14 Dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Soraty ao amin’ny boky izao mba ho tadidy,* sady lazao amin’i Josoa hoe: ‘Hofafako tanteraka tsy ho eny ambanin’ny lanitra ny Amalekita, ka tsy hotsarovana intsony.’”+
19 Rehefa arovan’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fahavalo rehetra manodidina anao ianao, ao amin’ilay tany homen’i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao sy ho fanananao,+ dia tokony hofafanao eny ambanin’ny lanitra ny fahatsiarovana ny Amalekita.+ Aza hadinoinao izany.
3 Mandehana àry, ka asio ny Amalekita+ ary aringano tanteraka+ izy ireo sy izay rehetra ananany. Aza avela hisy hiangana izy ireo* fa vonoy ho faty,+ na lehilahy na vehivavy, na ankizy na zaza, na omby na ondry, na rameva na ampondra.’”+