Fitahian’Andriamanitra ho an’ny “hendry”
“Ary izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra; ary izay mamerina ny maro ho amin’ny fahamarinana dia ho tahaka ny kintana mandrakizay doria.” — DANIELA 12:3.
1. Taorian’ny niresahana ny amin’ny andro fahoriana tsy maintsy ho hitan’ireo mpamporisika hiady, foto-kevitra inona no noresahin’ilay anjely?
NY FAMINANIANA nolazain’ny anjely tamin’i Daniela dia nitondra antsika avy any amin’ny taonjato faha-4 alohan’ny fanisan-taona iraisana mankeo amin’ny Hara-Magedona. Nasehony fa Mikaela dia hitondra fiadanana amin’ny tany noho ilay hany fomba azo ampiasaina: ny fanafoanana ireo mpamporisika hiady. Rehefa avy nampiseho tamintsika io fahitana miavaka ara-paminaniana teo amin’ny Tantara io ilay anjely dia tonga teo amin’ny faminaniana ny amin’ny sasany amin’ireo fitahiana be dia be horaisin’ny olon’Andriamanitra “any am-parany”. — Daniela 10:14.
Fotoam-pananganana amin’ny maty
2. Amin’ny heviny ahoana moa no azo ilazana fa ny maty sasany dia ‘nifoha’ tatỳ “am-parany”?
2 Hoy ilay anjely tamin’i Daniela: “Ary maro amin’izay matory ao amin’ny vovoky ny tany no hifoha: ny sasany ho amin’ny fiainana mandrakizay, ary ny sasany ho amin’ny henatra sy ny latsa mandrakizay.” (Daniela 12:2). Ny “am-parany” dia toa fotoam-pananganana amin’ny maty, ka amin’izany no hatsangana ireo izay “matory ao amin’ny vovoky ny tany”. Ny anankiray tamin’ireny famohazana ireny dia nanomboka fotoana fohy taorian’ny nahatongavan’i Jesosy ho Mpanjaka tamin’ny 1914 (Matio 24:3). Tamin’ny fieritreretana izany fotoana izany no nanoratan’ny apostoly Paoly hoe: “Isika, izay velona ka mbola mitoetra mandra-pihavin’ny Tompo, dia tsy mba hialoha izay efa nodimandry tsy akory. (...) izay maty ao amin’i Kristy no hitsangana aloha.” (I Tesaloniana 4:15, 16; Apokalypsy 6:9-11). Rariny tokoa àry ny hieritreretana fa, fotoana fohy taorian’ny 1914, dia natsangan’i Jesosy ho amin’ny fiainana ara-panahy ireo anisan’ny “Isiraelin’Andriamanitra” izay maty tsy nivadika (Galatiana 6:16). Ho azy ireny, ny famohazana dia ho amin’ny “fiainana mandrakizay”.
3, 4. Tamin’ny heviny ahoana moa no hoe “maty” ny antokon’olona mpanompon’Andriamanitra nahatoky tamin’ny 1918?
3 Ny tenin’ny anjely anefa dia tsy isalasalana fa mahafaoka fananganana amin’ny maty hafa koa. Nandritra ny efapolo taona nialoha ny 1914, dia nisy antokon’olom-bitsy kristiana nampiomana an’izao tontolo izao fa io taona io dia hanamarika, araka ny naminanian’i Jesosy azy, ny fahataperan’ny andron’ny Jentilisa (Lioka 21:24). Ireny kristiana ireny dia namorona ny Watch Tower Tract Society tamin’ny 1884, ary namoaka ireo vokatry ny fikarohana nataony araka ny Baiboly tao amin’ny revio iray nantsoina hoe Ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona, Mpitondra hafatra momba ny fanatrehan’i Kristy.
