666—Tsy Ankamantatra Fotsiny
“Tsy hisy hahazo hividy na hivarotra, afa-tsy izay nanana ilay marika, dia ny anaran’ilay bibidia na ny isa manondro ny anarany. Eto no ilana fahendrena: Aoka izay mahira-tsaina hanao kajy ilay isa manondro ny bibidia, fa isa nataon’olombelona izany. Ilay isa dia enina amby enimpolo sy eninjato.”—Apokalypsy 13:17, 18.
VITSY ny foto-kevitra ara-baiboly tena mahaliana sy mampanahy ny olona mihoatra noho ilay faminaniana momba ny 666. Marika na anarana mifono mistery nomena ilay “bibidia” izy io. Be dia be ny tombantombana efa natao momba an’io marika io, na tao amin’ny televiziona, na Internet, na sarimihetsika, na boky.
Misy mino fa marika famantarana ilay antikristy ao amin’ny Baiboly ny 666. Ny sasany indray milaza azy io ho famantarana tsy maintsy ananan’ny olona iray, toy ny tatoazy na fitaovana kely elektronika apetaka amin’ny vatana, ka mampahafantatra azy ho mpanompon’ilay bibidia. Misy koa mino fa ny Papa katolika ilay 666. Anisan’ny anaram-boninahitry ny Papa mantsy ny hoe Vicarius Filii Dei (Solontenan’ny Zanak’Andriamanitra), ka ireo litera ireo no soloan’izy ireo tarehimarika romanina, ary asiany fanamboarana kely, ka manome 666. Misy koa milaza fa manome an’io isa io ny anaran’i Dioclétien Emperora Romanina, raha atao amin’ny teny latinina, ary toy izany koa ny hoe Néron Kaisara, raha atao amin’ny teny hebreo.a
Samy hafa be amin’izay lazain’ny Baiboly anefa izany fanazavana noforomporonina izany, araka ny ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka. Ambaran’ny Baiboly fa hiharan’ny fahatezeran’Andriamanitra ireo misy an’io marika io, rehefa hofaranany ity tontolo ity. (Apokalypsy 14:9-11; 19:20) Tsy fitadiavana valin’ankamantatra mahaliana fotsiny àry ny fahazoana ny hevitry ny 666. Soa ihany fa tsy navelan’i Jehovah Andriamanitra ho maizina amin’ny mpanompony io raharaha lehibe io, satria fitiavana izy sady Loharanon’ny fahazavana ara-panahy.—2 Timoty 3:16; 1 Jaona 1:5; 4:8.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ny Mifohaza! (frantsay) tamin’ny 8 Septambra 2002, mba hahitana fanazavana momba ny hevitra fonosin’ny tarehimarika.