Ny Fibebahana Izay Mitaona Indray ho Amin’Andriamanitra
MOA VE MIBEBAKA IZY?
13 Ny anankiray amin’ireo zava-manahirana tena sarotra mipetraka amin’ireo loholona rehefa mikarakara raharaha ara-pitsarana izy ireo, dia ny mamantatra raha mampiseho fibebahana marina ilay nanota. Tsy tokony hitsara fotsiny amin’ny endrika ivelany izy ireo. Sady tsy afaka mamaky izay ao am-po koa izy ireo, ka tokony hampiseho fahaiza-manavaka, fandanjalanjana sy fahendrena raha ny amin’ny famantarana ny halehiben’ny heloka, ny fanavahana ny fifandraisan’izany amin’ny lalàn’Andriamanitra ary ny fanombanana izay lazina sy ataon’ilay nanota.
14 Tsy tokony ho mailaka hantsoaka hevitra ny amin’ny fibebahana ny loholona. Nahoana? Satria raha diso hevitra ny amin’ny fibebahan’ny mpanota iray izy ireo, dia mety hitondra fahavoazana ho an’ny andian’ondry rehetra. Aoka hojerentsika kosa ny ohatra ara-baiboly ny amin’ny mpikambana iray tao amin’ny kongregasionan’i Korinto, izay nahavita heloka lehibe. Rehefa avy nanda azy nandritra ny fotoana sasany ny kongregasiona, dia tafaverina indray izy noho ny fibebahany tamim-pahatsorana. Ahoana hatramin’izao ny ho fifandraisan’ny rahalahy aminy? Noho ny fananana toky fa tena nibebaka tokoa ilay diso, dia namporisihina izy ireo mba “hamela heloka sy hampifaly azy kosa”, mba “horaisina [horaisin’izy ireo] tsara amin’ny fitiavana izy”. (II Kor. 2:6-8.) Toy izany koa amin’izao andro izao, rehefa nanapa-kevitra ny komity iray fa nibebaka ny mpanota iray. Nefa raha diso hevitra ny loholona ka mamerina eo anivon’ny kongregasiona indray ny meloka izay tsy tena nibebaka, dia hampidi-doza ny fahadiovana ara-pitondrantena sy ara-panahin’ny andian’ondry rehetra izy ireo. — I Kor. 5:6.
15 Inona ireo marika azon’ny komity jerena mba hamantarany raha nibebaka marina tokoa ilay nanota? Ny olona iray nibebaka dia tsy manandrana manamaivana na manamarina ny fitondrantenany ratsy. Ekeny ao an-tsainy ny ratsy nataony ka mahatsiaro fanenenana lalina ao am-pony izy noho ny nanotany tamin’Andriamanitra (Jer. 3:25; Asa. 3:19). Ireo loholona mikarakara izany raharaha izany àry dia tokony hamantatra tsara ny fisian’ny fanenenana na alahelo toy izany eo amin’ilay diso.
16 Ireo loholona dia angamba tokony hanavaka ny “alahelon’izao tontolo izao” amin’ny “alahelo araka an’Andriamanitra [izay] miasa fibebahana ho famonjena”. (II Kor. 7:10.) Ny olona iray nanota dia mety hahatsiaro alahelo satria voaràtra tamin’ny hambom-pony, menatra fa nampangaina na malahelo satria tsy maintsy hizaka famaizana. Izany “alahelon’izao tontolo izao” izany anefa dia tsy nilaza fa ilay meloka dia malahelo noho ny nanotany na nanalany baraka an’Andriamanitra sy ny vahoakany, araka ny takin’ny “alahelo araka an’Andriamanitra”. Na dia nandrotsa-dranomaso taorian’ny namoizana ny fizokiany aza Esao, dia fantatr’i Jehovah fa tsy tena nibebaka tao am-pony izy. Raha toa ny kristiana meloka ny amin’ny fahotana lehibe iray ka mitomany, ireo loholona àry dia tokony hanandrana hamantatra raha toa izany fisehoan’ny “alahelo araka an’Andriamanitra”. Mety ho izany ny toe-javatra. Aoka hotadidiantsika fa tamin’ny andron’i Ezra, ny Jiosy dia “nitomany mafy dia mafy tokoa” rehefa nahare ny vavak’ilay mpandika soratra tamin’ny fony tokoa, tamin’Andriamanitra, noho ny fahotan’izay ireo, sy ny nitomanian’ny apostoly Petera mafy indrindra rehefa avy nanda an’i Jesosy izy. — Gen. 25:29-34; 27:34; Ezra 10:1; Lioka 22:59-62.
