-
Deoteronomia 8:7-9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 Fa efa hampiditra anao ao amin’ilay tany tsara i Jehovah Andriamanitrao.+ Tany be renirano* izy io, sady misy loharano sy rano lalina mikoriana eny amin’ny tany lemaka sy ny faritra be tendrombohitra. 8 Tany misy varimbazaha koa izy io, sady misy vary orza, voaloboka, aviavy, ampongabendanitra,+ menak’oliva, ary tantely.+ 9 Tsy ho ory sakafo ianao ao amin’izany tany izany, sady tsy ho ory na inona na inona. Misy vy ny vato ao, ary ao amin’ny tendrombohitra ao ianao no hitrandraka varahina.
-