4 Tamin’ny 1914, ny fahamarinan’ny hafatra nentin’ireny kristiana ireny dia voaporofo mafy rehefa nipoaka ny Ady Lehibe Voalohany ka nanomboka ny “fiandohan’ny fahoriana” nambaran’i Jesosy (Matio 24:7, 8). Na dia izany aza, dia nanararaotra ny fahataitairana nateraky ny ady ireo fahavalony ara-pivavahana mba hanenjehana azy ireny. Farany, tamin’ny 1918, dia saika nitsahatra ny asan’izy ireo ary nampidirina an-tranomaizina tsy ara-drariny ireo mpikambana nitondra tao amin’ny Fikambanana Watch Tower. Tao amin’ny toerana sasany dia nahafaly tokoa izany tarehin-javatra izany izay fahatanterahan’ilay faminaniana voasoratra ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy manao hoe: “Ary rehefa tanteraka ny filazany, dia hiady aminy kosa ilay bibi-dia miakatra avy amin’ny lavaka tsy hita noanoa ka haharesy sy hahafaty azy.” — Apokalypsy 11:7.
5, 6. Tamin’ny ahoana moa izay nitranga tamin’izany antokon’olona kristiana izany tamin’ny 1919 no nahatanteraka ny faminaniana nilazana fa ‘maro tamin’izay natory tao amin’ny vovoky ny tany no hifoha’?
5 Araka ilay faminaniana anefa, dia tsy “maty” mandrakizay akory izy ireny. “Ary rehefa afaka ny hateloan’andro sy tapany, dia nisy fanahin’aina avy tamin’Andriamanitra niditra tao anatin’ireo, ary nijoro tamin’ny tongony izy, ka raiki-tahotra indrindra izay nahita azy. (...) Dia niakatra ho any an-danitra tao anatin’ny rahona ireo; ary nahatsinjo azy ny fahavalony.” (Apokalypsy 11:11, 12; Ezekiela 37:1-14). Toa miharihary fa ara-panoharana ny fananganana azy ireo, satria raha natsangana ho amin’ny fiainana ara-panahy any an-danitra izy ireny, dia tsy ho nahita azy ireo fahavalony. Raha ny marina, izy ireny dia natsangana avy amin’ny tsy fiasana sahala amin’ny fahafatesana, ho amin’ny asa velombelona sy mampiseho zotom-po, izany dia hitan’ny mason’ireo izay niray tetika ny hanafoana azy. Tamin’ny 1919, dia nafahana avy tany an-tranomaizina ireo solontenan’ny Fikambanana Watch Tower, nalamina indray ny fitoriana ary hitan’izao tontolo izao ny fanombohan’ny fiezahana lehibe hanao fanambarana voalamina tsy mbola nisy toy izany mihitsy: ny foto-kevitra dia hoe ilay Fanjakana. — Matio 24:14.
6 Ara-panoharana àry, dia ‘maro tamin’izay natory tao amin’ny vovoky ny tany no nifoha’. Avy eo, nanomboka tamin’ny 1919, izany antokon’olon-bitsy Mpianatra ny Baiboly izany, tafafoha izao, dia nanomboka nitady sy nanangona ny sisa amin’ny rahalahin’i Jesosy, mba hanasiana tombo-kase ny isa fenon’ny 144 000 (Matio 24:31; Apokalypsy 7:1-3). Ireo izay nanaiky ny hafatra dia nanolo-tena ho an’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Kristy ka tonga anisan’ny fandaminana hita mason’i Jehovah eto an-tany. Nandray ny fanahy masina izay fanomezana maimaimpoana izy ireny ka nambara fa marina noho ny finoany ny sorom-panavotan’i Jesosy ary natsangan’Andriamanitra ho zanaka tamin’ny heviny ara-panahy. — Romana 8:16; Galatiana 2:17; 3:8.
7. Amin’ny ahoana moa ny fifohazan’ny anisan’ny voahosotra maro no “ho amin’ny fiainana haharitra mandrakizay”?
7 Ireo mpikambana voahosotry ny fanahy izay tsy mivadika hatramin’ny faran’ny fiainany eto an-tany dia manana fanantenana mafy orina ny ho any an-danitra izay hahitan’izy ireo an’i Jesosy Kristy (I Korintiana 15:50-53). Araka izany, ny fifohazan’izy ireny ara-panahy dia ho amin’ny fiainana mandrakizay. Na dia miaina eo amin’izao tontolo izao miady aza izy ireny dia manana fihavanana eo amin’izy samy izy mandritra ny fiainany eto an-tany (Romana 14:19). Ary ny mbola zava-dehibe kokoa ihany, izy ireny dia manana fihavanana amin’ny tenan’i Jehovah Andriamanitra mihitsy, manana ny “fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra”. — Filipiana 4:7.
