Hosea
7 “Isaky ny manasitrana ny Israely aho,+ dia miharihary ny fahadisoan’i Efraima+ sy ny ratsy ataon’i Samaria.+ Fa zatra mamitaka izy ireo.+ Miditra an-trano ny mpangalatra, ary ny mpandroba manafika any ivelany.+ 2 Tsy mba nieritreritra anefa izy ireo+ hoe hotsarovako ny faharatsiany rehetra.+ Efa manodidina azy ny ratsy ataony,+ ary eo anatrehako izany.+ 3 Ny faharatsiany no ampifaliany ny mpanjaka, ary ny famitahany no ampifaliany ny andriana.+ 4 Mpanitsakitsa-bady izy rehetra,+ sady toy ny lafaoro narehitry ny mpanao mofo, izay tsy misorona afo rehefa avy namolavola koba mandra-pitombon’ilay koba. 5 Tamin’ilay andron’ny mpanjakantsika, dia nankarary tena sady tezitra ireo andriana,+ noho ny herin’ny divay.+ Nifandray tanana tamin’ny mpaneso ny mpanjaka. 6 Fa ny fanirian’ny fon’izy ireo dia ataony miredareda,+ toy ny hoe ampanatoniny lafaoro.+ Eny, miredareda ao anatin’izy ireo izany. Matory mandritra ny alina ny mpanao mofony. Ary amin’ny maraina dia midedadeda ny afon’ilay lafaoro.+ 7 Lasa mahamay toy ny lafaoro izy rehetra, ary arapany ny mpitsarany. Lavo daholo ny mpanjakany.+ Ary tsy misy amin’izy ireo miantso ahy.+
8 “Mifangaroharo amin’ireo firenena i Efraima,+ ka lasa toy ny mofo boribory masaka ila noho izy tsy navadika.+ 9 Lanin’ny hafa firenena ny heriny,+ nefa tsy fantany akory.+ Ary fotsy daholo ny volony, nefa tsy fantany akory. 10 Ny fireharehan’ny Israely dia vavolombelona manameloka azy.+ Tsy miverina amin’i Jehovah Andriamaniny anefa izy ireo,+ sady tsy mitady azy, na eo aza izany rehetra izany.+ 11 Ary toy ny voromailala+ mora ambakaina sady tsy ampy saina+ i Efraima. Fa i Ejipta no nantsoiny,+ ary tany Asyria no nalehany.+
12 “Hovelariko hanarona azy ireo ny fandrika haratoko,+ na aiza na aiza alehany. Ary hampidiniko avy any ambony izy ireo toy ny voro-manidina.+ Hofaiziko koa izy araka ny efa nampitandremana ny fiangonany.+ 13 Hahita loza izy+ fa nandositra ahy!+ Ary horobaina izy fa nandika ny lalàko! Mba nanavotra azy aho,+ nefa nandainga momba ahy izy.+ 14 Tsy tena vokatry ny fony no niantsoany vonjy tamiko,+ na dia nidradradradra teo am-pandrianany aza izy. Nandany andro fotsiny tamin’ny fihinanan-kanina sy ny fisotroana divay mamy izy,+ ary nanohitra ahy.+ 15 Izaho nampianatra+ sy nanatanjaka azy,+ nefa izy nanao teti-dratsy hanoherana ahy.+ 16 Niverina izy ireo, nefa tsy niverina ho amin’izay avo.+ Toy ny tsipìka migoragora izy.+ Ho lavon-tsabatra ireo andrianany satria milaza+ fanamelohana. Hanesoana azy any Ejipta izany.”+