17 Ireny ohatra ara-baiboly ireny dia mampiseho hoe nahoana ny loholona no tsy afaka mitsara fotsiny amin’ny fisehoan’ny fihetseham-po. Tsy ary mitovy ny toe-po sy ny fifehezan-tenan’ny olona rehetra. Noho izany, na mitomany na tsia ilay meloka, ny zava-dehibe dia ny hoe tohina ny fony, mahatsiaro alahelo fatratra izy, manenina lalina ny amin’ny nanotany tamin’i Jehovah sy nanimbany ny fifandraisany taminy (Sal. 51:1-4). Sahala amin’izany koa, ny loholona dia tsy isalasalana fa hanao izay hahalalana raha toa ilay meloka ka niaiky ny helony tamin’i Jehovah tao amin’ny vavaka sy nitady famelana tamin’Andriamanitra, toy ny nataon’i Davida fahiny. — Sal. 32:3-5; 41:4; Jer. 31:19.
18 Raha tonga tamin’ny nahim-pony niaiky ny fahadisoany tamin’ny “loholon’ny kongregasiona” ilay meloka, dia mety ho marika sarobidy ny amin’ny toe-pony izany (Jak. 5:14, 16). Nefa angamba mety ho tsy niaiky an-tsitrapo ny helony izy ka nilaina ny hanomezana porofo sy filazan’ny vavolombelona mba hanaporofoana ny fahadisoany. Amin’izany toe-javatra izany, dia mbola azo atao (mandritra ny fivoriana) ny mampiverina azy sy hiekeny ny fahotany (jereo ny fibebahan’i Davida rehefa avy nanota tamin’i Batseba, araka ny II Samoela 12:1-13). Ny komity anefa dia hitandrina indrindra raha tsy maintsy nanarina ela ilay diso, izay izy vao nanomboka nampiseho fibebahana sasany. Ireo loholona dia tokony hiaiky marina fa nanova ny toe-pony ilay meloka ka nahatsiaro faniriana ny hanarina haingana ny ratsy vitany sady nandray fanapahan-kevitra hentitra tsy hamerina ny asa ratsiny intsony amin’ny ho avy. — II Kor. 7:10, 11; Apok. 3:19.
19 Tokony halahelo noho ny nanalany baraka ny kongregasionan’Andriamanitra ny meloka iray. Rehefa nanota tamin’ny fandidiana ny fanisam-bahoaka i Davida, ka fantany ny fahadisoany, dia niaiky ny haben’ny fahadalany izy. Nahita ny vokatra mahonenan’ny fihetsiny tamin’ny firenena iray manontolo izy ka niantsoantso hoe: “Indro, izaho no efa nanota, ary izaho no efa nanao ratsy; fa ireo ondry ireo kosa, inona moa no mba nataony?” (II Sam. 24:10, 17). Moa ve ilay nanota koa mampiseho fanenenana lalina noho ny fanalam-baraka, ny fahasahiranana sy ny alahelo nentiny ho an’ny kongregasiona?
“ASA MIENDRIKA NY FIBEBAHANA”
20 Mampirisika ny olona ‘hibebaka sy hiverina amin’Andriamanitra ary hanao asa mendrika ny fibebahana’ ny apostoly Paoly. (Asa. 26:20) Nibebaka noho izy ireo nanambady vehivavy hafa firenena ny jiosy tamin’ny andron’i Nehemia, ka nanao zavatra hentitra. (Neh. 9:1, 2; ampitahao amin’ny Jona 3:5-10.) Amin’ny raharaha ara-pitsarana iray àry, dia hiezaka hahazo antoka ny anti-panahy fa mamoa “voa miendrika ny fibebahana” ilay nanao fahotana lehibe.—Matio 3:8.