Ny fifohazana “ho amin’ny henatra”
8, 9. Amin’ny heviny ahoana moa izany fifohazana ara-panahy izany no mety “ho amin’ny henatra sy ny latsa mandrakizay”?
8 Nahoana moa ny sasany no hifoha “ho amin’ny henatra sy ny latsa mandrakizay”? Satria tsy mijanona ho mahatoky daholo izay rehetra manaiky ny fanasana ho anisan’ny kilasin’ilay Fanjakana. Misy mamela ny finoany hihaosa ary tsy maneho fiaretana (Hebreo 2:1). Ny sasany aza nanjary nivadi-pinoana ary tsy maintsy noroahina tsy ho ao anatin’ny kongregasiona kristiana (Matio 13:41, 42). Jesosy dia nampitovy azy ireny tamin’ny “mpanompo ratsy fanahy” izay nosazin’ny Tompo “mafy dia mafy”, ka nomeny ny anjarany miaraka amin’ireo mpihatsaravelatsihy. “Any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.” — Matio 24:48-51, MN; Efesiana 4:18; 5:6-8.
9 Endrey izany fitondrantena mampidi-doza: nanaiky ny tombontsoa lehibe indrindra nety ho natolotra ny olombelona tsy tanteraka, kanefa nanda izany nony avy eo! Izao no nolazain’ny apostoly Paoly ny amin’ireo izay manao zavatra toy izany: “Fa izay efa nohazavaina indray mandeha sady efa nanandrana ny fanomezana avy any an-danitra sy efa nandray ny Fanahy Masina ary efa nanandrana ny teny tsaran’Andriamanitra sy ny herin’ny fiainana ho avy, nefa nihemotra, dia tsy azo havaozina indray ho amin’ny fibebahana, satria manombo ny Zanak’Andriamanitra indray amin’ny hazo fijaliana ka manao Azy ho fahamenarana.” (Hebreo 6:4-6). Noho izany, ny fifohazan’izy ireny dia miharihary fa “ho amin’ny henatra sy ny latsa mandrakizay”. Tsy manana fanantenana ny hiaina mandrakizay intsony izy ireny.
‘Mamirapiratra toy ny fanazavana izy ireny’
10. Iza moa ireo “hendry”, ary amin’ny heviny ahoana izy ireny no ‘mamirapiratra toy ny loharanom-pahazavana’?
10 Fa raha ny amin’ireo izay tsy mivadika hatrany kosa, dia izao no lazain’ny faminaniana ny amin’izy ireny: “Ary izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra; ary izay mamerina ny maro ho amin’ny fahamarinana dia ho tahaka ny kintana mandrakizay doria.” (Daniela 12:3). Mazava fa ireo “hendry” dia ny anisan’ny sisa mahatoky amin’ny kongregasionan’ny kristiana voahosotra, izay ‘nofenoina ny fahalalana tsara ny sitrapony amin’ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina rehetra’. Nahazo tanjaka avy amin’i Jehovah izy ireny ka manana ‘ny faharetana rehetra sy ny fandeferana amin’ny hafaliana, ary misaotra ny Ray, Izay mampahamendrika azy ireny hanana anjara amin’ny lovan’ny olona masina eo amin’ny mazava’. (Kolosiana 1:9, 11, 12.) Na dia ‘manarona ny tany aza ny aizina, ary manarona ny firenena ny aizim-pito’, nanomboka tamin’ny 1919 izy ireny dia ‘mamirapiratra toy ny fanazavana’ eo amin’ny olombelona (Isaia 60:2; Filipiana 2:15; Matio 5:14-16). ‘Mamirapiratra tahaka ny masoandro ao amin’ny fanjakan’ny Rainy’ izy ireny. — Matio 13:43.
