny voalohany ny Eglizy no ny didin’i Jesosy no azo atao
nampiditra ny Sakramentan’ny Batemy batisa. Tsy maintsy mahalala
ho an’ny zazakely. Mety mihitsy izany, ny Tenin’Andriamanitra sy
sady tena ilaina mba hahazoana maneho finoana ny olona iray,
famonjena.” (Rakipahalalana Katolika vao azo atao batisa.
Vaovao, fanontana 1967) (Matio 28:19, 20;
Miavaka amin’ny mpivavaka tsotra Nitovy daholo ny Kristianina
ny mpitondra fivavahana, ao amin’ny fiangonana tamin’ny andron’ny apostoly,
maro. Matetika no karamaina ny mpitondra ary samy nitory ny vaovao tsara.
fivavahana noho izy ireo mitory teny, sady (Asan’ny Apostoly 2:17, 18;
omena anaram-boninahitra toy ny hoe Romanina 10:10-13; 16:1) Tokony
“Reverà”, “Mompera”, na “Kardinaly.” ‘hanome maimaim-poana’ ny
Kristianina, fa tsy
hokaramaina. (Matio 10:7, 8)
Noraran’i Jesosy mafy ny
fampiasana anaram-boninahitra
ara-pivavahana. (Matio 6:2;
Mampiasa sary masina sy lakroa ny Tsy maintsy andosiran’ny
mpivavaka: “Tokony ... hapetraka ao Kristianina ny karazana
am-piangonana sy hajaina ary fanompoan-tsampy rehetra,
homem-boninahitra ... ny sarin’i ... anisan’izany ny fampiasana
Kristy sy Maria Virjiny Renin’Andriamanitra, sary rehefa mivavaka.
ary ny olo-masina hafa.” (Fanambaran’ny (Eksodosy 20:4, 5;
Konsilin’i Trente [1545-1563]) 1 Korintianina 10:14;
1 Jaona 5:21) Mivavaka araka ny
fanahy sy ny fahamarinana izy
ireo, fa tsy amin’ny hitan’ny
maso. (Jaona 4:23, 24;
Ampianarina ny mpiangona fa ho tanteraka Nitory i Jesosy hoe ny Fanjakan’
amin’ny alalan’ny politika ny Andriamanitra no fanantenana
fikasan’Andriamanitra. Hoy ny Kardinaly ho an’ny olombelona, fa tsy
Spellman: “Amin’ny alalan’ny demokrasia fitondrana ara-politika.
ihany no hisian’ny fiadanana.” Lazain’ny (Matio 4:23; 6:9, 10) Tsy nety nanao
vaovao fa miditra amin’ny politika (sy politika izy. (Jaona 6:14, 15)
manongam-panjakana mihitsy) ny fivavahana, Tsy anisan’ity tontolo ity ny
sady manohana ny Firenena Mikambana, ka fanjakany, ka tsy anisan’ity
milaza fa io “no hany antenaina hitondra tontolo ity koa ny mpianany.
fifanarahana sy fandriampahalemana.” (Jaona 18:36; 17:16)
Nampitandrina i Jakoba fa tsy
tokony ho naman’izao tontolo
izao isika. (Jakoba 4:4)
[Sary, pejy 132]
Notsofina ireo trompetra fito rehefa avy novahana ireo tombo-kase fito
[Sary, pejy 140]
“Fanamby ho An’ny Mpitondra eo Amin’izao Tontolo Izao” (1922)
Fanapahan-kevitra navoaka mba hanambarana ireo loza hamelezan’i Jehovah ny “tany”
[Sary, pejy 140]
“Fampitandremana ny Kristianina Rehetra” (1923)
Fanapahan-kevitra navoaka mba hanambarana ny fanamelohan’i Jehovah ny “ampahatelon’ny ranomasina”
[Sary, pejy 141]
“Voampanga Ireo Mpitondra Fivavahana” (1924)
Taratasy mivalona naely, mba hampahafantarana fa naetry ireo “kintana” na mpitondra fivavahan’ny Kristianisma Anarana
[Sary, pejy 141]
“Hafatra Manome Fanantenana” (1925)
Fanapahan-kevitra natao hampiharihariana fa ao anaty haizina ny Kristianisma Anarana, ka tsy azo itokisana