Mpitsara
21 Ary nianiana tany Mizpa+ ny lehilahy israelita hoe: “Tsy hisy amintsika ireto hanome ny zanany vavy ho vadin’ny lehilahy avy amin’ny fokon’i Benjamina.”+ 2 Nankany Betela+ àry ny olona, ka nipetraka teo anatrehan’ilay tena Andriamanitra mandra-paharivan’ny andro, sady nigogogogo nitomany be mihitsy. 3 Ary hoy izy ireo: “Jehovah Andriamanitry ny Israely ô, fa maninona no misy zavatra hoatr’izao eto Israely? Dia ho foana ve izany ny foko iray eto amin’ny Israely androany?” 4 Ary nifoha maraina ny olona ny ampitson’iny ka nanorina alitara teo, mba hanolorana fanatitra dorana sy fanatitra iombonana.+
5 Dia hoy ny vahoakan’Israely: “Iza tamin’ny foko rehetra teo amin’ny Israely no tsy tonga nivory teo anatrehan’i Jehovah?” Efa nianiana mantsy izy ireo hoe tsy maintsy hovonoina ho faty izay tsy niakatra teo anatrehan’i Jehovah tany Mizpa. 6 Nalahelo àry ny vahoakan’Israely noho izay nanjo ny fokon’i Benjamina rahalahiny. Hoy izy ireo: “Nisy foko iray fongotra teto amin’ny Israely androany. 7 Dia inona izany no tokony hataontsika mba hanomezana vady ho an’ireo sisa tavela? Isika mantsy efa nianiana tamin’ny anaran’i Jehovah+ hoe tsy hanome ny zanatsika vavy ho vadin’izy ireo.”+
8 Dia hoy izy ireo: “Iza tamin’ny fokon’ny Israely no tsy niakatra teo anatrehan’i Jehovah tany Mizpa?”+ Ary hitan’izy ireo fa tsy nisy tonga tao amin’ilay toby nisy ny fiangonana, ny olona avy any Jabesi-gileada. 9 Rehefa nisaina hoe firy ny olona, dia hitan’izy ireo fa tsy nisy tao ny mponin’i Jabesi-gileada na dia iray aza. 10 Koa naniraka lehilahy 12 000 faran’izay matanjaka ny vahoaka, mba handeha ho any. Nanome baiko azy ireo ny vahoaka hoe: “Mandehana ka asio amin’ny sabatra ny mponin’i Jabesi-gileada, hatramin’ny zaza amam-behivavy.+ 11 Ary izao atao: Aringano ny lehilahy rehetra, ary aringano koa ny vehivavy rehetra efa nanao firaisana tamin’ny lehilahy.” 12 Nahita zazavavy 400 mbola virjiny anefa izy ireo teo amin’ny mponin’i Jabesi-gileada. Mbola tsy nanao firaisana tamin’ny lehilahy mihitsy ireo zazavavy ireo. Dia nentiny tao an-toby tany Silo,+ tany amin’ny tany Kanana, izy ireo.
13 Dia naniraka olona ho any amin’ny Benjaminita tao amin’ny harambaton’i Rimona+ ny vahoaka manontolo, ary namitram-pihavanana taminy. 14 Niverina tany amin’ny taniny àry ny fokon’i Benjamina, tamin’izany fotoana izany. Dia nomen’izy ireo ho vadin’ny Benjaminita ireo zazavavy avy tao Jabesi-gileada,+ izay tsy novonoiny niaraka tamin’ireo vehivavy hafa tao. Tsy ampy anefa ny zazavavy hitan’izy ireo tao. 15 Dia nalahelo ny olona noho ny zavatra nanjo ny fokon’i Benjamina,+ satria nosarahin’i Jehovah tamin’ny foko hafa teo amin’ny Israely io foko io. 16 Dia hoy ny anti-panahy teo amin’ny vahoaka: “Inona no tokony hataontsika mba hanomezana vady ho an’ireo lehilahy sisa tavela ireo? Efa naripatsika mantsy ny vehivavy rehetra teo amin’ny fokon’i Benjamina.” 17 Hoy koa izy ireo: “Tokony hahazo lova ireo Benjaminita tsy maty ireo, mba tsy hisy foko ho fongana eo amin’ny Israely. 18 Isika anefa tsy mahazo manome ny zanatsika vavy ho vadin’izy ireo, satria efa nianiana ny vahoakan’Israely hoe: ‘Voaozona izay manome vady ho an’ny fokon’i Benjamina.’”+
19 Dia hoy izy ireo: “Misy fety ho an’i Jehovah atao isan-taona any Silo,+ any avaratr’i Betela, izany hoe eo atsinanan’ilay lalambe miakatra avy any Betela mankany Sekema, eo atsimon’i Lebona.” 20 Nomen’izy ireo baiko àry ny taranak’i Benjamina hoe: “Mandehana miafina ao amin’ny tanimboaloboka. 21 Rehefa hitanareo mivoaka handihy manao boribory ny tovovavy ao* Silo, dia mivoaha avy ao amin’ny tanimboaloboka, ka samia misambotra iray amin’ireo tovovavy ao Silo mba ho vadinareo. Ary mandehana miverina any amin’ny tanin’i Benjamina. 22 Raha tonga mitaraina atỳ aminay ny rainy na ny anadahiny, dia izao no holazainay aminy: ‘Tsara fanahy aminay ange ianareo raha manampy an-dry zareo e! Tsy afaka nanome vady ho azy ireo tsirairay mantsy izahay, satria tsy ampy ny vehivavy azonay tany an’ady.+ Sady ho meloka koa ianareo raha nanome vady ho an-dry zareo.’”+
23 Dia izany mihitsy no nataon’ny taranak’i Benjamina. Samy naka vady avy tamin’ireo vehivavy nandihy izy ireo, ary avy eo lasa niverina tany amin’ny lovany. Dia naoriny indray ny tanànany,+ ka nipetraka tao amin’ireny tanàna ireny izy ireo.
24 Dia niparitaka niala teo ny Israelita, tamin’izany fotoana izany, ka samy nankany amin’ny fokony sy ny fianakaviany avy. Niala teo izy ireo, ary samy nankany amin’ny lovany.
25 Tsy nisy mpanjaka teo amin’ny Israely tamin’izany andro izany,+ ary samy nanao izay noheveriny fa nety ny olona.