Nisy Vokany teo Amin’ny Tantara ny Toetrandro
BOKY maro no mampiseho fa imbetsaka no nisy fiantraikany teo amin’ny fizotran’ny tantara ny toetrandro. Andeha isika hijery zava-nitranga roa.
Tafio-drivotra
Nandefa andian-tsambo antsoina hoe Armada Espaniola i Philippe, mpanjakan’i Espaina, mba hanafika an’i Angletera, tamin’ny 1588. Tsy araka ny nieritreretana azy anefa ny zava-nitranga noho ny toetrandro.
Niditra teo amin’ny La Manche ny sambon’ny Espaniola ary nifanehatra tamin’ny sambon’ny Anglisy, ka niady teo izy ireo. Mora navily kokoa ny sambon’ny Anglisy, nefa kely ihany no simba tamin’ny sambon’ny Espaniola. Nandatsaka vatofantsika teo akaikin’i Calais ny sambo espaniola, satria saika haka miaramila hanafika an’i Angletera.
Narehitry ny Anglisy ny sambony maromaro rehefa maizina ny andro, ary navelany hoentin’ny rivotra sy ny rano mba hidona amin’ny sambon’ny Espaniola, izay efa nandatsaka vatofantsika. Nanapaka ny vatofantsiky ny sambony maromaro ny Espaniola, mba tsy ho voadona. Nitondra loza ho azy ireo izany tatỳ aoriana.
Nankany amin’ny Ranomasina Avaratra ny andian-tsambon’izy roa tonta, taorian’izay, ary notsofin’ny rivotra avy tao aoriana. Lany vanja ny Anglisy ka namonjy ny morontsirak’izy ireo. Natosiky ny rivotra kosa ny Espaniola sady voasakan’ny Anglisy tsy hiverina tany Espaina. Voatery nianavaratra nanodidina an’i Ekosy sy nianatsimo nandalo an’i Irlandy àry aloha izy ireo vao ho any Espaina.
Notandindomin-doza ny Espaniola satria efa ho lany ny tahirina sakafo sy rano nentiny, maro ny tantsambo naratra na tsy ampy vitaminina C, ary simba ireo sambo. Tsy ampy sakafo àry izy ireo ka vao mainka reraka.
Rehefa avy nandalo an’i Ekosy izy ireo, dia nisy tafio-drivotra mahery nanosika sambo maro ho any amin’ny morontsirak’i Irlandy. Tokony ho nandatsaka vatofantsika sy niandry ny andro ho tony izy ireo. Efa tapaka anefa ny ankamaroan’ny vatofantsika, ka sambo espaniola 26 no rendrika teo amin’ny morontsirak’i Irlandy ary lehilahy 5 000 ka hatramin’ny 6 000 no maty.
Efa ho 20 000 no maty rehefa tonga tany Espaina ny Armada. Ny toetrandro no tena nahatonga fahafatesan’olona maro be sy fahasimban’ny sambo be dia be. Toa izany no noeritreretin’ny Holandey. Mitovy hevitra amin’ny olona maro izy ireo ary nino fa Andriamanitra no mahatonga ny loza voajanahary. Izao no nosoratan’izy ireo teo amin’ny meday fahatsiarovana ny naharesen’ny Armada Espaniola: “Notsofin’i Jehovah izy ireo ka resy.”
Orana
Nisy vokany lehibe teo amin’ny tantara ny Adin’i Waterloo, tamin’ny 1815. Nanova zavatra koa anefa ny toetrandro tamin’izay. Voalaza fa lehilahy 70 000 mahery no maty sy naratra, tao anatin’ny ora vitsy monja, tany Waterloo, 21 kilaometatra any atsimon’i Bruxelles, any Belzika. Ilay andriana anglisy tao Wellington no nifidy ny toerana hiadiana ary nahazo ny toerana avoavo. Betsaka kokoa noho ny miaramilan’i Wellington ny miaramila frantsay notarihin’i Napoléon. Ho avy hanampy ny Anglisy anefa ny tafik’i Prusse ny alin’iny, ka tokony horesen’ny Frantsay alohan’izay ny Anglisy. Nisy vokany teo amin’ilay ady anefa ny toetrandro.
Nisy oram-be nivatravatra ny alina talohan’ilay ady. Tsaroan’ny ankamaroan’ny miaramila fa iny no alina ratsy indrindra teo amin’ny fiainany. Nahavita nanorina lay ihany ny miaramila sasany. Nilaza anefa ny miaramila iray hoe lena be toy ny any anaty farihy ireo fandriana. Lasa toy ny honahona ny tany noho ny orana. Te handresy an’i Wellington aloha kokoa i Napoléon ka saika hanomboka hanafika ny ampitso vao maraina be. Tsy afaka nanafika anefa izy raha tsy afaka ora maromaro.
Tsy maina ny tany, ary izany no tena nahatara ny fanombohan’ny ady. Ireo tafondro koa no nianteheran’i Napoléon, nefa tsy nisy vokany firy izany. Nahoana? Tsy dia nahomby ireo tifitra satria sarotra nakisaka ireo tafondro mavesatra be, noho ny fotaka. Nantenaina handravarava zavatra betsaka tamin’ny tafik’i Wellington koa ireo balan-tafondro, nefa tsy nisy vokany firy izy ireny noho ny fotaka nandrevo. Nitondra loza ho an’i Napoléon sy ny tafiny izany. Resy izy ireo vokatry ny toetrandro ratsy ary natao sesitany i Napoléon.
Nisy fiantraikany lehibe teo amin’ireo zava-nitranga ara-tantara ireo àry ny toetrandro. Ireo zava-nitranga roa ireo kosa indray no nampisondrotra ny Fanjakana Anglisy.
[Sary, pejy 24]
Ny Armada Espaniola
[Sary nahazoan-dalana]
© 19th era/Alamy
[Sary, pejy 25]
Ny Adin’i Waterloo
[Sary nahazoan-dalana]
© Bettmann/CORBIS