-
Ezra 9:7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 Tena meloka izahay hatramin’ny andron’ny razanay+ ka mandraka androany.+ Ary noho ny fahadisoanay dia natolotra teo an-tanan’ireo mpanjakan’ny tany hafa izahay sy ny mpanjakanay+ ary ny mpisoronay,+ mba hovonoina amin’ny sabatra+ sy hoentina ho babo+ sy horobaina+ ary halam-baraka,+ toy ny amin’izao anio izao.
-
-
Nehemia 9:32Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
32 “Koa ankehitriny, ry Andriamanitray ô, ry Andriamanitra lehibe+ sy mahery+ ary mendrika hatahorana,+ izay manaja fifanekena+ sy maneho hatsaram-panahy feno fitiavana!+ Aza atao tsinontsinona+ re ny fahoriana rehetra nanjo anay+ sy ny mpanjakanay+ sy ny andriananay+ sy ny mpisoronay+ sy ny mpaminaninay+ sy ny razanay+ ary ny olonao rehetra, hatramin’ny andron’ireo mpanjakan’i Asyria ka mandraka androany.+
-