17 Ary nohenoin’Andriamanitra ny vavaka nataon’i Lea. Dia bevohoka izy ka niteraka zazalahy fahadimy tamin’i Jakoba. 18 Ary hoy i Lea: “Efa nomen’Andriamanitra ahy ny karamako,* satria nomeko ho an’ny vadiko ny mpanompovaviko.” Dia nataony hoe Isakara*+ ny anarany.
5 Ny fokon’i Isakara no hitoby eo akaikiny, ka i Netanela+ zanak’i Zoara no mpiadidy eo amin’ny taranak’i Isakara, 6 ary 54 400+ ireo voasoratra anarana ao amin’ny tafik’i Netanela.