Salamo
Hiran’i Davida.
2 Enga anie ny vavaka ataoko ka ho voaomana tsara toy ny emboka manitra+ eo anatrehanao,+
Ary ny fanandratako ny tanako ho toy ny fanatitra varimbazaha fanolotra takariva!+
4 Aza avela haniry zava-dratsy ny foko+
Sao aho hivarilavo amin’ny fanaovana zavatra tena ratsy+
Miaraka amin’ny mpanao ratsy,+
Ka hihinana ny sakafo matsirony.+
5 Raha mamely ahy ny olo-marina, dia raisiko ho hatsaram-panahy feno fitiavana izany.+
Ary raha mananatra ahy izy, dia toy ny menaka ahosotra amin’ny loha izany+
Ka tsy holavin’ny lohako.+
Fa hivavaka ho azy mihitsy aza aho raha misy loza manjo azy.+
6 Atsipy avy eo amin’ny harambato ny mpitsara azy.+
Fa nandre ny teniko kosa izy ireo, ka mahafinaritra azy izany.+
7 Toy ny poti-kazo miparitaka eo amin’ny tany rehefa misy mamaky sy mikapa kitay,
8 Ianao anefa no andrandrain’ny masoko,+ Jehovah Tompo Fara Tampony+ ô!
Ianao no ialofako.+
Aza avela ho tapitra ny aiko.+