-
Eksodosy 16:3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 Niteny tamin’izy mirahalahy foana ny Israelita hoe: “Naleonay ihany matin’ny tanan’i Jehovah tany Ejipta, tamin’izahay nipetraka teo akaikin’ny vilany fandrahoan-kena,+ sady nihinana an’izay mofo laninay. Fa nentinareo atỳ an-tany efitra atỳ izahay izao, mba ho faty mosary ity fiangonana manontolo ity.”+
-
-
Nomery 14:2-4Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 Ary nimenomenona tamin’i Mosesy sy Arona ny Israelita rehetra.+ Dia nanohitra azy roa lahy ny vahoaka manontolo, hoe: “Naleonay maty tany Ejipta na tatỳ an-tany efitra! 3 Fa maninona isika no entin’i Jehovah ho any amin’izany tany izany, dia ho fatin’ny sabatra any?+ Ho lasa babo any ny vadintsika sy ny zanatsika.+ Tsy aleontsika ve miverina any Ejipta e?”+ 4 Nifampiresaka mihitsy aza izy ireo hoe: “Andao isika hanendry mpitarika, dia hiverina any Ejipta!”+
-