2 Tantara
12 Raha vao mafy orina ny fanjakan’i Rehoboama+ ka nahery izy, dia nahafoy ny lalàn’i Jehovah+ izy sy ny Israely rehetra+ niaraka taminy. 2 Ary tamin’ny taona fahadimy nanjakan’i Rehoboama,+ dia niakatra i Sisaka+ mpanjakan’i Ejipta mba hanafika an’i Jerosalema, satria nivadika tamin’i Jehovah ny Israely.+ 3 Nitondra kalesy+ roanjato sy arivo, sy mpitaingin-tsoavaly enina alina i Sisaka, ary tsy hita isa+ ny olona niaraka taminy avy any Ejipta, dia ny Libyanina+ sy ny Sokita ary ny Etiopianina.+ 4 Dia namabo an’ireo tanàna voaro mafy tany Joda+ izy, ka tonga hatrany Jerosalema.+
5 Rehefa nifamory tao Jerosalema i Rehoboama sy ireo andrianan’ny Joda noho ny amin’i Sisaka, dia tonga teo amin’izy ireo i Semaia+ mpaminany ka niteny hoe: “Izao no nolazain’i Jehovah: ‘Ianareo efa nahafoy ahy,+ ka mba afoiko+ koa ho eo an-tanan’i Sisaka.’” 6 Dia nanetry tena+ ny mpanjaka sy ny andrianan’ny Israely, ka nanao hoe: “Rariny ny an’i Jehovah.”+ 7 Rehefa hitan’i Jehovah+ fa nanetry tena izy ireo, dia tonga tamin’i Semaia+ ny tenin’i Jehovah hoe: “Nanetry tena izy ireo+ ka tsy haringako, ary tsy ho ela dia hafahako. Ary tsy hihatra amin’i Jerosalema amin’ny alalan’i Sisaka ny fahatezerako.+ 8 Ho lasa mpanompon’i Sisaka+ anefa izy ireo, mba hahafantaran’izy ireo fa tsy mitovy ny manompo ahy+ sy ny manompo ny fanjakan’ny firenen-kafa.”+
9 Koa niakatra nanafika an’i Jerosalema i Sisaka+ mpanjakan’i Ejipta. Dia nalainy ireo zava-tsarobidy notehirizina tao an-tranon’i Jehovah+ sy ireo tao an-tranon’ny mpanjaka,+ ka lasany daholo ny zava-drehetra. Lasany koa ny ampinga volamena nataon’i Solomona.+ 10 Koa nanao ampinga varahina ho solon’ireny i Rehoboama Mpanjaka, ka nametraka izany ho andraikitr’ireo lehiben’ny mpihazakazaka,+ dia ireo mpiambina+ ny fidirana mankao an-tranon’ny mpanjaka.+ 11 Ary isaky ny nankao amin’ny tranon’i Jehovah ny mpanjaka, dia niditra ireo mpihazakazaka ka nitondra an’ireo ampinga, ary avy eo dia namerina izany tao amin’ny efitra fiambenan’izy ireo.+ 12 Ary niala tamin’ny mpanjaka ny fahatezeran’i Jehovah ka tsy te handringana azy ireo tanteraka izy.+ Nanetry tena+ mantsy ny mpanjaka, ary mba nisy tsara ihany ny nataon’ny olona tany Joda.+
13 Nanamafy orina ny toerany tao Jerosalema i Rehoboama Mpanjaka, ka naharitra ny fanjakany. Iraika amby efapolo taona i Rehoboama+ tamin’izy nanomboka nanjaka, ary fito ambin’ny folo taona no nanjakany tao Jerosalema, ilay tanàna+ nofidin’i Jehovah teo amin’ny foko rehetran’ny Israely mba hametrahany ny anarany.+ Ary Nama+ no anaran-dreniny, dia i Nama Amonita.+ 14 Nanao izay ratsy+ anefa i Rehoboama, satria tsy tena tapa-kevitra tamin’ny fony manontolo ny hitady an’i Jehovah.+
15 Ary ny tantaran’i Rehoboama, na ny voalohany na ny farany,+ moa ve izany tsy efa voarakitra araka ny tetirazana, ao amin’izay nosoratan’i Semaia+ mpaminany sy Ido+ mpahita? Ary nisy ady foana teo amin’i Rehoboama+ sy Jeroboama.+ 16 Farany, dia nodimandry any amin’ny razany i Rehoboama,+ ka nalevina tao amin’ny Tanànan’i Davida.+ Ary i Abia+ zanany no nanjaka nandimby azy.