Salamo
Miktama nataon’i Davida.
16 Arovy aho Andriamanitra ô, fa ianao no ialofako.+
2 Hoy aho tamin’i Jehovah: “Ianao no Jehovah. Tsy misy tombony ho anao ny hatsaran-toetrako,+
3 Fa misy tombony kosa izany, ho an’ny olona masina etỳ an-tany.
Izy ireo, eny, ireo be voninahitra, no tena mahafinaritra ahy.”+
4 Ho be ny fahorian’izay maika hanaraka andriamani-kafa.+
Tsy handraraka ny ra ataony fanatitra zava-pisotro+ aho,
Ary ny molotro tsy hanonona ny anarany.+
6 Toerana mahafinaritra no voafaritra ho ahy tamin’ny tady fandrefesana,+
Ary tena tiako ny fananako.
9 Koa faly ny foko, ary ravoravo avokoa izay rehetra misy voninahitra ato anatiko.+
Handry feizay koa ny nofoko.+