Fiandrasana Amim-paharetana An’i Jehovah Nanomboka Tamin’ny Fahatanorako
NOTANTARAIN’I RUDOLF GRAICHEN
Tsy hitahita akory, dia nisy loza amin’antambo namely ny fianakaviako, fony aho vao 12 taona monja. Voalohany aloha, dia naiditra am-ponja ny raiko. Avy eo dia nentina an-keriny niala tao an-trano izaho sy ny anabaviko ka nalefa hiara-mipetraka tamin’ny olon-tsy fantatra. Tatỳ aoriana, dia nosamborin’ny Gestapo izaho sy ny reniko. Izaho moa dia lasa tany am-ponja fa izy kosa niafara tany amin’ny toby fitanana.
TSY inona akory izany fisehoan-javatra nifampitohitohy izany fa vao fiandohana fotsiny ihany tamin’ny vanim-potoam-panenjehana nampahory nozakaiko tao anatin’ny fahatanorako, amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah ahy. Niezaka handrava ny tsy fivadihako tamin’Andriamanitra ny Gestapo nazia nalaza ratsy, ary avy eo koa ny Stasi tany Alemaina Atsinanana. Ankehitriny, taorian’ny 50 taona nanolorako ny tenako hanompo azy, dia afaka milaza toy ny mpanao salamo toy izao aho: “Mafy ny nampahoriany ahy hatry ny fony aho mbola tanora; nefa tsy naharesy ahy izy.” (Salamo 129:2). Velom-pankasitrahana an’i Jehovah toy inona moa aho!
Teraka tamin’ny 2 Jona 1925, tao amin’ny tanàna kelin’i Lucka, any akaikin’i Leipzig, any Alemaina, aho. Na dia talohan’ny hahaterahako aza, i Alfred sy i Teresa, ray aman-dreniko, dia niaiky fa nirakitra fahamarinana ao amin’ny Baiboly ireo zavatra vita an-tsoratry ny Mpianatra ny Baiboly, araka ny nahafantarana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany. Tadidiko ny nijereko isan’andro an’ireo sary nilazalaza foto-kevitra ara-baiboly, izay nihantona teo amin’ny rindrin’ny tranonay. Ny sary iray dia nampiseho amboadia sy zanak’ondry, zanak’osy sy leoparda, zanak’omby sy liona — mihavana avokoa, ka zazalahy kely no mandroaka azy. (Isaia 11:6-9). Nisy akony maharitra tao an-tsaiko ireny sary ireny.
Tamin’ny fotoana rehetra nahafahany nanao izany, dia nampiditra ahy tamin’ireo asan’ny kongregasiona ireo ray aman-dreniko. Ohatra, tamin’ny Febroary 1933, andro vitsivitsy monja taorian’ny nandraisan’i Hitler ny fahefana, dia naseho tao amin’ilay tanàna kely nisy anay ny “Photo-Drame de la création” — nisy sary diapositives sy sarimihetsika ary fitantarana noraisina feo. Nientam-po erỳ aho, zazalahy kely vao fito taona monja, namakivaky ny tanàna, tao amin’ny fitoerana aoriana amin’ny kamiaonety, ho fandraisana anjara tamin’ny filaharambe natao hampahafantarana ilay “Photo-Drame”! Tamin’io fotoana io sy tamin’ny fotoana hafa, dia nanao izay hahatsapan’ny tenako ho toy ny mpikambana ilaina ao amin’ny kongregasiona ireo rahalahy, na dia teo aza ny naha-zaza ahy. Koa hatry ny fony aho mbola tena kely àry dia efa nampianarin’i Jehovah aho ary nisy heriny teo amiko ny Teniny.
