-
Jeremia 12:1-3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 Manao ny rariny ianao, Jehovah ô,+ rehefa mitaraina aminao aho
Sy rehefa miresaka aminao momba ny fanaovana ny rariny.
Nahoana anefa no mahomby ny ratsy fanahy,+
Ary nahoana ny mpivadika no tsy mba manana ahiahy?
2 Nambolenao izy ireny ka miorim-paka.
Mitombo izy ireny ary mamoa.
Tsy afaka am-bavany ianao, nefa lavitry ny fony.*+
3 Fa ianao kosa, Jehovah ô, mahalala tsara ahy+ sady mahita ahy.
Nodinihinao ny foko ka hitanao fa mifikitra aminao.+
Avaho toy ny ondry hovonoina izy ireny,
Ary atokàny ho amin’ny andro famonoana.
-