23 Tamin’ny farany, rehefa avy nandrava ny vahoaka izy, dia niakatra irery tany an-tendrombohitra mba hivavaka.+ Nitoetra irery tany izy na efa alina be aza ny andro.
36 Hoy i Jesosy:+ “Tsy anisan’ity tontolo ity ny fanjakako.+ Raha anisan’ity tontolo ity ny fanjakako, dia ho niady+ ny oloko mba tsy ho natolotra tamin’ny Jiosy aho. Tsy avy amin’izany anefa ny fanjakako.”
27 Izao no fivavahana madio+ sady tsy misy loto+ eo imason’Andriamanitra Raintsika: Ny mikarakara ny kamboty+ sy ny vehivavy mpitondratena+ amin’ny fahoriany,+ ary ny miaro tena hatrany tsy ho voapentimpentin’izao+ tontolo izao.+
4 Ry mpanitsakitsa-bady,+ tsy fantatrareo ve fa fandrafiana an’Andriamanitra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao?+ Koa na iza na iza te ho naman’izao+ tontolo izao, dia mitsangan-ko fahavalon’Andriamanitra izy.+