Salamo
Hira fanehoana alahelo nohirain’i Davida ho an’i Jehovah, noho ny tenin’i Kosy Benjaminita.
7 Jehovah Andriamanitro ô,+ ianao no ialofako.+
Vonjeo aho tsy ho azon’izay rehetra manenjika ahy ka afaho,+
4 Na namaly ratsy an’izay nanisy soa ahy,+
Na nandroba an’izay te hanisy ratsy ahy nefa tsy nahavoa ahy,+
5 Dia aoka hanenjika ahy ny fahavalo+
Ka hahatratra ahy, ary hanosihosy ahy* eo amin’ny tany,
Sy hampietry ny voninahitro ho amin’ny vovoka. Sela.
6 Mitsangàna ao anatin’ny fahatezeranao, Jehovah ô,+
Mijoroa hanohitra an’ireo misafoaka amiko sy te hanisy ratsy ahy,+
Ary mifohaza hamonjy ahy,+ satria efa nandidy ny hampiharana ny rariny ianao.+
7 Aoka hanodidina anao ireo firenena.
Miverena any amin’ny avo, ka tohero ireny.
8 Hamoaka didim-pitsarana hampiharina amin’ireo firenena i Jehovah.+
Jehovah ô, tsarao aho araka ny fahamarinako+
Sy ny tsy fivadihako+ aminao.
9 Aoka re hifarana hatreo ny faharatsian’ny ratsy fanahy e!+
Ary aoka ianao hampaharitra ny olo-marina,+
Fa mizaha toetra ny fo+ sy ny voa+ ilay Andriamanitra manao ny rariny.+
10 Ny ampinga fiarovana ahy dia ao amin’Andriamanitra,+ izay Mpamonjy ny mahitsy fo.+
12 Raha tsy miova+ ny mpanao ratsy, dia handranitra ny sabany Andriamanitra,+
Hamatotra ny tadin-tsipìkany izy, ka hanomana azy hitifirana.+
14 Misy olona bevohoka faharatsiana,+
Ary fahoriana no miforona ao an-kibony, ka fitaka no haterany.+