JONA
(Jônà) [Voromailala].
1. “Zanak’i Amitahy”, ary mpaminanin’i Jehovah avy any Gata-hefera (2Mp 14:25), tanàna teo amin’ny sisin-tanin’i Zebolona. (Js 19:10, 13) Tafaverin’i Jeroboama II mpanjakan’ny Israely “tamin’ny Israely ny sisin-taniny, hatreo amin’ny sisin’ny faritr’i Hamata ka hatrany amin’ny ranomasin’i Araba [Ranomasin-tsira]”, araka ny tenin’i Jehovah nambaran’i Jona. (2Mp 14:23-25; ampit. De 3:17.) Toa nisy fotoana àry i Jona naminany tany amin’ny fanjakan’ny foko folo, tamin’ny andro nanjakan’i Jeroboama II. Izy koa no nirahin’i Jehovah hilaza fanamelohana an’i Ninive (Jo 1:1, 2), ka nanoratra an’ilay boky mitondra ny anarany.
Tsy nety nandeha nitory tamin’ny Ninivita anefa i Jona, fa niondrana an-tsambo avy tao Jopa kosa mba handositra ho any Tarsisy (heverin’ny maro ho Espaina), 3500 km mahery tany andrefan’i Ninive.—Jo 1:1-3; 4:2.
Nidina “tany ambany indrindra” tany amin’ny lakalin-tsambo i Jona ka renoka tanteraka. Nampisy tafio-drivotra nila hahavaky an’ilay sambo anefa Andriamanitra, ka niantso vonjy tamin’ny andriamaniny ny tantsambo ary nanipy entana tany an-dranomasina mba hanamaivanana ny sambo. Nofohazin’ny kapiteny i Jona, ary nasainy niantso ny ‘andriamaniny’ koa. Farany, nanao antsapaka ny tantsambo mba hahafantarana hoe iza no tompon’antoka tamin’ilay loza. Nataon’i Jehovah tratra i Jona. Nanontaniana àry izy ka niaiky fa tsy namita iraka. Tsy tiany ho faty ny rehetra ka nasainy natsipy tany an-dranomasina izy. Niezaka hamerina an’ilay sambo teny an-tanety anefa ireo tantsambo, fa tsy nahavita. Natsipiny tany an-dranomasina àry i Jona, ka tsy nisamboaravoara intsony ny ranomasina.—Jo 1:4-15.
Nilentika i Jona, ary nihorongorona tamin’ny lohany ny ahidrano. Farany, lasa tao anatin’ny kibon’ny trondro lehibe iray izy. Nivavaka tamin’i Jehovah izy, ka nidera an’ilay Mpamonjy ary nampanantena fa hanefa ny voadiny. Naloan’ilay trondro teo amin’ny tany maina izy, rehefa afaka telo andro.—Jo 1:17–2:10.
Azo inoana ve ny hoe nibebaka ka nitafy lamba gony ny Ninivita, rehefa nitorian’i Jona?
Nirahina fanindroany ho any Ninive i Jona ka nandeha. Lavitra ilay dia. “Farany, dia niditra tao an-tanàna i Jona. Ary rehefa avy nandeha an-tongotra iray andro izy, dia tsy nitsahatra nitory hoe: ‘Efapolo andro sisa dia horavana i Ninive.’” (Jo 3:1-4) Tsy resahin’ny Baiboly raha efa nahay teny asyrianina, na nataon’Andriamanitra nahay izany, i Jona. Na koa angamba niteny hebreo izy, ary nisy nandika tamin’ny teny asyrianina avy eo. Mety ho nahaliana sy nahagaga ny olona maro ny zavatra notoriny, raha niteny hebreo izy.
Misy mpitsikera milaza fa sarotra inoana ny hoe nibebaka noho ny fitorian’i Jona ny Ninivita sy ny mpanjakany. (Jo 3:5-9) Hoy anefa i C. Keil, mpivaofy teny: “Tsy mahagaga raha nibebaka noho ny fitorian’i Jona ny Ninivita iray tanàna ka nitafy lamba gony sy nihosin-davenona, satria mora nihetsi-po ny Tatsinanana. Natahotra an’ilay Fara Tampony koa ny mpanompo sampy rehetra tany Azia, ary efa ela be ny Asyrianina no nanaja an’ireo mpilaza ny hoavy sy mpanelanelana amin’andriamanitra. ... Tsy maintsy ho nanaitra ny sain’ny Ninivita koa ny nahita fa tena sahy nilaza ny zava-dratsy nataon’ilay tanànan’ny mpanjaka io vahiny io. Nambarany koa fa ho rava tsy ho ela ilay tanàna ary ninoany fa tena hitranga ilay loza, na dia tsy hahazoany tombony aza izany. Vao mainka nanaitra ny sain’ireo tao Ninive ny fitoriany, raha efa ren’izy ireo ny fahagagana nataon’ny mpaminany israelita nirahin’Andriamanitra.”—Fanazavana ny Testamenta Taloha, 1973, Boky Faha-10, Jona 3:9, p. 407, 408.
Tsy nahatonga loza tamin’i Ninive anefa i Jehovah, rehefa afaka 40 andro. Tena tsy faly àry i Jona. Nangataka an’i Jehovah hanaisotra ny ainy mihitsy aza izy, nefa hoy Izy: “Rariny ve raha tezitra mafy toy izao ianao?” (Jo 3:10–4:4) Niala tao an-tanàna i Jona avy eo, ary nanamboatra trano rantsankazo teo atsinanan’i Ninive ka nipetraka tao mba hijery izay hanjo an’ilay tanàna.—Jo 4:5.
Nisy voatavomonta naniry tamin’ny fomba mahagaga nanalokaloka an’i Jona, ka faly be izy. Nohanin’ny kankana anefa ilay izy ny ampitso vao maraina ka nalazo. Nasian’ny rivotra mahamay avy any atsinanana àry i Jona, ary nodanihin’ny hainandro ny lohany. Tena tsy faly izy ka nangataka indray ny ho faty.—Jo 4:6-8.
Ilay voatavomonta no nampianarana an’i Jona hamindra fo. Nalahelo azy io izy, ka mety ho nieritreritra hoe nahoana izy io no maty. Tsy izy anefa no namboly sy nikarakara azy. Mpamorona kosa i Jehovah ary mahatonga ny zavaboary ho velona, ka rariny raha nalahelo an’i Ninive izy. Sarobidy lavitra noho ny voatavomonta iray mantsy ny mponina sy ny biby fiompy tao. Hoy àry izy: “Dia izaho ve tsy mba halahelo an’i Ninive, ilay tanàna lehibe misy olona maherin’ny roa alina sy iray hetsy izay tsy mahalala akory ny havia sy havanany, ary misy biby fiompy maro koa?” (Jo 4:9-11) Tsy maintsy tonga saina i Jona matoa nilaza tamim-pahatsorana an’ilay tantarany.
Mety hoe hitan’i Jona tao amin’ny tempolin’i Jerosalema angamba tatỳ aoriana ny iray, fara fahakeliny, tamin’ireo olona tao amin’ilay sambo niainga tao Jopa. Io no nilaza taminy ny voady nataon’ny tantsambo rehefa nitsahatra ilay tafio-drivotra.—Jo 1:16; ampit. Jo 2:4, 9; jereo JONA, BOKIN’I; NINIVE.
2. Rain’ny apostoly Petera sy Andrea (Mt 16:17; Jn 1:40-42), ary antsoina koa hoe Jaona ao amin’ny sora-tanana sasany.—Jn 1:42; 21:15-17.