Nofanina hitoky tamin’i Jehovah
Noho ny tsy fomban’ny Kristiana ny atsy na ny aroa tamin’ny fomba hentitra, dia tsy voarohirohy tamin’ny politika nazia ny Vavolombelon’i Jehovah. Ho vokany, tamin’ny 1933, ny Nazia dia nandany lalàna izay nandrara anay tsy hitory sy tsy hivory ary tsy hamaky ny zavatra vita an-tsoratray mihitsy aza. Tamin’ny Septambra 1937, ny rahalahy rehetra tao amin’ny kongregasionanay, anisan’izany ny raiko, dia nosamborin’ny Gestapo. Nalahelo be aho noho izany. Voasazy dimy taona an-tranomaizina ny raiko.
Nanjary tena sarotra ny toe-javatra, ho anay tao an-trano. Nianatra haingana hitoky tamin’i Jehovah anefa izahay. Indray andro, rehefa nody avy nianatra aho, dia teo am-pamakiana Ny Tilikambo Fiambenana ny reniko. Naniry hanao sakafo maivana ho ahy izy ka napetrany teo ambony vata kely iray fasiana sakafo ilay gazety. Taorian’ilay sakafo, raha mbola nanaisotra ireo lovia izahay, dia nisy nandondòna mafy tao am-baravarana. Polisy naniry hisava ny tranonay ilay izy, mba hahitana raha nisy zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly tao aminay. Natahotra be aho.
Nafana tsy toy ny nahazatra ny andro tamin’izay. Koa ny zavatra voalohany indrindra nataon’ilay polisy, dia ny nanala ny satrony ka nametraka azy io teo ambony latabatra. Nanao ny fisavany tamin’izay izy nony avy eo. Raha teo am-pijerena ny tao ambany latabatra izy, dia nanomboka nikorisa ilay satrony. Koa nalain’ny reniko haingana ilay satroka ary napetrany teo ambonin’ilay vata fasiana sakafo, teo ambonin’ilay Tilikambo Fiambenana indrindra! Nanao sava hao ny tranonay ilay polisy saingy tsy nahita zavatra vita an-tsoratra na inona na inona. Mazava ho azy fa tsy noeritreretiny mihitsy ny hijery tao ambanin’ny satrony. Rehefa vonona ny handeha izy, dia ningonongonona teny fialan-tsiny tamin’ny reniko, no sady nanakatra naka ilay satrony tao an-damosiny. Maivamaivana erỳ aho!
Ny zavatra niainana toy izany dia nanomana ahy ho amin’ny fitsapana sarotra kokoa. Ohatra, tany an-tsekoly dia noterena hanatevin-daharana ny fikambanan’ny Tanora Hitleriana aho. Tao dia novolavolaina araka ny lalàm-pifehezan’ny miaramila ny ankizy ary nosasana atidoha tamin’ny filozofia nazia. Ny mpampianatra sasany dia nanana tanjona manokana ny hahatratra 100 isan-jato teo amin’ny fandraisana anjaran’ny mpianatra. I Herr Schneider, ilay mpampianatra ahy, dia tsy maintsy ho nahatsapa fa tsy nahomby tanteraka izy satria, tsy sahala amin’ny mpampianatra hafa rehetra tao amin’ny sekolinay izy, fa latsaka mpianatra iray ny azy ny fandraisana anjara 100 isan-jato. Izaho io mpianatra io.
Indray andro, dia nanambara toy izao tamin’ny kilasy manontolo i Herr Schneider: “Handeha kely hivoaka ny sekoly isika rahampitso, ry zalahy a!” Tian’ny rehetra izany hevitra izany. Nanampy teny toy izao izy avy eo: “Tokony hanao ny fanamianareo Tanora Hitleriana daholo ianareo, hany ka rehefa miara-dia mamakivaky ny arabe isika, dia ho hitan’ny rehetra fa ankizilahy hitleriana tsara taiza ianareo.” Ny ampitso maraina dia tonga daholo ny ankizilahy rehetra, tapitra nanao fanamiana, afa-tsy izaho. Niantso ahy ho eny anoloana amin’ny lakilasy ilay mpampianatra ary nanontany ahy hoe: “Jereo ange ny ankizy hafa e! Dia jereo ny tenanao.” Nanampy teny toy izao izy: “Fantatro fa mahantra ny ray aman-dreninao ka tsy mahavidy fanamiana ho anao, nefa andao ange ianao hasehoko zavatra e!” Nentiny teo an-databany aho, nosokafany ny vatasarihana iray, ary hoy izy: “Ta hanome anao an’itỳ fanamiana vaovao be itỳ aho. Tsara tarehy ô?”
