94 Ry Jehovah Andriamanitra mpamaly ny ratsy natao ô,+
Ry Andriamanitra mpamaly ny ratsy natao ô, mamirapirata!+
2 Mitsangàna, ry Mpitsara ny tany ô,+
Ka omeo ny valin’asany ireo manambony tena.+
3 Mandra-pahoviana, Jehovah ô?+
Mandra-pahoviana no ifalian’ny ratsy fanahy?+
4 Miboiboika tsy misy farany ny teniny, ary tsy voafehiny intsony ny lelany.+
Mizahozaho foana ny mpanao ratsy rehetra.+
5 Ataony torotoro ny olonao, Jehovah ô!+
Ary ampahoriny ny lovanao.+
6 Vonoiny ho faty ny mpitondratena sy ny mpivahiny,+
Aripany koa ny kamboty ray.+
7 Milaza foana izy hoe: “Tsy mahita i Jah,+
Ary tsy mahalala ny zava-misy ny Andriamanitr’i Jakoba.”+
8 Mba mieritrereta, ry tsy misaina,+
Ary ianareo adala, rahoviana ianareo vao hanam-pahalalana?+
9 Ilay nanao ny sofina indray ve no tsy handre?+
Ary Ilay namorona ny maso ve tsy hahita?+
10 Ilay manitsy an’ireo firenena ve tsy hananatra,+
Eny, tsy hananatra ve Ilay manome fahalalana ny olona?+
11 Fantatr’i Jehovah ny eritreritry ny olona fa zava-poana toy ny fofonaina.+
12 Sambatra izay olona anarinao,+ ry Jah ô,
Sy izay ampianarinao ny lalànao,+
13 Mba hahatonga azy hiadan-tsaina na dia amin’ny andro mahory aza,+
Mandra-pihady lavaka ho an’ny ratsy fanahy.+
14 Fa tsy hahafoy ny olony i Jehovah,+
Sady tsy handao ny lovany.+
15 Fa ho ara-drariny indray ny didim-pitsarana,+
Ary hankatò izany daholo ny olona mahitsy fo.
16 Iza no hitsangana hanampy ahy hanohitra ny ratsy fanahy?+
Iza no hiandany amiko hamely ny mpanao ratsy?+
17 Raha tsy nanampy ahy i Jehovah,+
Dia efa saika nitoetra tao amin’ny fanginana aho hoatr’izay.+
18 Rehefa nilaza aho hoe: “Hangozohozo ny tongotro”,+
Dia ny hatsaram-panahinao feno fitiavana no nanohana ahy, Jehovah ô!+
19 Rehefa nihabetsaka ny tebiteby tato anatiko,+
Dia ny fampiononanao no nanafosafo ahy.+
20 Hiray tsikombakomba aminao ve ireo mpitondra ratsy fanahy,+
Nefa mitetika ny hanisy ratsy amin’ny alalan’ny lalàna?+
21 Mamely mafy an’ireo olo-marina ireny,+
Ary lazainy fa meloka ny ran’ny tsy manan-tsiny.+
22 Ho tendrombohitra fandosirako anefa i Jehovah,+
Ary ho vatolampy fialofako ny Andriamanitro.+
23 Koa hatsingeriny eo an-dohan’ireny ny ratsy nataony,+
Ary ny haratsian’ireny ihany no handringanany azy.+
Haringan’i Jehovah Andriamanitsika tokoa ireny.+