2 “Isao+ ny vahoaka manontolo, dia ny Israelita,* ka isao tsirairay* araka ny fianakaviany, sy araka ny fianakaviambeny, ary araka ny lisitry ny anaran’ny lehilahy rehetra.
10 Nanenina+ anefa i Davida rehefa voaisany ny vahoaka, ka nanameloka azy ny fony.* Niteny tamin’i Jehovah àry i Davida hoe: “Tena nanao fahotana lehibe+ aho tamin’iny zavatra nataoko iny. Mba avelao re ny fahadisoan’ny mpanomponao,+ Jehovah ô! Fa nanao hadalana be mihitsy+ aho.”
15 Nandefa areti-mandringana+ teo amin’ny Israely àry i Jehovah nanomboka ny maraina ka hatramin’ny fotoana voatondro. Dia 70 000 no maty+ hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba.+