Naleoko maty toy izay hanao fanamiana nazia. Rehefa hitan’ilay mpampianatra ahy fa tsy nieritreritra ny hanao azy io akory aho, dia tezitra izy, ary nanakora ahy ny kilasy manontolo. Avy eo dia nitondra anay nivoaka ny sekoly izy, nefa niezaka hanafina ahy, ka nasainy nandeha tao afovoan’ireo ankizilahy hafa rehetra nanao fanamiana, aho. Kanefa, afaka nahita ahy ho niavaka tamin’ireo iray kilasy tamiko ny olona maro tao an-tanàna. Fantatry ny rehetra fa Vavolombelon’i Jehovah izaho sy ireo ray aman-dreniko. Velom-pankasitrahana an’i Jehovah aho noho ny nanomezany ahy ny hery ara-panahy nilaiko fony aho tanora.
Nitombo ny fanenjehana
Indray andro, tany am-piandohan’ny taona 1938, dia nalaina tany an-tsekoly izaho sy ny anabaviko, ary nentin’ny fiaran’ny polisy ho any amin’ny sekoly fanarenana tany Stadtroda, tokony ho 80 kilaometatra avy teo. Nahoana? Nanapa-kevitra ny fitsarana ny hanaisotra anay tamin’ny fitaoman’ny ray aman-dreninay ka hanova anay ho ankizy nazia. Tsy ela dia voamarik’ilay mpiasa niandraikitra ilay akany fanarenana fa nanaja olona sy nankatò izaho sy ny anabaviko, na dia hentitra aza izahay raha ny amin’ny tsy fomban’ny Kristiana ny atsy na ny aroa. Nanaitra mafy an’ilay tale izany ka naniry hihaona manokana tamin’ny reniko izy. Nisy zavatra naningana natao ka navela hitsidika anay ny reniko. Faly aoka izany sy velom-pankasitrahana an’i Jehovah izaho sy ny anabaviko ary ny reniko, noho ny nanomezany anay fahafahana hiaraka mba hifampaherezana nandritra ny indray andro naninjitra. Tena nilainay izany.
Naharitra tokony ho efa-bolana no nijanonanay tao amin’ilay akany fanarenana. Avy eo dia nalefa hiara-mipetraka tamin’ny fianakaviana iray tany Pahna, izahay. Nomena toromarika izy ireo mba hihazona anay ho tafasaraka tamin’ireo havanay. Tsy navela hitsidika akory aza ny reniko. Kanefa, tamin’ny toe-javatra vitsivitsy, dia nahita fomba hifandraisana taminay izy. Nanararaotra ireny fotoana nahalana ireny ny reniko, ka nanao izay farany azony natao mba handentehana tsikelikely tao aminay, fahatapahan-kevitra hitoetra ho mahatoky eo anatrehan’i Jehovah, na ho toy inona na ho toy inona fitsapana na tarehin-javatra havelany hisy. — 1 Korintiana 10:13.
Ary tena tonga tokoa ny fitsapana. Tamin’ny 15 Desambra 1942, fony aho vao 17 taona monja, dia nosamborin’ny Gestapo aho ary nampidiriny tao amin’ny toerana fitanana iray tao Gera. Tokony ho herinandro taorian’izay, dia voasambotra koa ny reniko ka tafaraka tamiko tao amin’ilay fonja. Koa satria mbola tsy ampy taona aho, dia tsy afaka nitsara ahy ny fitsarana. Koa nandany enim-bolana tao am-ponja izaho sy ny reniko raha mbola niandry ny faha-18 taonako ny fitsarana. Tamin’ilay andro nahafeno 18 taona ahy iny indrindra no nitondrana anay sy ny reniko tany amin’ny fitsarana.
