-
Deoteronomia 12:30, 31Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
30 Tandremo anefa sao voafandrika hanaraka ny fanaon-dry zareo ianao, rehefa aringan’Andriamanitra tsy ho eo anatrehanao ry zareo. Aza manontanintany momba ny andriamaniny, hoe: ‘Mba ahoana àry no fanaon’ireo firenena ireo rehefa manompo ny andriamaniny ry zareo? Mba hanao hoatr’izany koa aho.’+ 31 Rehefa manompo an’i Jehovah Andriamanitrareo kosa ianareo, dia aza manao hoatran’ny fanaon-dry zareo. Zavatra maharikoriko an’i Jehovah sy halany daholo mantsy no ataon-dry zareo amin’ny andriamaniny, fa na ny zanany lahy sy ny zanany vavy aza dorany ao anaty afo ho an’ny andriamaniny.+
-
-
Deoteronomia 18:9-11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 “Rehefa tafiditra ao amin’ilay tany homen’i Jehovah Andriamanitrao anao ianao, dia aza mianatra* ny zava-maharikoriko fanaon’ireny firenena ireny.+ 10 Tsy tokony hisy eo aminao mihitsy ny olona mandoro* ny zanany lahy na ny zanany vavy ao anaty afo,+ na manao sikidy,*+ na mampiasa herin’ny maizina,*+ na mitady fambara,+ na milalao ody,+ 11 na mamosavy, na mankany amin’ny mpamoha angatra*+ na mpilaza ny hoavy,+ na olona manontany amin’ny maty.+
-