LOVA
Fananana lasan’ny mpandova na ireo manan-jo handova olona iray rehefa maty izy io; izay azo avy tamin’ny razambe na ray aman-dreny ka toy ny hoe nolovana. Nahal ny matoanteny hebreo (anarana: nahalah) ilazana ny fahazoan’ny mpandimby lova na ny fanomezana azy izany. (No 26:55; Ezk 46:18) Ny matoanteny hoe yarash no nadika indraindray hoe “mandova sy mandimby”, ary matetika hoe “maka ho fananana” raha tsy mpandimby ilay voakasika. (Ge 15:3; Le 20:24) Midika koa izy io hoe “mandroaka”, ka ny tafika no mandroaka. (De 2:12; 31:3) Ireo teny grika ilazana lova kosa dia iray tarika amin’ny hoe klerôs, izay nidika taloha hoe “antsapaka”, avy eo hoe “anjara”, ary farany hoe “lova.”—Mt 27:35; As 1:17; 26:18.
Tany no tena lova tany Israely, na dia nisy koa aza fananana azo nafindrafindra. Miresaka lova ara-panahy koa ny Baiboly. “Mpandova an’Andriamanitra, fa mpiara-mandova amin’i Kristy kosa” ny Kristianina voahosotra, ary manantena hahazo “lova mandrakizay” raha tsy mivadika.—Ro 8:17; He 9:15.
Tamin’ny andron’ireo loham-pianakaviana fahiny. Tsy nanan-tany i Abrahama, Isaka, ary Jakoba, izay samy loham-pianakaviana hebreo, afa-tsy ilay saha nisy lava-bato natao toeram-pandevenana sy ilay saha tany akaikin’i Sekema novidin’i Jakoba. (Ge 23:19, 20; 33:19) Hoy i Stefana, maritiora kristianina, momba ny nipetrahan’i Abrahama tany Kanana: “Tsy nanome azy lova teto anefa Andriamanitra, na dia tany eram-paladia aza, fa nampanantena kosa ny hanome ity tany ity ho fananany sy ho fananan’ny taranany mandimby azy, na dia mbola tsy nanan-janaka aza izy tamin’izay.” (As 7:5) Ny biby fiompiny sy ny entany no nolovan’ny taranany. Nahazo anjaran’olon-droa tamin’ny fananana ny lahimatoa, tsy toy ny zanakalahy hafa. Nahazo lova niaraka tamin’ny anadahiny ny zanakavavin’i Joba, saingy tsy voalaza raha nahazo tany na tsia.—Jb 42:15.
Azon’ny ray nomena ny zanany hafa ny zo sy lovan’ny lahimatoa, raha nisy antony marim-pototra. Tsy nanao izay tiany fotsiny na niangatra àry ireo ray resahin’ny Baiboly hoe nanao toy izany. I Ismaela no lahimatoan’i Abrahama, ary izy no noeritreretina nandritra ny 14 taona teo ho eo hoe handova azy. (Ge 16:16; 17:18-21; 21:5) Noroahin’i Abrahama anefa izy rehefa 19 taona teo ho eo, noho ny fangatahan’i Saraha izay neken’i Jehovah. Lasan’i Isaka àry ny zon’ny lahimatoa ka nolovany ny fananan’i Abrahama rehetra, afa-tsy ireo fanomezana nomen’i Abrahama an’ireo zanany lahy naterak’i Ketora. (Ge 21:8-13; 25:5, 6) Lahimatoan’i Jakoba i Robena nefa very zo satria nijangajanga tamin’ny vadikelin-drainy. (Ge 49:3, 4; 1Ta 5:1, 2) I Efraima faralahin’i Josefa fa tsy i Manase lahimatoa koa no nomen’i Jakoba tsodrano bebe kokoa.—Ge 48:13-19.
Ara-dalàna ny fananana vadikely fahiny. Antsoin’ny Baiboly hoe ‘vady’ indraindray ilay vadikely na ilay lehilahy naka azy. Rafozan’ilay lehilahy ny rain-dravehivavy, ary vinanton’izy io ralehilahy. (Ge 16:3; Mpts 19:3-5) Tsy zazasary ny zanaky ny vadikely ka nanan-jo handova hoatran’ny zanakalahin’ny tena vady.
Nihevitra i Abrahama fony mbola tsy niteraka fa i Eliezera mpanompony no handova ny fananany, nefa nilaza i Jehovah hoe hanan-janaka handova azy izy.—Ge 15:1-4.