11. Amin’ny heviny ahoana moa no ‘amerenan’ny hendry ny maro ho amin’ny fahamarinana’?
11 Amin’ny heviny ahoana moa no ‘amerenany ny maro ho amin’ny fahamarinana’? (Daniela 12:3.) Noho ny fanambarana nataony tamim-pahatokiana, ireo mpikambana farany amin’ny Isiraely ara-panahy dia nangonina sy nambara fa marina ho amin’ny fiainana any an-danitra. Afa-tsy izany koa, dia niseho ny olona betsaka anisan’ny “ondry hafa” ka nirohotra nanatona ny fahazavan’i Jehovah hita taratra teo amin’ny ‘firenen’i Daniela’. (Jaona 10:16; Zakaria 8:23.) Niaraka an-tsitrapo tamin’ny sisa voahosotra ireny “ondry hafa” ireny teo amin’ny fitoriana ny “vaovao tsara”. (Matio 24:14, MN; Isaia 61:5, 6.) Maneho finoana ny ra nalatsak’i Jesosy Kristy koa izy ireny, hany ka ambara fa marina mba hanana fisakaizana amin’Andriamanitra (Apokalypsy 7:9-15; jereo Jakoba 2:23). Raha tsy mivadika hatramin’ny farany izy ireny, dia ho “voasoratra ao amin’ny boky” foana ny anarany. Araka izany, dia afaka manantena ny ho tafita velona izy ireny amin’ny fotoam-pahoriana hahatsiravina indrindra tamin’izay rehetra namely ireo firenena. — Daniela 12:1; Matio 24:13, 21, 22.
“Hamirapiratra (...) mandrakizay doria” izy ireny
12, 13. a) Ahoana no mety hahatonga ny “hendry” ‘hamirapiratra mandrakizay’? b) Amin’ny fomba hafa inona koa moa no ‘hamerenany ny maro ho amin’ny fahamarinana’?
12 Hoy ilay anjely tamin’i Daniela: “Izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra (...) tahaka ny kintana mandrakizay doria.” (Daniela 12:3). Koa satria ho faty izy ireny amin’ny farany, ahoana no hahafahan’ireo anisan’ny sisa voahosotra hamirapiratra mandrakizay? Amin’ny fanohizana ‘mamirapiratra’ na dia aorian’ny fahafatesany aza. Nampiseho azy ireny tao amin’ny toerany any an-danitra i Jesosy, ka nanambara toy izao ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy: “Ary ny seza fiandrianan’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry ho eo aminy; ary ny mpanompony dia hanompo Azy ka hahita ny tavany, ary ny anarany dia ho eo amin’ny handriny. Ary tsy hisy alina intsony; ary tsy mba mila fahazavan’ny jiro na fahazavan’ny masoandro izy; fa ny Tompo Andriamanitra no hanazava azy; ary hanjaka mandrakizay mandrakizay izy.” — Apokalypsy 22:3-5.
13 Eny, ireny ho tafatsangana amin’ny maty ireny dia hanjaka tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra, “mandrakizay mandrakizay”. Hitondra soa lehibe ho an’ny olombelona ny famirapiratany (Apokalypsy 14:13). “Jerosalema vaovao” no iantsoan’ny bokin’ny Apokalypsy azy ireny, ary izao no lazainy ny amin’izany: “Ary ny tanàna tsy mba mila ny masoandro na ny volana hamirapiratra aminy; fa ny voninahitr’Andriamanitra no nanazava azy, ary ny Zanak’ondry no fanazavana azy. Ary ny firenena maro no handeha amin’ny fahazavany; ary ny mpanjakan’ny tany dia mitondra ny voninahiny ao anatiny.” (Apokalypsy 21:2, 9, 23, 24). Hiezaka ireo ho tafatsangana amin’ny maty mba hampihatra ny soa avy amin’ny sorom-panavotan’i Jesosy ho fikendrena ny “fanasitranana ny firenena maro”. (Apokalypsy 22:2.) Amin’ny faran’ny Fanjakana arivo taona, rehefa ho nanandratra ny olombelona mahatoky ho amin’ny fahatanterahana i Jesosy sy ireo mpanjaka sady mpisorony 144 000, dia ho azo atao ny hilaza fa ho nitondra “maro ho amin’ny fahamarinana” izy ireo. Aorian’ny fitsapana farany, ny olombelona tafaverina ao amin’ny toe-piainany tamin’ny voalohany dia hahaforona fitambaran’olona tanteraka izay hiaina mandrakizay eo amin’ny tany voaova ho paradisa (Apokalypsy 20:7-10; Salamo 37:29). Amin’izany fomba izany, ireo vokatra hita mason’ny voninahitry ny ‘firenen’i Daniela’ any an-danitra dia ho tsapa koa “mandrakizay doria”.
