-
Deoteronomia 6:10-12Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
10 “Rehefa entin’i Jehovah Andriamanitrao any amin’ilay tany efa nianianany tamin’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razambenao hoe homena anao ianao,+ dia hahazo tanàna lehibe sady tsara tarehy izay tsy naorinao.+ 11 Hahazo trano feno zavatra tsara isan-karazany izay tsy nisasaranao koa ianao, sy lavaka fanangonan-drano tsy nolavahanao, sy tanimboaloboka tsy novolenao, ary hazo oliva tsy nambolenao. Dia hihinana ianao ka ho voky.+ 12 Tandremo anefa sao hadinoinao i Jehovah,+ ilay nitondra anao nivoaka avy tany Ejipta, avy tany amin’ny toerana nanandevozana anao.
-
-
Joba 31:28Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
28 Dia fahadisoana tokony hahazoana sazy avy amin’ny mpitsara izany,
Satria ho nanda an’ilay tena Andriamanitra any ambony aho.
-