Teo ambanin’ny Lalàna. Tsy azon’ny lehilahy natao lahimatoa ho solon’ny zanak’ilay vadiny tsy dia tiany ny zanak’ilay tiany, fa ilay lahimatoa ihany no tsy maintsy nomeny anjaran’olon-droa tamin’ny fananany rehetra. (De 21:15-17) Ny zanakavavy no nandova, raha tsy nisy zanakalahy. (No 27:6-8; Js 17:3-6) Tsy maintsy nanambady tao amin’ny fianakavian’ny fokon-drainy ihany anefa ny zanakavavy nandova tany, mba tsy hifindrafindra foko ny lova. (No 36:6-9) Toy izao ny filaharan’ny mpandova ny lehilahy maty tsy niteraka: 1) Ny rahalahiny, 2) ny rahalahin-drainy ary 3) ny havany akaiky indrindra. (No 27:9-11) Tsy nahazo lova tamin’ny vadiny ny vehivavy. Raha maty tsy niteraka ny lehilahy iray, dia ny vadiny no tompon’ilay tany mandra-panavotr’izay manan-jo hanavotra an’ilay izy. Navotany niaraka tamin’ilay tany koa anefa ravehivavy. (Rt 4:1-12) Nitondra loloha an-dravehivavy ny rahalahim-badiny, ary nandova an’ilay efa maty ny lahimatoan’izy ireo sady nitondra ny anarany.—De 25:5, 6.
Tany nolovana. I Jehovah no nanome tany ho lovan’ny zanak’Israely, sy nilaza tamin’i Mosesy hoe aiza avy ny sisin-tany. (No 34:1-12; Js 1:4) I Mosesy avy eo no nanome ny anjaran’ny taranak’i Gada sy ny taranak’i Robena ary ny antsasaky ny fokon’i Manase. (No 32:33; Js 14:3) Nozarain’i Josoa sy Eleazara tamin’ny alalan’ny antsapaka kosa ny an’ireo foko hafa. (Js 14:1, 2) Tsy nomena faritany ho lovany i Simeona sy Levy, araka ny faminanian’i Jakoba (Ge 49:5, 7), fa tao anatin’ny faritanin’i Joda ny tany azon’i Simeona (niaraka tamin’ny tanàna maromaro) (Js 19:1-9), ary tanàna 48 nanerana an’i Israely no anjaran’i Levy. Voatendry hanao fanompoana manokana tao amin’ny toerana masina ny Levita, ka i Jehovah no lovany. Ny ampahafolon-karena àry no anjarany na lovany, ho tambin’ny fanompoana nataony. (No 18:20, 21; 35:6, 7) Nomena anjara lova tao amin’ny faritanin’ny fokony avy ny fianakaviana. Nihakely ny anjara lova rehefa nitombo ny fianakaviana sy ny zanakalahy nandova.
Tsy azo natao varo-maty ny tany, satria fananan’ny fianakaviana hatramin’ny taranany fara mandimby. Toy ny hoe nampanofana fotsiny arakaraka ny vokatra hiakatra àry ny tany namidy, ka arakaraka ny isan’ny taona mandra-pahatongan’ny Jobily ny vidiny. Niverina tamin’ny tompony ny tany rehetra tamin’izay, raha tsy hoe novidina na navotana talohan’ny Jobily angaha. (Le 25:13, 15, 23, 24) Anisan’izany ny trano tao amin’ny tanàna tsy nisy manda, satria toy ny hoe anisan’ny saha ilay trano. Ny trano tao amin’ny tanàna nisy manda kosa azo navotana tao anatin’ny herintaona monja taorian’ny nivarotana azy, fa raha tsy izany dia lasa fananan’ilay mpividy. Azo navotana nandritra ny fotoana tsy voafetra anefa ny trano tao amin’ny tanànan’ny Levita, satria tsy nanana tany ho lovany ny Levita.—Le 25:29-34.
Tsy azo namidy ny lova ka tsy neken’i Nabota ny hivarotra ny tanimboalobony tamin’ny mpanjaka, na hanakalo izany tamin’ny tanimboaloboka hafa. Tsy nanan-jo haka ny tanin’olona mantsy ny mpanjaka. (1Mp 21:2-6) Azon’ny olona iray natao kosa ny nanokana ampahany tamin’ny lovany ho an’ny toerana masin’i Jehovah. Lasa fananan’ny toerana masina sy ny mpisorona ilay izy ka tsy azo navotana intsony. Azon’ny olona nohamasinina mba hampiasain’ny tao amin’ny toerana masina vetivety koa ny ampahany tamin’ny fananany. Azony navotana ilay izy tatỳ aoriana, ka nomeny ny vidiny nanombanana azy ary nampiany ampahadiminy. Amin’izay dia tsy foana ny zava-tsarobidy tao amin’ny toerana masina. Nanaja kokoa an’ilay toerana masina sy izay natolony ho an’i Jehovah koa ilay olona. Raha namidy tamin’olona ny tany nohamasinina, dia lasa tany voatokana ilay izy rehefa Jobily ka tsy niverina tamin’ilay tompony voalohany intsony, fa lasa fananan’ny toerana masina sy ny mpisorona.—Le 27:15-21, 28; jereo FANAMASINANA (Nanamasina tany).