21 Niaiky ny fahotany ve izy, ka nangataka famelan-keloka, raha nanota tamin’ny olona iray? Ohatra, raha nanitsakitsa-bady izy, niaiky ny fahadisoany tamin’ny vadiny ve izy, ka nangataka famelan-keloka taminy? Na raha namitaka olona izy, nanao zavatra ve izy mba hanonerana ny ratsy vitany? Mety tsy ho afaka hikosoka ny fahavoazana rehetra vokatry ny nataony izy amin’ny tarehin-javatra sasany, kanefa aharihariny ve fa manao zavatra izy mba hanonerana izany? (Lioka 19:8) Ny zava-dehibe dia hoe inona no nataon’ilay olona mba hamoazana “voa miendrika ny fibebahana”?
22 Mety ho vokatry ny tsy firaharahana ny torohevitry ny Soratra Masina ilay ota. Angamba nitarika azy hijangajanga ny fiarahany niala voly matetika tamin’ny mpiara-miasa aminy eo amin’izao tontolo izao. Najanony ve ny fiarahana amin’izy ireo? (Ohab. 13:20; 1 Pet. 4:3, 4) Ankoatra izany, moa ve izy miezaka miara-mivory tsy tapaka amin’ny vahoakan’i Jehovah, sy mampiseho fa maniry hanaraka ny fivavahana madio ka hidera an’Andriamanitra? Tsy ampy hamaritana ny fibebahan’ny mpanota iray ireo “voa” ireo, raha raisina tsirairay. Ataon’ny anti-panahy azo antoka fa manana fifaneraserana tsara izy, manatrika ireo fivoriana kristianina, ary mazoto eo amin’ny fanompoana eny amin’ny saha. Manao izany izy ireo, satria manaiky fa tokony hisy “asa miendrika ny fibebahana”, araka ny nolazain’Andriamanitra.
23 Tena tokony ho sarotiny amin’ny fahadiovan’ny fiangonana ny komitim-pitsarana, ka hitandrina mafy, indrindra raha zatra nanao fahotana lehibe niafina nandritra ny fotoana maharitra ilay nanao ratsy. Marina koa izany raha olona niverimberina nanota sy nibebaka no iresahan’izy ireo. Mety ho nanao ratsy imbetsaka izy, nefa toa nampiseho fibebahana foana, ka nomena fananarana ary navela hijanona eo anivon’ny fiangonana. Nanota indray anefa izy izao. Ataon’ny anti-panahy ao an-tsaina koa izay hahasoa ny andian’ondry amin’ny toe-javatra toy izany. Tsy maintsy dinihin’izy ireo tsara àry raha tena hita eo amin’ny fiainan’ilay nanao ratsy fa mamokatra “voa miendrika ny fibebahana” tokoa izy na tsia. Tsy nasehony tamin’ny fomba fiainany tokoa ve fa tena mampiahiahy ny maha anisan’ny fiangonan’ Andriamanitra azy?—Sal. 119:104; Rom. 12:9.
24 Indraindray lasa mafy fo na manjary mamaly foana ilay nanota, ary tsy tena maneho fibebahana, na dia eo aza ny ezaka amim-pahatsorana sy amim-paharetana ataon’ireo anti-panahy. (Mpit. 8:11) Tsy voatery hihaona matetika amin’ny karazan’olona toy izany izy ireo, toy ny hoe hitalaho na hiangavy azy hibebaka. Mety hihevitra koa anefa izy ireo indraindray fa mila mihaona amin’ilay nanao ratsy, raha mbola tsy tena miharihary ny fihetseham-pony, ny antony manosika azy sy ny fibebahany. Omena fotoana hivavahana sy hisaintsainana momba ilay resaka ara-baiboly nifanaovana taminy izy, ka mety hiharihary avy eo raha tena mibebaka izy na tsia.
[Loharanon-kevitra]
Fehintsoratra 13-24 ihany (Fehintsoratra 20-24 nohavaozina)