Nehemia
11 Nipetraka tao Jerosalema ny andrianan’ny vahoaka.+ Ary nanao antsapaka+ ny vahoaka mba hahitana hoe isaky ny fianakaviana folo, dia fianakaviana iza no hipetraka ao Jerosalema tanàna masina. Ny fianakaviana sivy ambiny kosa hijanona any amin’ny tanàna hafa. 2 Dia noderain’ny vahoaka ny lehilahy rehetra nanolo-tena hipetraka tao Jerosalema.
3 Nipetraka tao Jerosalema ireo filohan’ny faritany. Ny sisa tamin’ny Israely kosa, izany hoe ny mpisorona sy ny Levita sy ny mpanompo tao amin’ny tempoly*+ ary ireo zanaky ny mpanompon’i Solomona,+ dia nipetraka tany amin’ny tanàna hafa tany Joda, teo amin’ny lovany sy ny tanànany avy.+
4 Nisy avy tamin’ny fokon’i Joda sy Benjamina koa nipetraka tao Jerosalema. Ireto avy ny filohan’ny faritany: Ny avy tamin’ny fokon’i Joda dia i Ataia zanak’i Ozia, zanak’i Zakaria, zanak’i Amaria, zanak’i Sefatia, zanak’i Mahalalila, avy tamin’ny taranak’i Pereza;+ 5 sy Mahaseia zanak’i Baroka, zanak’i Kola-hoze, zanak’i Hazaia, zanak’i Adaia, zanak’i Joariba, zanak’i Zakaria, avy tamin’ny fianakavian’ny Selita. 6 Nisy 468 ny taranak’i Pereza nipetraka tany Jerosalema, ary lehilahy matanjaka izy ireo.
7 Ny avy tamin’ny fokon’i Benjamina dia i Salo+ zanak’i Mesolama, zanak’i Joeda, zanak’i Pedaia, zanak’i Kolaia, zanak’i Mahaseia, zanak’i Itiela, zanak’i Jesaia; 8 nanarakaraka azy ny ankohonan’i Gabay sy Salay, izay nisy 928; 9 sy Joela zanak’i Zikry izay mpiandraikitra azy ireo, ary Joda zanak’i Hasenoa mpiandraikitra lefitry ny tanàna.
10 Ny avy tamin’ny mpisorona dia i Jedaia zanak’i Joariba, Jakina,+ 11 Seraia zanak’i Hilkia, zanak’i Mesolama, zanak’i Zadoka, zanak’i Meraiota, zanak’i Ahitoba+ mpitarika tao an-tranon’ilay* tena Andriamanitra; 12 sy ny rahalahin’izy ireo izay nanao ny asa tao amin’ilay trano, izay nisy 822; sy Adaia zanak’i Jerohama, zanak’i Pelalia, zanak’i Amzy, zanak’i Zakaria, zanak’i Pasora,+ zanak’i Malkia, 13 sy ireo rahalahiny izay lohan’ny fianakaviambe, izay nisy 242; sy Amasay zanak’i Azarela, zanak’i Ahazay, zanak’i Mesilemota, zanak’i Imera, 14 ary ny rahalahiny izay lehilahy matanjaka sy be herim-po, izay nisy 128. I Zabdiela, izay anisan’ny fianakaviana manan-kaja, no mpiandraikitra azy ireo.
15 Ary ny avy tamin’ny Levita dia i Semaia+ zanak’i Hasoba, zanak’i Azrikama, zanak’i Hasabia, zanak’i Bony; 16 sy Sabetahy+ sy Jozabada+ izay samy filohan’ny Levita sady niandraikitra ny raharaha tany ivelan’ny tranon’ilay tena Andriamanitra; 17 sy Matania+ mpitarika ny antoko-mpihira sy nitarika ny fiderana tamin’ny fotoanan’ny vavaka,+ izany hoe i Matania zanak’i Mika, zanak’i Zabdy, zanak’i Asafa;+ sy Bakbokia mpiandraikitra lefitra teo amin’ny rahalahiny, ary Abda zanak’i Samoa, zanak’i Galala, zanak’i Jedotona.+ 18 Nisy 284 ny Levita rehetra tao amin’ilay tanàna masina.
19 Ny mpiandry vavahady dia i Akoba sy Talmona+ ary ny rahalahiny, izay niambina teo amin’ny vavahady. Nisy 172 izy ireo.
20 Samy tao amin’ny tany nolovany,* tany amin’ny tanàna hafa rehetra tao Joda ny sisa tamin’ny Israely sy ny mpisorona ary ny Levita. 21 Nipetraka tany Ofela+ kosa ny mpanompo tao amin’ny tempoly,*+ ka i Ziha sy Gispa no niandraikitra azy ireo.
22 I Ozy zanak’i Bany, zanak’i Hasabia, zanak’i Matania,+ zanak’i Mika, avy tamin’ny taranak’i Asafa izay samy mpihira, no mpiandraikitra ny Levita tao Jerosalema. Izy no niandraikitra ny asa tao an-tranon’ilay tena Andriamanitra. 23 Efa namoaka didy momba azy ireo ny mpanjaka,+ ary nisy fandaharana raikitra hoe homena izay ilainy isan’andro ny mpihira. 24 Ary i Petahia, zanak’i Mesezabela, taranak’i Zera, zanak’i Joda, no mpanolo-tsain’ny mpanjaka* momba ny raharaha rehetra nahakasika ny vahoaka.
25 Ireto avy ny tanàna kely tany ambanivohitra nipetrahan’ny sasany tamin’ny fokon’i Joda: I Kiriata-arba+ sy ny tanàna niankina taminy,* Dibona sy ny tanàna niankina taminy, Jekabzela+ sy ny tanàna keliny, 26 Jesoa, Molada,+ Beti-paleta,+ 27 Hazara-soala,+ Beri-sheba sy ny tanàna niankina taminy,* 28 Ziklaga,+ Mekona sy ny tanàna niankina taminy,* 29 En-rimona,+ Zora,+ Jarmota, 30 Zanoa+ sy Adolama ary ny tanàna keliny, Lakisy+ sy ny sahany, ary Azeka+ sy ny tanàna niankina taminy.* Hatrany Beri-sheba ka hatrany amin’ny Lohasahan’i Hinoma izy ireo no nipetraka.*+
31 Ny fokon’i Benjamina kosa tany Geba,+ Mikmasy, Aia, Betela+ sy ny tanàna niankina taminy,* 32 Anatota,+ Noba,+ Anania, 33 Hazora, Rama,+ Gitaima, 34 Hadida, Zeboima, Nebala, 35 Loda, ary Ono,+ ilay lohasahan’ny* mpanao asa tanana. 36 Ary notendrena nankany amin’ny tanin’ny Benjamina ny Levita sasany avy tany Joda.