Joba
22 Dia namaly i Elifaza Temanita hoe:
3 Ho finaritra ve ilay Mahery Indrindra raha marina ianao,+
Sa misy tombony ho azy raha ataonao tsy misy hokianina ny fiainanao?+
4 Ny fanajanao azy ve no hananarany anao,
Ary noho izany ve no hitondrany anao any amin’ny fitsarana?+
6 Fa maka antoka tsy ahoan-tsy ahoana amin’ny rahalahinao ianao,+
Ary manendaka ny akanjon’ny olona efa zara raha mitafy.
9 Nataonao nody maina ny vehivavy mpitondratena,
Ary tsy manan-kery intsony ny ankizilahy kamboty ray.+
10 Izany no antony mampisy fandri-borona manodidina anao,+
Sy zava-mampahatahotra tampoka mampihorohoro anao,
11 Sy haizina mahatonga anao tsy hahita,
Ary rano be misamboaravoara mandifotra anao.
13 Hoy anefa ianao: ‘Inona moa no fantatr’Andriamanitra?
Angaha izy afaka mitsara avy ao ambadiky ny haizim-pito?
14 Toeram-piafenany ny rahona ka tsy mahita izy,
Ary mandehandeha eny amin’ny andohalambon’ny lanitra izy.’
15 Moa ve ianao mbola hanaraka ihany ny lalana efa nisy hatrizay,
Izay nandehanan’ny olon-dratsy?
16 Nindaosina talohan’ny fotoana ireny olona ireny,+
Ary mirodana hatrany amin’ny fotony+ ny fiainany.
17 Hoy ireny amin’ilay tena Andriamanitra: ‘Mialà aminay!+
Inona moa no azon’ilay Mahery Indrindra atao aminay?’
18 Andriamanitra anefa no nameno zava-tsoa ny tranon’ireny.+
Ho lavitra ahy anie ny fisainan’ny ratsy fanahy!+
19 Hahita ny fahavoazan’ireny ny marina ka hifaly,+
Ary haneso an’ireny ny olona tsy manan-tsiny, ka hanao hoe:
20 ‘Ringana ny fahavalontsika,
Ary ho levon’ny afo izay sisa miangana aminy.’
21 Mba ataovy izay hahafantaranao tsara an’Andriamanitra, ka mihavàna aminy,
Dia hahazo zava-tsoa ianao.
23 Raha miverina amin’ilay Mahery Indrindra ianao,+ dia hiverina amin’ny laoniny ny fiainanao.
Raha ataonao lavitra ny tranolainao ny tsy fahamarinana,
24 Ka ataonao eny amin’ny vovoka ny volamena sarobidy,
Ary eny amin’ny vaton’ny lohasaha falehan-driaka ny volamena avy any Ofira,+
25 Dia ilay Mahery Indrindra no ho toy ny volamena sarobidy ho anao,
Sy ho toy ny volafotsy tsara indrindra ho anao.+
26 Amin’izay dia ho finaritra tanteraka amin’ilay Mahery Indrindra ianao,+
Ary hanandrandra ny lohanao amin’Andriamanitra.+