Talohan’ny nahafantarako izay nitranga, dia efa vita ny fitsarana. Tsy azoko an-tsaina akory fa tsy hahita ny reniko intsony aho. Ny nahatsiarovako azy farany dia ny nahitako azy nipetraka teo ambony dabilio hazo matroka iray teo akaikiko teo indrindra, tao amin’ny fitsarana. Samy nambara ho meloka izahay. Nosazina efa-taona an-tranomaizina aho ary herintaona sy tapany ny an’ny reniko.
Tamin’izany andro izany, dia nisy Vavolombelon’i Jehovah an’arivony maro, nohazonina tany am-ponja sy tany an-toby. Izaho kosa anefa dia nalefa tany amin’ny fonja iray tany Stollberg, ka izaho irery no Vavolombelona tany. Herintaona mahery no nanokanana ahy ho irery, kanefa nomba ahy i Jehovah. Ilay fitiavako azy namboleko fony tanora no anton-javatra nanampy ahy ho velona hatrany tamin’ny lafiny ara-panahy.
Tamin’ny 9 May 1945, taorian’ny roa taona sy tapany laniko tany am-ponja, dia naharay vaovao tsara izahay — nifarana ny ady! Nafahana aho tamin’io andro io. Rehefa avy nandeha an-tongotra 110 kilaometatra aho, dia tonga tany an-trano, narary ara-bakiteny noho ny hatrotrahana sy ny hanoanana. Nila volana maromaro aho vao nody indray ny fahasalamako.
Raha vantany vao tonga aho, dia niantraika tamiko ny vaovao nampahory be dia be. Voalohany aloha, dia ny momba ny reniko. Rehefa tany am-ponja nandritra ny herintaona sy tapany izy, dia nangataka azy hanao sonia taratasy natao handavany ny finoany an’i Jehovah, ny Nazia. Nanda izy. Koa nentin’ny Gestapo tany amin’ny toby fitanana ho an’ny vehivavy, tany Ravensbrück, izy. Matin’ny tefoedra tany izy, taloha kelin’ny nifaranan’ny ady. Kristiana tena be herim-po izy — mpiady nahery fo izay tsy nilavo lefona na oviana na oviana. Enga anie i Jehovah ka hahatsiaro azy amin-katsaram-panahy.
Nisy vaovao koa momba an’i Werner zokiko lahy, izay tsy nanao fanoloran-tena ho an’i Jehovah mihitsy. Nanatevin-daharana ny tafika alemà izy ary maty tany Rosia. Ahoana ny amin’ny raiko? Tena tafaverina tany an-trano izy, saingy nampalahelo fa iray tamin’ireo Vavolombelona vitsy dia vitsy izay nanao sonia ilay taratasy nalaza ratsy natao handavany ny finoany izy. Rehefa nahita azy aho, dia toa tsy nahitan-teny izy ary toa nisy fahavoazana ny sainy. — 2 Petera 2:20.
Fe-potoana fohy nanaovana asa ara-panahy tamin-jotom-po
Tamin’ny 10 Martsa 1946, dia nanatrika fivoriambe tany Leipzig aho, ka io no fivoriambe voalohany natrehiko taorian’ny ady. Toy inona moa ny fientanam-poko rehefa nampandrenesina fa hisy batisa hatao tamin’io andro io! Na dia efa nanolotra ny fiainako ho an’i Jehovah aza aho taona maro talohan’izay, dia sambany aho tamin’io vao nanana fahafahana hatao batisa. Tsy hohadinoiko na oviana na oviana io andro io.
Tamin’ny 1 Martsa 1947, rehefa avy nanao ny asan’ny mpisava lalana nandritra ny iray volana aho, dia nasaina ho any amin’ny Betela tany Magdeburg. Simba be ireo biraon’ny Fikambanana fa azon’ny baomba. Tombontsoa toy inona moa ny nanampy tamin’ny asa fanamboarana ny simba! Taorian’io fahavaratra io, dia notendrena ho mpisava lalana manokana tany amin’ny tanànan’i Wittenberge aho. Tao anatin’ny volana maromaro, dia nandany maherin’ny 200 ora aho, nitoriana tamin’ny hafa momba ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Faly erỳ aho fa afaka indray — tsy nisy ady, tsy nisy fanenjehana, tsy nisy fonja!
