Amosa
3 “Henoy izao teny nolazain’i Jehovah momba anareo izao, ry vahoakan’Israely ô, dia teny momba ilay fianakaviana manontolo izay nentiny niakatra avy tany Ejipta:
2 ‘Ianareo ihany no fantatro tamin’ny fianakaviana rehetra eny ambonin’ny tany.+
Koa hosaziko ianareo noho ny fahadisoana rehetra nataonareo.+
3 Hiara-mandeha ve ny olona roa, raha tsy efa nifanao fotoana?*
4 Hierona any an’ala ve ny liona, raha tsy misy haza?
Hierona avy ao amin’ny lavaka ipetrahany ve ny liona tanora, raha tsy nahazo na inona na inona?
5 Ho latsaka ao anaty fandrika eo amin’ny tany ve ny vorona, raha tsy nisy nametraka fandrika?*
Hiainga ho azy avy eo amin’ny tany ve ny fandrika, raha tsy nahazo na inona na inona?
6 Raha tsofina ao an-tanàna ny anjombona, tsy hangovitra ve ny olona?
Raha misy loza ao an-tanàna, tsy i Jehovah ve no nahatonga izany?
7 Tsy hanao na inona na inona mantsy i Jehovah Tompo Fara Tampony,
Raha tsy efa nampahafantatra ny tsiambaratelony tamin’ny mpaminany mpanompony.+
8 Mierona ny liona,+ ka iza no tsy hatahotra?
I Jehovah Tompo Fara Tampony no miteny, ka iza no tsy haminany?’+
9 ‘Izao lazaina eny amin’ny tilikambo voaro mafy ao Asdoda,
Sy eny amin’ny tilikambo voaro mafy any Ejipta:
“Mivoria eo amin’ny tendrombohitr’i Samaria,+
Ary jereo fa mikorontana be ny ao an-tanàna,
Sady feno olona mpanambaka.+
10 Tsy mahalala hanao izay tsara izy ireo”, hoy i Jehovah,
“Nahery setra sy nandravarava izy ireo ka nahazo harena, ary tehiriziny ao amin’ny tilikambony voaro mafy ireny.”’
11 Izao àry no tenin’i Jehovah Tompo Fara Tampony:
‘Hisy fahavalo hanodidina ny taninao,+
Ka hataony izay hahalany ny herinao,
Dia ho voaroba ireo tilikambonao voaro mafy.’+
12 Izao koa no tenin’i Jehovah:
‘Rehefa misintona ondry avy eo am-bavan’ny liona ny mpiandry, dia ny tongony roa na ampahany kely amin’ny sofiny sisa no azony.
Dia hoatr’izany koa fa ho vitsy kely no ho voavonjy amin’ny vahoakan’Israely,
Amin’ireo mipetrapetraka eo ambony fandriana tsara tarehy sy eo amin’ny seza lava tsara be,* ao Samaria.’+
13 ‘Mihainoa ka ampitandremo* ny taranak’i Jakoba’, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony sady Andriamanitry ny tafika.
14 ‘Fa amin’ny andro hanasaziako ny Israely noho izy nikomy* foana,+
Dia hopotehiko koa ireo alitara ao Betela,+
Ary hotapahiko ny tandroky ny alitara ka ho latsaka amin’ny tany.+
15 Harodako ny trano ririnina sy ny trano fahavaratra.’