Hosea
5 “Henoy izao, ry mpisorona,+ eny, mihainoa tsara, ry taranak’Israely ô, ary aoka ianareo izay anisan’ny ankohonan’ny mpanjaka+ hanongilan-tsofina, fa ianareo no hotsaraina. Ianareo mantsy lasa fandrika+ tany Mizpa, ary toy ny fandrika harato novelarina tao Tabara.+ 2 Efa be dia be+ ny fandripahana vitan’ireo mpaniasia. Koa nananatra azy rehetra aho.+ 3 Fantatro tsara i Efraima,+ ary tsy misy miafina amiko ny momba ny Israely.+ Ary ankehitriny, ry Efraima ô, dia manao firaisana amim-behivavy toy ny fanao amin’ny mpivaro-tena ianao.+ Ary efa nandoto tena ny Israely.+ 4 Misakana azy tsy hiverina amin’Andriamaniny ny zavatra ataony,+ satria mibahana ao an-tsainy ny fijangajangana+ ary tsy fantany i Jehovah.+ 5 Ny fireharehan’ny Israely dia vavolombelona manameloka azy,+ ary ny fahadisoan’ny Israely sy Efraima no mahalavo azy.+ Ary lavo miaraka aminy koa ny Joda.+ 6 Hitondra ny ondriny sy ny ombiny izy ireo ka handeha hitady an’i Jehovah, fa tsy hahita azy.+ Efa niala tamin’izy ireo mantsy izy. 7 Nivadika tamin’i Jehovah izy ireo,+ satria niteraka zaza hafa firenena.+ Koa ho ripaka ao anatin’ny iray volana izy ireo sy ny fananany.+
8 “Tsofy ao Gibea+ ny anjombona,+ ary tsofy ao Rama ny trompetra! Manaova hiakan’ady ao Beti-avena.+ Ao aorianao ao, ry Benjamina ô!+ 9 Higagan’ny olona ianao, ry Efraima, amin’ny andro famaizana.+ Azo antoka ny teny nolazaiko teo amin’ny fokon’ny Israely.+ 10 Nanjary toy ireo mampihemotra ny fetra mamaritra ny tanin’olona+ ny andrianan’ny Joda. Koa hararako aminy toy ny rano ny fahatezerako. 11 Ampahorina i Efraima sady torotoroina ara-drariny,+ satria nifidy ny hanaraka ny fahavalony izy.+ 12 Toy ny koroka+ aho ho an’i Efraima, ary toy ny zavatra lo aho ho an’ny taranak’i Joda.
13 “Hitan’i Efraima ny aretiny, ary hitan’i Joda ny feriny.+ Dia nankany Asyria i Efraima,+ sady nandefa iraka ho any amin’ny mpanjaka lehibe.+ Kanjo tsy nahasitrana anareo izy,+ sady tsy nanam-panafody hahafaka ny ferinareo.+ 14 Ho toy ny liona tanora aho ho an’i Efraima,+ ary ho toy ny liona tanora matanjaka ho an’ny taranak’i Joda. Izaho no hamiravira azy sy handeha hitondra azy. Ary tsy hisy hamonjy izy.+ 15 Handeha aho ka hiverina any amin’izay nisy ahy, mandra-panefany ny saziny.+ Dia hangataka hihaona amiko* izy.+ Ary hitady ahy izy+ rehefa azom-pahoriana mafy.”+