Joba
34 Ary nanohy ny teniny i Eliho, nanao hoe:
2 “Mihainoa ny teniko, ry olon-kendry,
Eny, mihainoa ahy, ry manam-pahalalana.
4 Fitsarana ara-drariny no aoka hofidintsika,
Ary aoka isika hiara-mamantatra izay tsara.
6 Izaho ve dia handainga momba ny fitsarana ahy?
Tsy mety sitrana ny feriko na dia tsy manan-keloka aza aho.’+
10 Koa mihainoa ahy, ianareo manam-pahalalana:+
Sanatria an’ilay tena Andriamanitra ny hanao ratsy,+
Ary sanatria an’ilay Mahery Indrindra ny hanao ny tsy rariny!+
11 Fa araka izay ataon’ny olombelona no hamaliany+ azy,
Ary araka izay alehany ihany no hampanodiaviny azy.
12 Eny tokoa, tsy mba manao ratsy Andriamanitra,+
Ary tsy mba mamadika ny rariny ilay Mahery Indrindra.+
13 Iza no nanome fahefana azy hiandraikitra ny tany?
Ary iza no nanendry azy hiadidy ny tany lonaka, eny, izy manontolo?
14 Raha mifantoka amin’olona izy,
Ary alainy ho any aminy ny ainy* sy ny fofonainy,+
15 Dia hiala aina ny nofo rehetra,
Ary hiverina amin’ny vovoka ny olombelona.+
16 Koa raha mahira-tsaina ianao, dia henoy izao,
Eny, henoy ny teniko:
17 Olona mankahala ny rariny ve no ho mpitondra?+
Ary raha manao ny marina ny olona manana fahefana, dia homelohinao ve izy?+
18 Hisy sahy hiteny amin’ny mpanjaka ve hoe: ‘Olona tsy manjary ianao’,
Ary amin’ny olona ambony hoe: ‘Olon-dratsy ianao’?+
19 Eo anefa Ilay tsy miangatra amin’ny andriana,
Sady tsy mba manaja ny olona ambony mihoatra noho ny olona ambany,+
Satria samy asan’ny tanany ireny.+
Ary lasa ny mahery nefa tsy nokasihin-tanana.+
23 Fa Andriamanitra tsy manondro fotoana
Hankanesan’ny olona eo anatrehany mba hotsaraina.
26 Asiany tehamaina toy ny famely olon-dratsy ireny
Eny imasom-bahoaka,+
27 Satria tsy nanaraka azy intsony ireny,+
Sady tsy niraharaha ny lalany rehetra.+
28 Koa tonga hatrany aminy ny fitarainan’ny olona ambany,
Ary reny ny fitarainan’ny ory.+
29 Raha mampisy filaminana izy, iza no hanameloka azy?
Ary raha manafina ny tavany izy,+ iza no hahita azy?
Mitovy ihany ny vokany na firenena manontolo+ no anaovany izany na olon-tokana.
31 Hisy hilaza toy izao amin’Andriamanitra ve:
‘Niaritra ny mafy aho, nefa tsy nanao ratsy.+
32 Koa ampianaro ahy izay tsy hitako.
Ary raha nisy ratsy nataoko,
Dia tsy hanao intsony aho’?+
33 Hamaly soa anao noho izay niaretanao ve izy, araka izay heverinao fa mety, satria fotsiny hoe mandà ny didim-pitsarany ianao,
Ary ianao no mifidy izany, fa tsy izaho?
Lazao àry izay fantatrao.
34 Hiteny amiko ny manam-pahalalana,+
Dia ny lehilahy tomady sy hendry izay mihaino ahy, ka hanao hoe:
35 ‘Miresaka momba ny zavatra tsy fantany i Joba,+
Ary hita amin’ny teniny fa tsy misaina tsara izy.’