Nampalahelo fa tsy naharitra ela izany fahafahana izany. Taorian’ny ady dia nizara roa i Alemaina, ary nianjera teo ambany fifehezan’ny Komonista ilay faritra nisy ahy. Tamin’ny Septambra 1950, ny polisy miafin’i Alemaina Atsinanana, fantatra tamin’ny hoe Stasi, dia nanomboka nisambotra ireo rahalahy tsy an-kanavaka. Nahatsikaiky ilay fiampangana natao tamiko. Nampangaina ho mpitsikilon’ny fitondram-panjakana amerikana aho. Nalefan’izy ireo tany amin’ny fonjan’ny Stasi ratsy indrindra tao amin’ilay tany aho, dia tany Brandenburg.
Fanohanana avy tamin’ireo rahalahiko ara-panahy
Tsy navelan’ny Stasi hatory nandritra ny andro aho tao. Avy eo dia naka am-bavany ahy nandritra ny alina manontolo izy ireo. Rehefa avy nampiharana an’io fampijaliana io nandritra ny andro vitsivitsy aho, dia niharatsy ny tarehin-javatra. Indray maraina, dia tsy naverin’izy ireo tany amin’ny cellule-ko aho, fa nentiny tany amin’ny iray tamin’ireo U-Boot Zellen nalaza ratsy (fantatra ho cellule tany anaty rano noho ny toerana nisy azy izay tafiditra lalina tany ambany lakaly). Nanokatra varavaram-by efa tranainy sy harafesenina izy ireo, ary nasainy niditra tao aho. Tsy maintsy nandingana tokonana avo iray aho. Rehefa nampidina ny tongotro aho, dia takatro fa feno rano tanteraka ny gorodona. Nakaratoka ilay varavarana, ary nampitsangam-bolo ny fidridrony. Tsy nisy jiro sy varavarankely tao. Haizina nikitroka ny tao.
Koa satria nahatratra santimetatra maromaro ny haavon’ilay rano tamin’ny gorodona, dia tsy afaka nipetraka na nandry na natory aho. Rehefa avy niandry nandritra ny fotoana toa tsy nety tapitra aho, dia nentina niverina mba halaina am-bavany indray, tao anatin’ny hazavana nahery vaika. Tsy fantatro hoe inona no ratsy kokoa — ny nitsangana tao anaty rano tontolo andro, saika tao anatin’ny haizina tanteraka, sa ny niaritra hazavana nahajambena tamin’ny fomba nampahory, izay natao niantefa nivantana tamiko nandritra ny alina manontolo.
Imbetsaka izy ireo no nandrahona ny hitifitra ahy. Rehefa avy nalaina am-bavany tao anatin’ny alina maromaro aho, dia notsidihin’ny manamboninahitra ambony rosiana iray izay, indray maraina. Nanana fahafahana nilaza taminy aho fa vao mainka ratsy noho ny nitondran’ny Gestapo nazia ahy no nitondran’ny Stasi alemà ahy. Nilaza taminy aho fa ny Vavolombelon’i Jehovah dia tsy nomba ny atsy na ny aroa teo ambanin’ny fitondram-panjakana nazia ary tsy nomba ny atsy na ny aroa koa teo ambanin’ny fitondram-panjakana komonista ary koa fa tsy nitsabaka tamin’ny politika izahay na taiza na taiza teto amin’izao tontolo izao. Mifanohitra amin’izany, hoy aho, fa maro amin’ireo polisin’ny Stasi amin’izao fotoana izao no efa mpikambana tao amin’ny fikambanan’ny Tanora Hitleriana, izay azo inoana fa nianaran’izy ireo ny fomba hanenjehana amin-kalozana ny olona tsy manan-tsiny. Nangovitry ny hatsiaka sy ny hanoanana ary ny hatrotrahana ny tenako teo am-pitenenana.