Fitsanganana hafa
14. Iza koa moa no hahatanteraka ny faminaniana ilazana fa “maro amin’izay matory ao amin’ny vovoky ny tany no hifoha’?
14 Ny tenin’ny anjely àry dia mitondra antsika lavitra kokoa noho ny andro tokony ‘hitsanganan’i’ Mikaela ka tsy maintsy hitrangan’ny “andro fahoriana” mbola tsy nisy toy izany mihitsy: izany dia mampiditra antsika ao anatin’ny fandehan-javatra vaovao. Afa-tsy izany koa, ireo olona ho tafita velona amin’izany “andro fahoriana” izany dia tsy ho ny hany handray ny fitahiana hampitain’ireo izay mamirapiratra “tahaka ny kintana”. Fony izy teto an-tany, dia nanambara toy izao i Jesosy olona: “Avy ny andro izay handrenesan’ny olona rehetra any am-pasana [am-pasana fahatsiarovana, MN ] ny feony; dia hivoaka izy: izay nanao tsara dia ho any amin’ny fitsanganana ho fiainana; fa izay nanao ratsy kosa dia ho any amin’ny fitsanganana ho fahamelohana.” (Jaona 5:28, 29). Ireo teny ireo dia manondro fananganana ny maty amin’ny heviny ara-bakiteny. Koa izany fananganana olombelona amin’ny maty izany dia hahatanteraka, saingy amin’ny heviny malalaka kokoa, ireto tenin’ny anjely ireto: “Ary maro amin’izay matory ao amin’ny vovoky ny tany no hifoha.” — Daniela 12:2.
15. Inona no tokony hataon’ireo izay hatsangana amin’izany fotoana izany mba hahatonga ny fifohazany “ho amin’ny fiainana mandrakizay”?
15 Ny tenan’i Daniela koa dia ho anisan’ireo izay hahita izany fifohazana izany. Izao tokoa no nolazain’ny anjely taminy: “Fa mandehana hianao mandra-pihavin’ny farany; fa hitsahatra [hatory ao amin’ny fahafatesana] hianao ka hitsangana ho ao amin’ny anjaranao amin’ny andro farany.” (Daniela 12:13). Ireo izay, sahala amin’i Daniela, hatsangana amin’izany fotoana izany, ka handray tsara ny fanompoana hampiharin’i Jesosy sy ireo rahalahiny avy any an-danitra, dia hasandratra ho amin’ny fahatanterahan’olombelona; rehefa ho avy nandresy tamin’ny fitsapana farany izy ireny, dia ho voasoratra haharitra ao amin’ny bokin’ny fiainana ny anarany (Apokalypsy 20:5). Ny fifohazan’izy ireny koa dia “ho amin’ny fiainana mandrakizay”.
16. Ao anatin’ny fandehan-javatra vaovao, ny fifohazan’iza no hiharihary fa ho amin’ny “latsa mandrakizay”?
16 Tsy ho mora handray ny fanompoan’i Jesosy daholo anefa ny rehetra. Ny sasany dia azo inoana fa hanandrana hampiditra indray ireo fanao izay nanaisotra tamin’ny olombelona ny fiadanana hatramin’ny ela be tokoa. Tsy manadino ny mampiomana ny olona toy izany anefa ny Baiboly: “Fa ny osa sy ny tsy mino sy ny vetaveta sy ny mpamono olona sy ny mpijangajanga sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin’ny farihy mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa.” (Apokalypsy 21:8). Izany “fahafatesana faharoa” izany dia ho fanamelohan’i Jehovah mivantana tsy hahitana fananganana amin’ny maty. Mampiseho ny fanadinoana mandrakizay izany. Ireo hatsangana amin’ny maty izay tsy hanaiky ireo fandaharana natao ho amin’ny famonjena azy dia hahita fahafatesana faharoa; noho izany antony izany, ny fifohazan’izy ireny dia “ho amin’ny henatra sy ny latsa mandrakizay”. — Daniela 12:2.
“Hitombo ny fahalalana marina”
17. Ahoana no ahafantarantsika fa nosoratana indrindra ho an’ny androntsika ny faminaniana momba ny mpanjakan’ny avaratra sy ny mpanjakan’ny atsimo?