Hita amin’ireo lalàna momba ny lova ireo àry fa tsy nilain’ny Hebreo ny nanao didim-pananana, ary tsy tao anatin’ny voambolan’izy ireo rahateo izany. Mety ho nomen’olona iray an’izay tiany ny fananany (ankoatra ny taniny) raha mbola velona izy, na nampiharina ny lalàna momba ny lova rehefa maty izy. Nangataka ny anjara lovany ka nahazo izany talohan’ny nahafatesan-drainy ilay zanaka adala (ilay zandriny), tao amin’ny fanoharan’i Jesosy.—Lk 15:12.
Soa azo avy tamin’ny lalàna momba ny lova. Lasa tsy nisara-mianakavy ny fianakaviana noho ilay lalàna sy noho ny nizarana ho kely kokoa ny lova rehefa nihamaro ny taranaka. Nety tsara izany ho an’ny tanin’i Joda sy Israely izay be havoana. Nampiasain’ny Israelita daholo mantsy ny tany, ka na ny tehezan-kavoana aza nasiana tanimboly nikitohatohatra. Maitso mavana sy tsara tarehy erỳ ilay tany nanirian’ny oliva, aviavy, palmie, ary voaloboka sady nahazoana sakafo tondraka. Samy tompon’ny taniny ny lehilahy ka tiany kokoa ilay tany nonenany, ary nazoto niasa izy. Niverina ho toy ny tamin’izy vao nomen’Andriamanitra ny anjara lovany indray ilay firenena rehefa Jobily (isaky ny 50 taona). Tsy niovaova mihitsy àry ny toe-karena. Nisy tsy nanaraka an’ilay lalàna momba ny lova sy ny lalàna hafa anefa, tatỳ aoriana.
Nilaza tamin’ny Israely i Jehovah fa izy no tena Tompon’ilay tany, fa mpivahiny sy mpiavy izy ireo taminy. Afaka nandroaka azy ireo foana àry izy raha tiany. (Le 25:23) Imbetsaka izy ireo no nandika ny lalàn’Andriamanitra ka nataon’ny Babylonianina sesitany 70 taona, ary mbola nofehezin’ny hafa firenena na dia afaka nody aza tamin’ny 537 T.K. Farany, nesorin’ny Romanina tanteraka tao amin’ilay tany izy ireo tamin’ny taona 70 A.K., ary an’arivony no namidiny ho andevo. Na ny tetirazan’izy ireo aza very na potika.
Lovan’ny Kristianina. Nandova ny seza fiandrianan’i Davida rainy i Jesosy Kristy. (Is 9:7; Lk 1:32) Nandova fanjakana any an-danitra koa io Zanak’Andriamanitra io, noho ilay fifanekena nataon’i Jehovah taminy. (Sl 110:4; Lk 22:28-30) Lasa lovany àry ireo firenena, ary hopotehiny ny mpanohitra rehetra fa izy kosa hanjaka mandrakizay.—Sl 2:6-9.
Manana lova any an-danitra ny Kristianina voahosotra, satria ‘rahalahin’i Jesosy’ ka mpiara-mandova aminy. (Ef 1:14; Kl 1:12; 1Pe 1:4, 5) Lovan’izy ireo koa ny tany.—Mt 5:5.
Navotan’Andriamanitra avy tany Ejipta ny Israely ka lasa fananany na “lovany.” (De 32:9; Sl 33:12; 74:2; Mi 7:14) “Lovan’Andriamanitra” koa ny ‘firenen’ny’ Israely ara-panahy mifanitsy amin’izy ireo, satria lasa fananany rehefa novidiny tamin’ny ran’i Jesosy Kristy Zanany lahitokana.—1Pe 2:9; 5:2, 3; As 20:28.
“Handova fiainana mandrakizay”, hoy i Jesosy Kristy, ireo mahafoy fananana sarobidy noho ny anarany sy ny vaovao tsara.—Mt 19:29; Mr 10:29, 30; jereo LAHIMATOA, VOALOHAN-TERAKA; LOLOHA; ZON’NY LAHIMATOA.