-
1 Korintianina 2:9, 10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 Fa araka ny voasoratra hoe: “Mbola tsy hitan’ny maso na henon’ny sofina, na nitsiry tao am-pon’ny olona ny zavatra nomanin’Andriamanitra ho an’izay tia azy.”+ 10 Fa tamintsika no nampihariharian’Andriamanitra an’izany+ tamin’ny alalan’ny fanahiny.+ Ny fanahy mantsy mikaroka ao anatin’ny zava-drehetra, na dia ny zava-dalin’Andriamanitra aza.+
-
-
Efesianina 1:9-12Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 rehefa nampahafantariny antsika ilay zava-miafina masina+ momba ny sitrapony. Mahafinaritra azy izany zava-miafina izany, sady mifanaraka amin’ilay fikasany, 10 dia ny hoe hanisy fitantanan-draharaha* rehefa tapitra tanteraka ny fotoana voatondro. Amin’izay dia hangonina ho ao amin’i Kristy daholo ny zava-drehetra, izany hoe ny zavatra any an-danitra sy ny zavatra eto an-tany.+ 11 Tafaray aminy izahay sady nofidina mba ho mpiara-mandova aminy.+ Izahay mantsy efa notendrena mialoha araka ny fikasan’Ilay manatanteraka ny zava-drehetra araka izay tiany sy mifanaraka amin’ny sitrapony. 12 Amin’izay dia hanome voninahitra sy hidera an’Andriamanitra izahay, fa izahay no voalohany nanantena an’i Kristy.
-
-
Kolosianina 1:26, 27Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
26 anisan’izany ilay zava-miafina masina+ nafenina efa hatramin’ny fotoana nisian’izao tontolo izao*+ sy hatramin’ireo taranaka tany aloha. Efa naharihary tamin’ny olony masina kosa anefa ilay izy izao.+ 27 Ary tian’Andriamanitra hampahafantarina azy ireo ilay zava-miafina masina,+ izay harena be voninahitra, sady tiany hampahafantarina eo amin’ireo firenena koa. Ilay zava-miafina dia hoe tafaray aminareo i Kristy, izany hoe manantena ianareo fa homem-boninahitra miaraka aminy.+
-