-
1 Mpanjaka 8:43Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
43 dia enga anie ianao hihaino any an-danitra fonenanao,+ ka manaova araka izay rehetra iantsoan’ny vahiny anao,+ mba hahafantaran’ny firenena rehetra eto an-tany ny anaranao,+ sy hatahorany anao toy ny atahoran’ny Israely olonao anao, ary hahafantarany fa ny anaranao no efa nantsoina teto amin’ity trano naoriko ity!+
-
-
1 Mpanjaka 18:36Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
36 Tamin’ny fotoana+ fanolorana ny fanatitra varimbazaha, dia nanatona i Elia mpaminany ka nanao hoe: “Ry Jehovah Andriamanitr’i Abrahama+ sy Isaka+ ary Israely+ ô! Aoka ho fantatra anio fa ianao no Andriamanitra eo amin’ny Israely,+ ary izaho dia mpanomponao, ka araka ny teninao+ no nanaovako izao zavatra rehetra izao.
-
-
Daniela 3:29Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
29 Koa mamoaka didy aho+ fa izay vahoaka na firenena na olona avy amin’ny fiteny samy hafa ka miteny manohitra an’ilay Andriamanitr’i Sadraka sy Mesaka ary Abednego, dia hotapahina hatao tsy hisy rantsambatana intsony+ izy ary ny tranony hatao kabinem-bahoaka.+ Fa tsy misy andriamani-kafa mahavonjy toa azy.”+
-