Nosoratan’i Marka
4 Nampianatra teo amoron-dranomasina indray izy, ary nisy vahoaka be nitangorona teo akaikiny. Niakatra tao an-tsambokely àry izy dia nipetraka. Nihataka kely ny morony izy, fa ny vahoaka rehetra kosa teo amoron-dranomasina.+ 2 Dia nanomboka nampianatra azy ireo zavatra be dia be izy sady nanao fanoharana,+ ka nilaza taminy hoe:+ 3 “Henoy izao: Nivoaka mba hamafy ny mpamafy.+ 4 Tamin’izy namafy, dia latsaka teny amoron-dalana ny voa sasany, ka tonga ny vorona nihinana an’ireny. 5 Ny voa hafa kosa latsaka teny amin’ny toerana be vato, izay tsy nisy nofon-tany firy. Tonga dia naniry ireo voa ireo satria tsy lalina ny nofon-tany.+ 6 Rehefa niposaka anefa ny masoandro, dia main’ny masoandro ireo voa nitsimoka ireo ka nalazo satria tsy nisy fakany. 7 Ny voa sasany indray latsaka teny amin’ny tsilo. Ary naniry ny tsilo dia nandrakotra an’ireny, ka tsy namoa ireny.+ 8 Ny voa hafa kosa latsaka teny amin’ny tany tsara ary naniry ka nitombo, dia nanomboka namoa avo 30 heny sy 60 heny ary 100 heny.”+ 9 Hoy koa izy: “Izay manan-tsofina hihainoana, aoka izy hihaino.”+
10 Rehefa irery izy, dia nanomboka nanontany azy momba an’ireo fanoharana+ ireo ny mpianatra sasany sy izy 12 Lahy. 11 Ary hoy izy tamin’ireo: “Ianareo no navela hahazo ny dikan’ny zava-miafina masina+ momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Fa amin’ny olon-kafa kosa, dia ataoko fanoharana daholo ny zava-drehetra ampianariko azy,+ 12 mba hijery izy fa tsy hahita, ary haheno fa tsy hahazo ny dikan’ny zavatra henony. Tsy hiverina amin’Andriamanitra mihitsy koa izy ka tsy hahazo famelan-keloka.”+ 13 Hoy koa izy tamin’ireo: “Iny fanoharana iny aza tsy azonareo ny dikany, dia ahoana no hahazoanareo ny dikan’ny fanoharana hafa rehetra?
14 “Ilay mpamafy dia mamafy ny teny.+ 15 Ireo teny amoron-dalana àry dia izay namafazana ny teny, nefa raha vao mandre an’izany izy, dia tonga i Satana+ manala an’ilay teny nafafy tao aminy.+ 16 Eo koa ireo nafafy teny amin’ny toerana be vato: Raha vao mandre ny teny izy, dia faly erỳ manaiky an’ilay izy.+ 17 Tsy mamaka ao aminy anefa ny teny, fa maniry mandritra ny fotoana fohy ihany. Raha vao tratran’ny zava-tsarotra na fanenjehana àry izy noho izy nanaiky ny teny, dia mihemotra. 18 Mbola misy hafa koa nafafy teny amin’ny tsilo. Tsy iza ireo fa izay mandre ny teny,+ 19 saingy lasa mibahana tsikelikely ao am-pony ny fanahiana+ eto amin’izao tontolo izao* sy ny famitahan’ny harena+ ary ny faniriana+ zavatra hafa, ka tototr’izany rehetra izany ny teny dia tsy mamoa. 20 Farany, ireo voa nafafy teny amin’ny tany tsara dia izay mihaino ny teny ka mandray tsara an’ilay izy dia mamoa avo 30 heny sy 60 heny ary 100 heny.”+
21 Ary hoy ihany izy tamin’ireo: “Angaha ny jiro apetraka ao ambany sobika* na ao ambany fandriana, fa tsy eo amin’ny fitoeran-jiro?+ 22 Fa tsy misy zavatra afenina ka hoe tsy haseho, ary tsy misy zavatra tsara afina ka hoe tsy hiharihary.+ 23 Izay manan-tsofina hihainoana, aoka izy hihaino.”+
24 Hoy koa izy tamin’ireo: “Henoy tsara izay henonareo.+ Araka izay famarana ampiasainareo no hamarana ho anareo, ary hahazo fanampiny aza ianareo. 25 Izay manana mantsy dia homena betsaka kokoa.+ Fa izay tsy manana kosa, na izay ananany aza dia halaina aminy.”+
26 Ary hoy indray izy: “Ny Fanjakan’Andriamanitra dia tahaka ny lehilahy iray manipy voa amin’ny tany. 27 Matory izy amin’ny alina ary mifoha amin’ny maraina. Ary maniry ireo voa ka mitombo, nefa tsy fantany hoe amin’ny fomba ahoana. 28 Maniry tsikelikely avy ao anaty tany ny voa, dia mipoitra aloha ny tahony, dia avy eo ny salohiny, ary farany feno voa ny salohiny. 29 Raha vao masaka anefa ny vokatra, dia jinjainy amin’ny antsy fijinjana satria tonga ny fotoam-pijinjana.”
30 Ary hoy ihany izy: “Azontsika ampitahaina amin’inona ny Fanjakan’Andriamanitra, ary fanoharana inona no anazavantsika azy? 31 Hoatran’ny voan-tsinapy* izy io. Io voa io no kely indrindra amin’ny voa rehetra eto an-tany,+ amin’ny fotoana amafazana azy. 32 Rehefa voafafy anefa izy, dia maniry ka lasa lehibe noho ny anana hafa rehetra sady misy rantsany vaventy. Afaka manao ny akaniny eo àry ny voro-manidina sady mialokaloka eo.”
33 Nanao fanoharana+ be dia be hoatr’izany izy rehefa nitory ny teny tamin’ny olona, arakaraka izay takatry ny sain’izy ireo. 34 Tsy niteny tamin’izy ireo tokoa izy raha tsy tamin’ny fanoharana, nefa nohazavainy tamin’ny mpianany daholo ny zava-drehetra rehefa nitokana izy ireo.+
35 Tamin’iny andro iny ihany, rehefa hariva ny andro, dia hoy izy tamin’ny mpianany: “Andao ho eny ampita.”+ 36 Dia noravan’ireo ny vahoaka, ary tonga dia nentiny tamin’ny sambokely i Jesosy. Nisy sambokely hafa koa niaraka taminy.+ 37 Ary nisy tafio-drivotra mahery, dia niantonta tsy an-kijanona tao anaty sambokely ny onja, ka saika feno rano ilay sambokely.+ 38 Natory niondana teo amin’ny vodisambo anefa i Jesosy. Dia nofohazin’izy ireo izy sady noteneniny hoe: “Mpampianatra ô, tsy mampaninona anao ve izao isika ho faty izao?” 39 Dia nitsangana izy ka noteneniny mafy ny rivotra, sady hoy izy tamin’ny ranomasina: “Aoka izay! Mangìna!”+ Dia nitsahatra ny rivotra ka lasa tony tsara ny andro. 40 Ary hoy izy tamin’izy ireo: “Nahoana ianareo no saro-tahotra?* Mbola tsy manam-pinoana ihany ve ianareo?” 41 Natahotra be anefa izy ireo, ary nifampiresaka hoe: “Iza marina àry izy ity e? Fa na ny rivotra sy ny ranomasina aza mankatò azy.”+