Nahagaga fa tsy tezitra tamiko ilay manamboninahitra rosiana. Mifanohitra amin’izany fa nametraka bodofotsy iray teo amiko izy ary nitondra ahy tamin-katsaram-panahy. Fotoana fohy taorian’ny nitsidihany, dia naverina tany amin’ny cellule iray netinety kokoa aho. Andro vitsivitsy taorian’izay, dia natolotra ny fitsarana alemà aho. Raha mbola nihantona ny fitsarana ahy, dia nanana tombontsoa tsara dia tsara niombona cellule tamin’ny Vavolombelona dimy hafa aho. Rehefa avy niaritra fitondrana tamin-kalozana be dia be aho, dia hitako ho namelombelona erỳ ny nifanerasera tamin’ireo rahalahiko ara-panahy! — Salamo 133:1.
Tao amin’ny fitsarana, dia nambara ho meloka ho nanao asa fitsikilovana aho ka nosazina efa-taona an-tranomaizina. Noheverina ho sazy maivana izany. Maherin’ny folo taona mantsy ny sazy azon’ny sasany tamin’ireo rahalahy. Nalefa tany amin’ny fonja faran’izay voaro aho. Nihevitra aho fa na totozy iray aza tsy afaka nandady niditra na nivoaka ilay fonja — hentitra dia hentitra mantsy ny fiarovana. Noho ny fanampian’i Jehovah anefa, dia nisy rahalahy be herim-po afaka nampiditra an-tsokosoko Baiboly iray manontolo tao. Noborahina ilay izy ka nozarazaraina ho boky nandeha nisingantsingana ary nampitampitaina tamin’ireo rahalahy voafonja.
Ahoana no nanaovanay izany? Tena sarotra ilay izy. Ny hany fotoana nifandraisanay dia rehefa nentina nandro izahay isaky ny tapa-bolana. Tamin’ny fotoana iray, raha teo am-pandroana aho, dia nisy rahalahy iray nibitsibitsika tamiko fa nanafina pejina Baiboly vitsivitsy tao anaty servietany izy. Rehefa avy nandro aho dia tokony haka ny servietany, fa tsy ny ahy.
Nahita ilay rahalahy nibitsibitsika tamiko ny iray tamin’ireo mpiambina ka nikapoka azy mafy dia mafy tamin’ny langilangy. Tsy maintsy nalaiko haingana ilay servieta ka nifangaro tamin’ireo voafonja hafa aho. Soa ihany fa tsy tratra niaraka tamin’ireo pejina Baiboly aho. Raha tsy izany mantsy, dia notandindomin-doza ilay fandaharam-pamahanan-tena ara-panahy nataonay. Nandia fanandraman-javatra maro nitovy tamin’izany izahay. Ny famakianay ny Baiboly dia natao foana tamim-piafenana sy tamim-pisetrana loza lehibe. Tena nety tokoa ireo tenin’ny apostoly Petera manao hoe: “Mahonòna tena, miambena”. — 1 Petera 5:8.
Noho ny antony tsy fantatra, dia nanapa-kevitra ny hamindrafindra fonja ny sasany taminay ireo manam-pahefana. Tao anatin’ny fe-potoana naharitra efa-taona, dia fonja samy hafa tokony ho folo no namindrana ahy. Afaka nahita rahalahy foana anefa aho. Nanjary tia be an’ireny rahalahy rehetra ireny aho, ary ory dia ory tokoa ny foko rehefa nandao azy ireny aho, isaky ny nafindra.
Tamin’ny farany aho, dia nalefa tany Leipzig, ary tao no nanafahana ahy tany am-ponja. Tsy nanao veloma ahy akory ilay mpiambina fonja nanafaka ahy fa nilaza kosa hoe: “Hihaona tsy ho ela indray isika e!” Naniry ny hiverenako tany am-ponja ny sain-dratsiny. Matetika aho no nieritreritra ny amin’ny Salamo 124:2, 3, manao hoe: “Raha tsy Jehovah no nomba antsika, raha nitsangana hamely antsika ny olona. Dia nitelina antsika velona izy, raha nirehitra tamintsika ny fahatezerany”.