17 Rehefa avy eo ilay anjely dia nanome an’i Daniela torohevitra hoe: “Ary hianao, ry Daniela, dia ahoroninao ny teny, ka asio tombo-kase ny taratasy mandra-pihavin’ny andro farany; maro no hazoto mandinika, ka hitombo ny fahalalana [fahalalana marina, MN ].” (Daniela 12:4). Mendrika ny hoheverintsika ireo teny ireo. Na dia nanomboka ho tanteraka aza ilay faminanian’ny anjely momba ny mpanjaka roa, 2 300 taona teo ho eo izay, dia tsy tena azo ny heviny raha tsy amin’ny “andro farany”, ary indrindra fa nanomboka tamin’ny 1919. Tamin’izany andro izany, dia ‘maro no nazoto nandinika’ tao amin’ny Baiboly, ary azo lazaina hoe nitombo ny fahalalana marina. Miaina amin’ny fotoana anomezan’i Jehovah fahalalana ny manan-tsaina isika izao.
18. a) Tapany lehibe inona avy amin’io faminaniana io no tanteraka amin’izao fotoana izao na madiva ho tanteraka? b) Mahatonga antsika ho afaka hanaraka fihetsika voalanjalanja inona izany?
18 Koa satria tapany maromaro amin’io faminaniana io no efa tanteraka tao anatin’ny taonjato maro, dia vao mainka isika mino kokoa ihany ny fahatanterahan’ireo tapany hafa (Josoa 23:14). Araka ny nolazain’ny anjely mialoha, ankehitriny izao tontolo izao dia isehoan’ny ady mirehitra eo amin’ny mpanjakan’ny avaratra sy ny mpanjakan’ny atsimo. Ary ny faminaniana dia manambara ho amin’ny ho avy, fotoana mbola mampidi-doza kokoa ihany. Izany dia manampy antsika hiaro ny fijoroantsika ka tsy hanaiky ho voataonan’ny fampielezan-kevitry ny anankiray amin’ireo mpanjaka ireo. Ilaintsika izao ny manatanjaka ny fitokisantsika an’i Jehovah. Aoka tsy hohadinointsika fa ‘Mikaela, andriana lehibe, dia miaro’ ny olon’Andriamanitra. Ny hany lalam-pamonjena ho antsika dia ny fanekena ny Fanjakan’Andriamanitra sy Kristy Jesosy. — Asan’ny apostoly 4:12; Filipiana 2:9-11.
19. Inona moa no maha-zava-dehibe ho an’ny tsirairay avy amintsika ny tenin’ny anjely nampitaina tamin’i Daniela?
19 Noho izany, dia mifikira hatrany amin’ireo “hendry” izay ‘mamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra’. Marisiha hatrany amin’ny fiasana ho an’ny Fanjakan’Andriamanitra (I Korintiana 15:58; Romana 15:5, 6). Ampitomboy ny fitiavanao ny Teny fahamarinana avy amin’Andriamanitra ary ankamamio lalina ny fiadanana manjaka dieny izao eo anivon’ny fandaminany (Salamo 119:165; Efesiana 4:1-3; Filipiana 2:1-5). Araka izany, rehefa “hitsangana” i Mikaela mba hanorotoro ireo fahavalon’i Jehovah, enga anie ianao mba ho hita ho anisan’ireo izay ho afa-mandositra, miaraka amin’ny mpanompon’Andriamanitra rehetra izay hanana ny anarany ho “hita voasoratra ao amin’ny boky”!
Afaka mamaly ve ianao?
◻ Nahoana no azo atao ny milaza fa ‘maro amin’ireo izay natory tao amin’ny tany’ no efa tafafoha?
◻ Ahoana no nety ho nisehoan’izany ‘fifohazana’ izany “ho amin’ny henatra”?
◻ Amin’ny heviny ahoana moa ny “hendry” no hoe mamirapiratra tahaka ny loharanom-pahazavana sy mitondra ny maro ho amin’ny fahamarinana?
◻ Ahoana koa no hahatanterahan’ireo teny mahakasika ny ‘fifohazan’ireo izay matory ao amin’ny tany’?
◻ Ahoana no ahatanterahan’ny Daniela 12:4?
[Sary, pejy 23]
Nanomboka tamin’ny 1919, ireo hendry dia manome taratry ny fahamarinana mahavonjy.
[Sary nahazoan-dalana]
Photo NASA