-
Deoteronomia 28:53-57Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
53 Dia hohaninao ny zanaka nomen’i Jehovah Andriamanitrao anao. Hohaninao tokoa ny nofon’ny zanakao lahy sy ny zanakao vavy,+ satria ho mafy be ilay fahirano sady hataon’ny fahavalonao mijalijaly ianao.
54 “Na ny lehilahy miaingitraingitra sy sarotsarotiny indrindra eo aminao aza tsy hiantra ny rahalahiny sy ny vady malalany ary ny zanany sisa miangana. 55 Tsy hisy hozarainy amin’izy ireo ny nofon-janany izay hohaniny, satria tsy manana na inona na inona intsony izy. Ho mafy be mantsy ilay fahirano sady hataon’ny fahavalonao mijalijaly ny olona ao an-tanànanao.+ 56 Ary ny vehivavy miaingitraingitra sy sarotsarotiny eo aminao, izay tsy te hanitsaka ny tany amin’ny faladiany akory fa miaingitraingitra be,+ dia tsy hiantra ny vady malalany na ny zanany lahy na ny zanany vavy, 57 satria tsy tiany homena azy ireo ny tavòny mivoaka avy eo anelakela-peny sy ny zaza naterany. Hohaniny mangingina mantsy ny zaza naterany sy ny tavòniny, satria ho mafy be ilay fahirano, sady hataon’ny fahavalonao mijalijaly ny olona ao an-tanànanao.
-