Joba
21 Dia namaly i Joba hoe:
2 “Henoy tsara ny teniko,
Ary aoka ho fampiononana anareo izany.
4 Olona angaha moa no ilazako ny tebitebiko?
Raha tsy izany ve hahandry toy izao aho?
6 Raha nahatsiaro aho, dia nikorontan-tsaina,
Ary tora-kovitra ny tenako.
8 Ela velona eo anatrehany ny zanany,
Ary ela velona eo imasony koa ny taranany.
9 Mandry feizay ny ao an-tranony ka tsy manan-tahotra,+
Ary tsy mamely azy ny tsorakazon’Andriamanitra.
10 Mampanana anaka ombivavy ny ombilahiny, ka tsy verivery fotsiny ny tsirinain’ilay ombilahy.
Ary miteraka ny ombivaviny+ sady tsy mba afa-jaza.
11 Alefany mikarenjy toy ny andian’ondry ny zanany lahikely,
Ary mandehandeha mifalihavanja ny zanany.
13 Mifalifaly izy mandritra ny androm-piainany,+
Ary indray mipy maso no idinany any amin’ny Fasana.*
17 Impiry moa no mba maty ny jiron’ny ratsy fanahy?+
Impiry moa no mba mihatra aminy ny loza tokony hanjo azy?
Ary impiry moa Andriamanitra rehefa tezitra, no mamely azy amin’ny fandringanana sahaza azy?+
18 Manjary toy ny mololo entin-drivotra angaha izy ireo,+
Na toy ny akofa indaosin’ny tafio-drivotra?
19 Ny ratsy ataon’ny olona dia hotehirizin’Andriamanitra ho an’ny zanany ihany.+
Hovalian’Andriamanitra ny ataony, mba ho fantany.+
20 Hahita maso ny fihenan’ny herin’ny tenany izy,
Ary hisotro amin’ny fahatezeran’ilay Mahery Indrindra.+
21 Ahoana moa no hahitany fahafinaretana amin’ny taranany rehefa lasa izy,
Rehefa nohafohezina ireo volana tokony hiainany ka antsasany sisa?+
23 Ho faty izany olona izany amin’ny fotoana mahasambatra azy iny indrindra,+
Raha mbola tsy manana ahiahy sy miadana izy,
24 Ary feno tavy ny feny,
Sady mbola mando tsara ny tsokany.
28 Fa hoy ianareo: ‘Aiza ny tranon’ny olona ambony,
Ary aiza ny tranolay, eny, ny fonenan’ny ratsy fanahy?’+
29 Tsy nanontanianareo angaha ny mpanao dia lavitra teny an-dalana,
Ary tsy nodinihinareo tsara angaha ny porofo nomeny?
30 Fa voatsimbina ny olon-dratsy, amin’ny andro fahoriana,+
Ary voavonjy izy amin’ny andro fahatezerana.