Manafaka ny mpanompony tsy mivadika i Jehovah
Olona afaka indray aho izao. Niandry ahy teo am-bavahady i Ruth anabaviko kambana tamiko, sy ny Anabavy Herta Schlensog. Nandritra ireny taona rehetra naha-tany am-ponja ahy ireny, dia nandefa sakafo kely ho ahy isam-bolana i Herta. Tena inoako fa raha tsy nisy an’ireny sakafo kely ireny, dia ho efa maty tany am-ponja aho. Enga anie i Jehovah hahatsiaro azy amin-katsaram-panahy.
Nanomboka tamin’ny nanafahana ahy, dia nitahy ahy i Jehovah tamin’ny nanomezany ahy tombontsoam-panompoana maro. Nanompo tamin’ny naha-mpisava lalana manokana indray tany Gronau any Alemaina aho, ary mpiandraikitra ny fizaran-tany tany Alpes alemà. Tatỳ aoriana, dia nasaina hisoratra anarana tamin’ny kilasy faha-31 tamin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower, aho. Ny nanomezana diplaoma anay dia natao tao amin’ny Yankee Stadium, nandritra ilay fivoriambe niraisam-pirenen’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1958. Nanana tombontsoa hiteny tamin’ny vahoaka be voaforon’ny rahalahy sy anabavy aho, nitantara ny sasany tamin’ny zavatra niainako.
Taorian’ny fanomezana diplaoma dia nandeha tany Silia aho mba hanompo tamin’ny naha-misionera. Mpiandraikitra ny fizaran-tany indray aho tao, tany amin’ny faritra farany atsimo amin’i Silia — nalefa ara-bakiteny tany amin’ny faran’ny tany aho. Tamin’ny 1962, dia nanambady an’i Patsy Beutnagel aho, misionera iray maha-te ho tia, avy any San Antonio, teto Texas, Etazonia. Nahafinaritra ahy ireo taona maro nahatalanjona nanompoako an’i Jehovah teo anilany.
Tao anatin’ny 70 taona mahery niainako, dia nandia fotoana maro nahafaly sy fahoriana maro aho. Hoy ny mpanao salamo: “Maro ny fahorian’ny marina; nefa Jehovah manafaka azy amin’izany rehetra izany.” (Salamo 34:19). Tamin’ny 1963, raha mbola tany Silia izaho sy i Patsy, dia natrehinay mivady ny fahafatesana nampahonena nahazo ny zanakay vavy kely. Tatỳ aoriana, dia narary mafy i Patsy, ary nifindra teto Texas izahay. Vao 43 taona monja izy dia nindaosin’ny fahafatesana, tao anatin’ny tarehin-javatra nampahonena koa. Matetika aho no mivavaka mba hahatsiarovan’i Jehovah amin-katsaram-panahy an’izay vadiko maha-te ho tia izay.
Ankehitriny, na dia farofy sy antitra aza aho, dia manana tombontsoa manompo amin’ny maha-mpisava lalana maharitra sy loholona eto Brady, Texas. Marina aloha fa tsy mora foana akory ny fiainana, ary mety hisy fitsapana hafa mbola hatrehiko. Kanefa, toy ny mpanao salamo, dia afaka milaza aho hoe: “Andriamanitra ô, Hianao efa nampianatra ahy hatry ny fony aho mbola tanora; ary mandraka ankehitriny dia nitory ny fahagaganao aho.” — Salamo 71:17.
[Sary, pejy 23]
1) Manompo amin’ny maha-loholona sy mpisava lalana ankehitriny, 2) miaraka amin’i Patsy, taloha kelin’ny mariazinay, 3) ao amin’ilay efitrano nampianaran’i Herr Schneider, 4) i Teresa, reniko, izay maty tany Ravensbrück