-
Eksodosy 3:8Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
8 Hidina aho hamonjy azy ireo eo an-tanan’ny Ejipsianina.+ Dia hoentiko hiala amin’izany tany izany izy ireo, mba hiakatra ho any amin’ny tany tsara sady malalaka, dia tany tondra-dronono sy tantely,+ any amin’ny faritra misy ny Kananita, sy ny Hetita, sy ny Amorita, sy ny Perizita, sy ny Hivita, ary ny Jebosita.+
-
-
Deoteronomia 7:1Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 “Rehefa ampidirin’i Jehovah Andriamanitrao any amin’ilay tany efa halainao ho anao ianao,+ dia horoahiny hiala eo aminao koa ireto firenena be mponina ireto:+ Ny Hetita, ny Girgasita, ny Amorita,+ ny Kananita, ny Perizita, ny Hivita, ary ny Jebosita,+ izany hoe firenena fito be mponina sady mahery noho ianao.+
-