3 Efa maty i Samoela tamin’izay, ary efa nitomany azy ny Israely rehetra ka nandevina azy tao an-tanànany tao Rama.+ Ary efa nesorin’i Saoly tsy ho eo amin’ilay tany ny mpamoha angatra sy ny mpilaza ny hoavy.+
19 Mety hisy hiteny aminareo hoe: “Manontania mpamoha angatra+ na olona itoeran’ny fanahy mpilaza ny hoavy, izay samy manao feom-boronkely+ sy mibitsibitsika.” Tsy ny Andriamaniny anefa ve no tokony hanontaniany?+ Ny maty indray ve no hanontaniana mba hahasoa ny velona?+