Amosa
3 “Henoy izao teny nolazain’i Jehovah momba anareo izao,+ ry zanak’Israely ô, dia teny momba ilay fianakaviana manontolo izay nentiko niakatra avy tany Ejipta:+ 2 ‘Ianareo ihany no fantatro+ tamin’ny fianakaviana rehetra ambonin’ny tany.+ Koa hataoko ampamoaka ianareo noho ny fahadisoana rehetra nataonareo.+
3 “‘Hiara-mandeha ve ny olon-droa, raha tsy efa nifanao fotoana?+ 4 Hierona any an’ala ve ny liona, raha tsy nahazo remby?+ Hanandratra ny feony avy ao amin’ny fiafenany ve ny liona tanora, raha tsy nahazo na inona na inona? 5 Ho latsaka ao anaty fandrika eo amin’ny tany ve ny vorona, raha tsy nisy ilay fandrika?+ Hiakatra ho azy avy eo amin’ny tany ve ny fandrika, raha tsy nahazo na inona na inona? 6 Raha tsofina ao an-tanàna ny anjombona, tsy hangovitra ve ny olona?+ Raha misy loza ao an-tanàna, tsy i Jehovah ve no nahatonga izany? 7 Tsy hanao na inona na inona mantsy i Jehovah Tompo Fara Tampony, raha tsy efa nampahafantatra ny tsiambaratelony tamin’ny mpaminany mpanompony.+ 8 Misy liona mierona,+ ka iza no tsy hatahotra? I Jehovah Tompo Fara Tampony no miteny, ka iza no tsy haminany?’+
9 “‘Ambarao eny amin’ny tilikambo fonenana ao Asdoda sy eny amin’ny tilikambo fonenana any Ejipta+ izao: “Miangòna hamely ny tendrombohitr’i Samaria,+ ary jereo ny fikorontanana maro eo anivony sy ny fanambakana ao aminy.+ 10 Tsy mahalala hanao izay mahitsy izy ireo”,+ hoy i Jehovah, “eny, ireo izay mitahiry herisetra+ sy fandrobana ao amin’ny tilikambo fonenany.”’
11 “Koa izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘Misy fahavalo manodidina ny taninao,+ ary hampihena ny herinao izy, ka ho voaroba ireo tilikambo fonenana eo aminao.’+
12 “Izao no nolazain’i Jehovah: ‘Toy ny ataon’ny mpiandry ondry misintona ranjo roa na sombin-tsofina avy eny am-bavan’ny liona,+ dia toy izany no hisintonana ny zanak’Israely, eny, ireo any Samaria izay mipetraka eo ambony farafara mirenty+ sy eo ambony fandriana+ avy any Damaskosy.’
13 “‘Mihainoa ka mitoria+ eo amin’ny taranak’i Jakoba’, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony sady Andriamanitry ny tafika. 14 ‘Fa amin’ny andro hanaovako ampamoaka+ ny Israely noho ny nikomiany, dia hataoko ampamoaka koa ireo alitara ao Betela.+ Ary hotapahina ny tandroky ny alitara ka ho latsaka amin’ny tany.+ 15 Dia horavako ny trano ririnina+ sy ny trano fahavaratra.’+
“‘Tsy hisy intsony ny trano ivoara,+ ary trano maro no ho rava’,+ hoy i Jehovah.”